Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifampiresaha Tsara dia Hihatsara ny Tokantranonareo

Mifampiresaha Tsara dia Hihatsara ny Tokantranonareo

“Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.”—OHAB. 25:11.

1. Nahoana no tena ilaina ny fifampiresahana tsara eo amin’ny mpivady?

HOY ny rahalahy iray any Kanada: “Aleoko kokoa mandany fotoana miaraka amin’ny vadiko toy izay miaraka amin’olon-kafa. Mahatsiaro ho faly kokoa aho, rehefa zaraiko aminy izay mahafinaritra ahy, ary maivamaivana kokoa aho rehefa zaraiko aminy ny fahoriako.” Hoy ny lehilahy iray any Aostralia: “Tsy mbola nisy andro tsy niresahako tamin’ny vadiko nandritra izay 11 taona nivadianay izay. Mandeha tsara ny tokantranonay, ka tsy misy atahorana. Mifampiresaka tsara sy matetika izahay ka izany no manampy anay.” Hoy indray ny anabavy iray any Costa Rica: “Tsy hoe nanatsara ny tokantranonay fotsiny ny fifampiresahana tsara, fa nahatonga anay koa hifandray kokoa amin’i Jehovah, ho voaro amin’ny fakam-panahy, hiray saina, ary hifankatia kokoa.”

2. Nahoana no sarotra amin’ny mpivady indraindray ny mifampiresaka tsara?

2 Mifampiresaka tsara ve ianao sy ny vadinao, sa sarotra aminareo izany? Mazava ho azy fa sarotra ny mifampiresaka indraindray, satria olon-droa tsy lavorary, samy hafa toetra sy fiaviana, ary samy manana ny fomba nitaizana azy no lasa mpivady. (Rom. 3:23) Mety tsy hitovy koa ny fomba firesaky ny mpivady. Tsy mahagaga àry raha nilaza toy izao i John Gottman sy Nan Silver, manam-pahaizana momba ny fanambadiana: “Mila manana herim-po sy fikirizana ianao ary mahay miatrika olana, raha tianao haharitra ny fanambadianao.”

3. Inona no nanampy ny mpivady hanana tokantrano sambatra?

3 Marina fa misy ezaka mafy mila atao mba hampandeha tsara ny tokantrano. Ho sambatra anefa izay mpivady miezaka sy mifankatia. (Mpito. 9:9) Diniho ny fanambadian’i Isaka sy Rebeka. (Gen. 24:67) Asehon’ny Baiboly fa tsy nihena mihitsy ny fifankatiavan’izy ireo na dia ela be  tatỳ aoriana aza. Mpivady maro koa no manana tokantrano sambatra ankehitriny. Inona no nanampy azy ireo? Nianatra namboraka ny heviny sy ny fihetseham-pony izy ireo rehefa niresaka, ary niresaka tamin-katsaram-panahy. Mba hahavitana izany anefa dia niezaka izy ireo hahatakatra ny fihetseham-po sy ny hevitry ny vadiny, haneho fitiavana, hifanaja, ary hanetry teny. Handinika an’ireo zavatra efatra ireo isika izao.

MIEZAHA HAHATAKATRA NY HEVITRA SY NY FIHETSEHAM-PON’NY VADINAO

4, 5. Nahoana no tena ilain’ny mpivady ny mahatakatra tsara ny momba ny vadiny? Manomeza ohatra.

4 Milaza ny Ohabolana 16:20 fa ‘hahita soa ny olona malina’, izany hoe ny olona mahay manavaka ka mahatakatra ny hevitra sy ny fihetseham-pon’ny hafa. Tena marina izany eo amin’ny fanambadiana sy eo anivon’ny fianakaviana. (Vakio ny Ohabolana 24:3.) Manampy antsika amin’izany ny Tenin’Andriamanitra. Milaza, ohatra, ny Genesisy 2:18 fa nataon’Andriamanitra ho famenon’ny lehilahy ny vehivavy, fa tsy hoe nataony mitovy amin’ny lehilahy. Izany no mahatonga ny fomba firesaky ny lehilahy sy ny vehivavy tsy hitovy. Tian’ny ankamaroan’ny vehivavy ny miresaka momba ny fihetseham-pony sy ny fifandraisana amin’ny hafa, ary miresaka momba ny olona. Tia miresaka tsy an-kifonofono sy amim-pitiavana izy ireo, satria manome toky azy ireo izany fa tiana izy. Ny lehilahy indray tsy dia tia miresaka momba ny fihetseham-pony, fa tia miresaka momba ny asa sy ny zava-mitranga, ary miresaka momba ny olana sy vahaolana. Tian’ny lehilahy koa raha hajaina izy.

