Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Tsara ny Andraikitrao Amin’ny Maha Mpitory Anao

Ataovy Tsara ny Andraikitrao Amin’ny Maha Mpitory Anao

“Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.”—2 TIM. 4:5.

1. Nahoana no lazaina fa i Jehovah no mpitory ny vaovao tsara voalohany indrindra?

I JEHOVAH ANDRIAMANITRA no mpitory ny vaovao tsara voalohany indrindra. Vao avy nikomy i Adama sy Eva, dia nilaza vaovao tsara avy hatrany izy. Nilaza izy fa horinganina ilay menarana, izay tsy iza fa i Satana Devoly. (Gen. 3:15) Nampahafantarin’i Jehovah koa tatỳ aoriana hoe ahoana no hataony mba tsy hahafa-baraka ny anarany intsony, ahoana no hamahany an’ireo olana napoitran’i Satana, ary ahoana no hahafahan’ny olombelona hahazo indray an’ireo fitahiana nafoin’i Adama sy Eva. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly izany rehetra izany.

2. a) Nahoana ny anjely no lazaina hoe mpitory ny vaovao tsara? b) Inona no modely navelan’i Jesosy ho an’ny mpitory?

2 Mpitory ny vaovao tsara koa ny anjely. Tsy vitan’ny hoe manambara vaovao tsara anefa izy ireo, fa manampy ny hafa koa mba hampiely ny vaovao tsara. (Lioka 1:19; 2:10; Asa. 8:26, 27, 35; Apok. 14:6) Ary ahoana ny amin’i Mikaela arkanjely, dia i Jesosy? Mpitory ny vaovao tsara koa izy. Io asa io no zava-dehibe indrindra taminy tamin’izy tetỳ an-tany, ary tokony hanahaka azy isika.—Lioka 4:16-21.

3. a) Inona ny vaovao tsara torintsika? b) Inona ny fanontaniana mahaliana antsika mpitory?

3 Nandidy ny mpianany i Jesosy mba hitory ny vaovao tsara. (Mat. 28:19, 20; Asa. 1:8) Nampirisika an’i Timoty koa ny apostoly Paoly hoe: “Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.” (2 Tim. 4:5) Inona ny vaovao tsara torin’ny mpanara-dia an’i Jesosy? Anisan’io vaovao tsara io ny hoe tia antsika i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. (Jaona 3:16; 1 Pet. 5:7) Fomba lehibe iray ampisehoan’i Jehovah izany fitiavana izany ny nanorenany Fanjakana iray. Faly àry isika mampahafantatra amin’ny olona hoe raha manaiky an’io Fanjakana io izy  ireo, mankatò an’Andriamanitra, ary manao ny tsara, dia ho afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra izy ireo ary hinamana aminy. (Sal. 15:1, 2) Hofoanan’i Jehovah aza ny fijaliana rehetra, rehefa hitondra io Fanjakany io, ary hataony tsy malahelo intsony isika rehefa mahatsiaro ny fijaliantsika taloha. Tena vaovao tsara tokoa izany! (Isaia 65:17) Hodinihintsika anefa hoe: Nahoana no tena mila mandre ny vaovao tsara ny olona ankehitriny? Ary ahoana no hahitantsika fahombiazana eo amin’ny asa fitoriana ataontsika?

Manampy ny olona hisaintsaina ny zavatra inoany ny fanontaniana

NAHOANA NY OLONA NO MILA MANDRE NY VAOVAO TSARA?

4. Inona ny lainga ampianarina ny olona momba an’Andriamanitra?

4 Eritrereto hoe misy miteny aminao hoe nanary anao sy ny fianakavianao ny rainao. Milaza koa ilay olona hoe tsy tia olona ny rainao, tia manafinafina, sady ratsy fanahy. Misy aza milaza hoe efa maty izy, ka tsy misy dikany ny ezaka ataonao mba hifandraisana aminy. Hoatr’izany mihitsy ny lainga lazaina amin’ny olona maro, momba an’Andriamanitra. Ampianarina azy ireo hoe mistery Andriamanitra, tsy afaka mahalala azy isika, ary ratsy fanahy izy. Milaza, ohatra, ny mpitondra fivavahana sasany hoe hosazin’Andriamanitra mandrakizay any amin’ny afobe ny olona manao ratsy. Misy koa milaza hoe avy amin’Andriamanitra ny rivo-doza sy ny loza hafa izay mahatonga antsika hijaly. Lazaina fa sazy avy amin’Andriamanitra izy ireny, kanefa na ny tsara fanahy aza mba maty amin’izy ireny koa.

