Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loza Voajanahary—Porofo ve Ireny fa Ratsy Fanahy Andriamanitra?

Loza Voajanahary—Porofo ve Ireny fa Ratsy Fanahy Andriamanitra?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? “Andriamanitra no mitondra an’izao rehetra izao ka tsy maintsy hoe izy no mahatonga ny loza voajanahary. Ratsy fanahy be izy.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Iza “ilay ratsy”? Milaza ny Baiboly fa i Satana izy io. (Matio 13:19; Marka 4:15) Raha i Satana àry no mpitondra an’izao tontolo izao, tsy hotaominy ho tia tena sy hanaonao foana hoatr’azy koa ve ny olona? Tsy izany ve no mahatonga ny olona hanimba ny tontolo iainana? Be dia be ny manam-pahaizana milaza fa ny fanimbana ny tontolo iainana no anisan’ny mahatonga ny loza voajanahary, na mahatonga azy ireny hihamampidi-doza.

Nahoana àry Andriamanitra no mamela an’i Satana hanana fahefana be hoatr’izany? Ho fantatsika izany raha mandinika izay nitranga tany am-piandohana isika. Tsy nanaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra i Adama sy Eva tamin’izay. Nikomy koa ny ankamaroan’ny olona taorian’izay. Lasa teo ambany fahefan’i Satana, fahavalon’Andriamanitra, ny olona noho izany safidiny izany. “Mpitondra an’izao tontolo izao” àry no niantsoan’i Jesosy an’i Satana. (Jaona 14:30) Soa ihany anefa fa tsy haharitra ny fitondrany.

Tsy hoe mafy fo akory i Jehovah * ka tsy miraharaha ny fijaliana vokatry ny fitondran’i Satana. Malahelo be aza izy mahita ny olona mijaly. Izao, ohatra, no lazain’ny Baiboly momba azy rehefa nijaly ny Israelita: “Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo.” (Isaia 63:9) Soa ihany fa kely sisa Andriamanitra dia hanafoana ny fitondran’i Satana. Nanendry an’i Jesosy Kristy Zanany izy mba ho Mpanjaka mandrakizay sy hanao ny rariny.

NAHOANA IANAO NO MILA MAMANTATRA NY MARINA? Tsy mahavita miaro ny olona amin’ny loza voajanahary i Satana, na dia izy aza no mitondra an’izao tontolo izao. I Jesosy kosa no hanao izany rehefa hitondra ny tany izy. Niaro ny mpianany izy, indray mandeha, rehefa nisy tafio-drivotra mahery. ‘Niteny mafy ny rivotra izy sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: “Mangìna! Mitonia!” Dia nitsahatra ny rivotra ka nanjary tony dia tony ny andro.’ Hoy ny mpianany tamin’izay: “Fa iza marina àry izy ity, fa hatramin’ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy?” (Marka 4:37-41) Afaka matoky àry isika fa hiaro ny olombelona mankatò i Jesosy, rehefa ho lasa Mpanjaka hitondra ny tany.—Daniela 7:13, 14.

^ feh. 5 Jehovah no anaran’Andriamanitra araka ny Baiboly.