5 Hoy ny anabavy iray any Grande-Bretagne: “Tsy mihaino ahy ny vadiko fa tonga dia maika hanome vahaolana. Mahasorena ilay izy, satria tiako fotsiny raha mba mihaino ahy sy miezaka hahatakatra ny fihetseham-poko izy.” Hoy ny lehilahy iray: “Tamin’ny vao nivady izahay, dia maika foana aho hitady vahaolana momba ny olana mahazo ny vadiko. Nianarako anefa fa hay olona hihaino azy fotsiny no tena ilainy.” (Ohab. 18:13; Jak. 1:19) Raha mahay mandinika ilay lehilahy, dia ho hitany hoe manao ahoana ny fihetseham-pon’ny vadiny, ary avy eo izy miezaka hanao zavatra mifanaraka amin’izany. Omeny toky koa ny vadiny hoe tena zava-dehibe aminy ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. (1 Pet. 3:7) Ny vehivavy kosa tokony hiezaka hahatakatra ny fomba fisainan’ny vadiny. Raha samy miezaka ny mpivady hanatanteraka ny andraikitra nankinin’Andriamanitra taminy, dia ho sambatra ny tokantranon’izy ireo. Ho afaka hiara-handray fanapahan-kevitra tsara koa izy ireo.

6, 7. a) Nahoana ny Mpitoriteny 3:7 no afaka manampy ny mpivady hahalala izay tokony hataony? b) Ahoana no ampisehoan’ny vehivavy fa mahay mandinika izy, ary inona no ezaka tokony hataon’ny lehilahy?

6 Tokony ho takatry ny mpivady koa hoe “misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” (Mpito. 3:1, 7) Hoy ny anabavy iray, folo taona nanambadiana: “Takatro izao hoe misy fotoana sasany tsy tokony hiresahana olana. Raha repotra amin’ny asany, na amin’ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana ny vadiko, dia miandry kely aloha aho vao miresaka zavatra sasany. Mety kokoa ny fifampiresahanay, rehefa manao izany aho.” Ny vehivavy mahay mandinika dia miteny amin-katsaram-panahy amin’ny vadiny, izany hoe manao teny voahevitra tsara sy ‘amin’ny fotoana mety.’ Raha manao izany ianao, dia hazoto hihaino anao ny vadinao.—Vakio ny Ohabolana 25:11.

Zavatra madinidinika maromaro no manamafy ny fifankatiavan’ny mpivady

7 Tsy hoe tokony hihaino ny vadiny fotsiny anefa ny lehilahy kristianina, fa tokony hiezaka koa mba hamboraka ny fihetseham-pony. Hoy ny anti-panahy iray, 27 taona nanambadiana: “Mila miezaka aho mba hilaza amin’ny vadiko izay tsapako any anatiko lalina any.” Hoy koa ny rahalahy iray, 24 taona nanambadiana: “Nohazoniko ho ahy samirery ny olana nahazo ahy, sady nieritreritra aho hoe ‘hilamina amin’izao  fotsiny ilay izy.’ Takatro anefa fa tsy fahalemena ny hoe mamboraka fihetseham-po. Rehefa tsy vitako ny milaza izay tsapako, dia mivavaka aho mba hahita ny teny mety tsara sy ny fomba tsara ilazana azy. Mifoka rivotra lalina aho avy eo, ary manomboka miteny.” Mila mahay mifidy fotoana iresahana koa ny mpivady, angamba rehefa irery izy ireo, ohatra hoe rehefa miara-midinika ny teny vakina na miara-mamaky Baiboly.

8. Inona no hanampy ny mpivady mba haniry mafy hanatsara ny fifampiresahany?

8 Tena mila mivavaka ny lehilahy sy ny vehivavy, ary tokony samy haniry mafy hanatsara ny fahaizany miresaka. Mety ho sarotra ny hanova ny fahazarana, kanefa haniry mafy hanatsara ny fifampiresahany ny mpivady, raha tia an’i Jehovah, mangataka ny fanahy masina, ary mihevitra ny fanambadiana ho masina. Hoy ny vehivavy iray, 26 taona nanambadiana: “Zava-dehibe aminay ny fiheveran’i Jehovah ny fanambadiana, ka tsy mieritreritra ny hisaraka mihitsy izahay. Manampy anay izany mba hiezaka mafy hiaraka hamaha olana, ka hifampiresaka momba an’ilay izy.” Rehefa tsy mivadika sy mahafoy tena ho an’Andriamanitra toy izany ny mpivady, dia mampifaly an’i Jehovah ka omeny fitahiana be dia be.—Sal. 127:1.