Manampy ny olona hanokatra ny fony sy ny sainy, ka hanaiky ny fahamarinana koa ny fanontaniana

5, 6. Inona no vokatry ny fampianaran-diso eo amin’ny olona?

5 Misy indray manizingizina hoe tsy misy Andriamanitra. Nivoatra miandalana avy tamin’ny biby, hono, isika ka lasa olombelona. Tsy misy, hono, ny Mpamorona ary tongatonga ho azy ny zava-drehetra. Milaza mihitsy aza ny sasany hoe karazam-biby hafa fotsiny ny olombelona, ka tsy mahagaga raha manana toetram-biby indraindray. Mihevitra izy ireo fa efa lalàn’ny natiora ny hoe mampijaly ny malemy ny matanjaka. Izany no mahatonga ny olona maro hino fa hisy foana ny tsy rariny. Tsy mba manana fanantenana àry ny olona mino ny fivoarana miandalana.

6 Azo antoka fa ireny fampianaran-diso ireny no mahatonga ny fijaliana mahazo ny olombelona, amin’izao andro farany izao. (Rom. 1:28-31; 2 Tim. 3:1-5) Tsy vaovao tsara mihitsy ireny fampianaran’olombelona ireny. Vao mainka aza izy ireny mahatonga ny olona ho “maizin-tsaina sy lavitra ny fiainana avy amin’Andriamanitra.” (Efes. 4:17-19) Misakana ny olona tsy hanaiky ny vaovao tsara koa izy ireny.—Vakio ny Efesianina 2:11-13.

Manampy ny olona hisaintsaina ka hanatsoaka hevitra marina koa ny fanontaniana

7, 8. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona, raha te hahafantatra ny vaovao tsara izy?

7 Raha te hihavana amin’Andriamanitra ny olona, dia tsy maintsy resy lahatra aloha hoe misy izy sady miaiky hoe ilaina ny mahafantatra azy. Hanampy azy ireo hahafantatra an’Andriamanitra isika, raha mampirisika azy ireo handinika ny zavaboary. Raha mandinika ny zavaboary amin’ny saina tsy miangatra mantsy izy ireo, dia hahafantatra hoe hendry sy manana hery lehibe Andriamanitra. (Rom. 1:19, 20) Mba hahatonga ny olona ho talanjona amin’ny asan’ny Mpamorona, dia azontsika atao ny mampiasa ny bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina. Misy fanontaniana sasany anefa tsy voavaly amin’ny fandinihana ny zavaboary fotsiny. Anisan’izany ny hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Inona ny fikasany momba ny tany? Miahy antsika tsirairay ve izy?

8 Ny fianarana Baiboly ihany no fomba ahafahan’ny olona mahafantatra ny vaovao tsara momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Tombontsoa  be ho antsika ny hoe afaka manampy ny olona hahafantatra ny valin’ny fanontaniany. Tsy ampy anefa ny manome fanazavana, raha te hanohina ny fon’ny olona isika. Ilaintsika koa ny mandresy lahatra azy ireo. (2 Tim. 3:14) Hahay handresy lahatra kokoa isika raha manahaka ny ohatra navelan’i Jesosy. Tena nahay nandresy lahatra izy, satria nahay nametraka fanontaniana. Ahoana no hanahafantsika azy?

MAHAY MAMPIASA FANONTANIANA NY MPITORY MAHAY

9. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika ny hanampy ny olona itoriantsika?

9 Nahoana isika no mila mahay mampiasa fanontaniana, toy ny nataon’i Jesosy, rehefa mitory? Eritrereto hoe mankany amin’ny dokotera ianao, ary tonga dia milaza aminao ilay dokotera hoe ho sitrana ianao raha didiana. Hatoky azy ve ianao? Na mahay toy inona aza ny dokotera, dia tokony hametraka fanontaniana momba ny fahasalamanao aloha izy, hihaino tsara ny fanazavana omenao, izay vao ho afaka hanampy anao. Toy izany koa no tokony hataontsika. Mila mahay mametraka fanontaniana isika rehefa mitory, raha tiantsika ny hanampy ny olona hanaiky ny vaovao tsara. Tsy ho afaka hanampy an’ilay olona mantsy isika, raha tsy fantatsika akory izay fanampiana ilainy.

Mila mandresy lahatra ny olona isika, raha te hanohina ny fony

10, 11. Inona no vokany raha manahaka ny fomba fampianatr’i Jesosy isika?

