Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mazoto Amin’ny Asa Tsara” ve Ianao?

“Mazoto Amin’ny Asa Tsara” ve Ianao?

‘Nanolotra ny tenany ho antsika i Kristy Jesosy mba hanadiovany firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.’—TIT. 2:13, 14.

1, 2. Inona ny tombontsoa ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary inona no tsapanao momba izany?

MARO ny olona mahazo valisoa noho ny zavatra miavaka vitany, ary voninahitra lehibe izany ho azy ireo. Nisy, ohatra, nahazo ny Loka Nobel noho izy niezaka mafy nampihavana firenena roa nifandrafy. Mbola voninahitra lehibe kokoa noho izany anefa ny hoe irahin’Andriamanitra mba hampihavana ny olona aminy.

2 Isika Vavolombelon’i Jehovah irery no mahazo an’izany voninahitra izany. Miangavy ny olona isika mba ‘hihavana amin’Andriamanitra’, ary i Jehovah sy Jesosy no mitarika izany asa izany. (2 Kor. 5:20) Vokatr’izany, dia misy olona an-tapitrisany, any amin’ny tany 235 mahery, lasa mifandray tsara amin’Andriamanitra, ka manantena hiaina mandrakizay. (Tit. 2:11) Asaintsika “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina” izay rehetra te hisotro. (Apok. 22:17) Hita hoe “mazoto amin’ny asa tsara” isika, satria tiantsika ny asa nanendrena antsika sady ataontsika tsara. (Tit. 2:14) Hodinihintsika ato fa manampy ny olona hanatona an’i Jehovah isika, rehefa mazoto amin’ny asa tsara. Anisan’ny asa tsara ataontsika ny fitoriana.

TAHAFO NY ZOTOM-PON’I JEHOVAH SY JESOSY

3. Inona no toky ananantsika noho ny “hafanam-pon’i Jehovah”?

3 Hanatsara ny fiainan’ny olombelona i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka, ary milaza ny Isaia 9:7 fa “ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.” Manome toky antsika izany fa tena maniry mafy hamonjy ny olombelona i Jehovah. Manahaka an’i Jehovah àry isika, raha maniry mafy hanampy ny olona hahafantatra azy, ka mafana fo sy mazoto amin’ny asa fitoriana. Tsarovy fa mpiara-miasa aminy isika. (1 Kor. 3:9) Tapa-kevitra àry ve ianao hanao izay tsara indrindra vitanao, amin’ny fitoriana ny vaovao tsara?

4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nazoto tamin’ny fanompoana izy?

 4 Diniho koa ny ohatr’i Jesosy. Tsy nihena mihitsy ny zotom-pony tamin’ny fanompoana. Maro ny olona nanohitra azy, nefa nazoto nitory foana izy, ary nanao izany mandra-pahafatiny. (Jaona 18:36, 37) Vao mainka aza izy niezaka mafy hanampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah, rehefa nanakaiky ny fotoana hahafatesany.

5. Inona no nataon’i Jesosy, mifanaraka amin’ilay fanoharana momba ny aviavy?

5 Nilaza fanoharana momba ny lehilahy iray namboly aviavy i Jesosy, tamin’ny faramparan’ny taona 32. Tsy namoa nandritra ny telo taona ilay aviavy, ka naniraka ny mpiasany ilay lehilahy mba hanapaka an’ilay izy. Nilaza anefa ilay mpiasa hoe aleo aloha hasiany zezika ilay aviavy. (Vakio ny Lioka 13:6-9.) Toy izany koa fa toy ny hoe tsy namokatra ny fitorian’i Jesosy, tamin’ny fotoana nilazany an’io fanoharana io, satria vitsy monja ny mpianany. Niasa bebe kokoa àry izy nandritra ny fotoana sisa tavela, toy ny nataon’ilay mpiasa mbola nanisy zezika. Nitory bebe kokoa tany Jodia sy Pere izy, nandritra ny enim-bolana teo ho eo. Nitomany anefa izy andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, satria “tsy rototra” mihitsy ny olona.—Mat. 13:15; Lioka 19:41.

