Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Novonoina ho faty teo amin’ny tsato-kazo ve ny mpanao heloka bevava teo amin’ny Israely?

Nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo na hazo ny mpanao heloka bevava, tany amin’ny firenena maro fahiny. Nanao toy izany, ohatra, ny Romanina. Nofatoran’izy ireo na nofantsihany tamin’ny tsato-kazo ireo mpanao heloka bevava. Mety ho mbola velona nandritra ny andro maromaro ilay olona, ary avy eo maty vokatry ny fanaintainana, hetaheta, hanoanana, na noho ny toetrandro ratsy. Mihevitra ny Romanina hoe tena manala baraka be ny hoe fantsihana eo amin’ny hazo, ka ny mpanao heloka bevava faran’izay ratsy ihany no natao an’izany.

Ary ahoana kosa no nataon’ny Israelita? Hoy ny Lalàn’i Mosesy: “Raha misy olona manao fahotana mahameloka azy ho faty, ka novonoina ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo, dia tsy tokony hajanona eo mandritra ny alina ny fatiny, fa tokony halevina ny androtr’iny ihany.” (Deot. 21:22, 23) Efa novonoina ho faty àry ny mpanao ratsy teo amin’ny Israely fahiny, izay vao nahantona teo amin’ny hazo na tsato-kazo, fa tsy hoe nahantona teo amin’ilay tsato-kazo izy mba ho faty. 

Nisy fomba hafa koa anefa namonoana an’ireo mpanao ratsy. Hoy ny Levitikosy 20:2: “Tsy maintsy vonoina ho faty izay manolotra ny taranany ho an’i Moleka, na anisan’ny zanak’Israely izy, na vahiny monina eo amin’ny Israely. Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka.” Toy izany koa no natao tamin’ireo “mpamoha angatra” na olona “itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy.”—Lev. 20:27.

Hoy koa ny Deoteronomia 22:23, 24: “Raha misy zazavavy virjiny efa fofombadin’olona, ary misy lehilahy mahita azy ao an-tanàna ka manao firaisana aminy, dia avoahy ho eny am-bavahadin’ilay tanàna izy roa ka torahy vato ho faty, satria razazavavy tsy niantsoantso mafy tao an-tanàna, ary ralehilahy kosa nampietry ny vadin’ny namany. Esory tsy ho eo aminao ny ratsy.” Ny fitoraham-bato àry no tena nampiasaina teo amin’ny Israely fahiny, mba hamonoana an’ireo olona nahavita heloka bevava faran’izay ratsy. *

Efa novonoina aloha ilay olona nanao ratsy, izay vao nahantona teo amin’ny hazo na tsato-kazo

Milaza ny Deoteronomia 21:23 fa “voaozon’Andriamanitra izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.” Azo inoana fa nisy vokany teo amin’ny Israelita ny fahitana ny fatin’ireo olon-dratsy naharihary teny imasom-bahoaka. Natao ho fampitandremana azy ireo àry ny nanantonana ny fatin’ireo olon-dratsy teny amin’ny hazo na tsato-kazo.

^ feh. 6 Maro ny manam-pahaizana manaiky hoe teo ambany Lalàna, dia novonoina aloha ny mpanao heloka bevava, izay vao nahantona teo amin’ny hazo fijaliana. Misy porofo mampiseho anefa hoe tamin’ny taonjato voalohany, dia mbola velona ny mpanao heloka bevava sasany no nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana, ary teo izy no maty.