10 Fantatr’i Jesosy fa hahafantatra kokoa an’ireo olona ampianariny izy, raha mametraka fanontaniana voahevitra tsara. Tsy izay ihany anefa fa handrisika ny mpianatra handray anjara amin’ilay resaka izany. Toy izany no nataon’i Jesosy rehefa hampianatra momba ny fanetren-tena. Nametraka fanontaniana mampisaintsaina aloha izy. (Mar. 9:33) Nametraka fanontaniana misy valiny azo isafidianana koa izy, mba hampitana lesona lehibe tamin’i Petera. (Mat. 17:24-26) Nametraka fanontaniana nitohitohy koa izy, mba hampirisihana ny mpianany hilaza ny heviny, ka hahafantarany izay tao am-pon’izy ireo. (Vakio ny Matio 16:13-17.) Tsy nampita fanazavana fotsiny àry i Jesosy. Nanohina ny fon’ny olona kosa izy rehefa nametraka fanontaniana, ka nahatonga azy ireo hanaiky ny vaovao tsara ary hanova ny fiainany.

11 Raha mahay mametraka fanontaniana toa an’i Jesosy isika, dia ho hitantsika ny fomba tsara indrindra hanampiana ny olona, ho haintsika ny hanohy ny resaka amin’ireo manohitra antsika, ary ho afaka hanampy ny olona ampianarintsika isika mba handray soa. Handinika ohatra telo isika izao hahitantsika hoe ahoana no fomba tsara ampiasana fanontaniana.

12-14. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba ho sahy hitory ny vaovao tsara? Manomeza ohatra.

12 Ohatra 1: Ahoana no hataonao, raha milaza ny zanakao fa matahotra izy hiresaka amin’ny mpiara-mianatra aminy hoe nisy namorona izao rehetra izao? Azo inoana fa tianao ny hanampy azy mba ho sahy hitory ny vaovao tsara. Aza manakiana azy, na tonga dia manome torohevitra. Manahafa kosa an’i Jesosy, ka mametraha fanontaniana hahalalana ny heviny. Ahoana no anaovanao izany?

13 Azonao vakina miaraka amin’ny zanakao ny fanazavana sasany ao amin’ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Azonao anontaniana izy avy eo hoe inona no fanazavana tena nahaliana azy hitany tao. Ampirisiho izy hisaintsaina hoe nahoana izy no resy lahatra fa misy  ny Mpamorona, ary nahoana izy no te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Rom. 12:2) Lazao azy fa mety ho samy hafa ny hevitrareo momba an’ireo fanontaniana ireo, fa tsy voatery hitovy.

14 Hazavao amin’ny zanakao hoe afaka manahaka ny fomba niresahanao taminy izy, rehefa hiresaka amin’ilay mpiara-mianatra aminy. Afaka miara-mijery fanazavana vitsivitsy izy sy ilay namany, ary avy eo izy manontany azy ny heviny. Azon’izy ireo vakina miaraka, ohatra, ny efajoro eo amin’ny pejy faha-21 amin’ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Afaka manontany izy avy eo hoe: “Tena marina ve fa na dia mahavita ordinatera afaka mitahiry fanazavana be dia be aza ny olombelona, dia tsy misy dikany ireny raha oharina amin’ny ADN?” Azo inoana fa hamaly ilay namany hoe: ‘Eny.’ Afaka manontany indray izy avy eo hoe: “Raha fitaovana toy izany aza ilana manam-pahaizana be vao mahavita azy, dia ho nisy ho azy teo ve ny ADN, araka ny hevitrao?” Afaka manao fanazaran-tena matetitetika toy izany miaraka amin’ny zanakao ianao, mba hanampiana azy ho sahy hiresaka momba ny finoany. Hanampy azy hahavita tsara ny asa fitoriana ianao, raha mampiofana azy mba hahay hampiasa fanontaniana.

15. Ahoana no azontsika ampiasana fanontaniana mba hanampiana an’ireo olona tsy mino an’Andriamanitra?

15 Ohatra 2: Inona indray no hataonao, raha milaza ny olona itorianao hoe tsy mino an’Andriamanitra izy, na misalasala raha misy Andriamanitra? Aza avela hampijanona ny resaka izany. Afaka manontany azy amim-panajana ianao hoe hatramin’ny oviana izy no tsy nino an’Andriamanitra, ary nahoana izy no lasa tsy mino azy. Henoy tsara ny valin-teniny, ary isaory izy avy eo nanome ny heviny. Derao koa izy noho izy nisaintsaina tsara momba izay inoany. Afaka manontany ianao avy eo hoe tsy mampaninona azy ve ny mamaky boky misy porofo hoe nisy namorona izao rehetra izao.  Hanaiky izy raha malala-tsaina. Azonao omena azy avy eo ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? na ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Mety hahavita hanohina ny fon’ny olona ianao, ka hahatonga azy ho liana amin’ny vaovao tsara, raha mametraka fanontaniana voalanjalanja sy amin-katsaram-panahy.