6. Nahoana isika no tokony hitory bebe kokoa?

6 Efa tena akaiky koa izao ny farany, ka tsy vao mainka ve isika tokony hitory bebe kokoa? (Vakio ny Daniela 2:41-45.) Tombontsoa be tokoa ny hoe Vavolombelon’i Jehovah! Isika irery no afaka milaza amin’ny olona hoe ahoana no hamahana ny olana mahazo ny olombelona. Nilaza ny mpanoratra gazety iray vao haingana, fa tsy misy valiny ilay fanontaniana hoe: “Nahoana ny tsara fanahy no mijaly?” Mamaly an’izany anefa ny Baiboly, ka andraikitsika ny mampiseho izany amin’ny olona. Tokony “harehitry ny fanahy” àry isika rehefa manao ny asa fitoriana. (Rom. 12:11) Hotahin’i Jehovah isika amin’izay, ka ho afaka hanampy ny olona hahafantatra azy sy ho tia azy.

MAHAZO VONINAHITRA I JEHOVAH REHEFA MAHAFOY TENA ISIKA

7, 8. Inona no mampiseho fa manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa mahafoy tena?

7 ‘Tsy nahita tory sy tsy nihinan-kanina’ ny apostoly Paoly indraindray, noho ny fanompoana. (2 Kor. 6:5) Maro ny mpisava lalana mahafoy tena toa azy. Manao loha laharana ny fanompoana izy ireny sady mamelon-tena. Mahafoy tena koa ireo misionera manompo any an-tany hafa, ka toy ny hoe ataony “fanatitra zava-pisotro” ny tenany. (Fil. 2:17) Ary ahoana ny amin’ireo anti-panahy? Miasa mafy izy ireny, ka tsy manam-potoana hisakafoanana akory indraindray, na tsy matory noho ny fikarakarana ny ondrin’i Jehovah. Eo koa ireo be taona sy marary, izay miezaka araka izay azony atao, mba hanatrehana fivoriana sy hanompoana eny amin’ny saha. Tena mankasitraka an’ireny Kristianina rehetra mahafoy tena ireny isika. Hitan’ny olona ireny ezaka ataontsika ireny, ka tsapan’izy ireo fa zava-dehibe ny asa ataontsika.

8 Hoy ny olona iray, tao amin’ny gazety iray any Angletera: ‘Tsy matoky ny fivavahana intsony ny olona. Tsy hay mihitsy hoe inona no ataon’ireo mpitondra fivavahana ireo, tontolo andro. Tsy manao toa an’i Jesosy mihitsy izy ireo, ka hoe manatona ny olona mba hiresaka aminy. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany angamba no mba miahy ny olona. Mandeha miresaka amin’ny olona izy ireo, ary mitory ny fahamarinana.’ Tsy miraharaha afa-tsy izay hahasoa ny tenany ny ankamaroan’ny olona, fa isika kosa mahafoy tena ka manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra.—Rom. 12:1.

Efa fitoriana vita ho azy ny fahitana antsika eny amin’ny fanompoana

9. Inona no afaka manampy antsika mba hazoto foana amin’ny fanompoana?

 9 Inona anefa no azontsika atao, raha tsapantsika hoe lasa tsy dia mazoto manompo isika? Tsara ny misaintsaina hoe inona avy no tanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’ny asa fitoriana. (Vakio ny Romanina 10:13-15.) Amin’ny alalan’ny fitoriana, ohatra, i Jehovah no mamonjy ny olona. Mila mino an’i Jehovah sy miantso ny anarany ny olona vao ho voavonjy. Tsy ho afaka hanao izany anefa izy ireo raha tsy mitory aminy isika. Hazoto amin’ny asa tsara isika raha mahatakatra an’izany, ka hanao tsara ny fitoriantsika.

Voamariky ny hafa ianao rehefa manao ny marina sy miasa mafy

MISY VOKANY NY FITONDRAN-TENA TSARA

10. Nahoana no azo lazaina fa mahatonga ny olona hanatona an’i Jehovah ny fitondran-tena tsarantsika?

10 Tsy ampy anefa ny hoe mazoto amin’ny fanompoana, raha tiantsika hanatona an’Andriamanitra ny olona. Tena ilaintsika koa ny manana fitondran-tena tsara. Nasongadin’i Paoly izany, rehefa nilaza izy hoe: “Tsy manao izay hahatafintohina olona mihitsy izahay, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay.” (2 Kor. 6:3) Mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra ny fomba fitenintsika sy ny fitondran-tena tsara ananantsika, izany hoe mahatonga ny olona haniry hanompo an’i Jehovah. (Tit. 2:10) Matetika tokoa isika no mandre fa nisy olona nanaiky ny fahamarinana, rehefa nahita fa mitondra tena tsara tahaka an’i Kristy isika.

