Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsara Kosa Ilay Sary An!”

“Tsara Kosa Ilay Sary An!”

Impiry izay ianao no nieritreritra na niteny an’izany tamin’olona, isaky ny nijery Tilikambo Fiambenana vaovao? Misy antony nanaovana an’ireny sary tsara tarehy ireny ary nokalina tsara izy ireny. Natao hampianarana sy hanampiana antsika hieritreritra izy ireny, sady natao hampitana fihetseham-po. Manampy antsika izy ireny, rehefa manomana isika na manome valin-teny amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

Nasiana sary eny am-piandohan’ny lahatsoratra fianarana tsirairay. Eritrereto àry hoe: Nahoana ilay sary no nofidina ho an’ilay lahatsoratra? Inona no asehon’ilay izy? Inona no ifandraisan’ilay izy amin’ny lohateny na ny andinin-teny fototra? Eritrereto koa hoe inona no ifandraisan’ilay izy amin’ny foto-kevitra hodinihina sy amin’ny fiainanao, ary ataovy hoatr’izany koa ny sary hafa.

Tokony havelan’ny mpitarika hilaza ny heviny momba ny sary tsirairay ny mpanatrika. Tokony hasainy hilaza izy ireo hoe inona no ifandraisan’ilay izy amin’ilay fianarana, na inona no vokatr’ilay sary amin’izy ireo. Voalaza eo akaikin’ilay sary indraindray ny fehintsoratra mifandray aminy. Ilay mpitarika anefa indraindray no mifidy an’izay fehintsoratra hitany hoe tena tsara hamelabelarana an’ilay sary. Ho afaka haka sary an-tsaina an’ireo fianarana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpanatrika amin’izay, ka handray soa.

Nilaza ny rahalahy iray fa vao mainka mahafinaritra azy ny lahatsoratra vakiny raha misy sary, na dia efa tsara be aza ny fomba nanoratana an’ilay izy.