Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Homba Anareo Foana Aho”

“Homba Anareo Foana Aho”

“Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—MAT. 28:20.

1. a) Fintino ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary. b) Inona no dikan’io fanoharana io, araka ny nolazain’i Jesosy?

 BETSAKA ny fanoharana nataon’i Jesosy momba an’ilay Fanjakana. Anisan’izany ilay hoe nisy lehilahy iray namafy voa tsara teo amin’ny tanimbariny. Nofafazan’ny fahavalo tsimparifary avy eo ilay vary, ka rakotry ny tsimparifary. Hoy anefa ilay lehilahy tamin’ny mpanompony: ‘Avelao hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana.’ Rehefa tonga ny fotoam-pijinjana vao nopotehina ny tsimparifary ary nangonina ny vary. Nohazavain’i Jesosy ny dikan’ilay fanoharana. (Vakio ny Matio 13:24-30, 37-43.) Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana io? (Jereo ilay tabilao hoe “Ny Vary sy ny Tsimparifary.”)

2. a) Inona no hita amin’ilay fanoharan’i Jesosy? b) Inona amin’ilay fanoharana no hodinihintsika?

2 Hita amin’ilay fanoharan’i Jesosy hoe ahoana no anangonany ny vary, na ny Kristianina voahosotra hiara-manjaka aminy. Hita amin’izany koa hoe rahoviana izy no hanangona azy ireo. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 no nafafy ny voa. Rahoviana kosa no ho vita tanteraka ny fanangonana ny voahosotra? Rehefa hahazo ny tombo-kase farany ny voahosotra mbola eto an-tany amin’ny faran’ity tontolo ity, ary hakarina any an-danitra. (Mat. 24:31; Apok. 7:1-4) Hoatran’ny toerana avoavo iray eny ambony tendrombohitra, izay ahatazanana tsara ny manodidina, dia manampy antsika io fanoharana io mba hahafantatra ny zava-nitranga nandritra ny 2 000 taona lasa teo ho eo. Inona avy àry ny zavatra fantatsika mifandray amin’ilay Fanjakana? Hita tao amin’ilay fanoharana hoe namafy aloha ilay lehilahy, avy eo naniry ny voa, ary farany nojinjaina ny vokatra. Ilay fotoana fijinjana no hodinihintsika ato. a

MIARO AZY IREO FOANA I JESOSY

3. a) Inona no nitranga taorian’ny taona 100? b) Inona ny fanontaniana ao amin’ny Matio 13:28, ary iza no nanontany an’izany? (Jereo ny fanamarihana any amin’ny faran’ny lahatsoratra.)

3 Efa nipoitra teo amin’ny tanimbary ny “tsimparifary” taorian’ny taona 100, rehefa nanomboka niharihary teo amin’izao tontolo izao ny Kristianina sandoka. (Mat. 13:26) Efa lasa betsaka noho ny Kristianina voahosotra mihitsy izy ireo taorian’ny taona 300. Tadidinao angamba fa nangataka tamin’ny tompony ireo mpanompo tao amin’ilay fanoharana raha afaka manongotra ny tsimparifary izy ireo. b (Mat. 13:28) Inona no nolazain’ilay tompony?

4. a) Inona no asehon’ny valin-tenin’i Jesosy? b) Oviana no nanomboka niavaka ny vary na ny tena Kristianina?

4 Hoy i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary: “Avelao ihany hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana.” Hita amin’io fa efa nisy foana ny vary, izany hoe ny Kristianina voahosotra, hatramin’ny taonjato voalohany ka hatramin’izao. Manamarina an’izany ilay tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany tatỳ aoriana hoe: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:20) Harovan’i Jesosy foana àry ny Kristianina voahosotra mandra-pahatongan’ny farany. Tsy fantatsika tsara hoe iza no vary nandritra izany fotoana lava be izany, satria rakotry ny tsimparifary izy ireo. Nanomboka niavaka anefa ny vary, 30 taona teo ho eo talohan’ilay fotoam-pijinjana. Ahoana no nahatonga azy ireo hiavaka?

IRAKA ‘MIKARAKARA NY LALANA’

5. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Malakia, tamin’ny taonjato voalohany?