MIEZAHA HO TIA KOKOA NY VADINAO

9, 10. Inona no azon’ny mpivady atao mba hanamafisana ny fatoram-panambadiany?

9 Ny fitiavana no toetra lehibe indrindra ilaina eo anivon’ny fanambadiana, satria “fatorana mampiray tonga lafatra” izy io. (Kol. 3:14) Vao mainka mifankatia ny mpivady rehefa miara-miatrika olana, ary miara-mifaly rehefa misy zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainany. Lasa mpinamana be mihitsy aza izy ireo ary tsy mifankafoy. Tsy zavatra miavaka be atao tsindraindray toy ny hita amin’ny filma ihany no manamafy ny fatoram-panambadiana, fa zavatra madinidinika maro be, toy ny famihinana, teny fiderana kely, fihetsika kely fanehoana fiheverana, tsikitsiky, na fanontaniana kely amim-pahatsorana hoe “nanao ahoana ny asanao androany?” Kely ireo, nefa tena misy vokany be. Milaza ny mpivady iray, efa 19 taona nivadiana, fa mifampiantso an-telefaonina sy mifandefa hafatra matetitetika izy ireo mandritra ny andro, ‘mba hahafantarana fotsiny hoe manao ahoana ny vadiny.’

10 Ny fitiavana no mandrisika ny mpivady hiezaka hahafantatra ny vadiny bebe kokoa. (Fil. 2:4) Vao mainka hifankatia kokoa izy ireo rehefa mifankahalala, na dia eo aza ny kileman-toetrany.  Tokony hihamafy ny fatoram-panambadiana, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Eritrereto àry izao: ‘Tena fantatro ve ny vadiko? Takatro ve ny hevitra sy ny fihetseham-pony? Impiry aho no misaintsaina an’ireo toetra tsarany, izay nahasarika ahy tamin’ny voalohany?’

MIEZAHA HANAJA NY VADINAO

11. Nahoana no tena ilaina mba hahasambatra ny tokantrano ny fanajana? Manomeza ohatra.

11 Tsy tonga lafatra na dia ny tokantrano sambatra indrindra aza. Tsy voatery hitovy hevitra foana ny mpivady. Tsy nitovy hevitra, ohatra, i Abrahama sy Saraha. (Gen. 21:9-11) Na izany aza dia tsy nanimba ny tokantranony izany. Nahoana? Satria nifanome voninahitra sy nifanaja izy ireo. Niangavy, ohatra, i Abrahama rehefa nisy zavatra nasainy hataon’i Saraha, ary nanao “azafady” koa izy rehefa niresaka taminy. (Gen. 12:11, 13) I Saraha indray nankatò an’i Abrahama ary nihevitra azy ho ‘tompony.’ (Gen. 18:12) Hita eo amin’ny fomba firesaky ny mpivady sy ny toe-peony, rehefa tsy mifanaja izy ireo. (Ohab. 12:18) Rehefa tsy mifanaja anefa ny mpivady, dia mety ho loza no vokany.—Vakio ny Jakoba 3:7-10, 17, 18.

12. Nahoana ny mpivady vao no tokony hiezaka mafy mba ho tsara fanahy sy hifanaja rehefa miresaka?

12 Tena tokony hiezaka mafy ny mpivady vao, mba ho tsara fanahy sy hifanaja rehefa miresaka. Hanampy azy ireo izany mba hifampiresaka tsara sy tsy an-kifonofono. Hoy ny lehilahy iray: “Mahafinaritra ireo taona voalohany amin’ny fanambadiana, kanefa mahasorena koa indraindray. Sarotra ilay izy, satria mbola mila miezaka ianao hahatakatra ny fihetseham-pon’ny vadinao, ny fahazarany, ary ny zavatra ilainy. Izy koa mila manao izany aminao. Hilamina anefa izany raha mahay mandanjalanja ianao, tia vazivazy, manetry tena, manam-paharetana, ary miantehitra amin’i Jehovah.” Torohevitra tsara tokoa izany!

MIEZAHA HANETRY TENA

13. Nahoana no tena ilaina ny fanetren-tena raha tiana ho sambatra ny tokantrano?

13 Ho afaka hifampiresaka tsara amin-katsaram-panahy ny mpivady raha samy ‘manetry tena.’ (1 Pet. 3:8) Hoy ny rahalahy iray, 11 taona nanambadiana: “Ny fanetren-tena no fomba haingana indrindra handaminana tsy fifanarahana, satria mandrisika anao izy io hilaza hoe  ‘azafady.’ ” Sambatra am-panambadiana nandritra ny 20 taona ny anti-panahy iray, ary nilaza hoe: “Zava-dehibe kokoa indraindray ny teny hoe ‘azafady’, noho ny teny hoe ‘tiako ianao.’ Ny vavaka no tena manampy mba hananana fanetren-tena. Rehefa miara-mivavaka izahay mivady, dia tsaroanay hoe tsy lavorary izahay ary tena tsara fanahy i Jehovah. Izany no manampy ahy hijery ny zava-misy araka ny tokony ho izy.”

