Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Nohamasinina Ianareo

Efa Nohamasinina Ianareo

“Efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo.”—1 KOR. 6:11.

1. Inona no zavatra nampanahy an’i Nehemia, tamin’izy niverina tao Jerosalema? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

TEZITRA ny mponina tao Jerosalema. Nahoana? Navela hampiasa ny efitra iray tao amin’ny tempoly ny olona iray hafa firenena sy nalaza ratsy. Tsy nanao ny asany koa ny Levita. Nanao raharaham-barotra ny anti-panahy tamin’ny Sabata, fa tsy nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Maro koa ny Israelita nanambady tsy Jiosy. Santionan’ny zavatra nampanahy an’i Nehemia ireo, rehefa niverina fanindroany tao Jerosalema izy, taorian’ny 443 T.K. tany ho any.—Neh. 13:6.

2. Ahoana no nahatonga ny Israely ho firenena masina?

2 Firenena nanokan-tena ho an’Andriamanitra ny Israely. Vonona hanao ny sitrapon’i Jehovah izy ireo tamin’ny 1513 T.K., ka nilaza hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Eks. 24:3) Nanamasina azy ireo àry i Jehovah, izany hoe nanokana azy ireo mba ho vahoakany. Tombontsoa tokoa izany! Nampahatsiahy azy ireo toy izao i Mosesy, 40 taona tatỳ aoriana: “Vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ianareo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.”—Deot. 7:6.

3. Nanao ahoana ny fanompoan’ny Jiosy an’Andriamanitra, rehefa niverina fanindroany tao Jerosalema i Nehemia?

3 Inona anefa no nitranga rehefa niverina fanindroany tao Jerosalema i Nehemia, izany hoe zato taona teo ho eo taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babylona mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina? Tsy nafana fo tamin’ny fivavahana marina intsony ilay firenena. Nohamaivanin’izy ireo hoe firenena masina izy. Marina fa mbola nanompo an’Andriamanitra ny Jiosy sasany. Te hiseho ho masina na mpivavaka be fotsiny anefa ny ankamaroany, fa tsy tena te hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

4. Inona avy ireo zavatra hodinihintsika, izay hanampy antsika ho masina hatrany?

 4 Nohamasinin’Andriamanitra koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, toa an’ireo Israelita ihany. Masina ny Kristianina voahosotra sy ny “vahoaka be”, izany hoe voatokana hanao fanompoana masina. (Apok. 7:9, 14, 15; 1 Kor. 6:11) Mety ho lasa tsy masina intsony anefa isika, toy ny Israelita. Inona no azontsika atao mba tsy hitrangan’izany, ka ho masina sy ho azon’i Jehovah ampiasaina foana isika? Misy zavatra efatra afaka manampy antsika, resahin’ny Nehemia toko faha-13. Ireto izany: 1) Mitandrema amin’ny naman-dratsy, 2) tohano ny asan’i Jehovah, 3) ataovy loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah, ary 4) asehoy foana fa Kristianina ianao. Handinika an’ireo isika izao.

MITANDREMA AMIN’NY NAMAN-DRATSY

Ahoana no nampisehoan’i Nehemia fa tsy nivadika tamin’i Jehovah izy? (Fehintsoratra 5, 6)

5, 6. Iza moa i Eliasiba sy Tobia, ary inona no nety ho nahatonga an’i Eliasiba hifanerasera tamin’i Tobia?

5 Vakio ny Nehemia 13:4-9. Maro ny olona mitaona antsika hanao ratsy, ka sarotra ny ho masina foana. Diniho ny ohatr’i Eliasiba sy Tobia. Mpisoronabe i Eliasiba. I Tobia kosa Amonita ary angamba niasa ho an’ny Fanjakana Persianina tao Jodia. Nanohitra an’i Nehemia i Tobia sy ny namany, rehefa niezaka nanorina indray ny mandan’i Jerosalema izy. (Neh. 2:10) Tsy nahazo niditra tao amin’ny tempoly ny Amonita. (Deot. 23:3) Nahoana anefa i Tobia no nomen’ilay mpisoronabe efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly?