5 Nisy faminaniana iray nasain’i Jehovah nosoratan’i Malakia, taonjato maro talohan’ny nilazan’i Jesosy an’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary. Misy ifandraisany amin’ilay fanoharan’i Jesosy ny zavatra sasany voalazan’io faminaniana io. (Vakio ny Malakia 3:1-4.) I Jaona Mpanao Batisa ilay ‘iraka nikarakara ny lalana.’ (Mat. 11:10, 11) Efa akaiky ho tonga ny fotoana hampiharana didim-pitsarana amin’ny firenen’Israely, tamin’izy tonga tamin’ny taona 29. I Jesosy kosa no iraka faharoa. Nanadio ny tempoly tao Jerosalema indroa i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Voalohany, tamin’izy vao nanomboka ny fanompoany, ary faharoa, tamin’ny faramparan’ny fanompoany. (Mat. 21:12, 13; Jaona 2:14-17) Naharitra fotoana lavalava àry ilay fanadiovana nataon’i Jesosy.

6. a) Ahoana koa no nahatanterahan’ny faminanian’i Malakia tatỳ aoriana? b) Hafiriana i Jesosy no nandinika ny tempoly ara-panahy? (Jereo koa ny fanamarihana any amin’ny faran’ny lahatsoratra.)

6 Mbola tanteraka fanindroany ny faminanian’i Malakia. Nanao asa mitovy amin’ny nataon’i Jaona Mpanao Batisa i C. Russell sy ny namany, am-polony taona maro talohan’ny 1914. Nampahafantatra indray ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy ireo. Nampianatra ny tena dikan’ny vidim-panavotana, ohatra, izy ireo, nampiseho fa diso ny fampianarana momba ny afobe, ary nanambara hoe efa hifarana ny Andron’ny Jentilisa. Be dia be koa anefa tamin’izany ny fivavahana nilaza fa mpanara-dia an’i Kristy. Iza marina àry ny tena vary? Mba hamaliana izany, dia nanomboka nandinika ny tempoly ara-panahy i Jesosy tamin’ny 1914. Naharitra fotoana lavalava izy no nandinika an’ilay tempoly sy nanadio azy io, nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919. c

FANDINIHANA SY FANADIOVANA NY TEMPOLY

7. Inona no hitan’i Jesosy tamin’izy nanomboka nandinika ny tempoly tamin’ny 1914?

7 Inona no hitan’i Jesosy tamin’izy nanomboka nandinika ny tempoly? Nisy Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy nampiasa ny heriny sy ny fananany mba hitoriana ny vaovao tsara nandritra ny 30 taona mahery, ary nazoto erỳ izy ireo. d Azo antoka fa tena faly i Jesosy sy ny anjely, rehefa nahita fa toy ny tahom-bary natanjaka tsara ireo Kristianina ireo na dia vitsy an’isa aza, ka tsy voagejan’ny tsimparifarin’i Satana. Mbola nila ‘nodiovina anefa ny taranak’i Levy’, dia ny voahosotra. (Mal. 3:2, 3; 1 Pet. 4:17) Nahoana?

8. Inona avy no nitranga taorian’ny 1914?

8 Diso fanantenana ny Mpianatra ny Baiboly sasany tamin’ny faramparan’ny 1914, satria tsy niakatra tany an-danitra. Nisy fanoherana koa avy tany ivelan’ny fandaminana tamin’ny 1915 sy 1916, ka nihena ny asa fitoriana. Tsy vitan’izay fa teo anivon’ny fandaminana mihitsy no lasa nisy nikomy, rehefa maty ny Rahalahy Russell tamin’ny Oktobra 1916. Nisy fanapahan-kevitra mantsy tamin’izay hoe ny Rahalahy Rutherford indray no hitarika ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society. Tsy nanaiky an’izany anefa ny efatra tamin’ireo mpitantana fito tao, ka nataon’izy ireo izay hahatonga ny mpiara-manompo tsy hiray saina. Niala tao amin’ny Betela izy ireo tamin’ny Aogositra 1917, ka hita tokoa fa nisy fanadiovana tamin’izay. Ankoatra izany, dia nisy koa Mpianatra ny Baiboly resin’ny tahotra olona. Na izany aza anefa, dia nanaiky hodiovin’i Jesosy ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly ary niova. Hitan’i Jesosy àry fa izy ireo no vary na tena Kristianina. Nolavin’i Jesosy kosa ny Kristianina sandoka rehetra, anisan’izany ny olona rehetra ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. (Mal. 3:5; 2 Tim. 2:19) Inona no nitranga avy eo? Hodinihintsika indray ilay fanoharana mba hamantarana an’izany.

