Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niampy Iray ny Rahalahy ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Niampy Iray ny Rahalahy ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Nilazana ny fianakavian’ny Betela tany Etazonia sy Kanada, tamin’ny alarobia maraina 5 Septambra 2012, fa niampy iray ny rahalahy ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mark Sanderson no anarany, ary tamin’ny 1 Septambra 2012 izy no nanomboka nanao an’io andraikitra io.

Lehibe tany San Diego, any Kalifornia any Etazonia ny Rahalahy Sanderson. Notezaina tao amin’ny fahamarinana izy, ary natao batisa tamin’ny 9 Febroary 1975. Nanomboka nanao mpisava lalana tany Saskatchewan any Kanada izy, tamin’ny 1 Septambra 1983. Tamin’ny Desambra 1990 izy no nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fahafito tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tany Etazonia (antsoina ankehitriny hoe Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo). Notendrena ho mpisava lalana manokana tany amin’ny nosy Terre-Neuve any Kanada izy, tamin’ny Aprily 1991. Lasa mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana izy tatỳ aoriana, ary nasaina hanompo tao amin’ny Betela any Kanada, tamin’ny Febroary 1997. Nafindra tany amin’ny sampan’i Etazonia izy tamin’ny Novambra 2000, ary niasa tao amin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, avy eo tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana.

Nanao ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana izy tamin’ny Septambra 2008, ary voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana tany Philippines. Nasaina niverina tany Etazonia izy tamin’ny Septambra 2010, ary lasa mpanampy ny Komitin’ny Fanoratan’ny Filan-kevi-pitantanana.