6 Lasa namana akaikin’i Eliasiba i Tobia. Nanambady vehivavy jiosy koa i Tobia sy Johanana zanany lahy, ary nidera an’i Tobia ny Jiosy maro. (Neh. 6:17-19) Ankoatra izany, dia mpinamana akaiky izy sy Sanbala, governoran’i Samaria, izay rafozan’ny zafikelin’i Eliasiba. (Neh. 13:28) Nety ho izany fifandraisana izany no nahatonga an’i Eliasiba Mpisoronabe hanaraka izay nolazain’i Tobia, na dia tsy Israelita aza izy io sady mpanohitra. Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa i Nehemia, ka natsipiny avy tao amin’ilay efitra fisakafoana daholo ny fanak’i Tobia.

7. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy sy ny hafa, raha te ho masina foana izy ireo?

7 Vahoaka nanokan-tena ho an’Andriamanitra isika, ka ny tsy hivadika amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Mila manaraka ny fitsipiny isika, raha te ho masina foana. Tsy tokony hataontsika zava-dehibe noho ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly ny fifandraisana amin’ny havana. Miezaka koa ny anti-panahy mba hanana ny fisainan’i Jehovah rehefa manapa-kevitra, fa tsy hanao izay heveriny ho mety na hobaikoin’ny fihetseham-pony fotsiny. (1 Tim. 5:21) Mitandrina izy ireo mba tsy hanao zavatra mety hahatonga azy tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—1 Tim. 2:8.

8. Mpanompon’i Jehovah nanokan-tena isika, ka inona no tokony hotadidintsika momba ny namana?

8 Tadidio fa “ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Kor. 15:33) Mety tsy hampirisika antsika hanao ny tsara ny havantsika sasany. Ohatra tsara ho an’ny vahoaka i Eliasiba tamin’ny voalohany, satria tena nanohana an’i Nehemia izy rehefa naorina indray ny mandan’i Jerosalema. (Neh. 3:1) Voatarik’i Tobia sy ny olon-kafa hanao ratsy anefa izy tatỳ aoriana, ka lasa tsy masina intsony. Ilaintsika àry ny mifanerasera amin’ny namana tsara, izay mampirisika antsika hanao zavatra mahasoa, toy ny hoe mamaky Baiboly sy mivory ary manompo eny amin’ny saha. Tena tokony ho faly isika raha mandrisika antsika hanao ny tsara ny mpianakavintsika.

TOHANO NY ASAN’I JEHOVAH

9. Nahoana no tsy nandeha tsara ny asa tao amin’ny tempoly, ary iza no nomen’i Nehemia tsiny tamin’izany?

9 Vakio ny Nehemia 13:10-13. Zara raha nanao fanomezana hanohanana ny asa tao amin’ny tempoly ny olona, rehefa niverina tao Jerosalema i Nehemia. Tsy nahazo fanampiana àry ny Levita, ka niala tamin’ny asany ary nandeha  niasa tany amin’ny sahany. Nanome tsiny an’ireo solontenam-panjakana i Nehemia, noho izany. Tsy nanao ny andraikiny mantsy izy ireo. Mety hoe tsy nanangona ny ampahafolon-karena tany amin’ny vahoaka izy ireo, na nanangona ihany fa tsy nanatitra izany tany amin’ny tempoly. (Neh. 12:44) Nanao zavatra àry i Nehemia mba hanangonana ny ampahafolon-karena. Nanendry lehilahy mendri-pitokisana koa izy mba hiandraikitra an’ireo trano fitehirizana entana tao amin’ny tempoly sy ny fizarana an’ireo fanomezana voangona.

10, 11. Inona no azontsika atao mba hanohanana ny fivavahana marina?

10 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mampahatsiahy antsika izany hoe manana tombontsoa isika hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy ananantsika. (Ohab. 3:9) Izay efa an’i Jehovah ihany no omentsika azy, rehefa manao fanomezana mba hanohanana ny asany isika. (1 Tan. 29:14-16) Mety hieritreritra isika fa tsy manan-javatra firy hatolotra. Samy afaka manome anefa isika rehetra raha maniry hanao izany.—2 Kor. 8:12.