INONA NO NITRANGA TAORIAN’NY NANOMBOHAN’NY FOTOAM-PIJINJANA?

9, 10. a) Inona no hodinihintsika izao? b) Inona ny zavatra voalohany nolazain’i Jesosy fa hitranga mandritra ilay fotoam-pijinjana?

9 Hoy i Jesosy: “Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 13:39) Nanomboka tamin’ny 1914 io fotoam-pijinjana io. Hodinihintsika ny zavatra dimy nolazain’i Jesosy fa hitranga mandritra an’io fotoana io.

 10 Voalohany, angonina ny tsimparifary. Hoy i Jesosy: ‘Amin’ny fotoam-pijinjana aho no hilaza amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany.’ Taorian’ny 1914 ny anjely no nanomboka nanangona ny tsimparifary na ny Kristianina sandoka, rehefa nanasaraka azy ireo tamin’ny “zanak’ilay fanjakana”, dia ny voahosotra.—Mat. 13:30, 38, 41.

11. Inona no mampiavaka ny tena Kristianina amin’ny Kristianina sandoka hatramin’izao?

11 Rehefa nitohy ilay fanangonana, dia vao mainka niavaka hoe iza no vary ary iza no tsimparifary. (Apok. 18:1, 4) Hita, ohatra, hoe efa nianjera i Babylona Lehibe tamin’ny 1919. Inona no tena nampiavaka ny tena Kristianina tamin’ny Kristianina sandoka? Ny asa fitoriana. Nanomboka nantitranterin’ireo nitarika teo anivon’ny Mpianatra ny Baiboly fa mila mitory momba ilay Fanjakana ny tsirairay. Nampirisika an’ireo Kristianina voahosotra rehetra mba hitory isan-trano, ohatra, ilay bokikely hoe Iza no Nanankinana An’ilay Asa? (anglisy), izay navoaka tamin’ny 1919. Izao no voalaza tao: “Marina fa hoatran’ny goavana ilay asa, nefa asan’ny Tompo ilay izy, ka amin’ny heriny no hahavitantsika izany. Tombontsoa be ho anao ny mandray anjara amin’izy io.” Inona no vokatr’izany? Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1922 fa vao mainka nitory ny Mpianatra ny Baiboly taorian’izay. Tsy ela dia ny fitoriana isan-trano no lasa nampiavaka an’ireo Kristianina tsy nivadika ireo, ary mbola hoatr’izany foana hatramin’izao.

12. Nanomboka oviana no nangonina ny vary?

 12 Faharoa, angonina ny vary. Hoy i Jesosy tamin’ny anjeliny: “Angony ny vary ka ataovy ao an-trano fitehirizako vokatra.” (Mat. 13:30) Nanomboka tamin’ny 1919 ny voahosotra no nangonina ho lasa anisan’ny fiangonan’ny tena Kristianina, izay efa voadio. Ahoana anefa ny amin’ireo Kristianina voahosotra mbola velona eto an-tany amin’ny faran’ity tontolo ity? Hangonina koa izy ireo, rehefa hakarina any an-danitra ka hahazo ny valisoany. Amin’izay no farany hanangonana azy ireo.—Dan. 7:18, 22, 27.

