Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza “ireo zanak’Andriamanitra” niaina talohan’ny Safodrano, resahin’ny Genesisy 6:2, 4?

Anjely tany an-danitra izy ireo. Inona no manaporofo an’izany?

Hoy ny Genesisy 6:2: “Tsikaritr’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona. Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny.”

Miresaka momba an’ireo “zanak’Andriamanitra” ireo ny Soratra Hebreo, ao amin’ny Genesisy 6:2, 4 sy ny Joba 1:6; 2:1; 38:7 ary ny Salamo 89:6. Inona no voalaza ao?

Milaza ny Joba 1:6 fa nivory teo anatrehan’Andriamanitra “ireo zanak’Andriamanitra.” Anisan’izy ireo i Satana, izay avy “nivezivezy teny ambonin’ny tany.” Midika izany fa anjely izy ireo. (Joba 1:7; 2:1, 2) Milaza koa ny Joba 38:4-7 fa ‘nihoby ny zanak’Andriamanitra’ tamin’izy ‘nametraka ny vato fehizoron’ny tany.’ Tsy maintsy hoe anjely ireo, satria mbola tsy noforonina ny olombelona tamin’izany. Tsy maintsy hoe anjely koa “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Salamo 89:6, fa tsy olombelona. Tany an-danitra niaraka tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo.

Iza àry “ireo zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2, 4? Raha jerena ny porofo etsy ambony, dia anjely tany an-danitra koa izy ireo, fa nanketỳ an-tany.

Sarotra amin’ny olona sasany ny hino an’izany. Anjely ve, hono, dia haniry hanao firaisana? Asehon’ny tenin’i Jesosy, ao amin’ny Matio 22:30, fa tsy misy manambady na manao firaisana ny any an-danitra. Efa nisy anjely niova ho olombelona anefa taloha, ary nihinana sy nisotro niaraka tamin’ny olombelona mihitsy aza. (Gen. 18:1-8; 19:1-3) Azo antoka àry fa afaka nanao firaisana izy ireo raha lasa olombelona hoatr’izany.

Misy porofo maromaro ao amin’ny Baiboly hoe tena nanao an’izany ny anjely sasany. Milaza ny Joda 6, 7 fa nitovy tamin’ny nataon’ny lehilahy tany Sodoma ny nataon’ireo “anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.” Inona no nitovizan’ireo anjely ireo sy ny olona tany Sodoma? Samy “nanaram-po tamin’ny fijangajangana” ry zareo, ka “nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.” Milaza koa ny 1 Petera 3:19, 20 fa nisy anjely tsy nankatò “tamin’ny andron’i Noa.” (2 Pet. 2:4, 5) Nitovy tamin’ny fahotana nataon’ny olona tany Sodoma sy Gomora àry ny nataon’ireo anjely tamin’ny andron’i Noa.

Mitombina izany raha miaiky isika fa anjely ireo “zanak’Andriamanitra” resahin’ny Genesisy 6:2, 4, ary niova ho olombelona sady nanao firaisana tamin’ny vehivavy tetỳ an-tany.

 Milaza ny 1 Petera 3:19 fa “nitory tamin’ireo fanahy tao am-ponja” i Jesosy. Inona no tiana holazaina amin’izany?

Nilaza ny apostoly Petera fa “tsy nankatò” ireo fanahy ireo, rehefa “niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa.” (1 Pet. 3:20) Ireo anjely nikomy niaraka tamin’i Satana no tian’i Petera holazaina. Nilaza koa i Joda fa nisy anjely “tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.” “Notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be” izy ireo, ary miandry ny “fitsarana amin’ilay andro lehibe.”—Joda 6.

Nahoana no lazaina fa tsy nankatò ireo anjely tamin’ny andron’i Noa? Niova ho olombelona izy ireo talohan’ny Safodrano, nefa tsy izany no namoronan’Andriamanitra azy ireo. (Gen. 6:2, 4) Nanao firaisana tamin’ny vehivavy tetỳ an-tany koa ry zareo, nefa tsy noforonin’Andriamanitra hanao firaisana ny anjely. (Gen. 5:2) Horinganin’Andriamanitra ireo anjely ratsy ireo amin’ny fotoana mety aminy. Nilaza i Joda fa ao anaty “haizim-be” izy ireo izao, ka toy ny hoe migadra ao am-ponja.

Oviana anefa i Jesosy no nitory tamin’ireo “fanahy tao am-ponja” ireo, ary ahoana no nanaovany an’izany? Nilaza i Petera fa nanao an’izany i Jesosy rehefa avy “novelomina” ka lasa fanahy. (1 Pet. 3:18, 19) Mariho koa fa nampiasa matoanteny milaza ny lasa i Petera amin’ilay hoe “nitory.” Midika izany fa talohan’ny nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany i Jesosy no nitory tamin’ireo fanahy ireo. Mety ho taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty àry izany. Tsy hoe nitory mba hanome fanantenana an’ireo fanahy ratsy ireo anefa i Jesosy, fa nanambara fanamelohana. Nilaza izy hoe misy sazy miandry azy ireo ary ara-drariny ilay izy. (Jona 1:1, 2) Nahoana i Jesosy no afaka nilaza an’izany fanamelohana izany? Satria efa nampiseho ny finoany izy, tsy nivadika mandra-pahafatiny, ary natsangana tamin’ny maty, ka voaporofo hoe tsy manana fahefana aminy ny Devoly.—Jaona 14:30; 16:8-11.

Hofatoran’i Jesosy i Satana sy ireo anjely ratsy ireo amin’ny hoavy, ka hatsipiny any amin’ny lavaka mangitsokitsoka. (Lioka 8:30, 31; Apok. 20:1-3) Toy ny hoe ao anaty haizim-be anefa izy ireo mandra-pahatongan’izany. Horinganina tanteraka izy ireo amin’ny farany.—Apok. 20:7-10.