11 Diniho ny nataon’ny mpivady iray nanan-janaka valo. Nanasa mpivady mpisava lalana manokana efa zokiolona izy ireo isan-kerinandro. Nandritra ny taona maro no nanaovan’izy ireo izany. Matetika ilay renim-pianakaviana no nilaza hoe: “Marina fa efa folo isika, kanefa misy dikany inona moa ny manampy vilia roa?” Mety ho kely ihany izany sakafo indray mandeha isan-kerinandro izany, nefa tena nankasitrahan’ilay mpivady. Nandray soa koa ilay fianakaviana. Nandrisika an’ireo ankizy handroso ara-panahy ny fampaherezan’izy mivady sy ny zavatra notantarainy. Lasa mpanompo manontolo andro daholo izy ireo, tatỳ aoriana.

12. Inona no modely omen’ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana?

12 Miana-javatra avy amin’i Nehemia koa ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, ka miezaka mba ho modely amin’ny fanohanana ny asan’i Jehovah. Mandray soa amin’izany ny fiangonana. Ohatra tsara ny apostoly Paoly, satria nanohana ny fivavahana marina izy ary nanome toromarika mahasoa. Nanome soso-kevitra tsara momba ny fanaovana fanomezana, ohatra, izy.—1 Kor. 16:1-3; 2 Kor. 9:5-7.

ATAOVY LOHA LAHARANA NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH

13. Inona no mampiseho fa tsy nanaja ny Sabata ny Jiosy sasany?

13 Vakio ny Nehemia 13:15-21. Ho simba tsikelikely ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha manjary variana loatra mitady vola isika. Milaza ny Eksodosy 31:13 fa  nasaina nitandrina ny Sabata isan-kerinandro ny Israelita, mba hitadidiany hoe vahoaka nohamasinina izy ireo. Natokana mba hanaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana sy hivavahana ary hisaintsainana ny Lalàn’Andriamanitra ny Sabata. Lasa nihevitra anefa ny olona sasany niara-belona tamin’i Nehemia fa toy ny andro rehetra ihany ny Sabata. Niasa toy ny fanaony àry izy ireo, ary nampandeferiny ny fanompoana an’i Jehovah. Hitan’i Nehemia izany ka nasainy nakatona ny vavahadin’ny tanàna, raha vao nihamaizina ny andro, tamin’ny andro fahenina. Noroahiny koa ireo vahiny mpivarotra, talohan’ny hanombohan’ny Sabata.

14, 15. a) Inona no mety hitranga raha mandany fotoana be loatra hitadiavam-bola isika? b) Inona no azontsika atao mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

14 Inona no ianarantsika avy amin’i Nehemia? Tsy tokony handany fotoana be loatra amin’ny fitadiavam-bola isika. Mety ho lasa variana be amin’izany mantsy isika raha tsy mitandrina, indrindra raha tiantsika ny asantsika. Mety hihena mihitsy aza ny fitiavantsika an’i Jehovah. Tadidio fa nampitandrina antsika i Jesosy mba tsy hanompo tompo roa. (Vakio ny Matio 6:24.) Afaka nanangon-karena i Nehemia. Ahoana anefa no nampiasany ny fotoanany, tamin’izy tany Jerosalema? (Neh. 5:14-18) Tsy nanao raharaham-barotra tamin’ny olona avy tany Tyro sy tamin’ny mpivarotra hafa izy, fa nanokan-tena hanampy an’ireo rahalahiny sy nanao izay hanamasinana ny anaran’i Jehovah. Manahaka azy ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, ka mifantoka amin’ny fanampiana ny fiangonana. Tia azy ireo ny mpiray finoana aminy, noho izany. Lasa mifankatia sy mihavana tsara sady tsy manana ahiahy àry ny vahoakan’i Jehovah.—Ezek. 34:25, 28.

15 Tsy asaina mitandrina ny Sabata isan-kerinandro ny Kristianina. Nilaza anefa i Paoly fa “mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.” Hoy koa izy: “Izay olona niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra dia nitsahatra tamin’ny asany koa, tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany.” (Heb. 4:9, 10) Ho afaka hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra isika Kristianina, raha manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany ka mankatò azy. Ataonao sy ny ankohonanao loha laharana ve ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana sy ny fivoriana ary ny fanompoana eny amin’ny saha? Tokony ho hentitra isika indraindray rehefa miresaka amin’ny mpampiasa antsika na ny mpiara-miasa amintsika, indrindra raha tsy eken’izy ireo hoe zava-dehibe amintsika ny fivavahantsika. Toy izany no nataon’i Nehemia rehefa nanidy ny vavahadin’ny tanàna sy nandroaka an’ireo olona avy any Tyro izy. Nataony loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah. Nohamasinina isika, ka tsara ny mieritreritra hoe: ‘Hita amin’ny fomba fiainako ve fa voatokana hanompo an’i Jehovah aho?’—Mat. 6:33.