13. Inona izao no eritreretin’i Babylona Lehibe, anisan’izany ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?

 13 Fahatelo, hitomany sy hitoloko ny tsimparifary. Inona no hitranga rehefa voafatotry ny anjely ny tsimparifary? Nilaza i Jesosy fa “hitomany sy hitoloko” izy ireo. (Mat. 13:42) Mbola tsy izao anefa izany no mitranga. Hoy mantsy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay anisan’i Babylona Lehibe: “Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho ary tsy mpitondratena, ka tsy halahelo mihitsy.” (Apok. 18:7) Mahatsiaro ho manana fahefana be ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ankehitriny. Mieritreritra mihitsy aza izy hoe “mipetraka toy ny mpanjakavavy”, ka mifehy an’ireo mpitondra fanjakana. Tsy mitomany mihitsy àry izao ireo lazaina hoe tsimparifary. Mirehareha kosa aza izy ireo. Tsy haharitra ela anefa izany!

Miaraka be izao ny mpitondra fanjakana sy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, saingy efa hifarana izany ( Fehintsoratra 13)

14. a) Rahoviana no “hitoloko” ny Kristianina sandoka ary nahoana? b) Nahitsy ny fahazoantsika ny Matio 13:42. Nahoana izany fanitsiana izany no mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Salamo 112:10? (Jereo ny fanamarihana any amin’ny faran’ny lahatsoratra.)

14 Horavana ny fivavahan-diso rehetra amin’ny fahoriana lehibe. Hitady toerana azo antoka hiafenana ny mpivavaka tao amin’ireny fivavahan-diso ireny aorian’izay, saingy tsy hahita. (Lioka 23:30; Apok. 6:15-17) Ho hitan’izy ireo fa tsy ho afa-mandositra an’ilay fandringanana izy ireo, ka hitomany noho ny hakiviana tanteraka ary “hitoloko” noho ny hatezerana. Azo adika hoe “mihidy vazana” na tezitra koa mantsy ilay teny tany am-boalohany nadika hoe ‘mitoloko.’ Tsy vitan’izany fa “hikapo-tratra” noho ny alahelo izy ireo, araka ny nolazain’i Jesosy tao amin’ilay faminaniana momba ny fahoriana lehibe. eMat. 24:30; Apok. 1:7.

15. Hatao ahoana ny tsimparifary, ary rahoviana izany no hitranga?

 15 Fahefatra, hatsipin’ireo anjely ao anaty lafaoro mirehitra ny tsimparifary, rehefa voafatotr’izy ireo. (Mat. 13:42) Fandringanana tanteraka no dikan’izany. Horinganina àry ireo mpivavaka tao amin’ny fivavahan-diso ireo, amin’ny Hara-magedona, ilay tapany farany amin’ny fahoriana lehibe.—Mal. 4:1.

16, 17. a) Inona no zavatra hitranga farany resahin’i Jesosy ao amin’ilay fanoharany? b) Nahoana isika no milaza fa mbola amin’ny hoavy no ho tanteraka izany?

 16 Fahadimy, hamirapiratra ny vary. Izao no namaranan’i Jesosy an’ilay faminaniana: ‘Amin’izany fotoana izany ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.’ (Mat. 13:43) Zavatra mbola hitranga amin’ny hoavy any an-danitra izany, fa tsy zavatra efa mitranga eto an-tany ankehitriny. f Antony roa no mahatonga antsika hilaza an’izany.

17 Voalohany, hoy i Jesosy: ‘Amin’izany fotoana izany dia hamirapiratra ny olo-marina.’ Vao avy niresaka momba ny fotoana ‘hanipazana ny tsimparifary any amin’ny lafaoro mirehitra’ i Jesosy tamin’io, ka izany no tiany holazaina amin’ilay hoe “amin’izany fotoana izany.” Koa satria mandritra ny tapany farany amin’ny fahoriana lehibe izany no hitranga, dia tsy maintsy hoe amin’izay fotoana izay koa no “hamirapiratra” ny voahosotra. Faharoa, nilaza i Jesosy fa “ao amin’ny fanjakan’ny Rainy” no hamirapiratra ny olo-marina. Inona no dikan’izany? Ho efa voaisy tombo-kase farany ny voahosotra tsy mivadika rehetra mbola eto an-tany, aorian’ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe. Hangonina ho any an-danitra izy ireo aorian’izay, araka ilay faminanian’i Jesosy momba ny fahoriana lehibe. (Mat. 24:31) Hamirapiratra “ao amin’ny fanjakan’ny Rainy” izy ireo any, ary ho faly satria hampakatra azy ireo ho vadiny i Jesosy, ilay “Zanak’ondry”, aoriana kelin’ny Hara-magedona.—Apok. 19:6-9.