11. Nahoana isika no tokony handinika ny vokatry ny fitondran-tenantsika sady hivavaka momba izany?

11 Marina fa mety hisy vokany tsara eo amin’ny olona ny fitondran-tenantsika, kanefa mety hisy vokany ratsy koa. Tokony hanao ny tsara foana àry isika, rehefa any am-piasana, na ao an-trano, na any am-pianarana, mba tsy hahatonga ny olona hanakiana ny fanompoantsika sy ny fitondran-tenantsika. Sady raha minia manota isika, dia ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Heb. 10:26, 27) Raha misaintsaina  an’izany rehetra izany isika, dia handrisika antsika izany mba handinika hoe manao ahoana ny fitondran-tenantsika sy ny vokatr’izany eo amin’ny olona, ary hivavaka momba izany. Miharatsy foana ny fitondran-tenan’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka tokony ho mora hitan’ny olona hoe ‘tsy mitovy ny olona manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.’ (Mal. 3:18) Ho afaka hanampy ny olona hihavana amin’Andriamanitra isika, raha tsara fitondran-tena.

12-14. Inona no vokany rehefa miaritra fitsapana isika? Manomeza ohatra.

12 Nilaza tamin’ireo Korintianina i Paoly fa niaritra fahoriana sy zava-tsarotra izy, ary nokapohina sy nogadraina. (Vakio ny 2 Korintianina 6:4, 5.) Mety hanampy ny hafa hanaiky ny fahamarinana isika, rehefa miaritra fitsapam-pinoana toy izany. Nitady hamongotra ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ny olona sasany tany Angola, taona maromaro lasa izay. Nosamborin’izy ireo ny mpivady iray vita batisa sy ny olona liana 30, izay niara-nivory. Nokaravasina izy ireo, eny fa na dia ny vehivavy sy ny ankizy aza, ary tsy navelany raha tsy naratra sy nandeha ra. Nantsoin’ireo mpanohitra ny olona teo an-tanàna mba hijery an’ilay izy. Tian’izy ireo hampitahorina mantsy ny olona, mba hahatonga azy ireo tsy hihaino ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro anefa no nanatona an’ireo Vavolombelona, taorian’izay, ary nangataka ny hampianarina Baiboly. Vao mainka nandroso ny asa fitoriana, ka nihamaro ny Vavolombelon’i Jehovah sady nahazo fitahiana tondraka.

13 Hita avy amin’izany fa mety hisy vokany tsara eo amin’ny hafa ny fiaretantsika sy ny tsy fivadihantsika. Azo inoana fa maro ny olona lasa nihavana tamin’Andriamanitra, rehefa nahita ny herim-pon’i Petera sy ireo apostoly hafa. (Asa. 5:17-29) Toy izany koa fa mety handray tsara ny fahamarinana ny mpiara-mianatra, na ny mpiara-miasa, na ny havantsika, rehefa mahita fa miezaka hanao ny tsara foana isika na dia iharam-pitsapana aza.

14 Misy mpanompon’i Jehovah enjehina foana any amin’ny tany maro samihafa. Rahalahy 40 eo ho eo, ohatra, no migadra any Armenia, satria tsy nety nanao miaramila, ary mbola maro no mety hogadraina ato ho ato. Vavolombelon’i Jehovah 55 no migadra any Érythrée, ary 60 taona mahery ny sasany amin’izy ireo. Vavolombelona 700 eo ho eo koa no migadra any Korea Atsimo, noho izy ireo tsy nety nanao miaramila. Efa 60 taona izany no nitranga tany Korea Atsimo! Tokony hivavaka foana àry isika mba hitondra dera ho an’i Jehovah ny tsy fivadihan’ireny rahalahy ireny, ary hahatonga ny olona hanaraka ny fahamarinana.—Sal. 76:8-10.

