Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Fanaon’ny olona ny manokatra Baiboly sy mamaky izay andinin-teny sendra ny masony. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina an’izany?

Mihevitra ny olona sasany hoe izay andinin-teny sendra ny masony eo no hanome azy ny tari-dalana ilainy. Tsy mitady fambara hoatr’izany anefa ny tena Kristianina. Mianatra Baiboly kosa izy ireo mba hahafantarana ny marina sy hahazoana tari-dalana amin’Andriamanitra.—15/12, pejy 3.

Inona ilay “tontolo” lazain’ny Baiboly hoe mandalo?

Ny olona rehetra tsy mankatò an’Andriamanitra no tiana holazaina amin’izany. (1 Jaona 2:17) Tsy ho potika mihitsy àry ity tany ity ary tsy ho ringana ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra.—1/1, pejy 5-7.

Nahoana no lazaina fa toy ny miteny amintsika i Abela izao, nefa izy efa maty? (Heb. 11:4)

Nasehony fa tena nanam-pinoana izy, ka toy ny hoe hitantsika maso ny zavatra nataony. Afaka miezaka hahafantatra izay nataony isika ary manahaka azy.—1/1, pejy 12.

Inona avy ny zavatra mety hampanalavitra antsika amin’Andriamanitra ka mila tandremantsika?

Anisan’izany ny asa fivelomana, ny fialam-boly, ny fifandraisana amin’ny mpianakavy voaroaka, ny fampiasana fitaovana maoderina, ny fanahiana be loatra momba ny fahasalamana, ny fitiavam-bola, ary ny fireharehana tafahoatra noho ny fahaizana na ny toerana tanana.—15/1, pejy 12-21.

Nanetry tena i Mosesy. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Tsy nirehareha i Mosesy rehefa nomena fahefana. Tsy nanao izay tiany fotsiny izy, fa niantehitra tamin’i Jehovah. Tsy tokony hirehareha koa isika raha mahay na manana fahefana, fa mila matoky an’i Jehovah. (Ohab. 3:5, 6)—1/2, pejy 5.

Ho aiza ireo hatsangana amin’ny maty?

Ho any an-danitra ny olona sasany, ary vitsivitsy izy ireo satria 144 000 no isany. Hatsangana amin’ny maty mba hiaina mandrakizay eto an-tany kosa ny ankamaroan’ny olona.—1/3, pejy 6.

Nahoana no lazaina hoe “tsy voafora fo” ny Israelita fahiny? (Jer. 9:26)

Nikomy izy ireo ary tsy nety niova. Tokony hesorin’izy ireo izay rehetra nahatonga ny fony tsy hihontsina, izany hoe izay eritreritra sy faniriana ary antony manosika mifanohitra amin’ny didin’i Jehovah. (Jer. 5:23, 24)—15/3, pejy 9-10.

Nahoana i Jesosy no tena afa-po tamin’ny fiainany?

Ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra no tanjon’i Jesosy. Tena tia ny Rainy izy ary tia olona. Fantany koa fa tia azy ny Rainy sady mankasitraka azy. Izany koa no ilainao raha te ho afa-po amin’ny fiainana ianao.—1/4, pejy 4-5.

Inona avy no anisan’ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’Andriamanitra?

Anisan’izy io ny Filan-kevi-pitantanana, komitin’ny sampana, mpiandraikitra mpitety faritany, anti-panahy, fiangonana, ary ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay.—15/4, pejy 29.

Nahoana no tsy azo lazaina hoe ratsy fanahy Andriamanitra rehefa mampihatra didim-pitsarana?

Tsy mifaly amin’ny fahafatesan’ny ratsy fanahy i Jehovah. (Ezek. 33:11) Hita amin’izay nataony taloha hoe be fitiavana izy, ka mampitandrina foana vao mampihatra didim-pitsarana. Afaka manantena àry isika hoe tsy ho faty rehefa hampihatra ny didim-pitsarany izy amin’ny hoavy.—1/5, pejy 5-6.

Novonoina ho faty teo amin’ny tsato-kazo ve ny mpanao heloka bevava teo amin’ny Israely?

Tsia. Ny firenena hafa fahiny no nanao izany. Teo amin’ny Israely kosa dia novonoina aloha ilay mpanao ratsy, ohatra hoe notoraham-bato, izay vao nahantona teo amin’ny tsato-kazo ny fatiny mba ho anatra ho an’ny rehetra. (Lev. 20:2, 27)—15/5, pejy 13.

Nahoana no tsy mety misy fiadanana mihitsy eto an-tany?

Tsy mahay mitondra samirery ny fiainany ny olona, na dia betsaka aza ny zavatra efa vitany. (Jer. 10:23) I Satana no mifehy an’ity tontolo ity, ka tsy ho vitan’ny olona mihitsy ny hampisy fiadanana eto an-tany. (1 Jaona 5:19)—1/6, pejy 16.