16. Nahoana no tsy tsara raha mamaky fotsiny avy ao anaty boky ny mpianatra Baiboly, rehefa mamaly fanontaniana?

16 Ohatra 3: Ahoana indray raha mamaky fotsiny avy ao anaty bokiny ny olona ampianarintsika Baiboly, rehefa ametrahana fanontaniana? Mety tsy handroso tsara ny olona toy izany. Nahoana? Satria tsy hamaka tsara ao amin’ny fahamarinana ny olona iray, raha mamerina fotsiny ny voalaza ao amin’ny boky fa tsy misaintsaina. Ho toy ny zavamaniry malazo ny olona toy izany, rehefa tratran’ny fanoherana, ka ho sarotra aminy ny hijanona ao amin’ny fahamarinana. (Mat. 13:20, 21) Mba hisorohana izany, dia mila manontany an’ilay mpianatra isika hoe ahoana ny heviny momba ny zavatra ianarany. Fantaro hoe ekeny ve ny zavatra ianaranareo sa tsy ekeny, ary asaivo lazainy ny antony. Ampiasao ny Soratra Masina avy eo mba hampisaintsainana azy, ka hahatonga azy hanatsoaka hevitra marina. (Heb. 5:14) Hamaka tsara ao amin’ny finoana ny olona ampianarintsika, raha mahay mampiasa fanontaniana isika. Tsy hivadika koa izy ireo rehefa misy fanoherana, na misy olona mampianatra azy zavatra diso. (Kol. 2:6-8) Tena ilaina àry ny mahay mametraka fanontaniana mba hahitana fahombiazana amin’ny asa fitoriana. Mbola misy zavatra hafa koa anefa hanampy antsika.

MILA MIFANAMPY NY MPITORY

17, 18. Inona no azo atao mba hifanampiana, rehefa miara-manompo?

17 Nalefan’i Jesosy tsiroaroa ny mpianany rehefa nirahiny hitory. (Mar. 6:7; Lioka 10:1) Nilaza koa i Paoly fa nisy olona ‘niara-niasa mafy taminy teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara.’ (Fil. 4:3) Mba hanarahana an’io modely io, dia nisy fandaharana natao nanomboka tamin’ny 1953, mba hahafahan’ny mpitory mampiofana mpitory hafa eny amin’ny fanompoana.

18 Rehefa miara-manompo amin’ny Kristianina hafa àry ianao, ahoana no azonareo ifanampiana? (Vakio ny 1 Korintianina 3:6-9.) Rehefa mamaky Baiboly ilay namanao, dia manaraha ao amin’ny Baibolinao. Mitodiha any amin’ilay namanao rehefa miteny izy, na any amin’ilay olona itoriana raha izy no miteny. Araho tsara ilay resaka, sao mila fanampiana ilay namanao mba hamaliana fanoherana. (Mpito. 4:12) Mitandrema anefa mba tsy hanapatapaka ny teniny, rehefa miezaka manazava hevitra izy. Raha manapaka ny teniny mantsy ianao, dia mety hanakivy azy izany, ary mety tsy ho hitan’ilay olona itoriana hoe ny tenin’iza no henoina. Mety ho tsara ny mandray anjara amin’ilay resaka indraindray, kanefa zavatra iray na roa ihany resahina, fa avelao ilay namanao no hanohy ny resaka.

19. Inona no tokony hotadidintsika, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

19 Inona indray no azon’ny mpitory ifanampiana, rehefa eny an-dalana ho any amin’ny trano manaraka? Nahoana raha miresaka ny fomba azonareo anatsarana ny fitorianareo? Mitandrema anefa mba tsy hiresaka zavatra mahakivy momba ny olona ao amin’ny faritany, na hiresadresaka momba ny kileman-toetran’ny mpiara-manompo. (Ohab. 18:24) Tsarovy fa tsy misy lavorary isika rehetra, fa malemy toy ny vilany tany. Nampiseho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa tamintsika i Jehovah, rehefa nanankina harena sarobidy tamintsika, dia ny fitoriana. (Vakio ny 2 Korintianina 4:1, 7.) Tokony hasehontsika àry hoe mankasitraka an’io harena io isika, ka hanao izay tsara indrindra vitantsika amin’ny fitoriana ny vaovao tsara.