Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana no tsy misy fiadanana mihitsy eto an-tany?

Izay fitondram-panjakana afaka manova ny toetran’ny olona ihany no hahavita hampanjaka ny fiadanana

Milaza antony roa lehibe ny Baiboly. Voalohany, tsy noforonina hitondra samirery ny fiainany ny olona, na dia mahavita zavatra tsara be dia be aza. Faharoa, tsy mahomby ny fikasan’ny olombelona satria “eo ambany fahefan’ilay ratsy”, na i Satana Devoly, “izao tontolo izao manontolo.” Tsy misy fiadanana àry eto an-tany, na eo aza ny ezaka ataon’ny olombelona.—Vakio ny Jeremia 10:23; 1 Jaona 5:19.

Vao mainka koa tsy misy ny fiadanana satria tia tena sy tia laza ny olona. Izay fitondram-panjakana mahavita mampianatra ny olona eran-tany ho tia ny tsara sy hifampiahy ihany no ho afaka hitondra fiadanana.—Vakio ny Isaia 32:17; 48:18, 22.

Iza no hitondra fiadanana eto an-tany?

Nampanantena ilay Andriamanitra Mahery Indrindra fa hanangana fitondram-panjakana hitondra ny tany manontolo izy. Hisolo ny fitondran’olombelona rehetra izy io. (Daniela 2:44) I Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, no hitondra. Antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana” izy, satria hanafoana ny ratsy rehetra eto an-tany ary hampianatra ny olona ho tia fiadanana na ho tia fihavanana.—Vakio ny Isaia 9:6, 7; 11:4, 9.

Olona an-tapitrisany izao eran-tany no efa manaraka ny toromarik’i Jesosy, ka mampiasa ny Baiboly mba hampianarana ny hafa ho tia fihavanana. Tsy ho ela dia hanjaka eto an-tany ny fiadanana.—Vakio ny Isaia 2:3, 4; 54:13.