NY SOA RAISINTSIKA

18, 19. Inona no soa raisintsika rehefa avy nandinika an’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary isika?

18 Inona no soa raisintsika rehefa avy nandinika an’iny fanoharana iny isika? Voalohany, vao mainka mitombo ny zavatra fantatsika. Hitantsika amin’io fanoharana io ny antony lehibe iray mahatonga an’i Jehovah hamela ny faharatsiana hisy. ‘Nandefitra tamin’ny fanaky ny fahatezerana’ izy mba hanangonany ny “fanaky ny famindram-po” na ny vary, izany hoe ny voahosotra. g (Rom. 9:22-24) Faharoa, lasa matoky kokoa an’i Jehovah isika. Vao mainka hiady amintsika mantsy ny fahavalontsika arakaraka ny hanatonan’ny farany, “nefa tsy haharesy” izy ireo. (Vakio ny Jeremia 1:19.) Niaro ny vary na ny voahosotra foana i Jehovah hatramin’izay. Azo antoka àry fa ‘homba antsika foana’ koa izy, ka hiaro antsika amin’ny alalan’i Jesosy sy ny anjeliny.—Mat. 28:20.

19 Fahatelo, manampy antsika ilay fanoharana mba hahafantatra hoe iza no vary. Tena ilaina ny mahafantatra an’izany, mba hahafantarana ny valin’ilay fanontanian’i Jesosy hoe: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina?” (Mat. 24:45) Handinika ny valin’io fanontaniana io isika ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka.

 

a Fehintsoratra 2: Vakio ny lahatsoratra hoe ‘Hamirapiratra Tahaka ny Masoandro ny Olo-marina’ ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2010, mba hampahatsiahy anao ny dikan’ireo zavatra hafa ao amin’ilay fanoharana.

b Fehintsoratra 3: Anjely ireo mpanompo ireo. Efa maty mantsy ny apostolin’i Jesosy, ary vary fa tsy mpanompo no iantsoana an’ireo sisa voahosotra mbola eto an-tany. Lazaina any amin’ny faramparan’ilay fanoharana koa hoe anjely no manangona ny tsimparifary.—Mat. 13:39.

c Fehintsoratra 6: Fanazavana vaovao io. Nihevitra isika taloha fa tamin’ny 1918 i Jesosy no nandinika ny voahosotra.

d Fehintsoratra 7: Nizara boky efa ho 4 000 000 ny Mpianatra ny Baiboly, ary nizara taratasy mivalona sy bokikely maherin’ny 200 000 000, tamin’ny 1910 ka hatramin’ny 1914.

e Fehintsoratra 14: Fanazavana vaovao momba ny Matio 13:42 io. Nolazaina tao amin’ny gazetintsika taloha fa ‘nitomany sy nitoloko’ nandritra ny taona maro ny Kristianina sandoka, satria malahelo fa nahariharin’ny “zanak’ilay fanjakana” hoe “zanak’ilay ratsy” izy ireo. (Mat. 13:38) Misy ifandraisany amin’ny fandringanana anefa ilay hoe ‘mitoloko’ na mihidy vazana.—Sal. 112:10.

f Fehintsoratra 16: Nihevitra isika taloha fa samy miresaka momba ny asa fitoriana ny Daniela 12:3 sy ny Matio 13:43. Milaza ny Daniela 12:3 fa “hamirapiratra toy ny famirapiratry ny habakabaka ireo lalin-tsaina”, na ny Kristianina voahosotra. Mamirapiratra tokoa izy ireo eto an-tany, rehefa manao ny asa fitoriana. Hafa mihitsy anefa no lazain’ilay Matio 13:43. Lazainy ao fa hamirapiratra ireo voahosotra rehefa ao amin’ny Fanjakana any an-danitra.

g Fehintsoratra 18: Jereo ny boky Manatòna An’i Jehovah, pejy 288-289.