15. Inona no mampiseho fa mahatonga ny olona hanaiky ny fahamarinana ny fanaovantsika ny marina?

15 Mety hanaiky ny fahamarinana koa ny olona rehefa manao ny marina isika. (Vakio ny 2 Korintianina 6:4, 7.) Diniho, ohatra, ity tantara ity: Nandeha bisy ny anabavy iray indray andro, ary nisy vehivavy fantany tao. Niteny taminy ilay vehivavy hoe: “Raha izaho ianao tsy mandoa saran-dalana, satria akaiky kely dia hiala.” Nohazavain’ilay anabavy fa tokony handoa vola foana izy, na izany aza. Rehefa niala ilay vehivavy avy eo, dia nanontany an’ilay anabavy ilay mpamily hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?” Namaly ilay anabavy hoe: “Ie, fa ahoana?” Nilaza ilay mpamily fa reny ny resak’izy sy ilay vehivavy. Fantany fa manao ny marina amin’ny zava-drehetra ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mandoa saran-dalana na dia vetivety aza dia miala. Nisy lehilahy nanatona an’ilay anabavy tany am-pivoriana, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary niteny hoe: “Tadidinao ve aho? Izaho ilay mpamily niresaka taminao momba ilay saran-dalana. Nanapa-kevitra aho hoe hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i  Jehovah, rehefa nahita ny toetra tsaranao.” Hita avy amin’izany fa rehefa manao ny marina isika, dia miaiky ny olona hoe mpanompon’Andriamanitra tokoa isika.

MANÀNA TOETRA MANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH

16. Inona no mety hitranga raha mahari-po sy be fitiavana ary tsara fanahy isika? Tantarao ny ataon’ny mpitondra fivavahana sasany.

16 Mety hanampy ny olona hanatona an’i Jehovah koa isika, rehefa manana toetra tsara toy ny fahari-po sy ny fitiavana ary ny hatsaram-panahy. Mety haniry hianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany ary ny vahoakany ny olona sasany, rehefa mahita izany. Tena miavaka ny toetra sy ny fitondran-tenan’ny tena Kristianina, raha oharina amin’ireo olona miseho azy ho mpivavaka be nefa mihatsaravelatsihy fotsiny. Misy mpitondra fivavahana, ohatra, mamitaka ny mpivavaka ao aminy mba hahazoam-bola, ary avy eo mampiasa an’ilay vola azony mba hividianana trano sy fiara tsara tarehy ho azy manokana. Lasa mpanankarena mihitsy izy ireo, vokatr’izany. Tsy ‘manome maimaim-poana’ araka ny didin’i Kristy izy ireo. (Mat. 10:8) Manahaka an’ireo mpisorona tamin’ny andron’ny Israely izy ireo, ka “mampianatra mba hahazoana karama”, sady izay indray tsy araka ny Soratra Masina ny fampianarany. (Mika 3:11) Tsy mahatonga ny olona hihavana amin’Andriamanitra mihitsy ny fihatsarambelatsihy toy izany.

17, 18. a) Nahoana no manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa manahaka ny toetra tsarany? b) Inona no mandrisika anao hazoto foana amin’ny asa tsara?

17 Lasa te hihavana amin’Andriamanitra anefa ny olona, rehefa mahita fa mampianatra ny fahamarinana isika sady tsara fanahy amin’ny mpiara-monina. Nandondòna tao amin’ny vehivavy zokiolona iray, ohatra, ny rahalahy mpisava lalana iray, rehefa nitory. Nilaza anefa ilay vehivavy hoe tsy liana izy, ary saika hanolo jiro tao an-dakozia izy ka efa teny ambony tohatra, tamin’ilay rahalahy nandondòna. Rehefa nandre izany ilay rahalahy dia niteny hoe: ‘Mampidi-doza raha ianao irery no manao izany, fa aleo ampiako ianao!’ Nosoloan’ilay rahalahy ilay jiro, ary lasa izy avy eo. Gaga be ny zanak’ilay vehivavy rehefa nandre izay nitranga, ka nitady an’ilay rahalahy izy mba hisaotra azy. Nanaiky hianatra Baiboly izy tatỳ aoriana.

18 Azo inoana àry fa tapa-kevitra ianao izao hoe hazoto foana amin’ny asa tsara. Fantatrao mantsy fa manome voninahitra an’i Jehovah sy mamonjy ain’olona isika, rehefa mazoto mitory sy miezaka foana manao ny sitrapon’i Jehovah. (Vakio ny 1 Korintianina 10:31-33.) Mandrisika antsika hazoto hitory sy ho tsara fitondran-tena koa ny fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona. (Mat. 22:37-39) Ho faly sy ho afa-po isika dieny izao, raha mazoto amin’ny asa tsara. Afaka manantena koa isika hoe ho avy ny fotoana, ka hazoto hanompo ny Mpamorona ny olombelona rehetra ary hanome voninahitra azy!