Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: AZO ITOKISANA VE NY FIVAVAHANA?

Tokony Hanadihady Ianao

Tokony Hanadihady Ianao

Andeha hatao hoe marary mafy ianao ka tsy maintsy hodidiana. Tokony ho dokotera atokisanao no avelanao handidy anao, satria eo am-pelatanany ny ainao. Mailo àry ianao raha manadihady tsara aloha.

Toy izany koa eo amin’ny resaka fivavahana. Mailo ianao raha manadihady tsara ny fivavahanao. Eo am-pelatanany mantsy ny famonjena anao sy ny hoavinao mandrakizay.

Nanome toro lalana hanampy antsika i Jesosy. Hoy izy: “Samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo tsirairay.” (Lioka 6:44) Raha manadihady fivavahana iray àry ianao, dia fantaro ny voa vokarin’izy io. Ny vola ve no tena zava-dehibe amin’ny mpitondra fivavahana ao? Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly momba ny ady sy ny fitondran-tena ve ny mpivavaka ao? Misy fivavahana azo itokisana ve? Mamaly izany ireo lahatsoratra manaraka.

“Samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo tsirairay.” —Lioka 6:44