Miezaha foana hifampiresaka tsara

14. Inona no vokatry ny hambom-po eo amin’ny fanambadiana?

14 Tsy mampihavana kosa ny hambom-po. Manimba ny fifampiresahana izy io, satria mahatonga ny mpivady tsy haniry hiala tsiny na tsy ho sahy hanao izany. Tsy miteny hoe “azafady” na mangata-pamelana ny olona be hambom-po, fa mitady fialan-tsiny. Manome tsiny ny hafa izy, fa tsy sahy miaiky ny fahadisoany. Raha nisy zavatra nandratra ny fony, dia tsy mitady fihavanana izy, fa mamaly faty ka manao teny mandratra na tsy miteny tsy mivolana. (Mpito. 7:9) Tena mety handrava tokantrano ny hambom-po. Tsara ny hitadidiantsika hoe ‘manohitra ny olona manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.’—Jak. 4:6.

15. Nahoana no lazaina fa manampy ny mpivady handamina tsy fifanarahana ny Efesianina 4:26, 27?

15 Mety hiseho io hambom-po io ao an-tokantrano, kanefa raha mitranga izany dia mila manao zavatra haingana mba hanitsiana izany. Hoy i Paoly: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efes. 4:26, 27) Vao mainka hitombo ny olana, raha tsy arahin’ny mpivady ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra. Nitaraina ny anabavy iray hoe: ‘Tsy nampihatra ny Efesianina 4:26, 27 izahay mivady indraindray, ka tsy nahita tory mihitsy aho.’ Tsara raha alamina haingana ny olana, ary ny hihavana no atao tanjona. Mazava ho azy fa mila fotoana kely ny mpivady mba hahatonga azy ho tony kokoa. Tena ilaina koa ny mivavaka amin’i Jehovah mba hanampy azy ireo hanetry tena. Tsy hieritreritra be momba ny tenany izy ireo amin’izay, fa hitady fomba hamahana an’ilay olana, mba tsy hahatonga an’ilay olana hitatra.—Vakio ny Kolosianina 3:12, 13.

16. Nahoana ny fanetren-tena no manampy ny mpivady hankasitraka ny toetra tsaran’ny vadiny na ny fahaizany?

16 Manampy ny mpivady ny fanetren-tena mba hankasitraka ny toetra tsaran’ny vadiny na ny fahaizany. Mety hoe manana fahaizana manokana, ohatra, ny vehivavy iray, ary ampiasainy mba hahasoa ny fianakaviany izany. Raha manetry tena ilay lehilahy dia tsy hieritreritra hoe mifaninana aminy ny vadiny, fa hampirisika azy kosa mba hampiasa foana an’ilay fahaizany. Asehony amin’izany hoe tiany ny vadiny ary sarobidy aminy. (Ohab. 31:10, 28; Efes. 5:28, 29) Raha manetry tena koa ilay vehivavy, dia tsy tokony hampideradera fahaizana na hanambany ny vadiny. “Nofo iray” mantsy izy mivady, ka raha maratra ny vadiny dia voa koa izy.—Mat. 19:4, 5.

17. Inona no manampy ny mpivady ho sambatra sy hanome voninahitra an’i Jehovah?

17 Azo antoka fa tianao ho sambatra sy haharitra ny tokantranonao ary hanome voninahitra an’i Jehovah, toy ny an’i Abrahama sy Saraha, ary Isaka sy Rebeka. Miezaha àry hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fanambadiana. Avelao ny Tenin’Andriamanitra hanampy anao mba hahatakatra ny hevitra sy ny fihetseham-pon’ny vadinao. Ankasitraho ny toetra tsaran’ny vadinao, dia hiredareda ny fitiavanao, izay “lelafo avy amin’i Jah.” (Tonon. 8:6) Miezaha mafy hanetry tena, ary hajao ny vadinao. Raha manao an’ireo ianao, dia ho sambatra am-panambadiana, ary ho faly ilay Raintsika any an-danitra. (Ohab. 27:11) Azo antoka fa hitovy hevitra amin’ity rahalahy ity ianao, izay 27 taona nanambadiana. Hoy izy: “Tsy ho vitako ny hiaina tsy eo anilan’ny vadiko. Mihatsara isan’andro ny tokantranonay. Izany no izy satria tia an’i Jehovah izahay ary mifampiresaka foana.”