ASEHOY FOANA FA KRISTIANINA IANAO

16. Nahoana no natahorana tsy ho fantatra intsony hoe vahoaka masina ny Israelita, tamin’ny andron’i Nehemia?

16 Vakio ny Nehemia 13:23-27. Tamin’i Nehemia nitsidika voalohany an’i Jerosalema, dia nasainy nanao sonia taratasy fifanekena ny anti-panahy rehetra hoe tsy hisy lehilahy israelita hanambady hafa firenena. (Neh. 9:38; 10:30) Inona anefa no nitranga taona maro tatỳ aoriana? Nanambady vehivavy hafa firenena ny Jiosy, ary nitady tsy ho fantatra intsony hoe vahoaka nohamasinin’Andriamanitra izy ireo. Tsy nahay namaky teny hebreo ny zanak’izy ireo, sady tsy nahay niteny hebreo. Rehefa ho lehibe ireny ankizy ireny, mbola ho fantany ve fa Israelita izy? Sa izy ireo hieritreritra fa Asdodita na Amonita na Moabita? Mety ho azony ve ny Lalàn’Andriamanitra nefa izy tsy mahay teny hebreo? Hahalala an’i Jehovah ve izy ireo, ka hifidy ny hanompo azy fa tsy hanompo an’ireo andriamani-diso nivavahan’ny reniny? Nilaina ny nanao zavatra hentitra avy hatrany, ary nanao izany i Nehemia.—Neh. 13:28.

Ampio hifandray akaiky amin’i Jehovah ny zanakao (Fehintsoratra 17, 18)

17. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hifandray akaiky amin’i Jehovah?

 17 Mila mandray andraikitra koa isika, ka hanampy ny zanatsika ho lasa Kristianina. Ry ray aman-dreny, eritrereto hoe: ‘Mahay miteny tsara ny “fiteny madio” ve ny zanako, izany hoe mampihatra tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? (Zef. 3:9) Hita amin’ny resak’izy ireo ve fa ny fanahin’Andriamanitra no manan-kery eo aminy fa tsy ny toe-tsain’izao tontolo izao?’ Aza mora kivy raha misy zavatra hitanao hoe mila iezahany. Elaela mantsy ny olona vao mahay fiteny iray, indrindra raha maro ny zavatra mahatonga azy tsy hifantoka. Miezaka mafy koa ity tontolo ity mba hitarika ny zanatsika tsy hankatò an’i Jehovah. Manàna faharetana àry ka hararaoty ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana sy ny fotoana hafa, mba hanampiana ny zanakao hifandray akaiky amin’i Jehovah. (Deot. 6:6-9) Asongadino ireo soa azontsika noho isika tsy mitovy amin’ny tontolon’i Satana. (Jaona 17:15-17) Miezaha koa hanohina ny fon’izy ireo.

18. Nahoana ny ray aman-dreny kristianina no tsara toerana indrindra hanampy ny zanany hanokan-tena ho an’i Jehovah?

18 Marina fa anjaran’ny ankizy ny manapa-kevitra raha hanompo an’Andriamanitra izy na tsia. Betsaka anefa ny azon’ny ray aman-dreny atao. Afaka manome modely hotahafina izy ireo, mametraka fitsipika mazava, ary manazava amin’ny zanany ny vokatr’izay fanapahan-kevitra raisina. Ry ray aman-dreny, ianareo no tsara toerana indrindra hanampy ny zanakareo hanokan-tena ho an’i Jehovah. Mila ny fanampianareo izy ireo mba ho lasa Kristianina. Samy mila miezaka anefa isika rehetra, mba hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra sy hanana an’ireo toetra mampiavaka ny mpanara-dia an’i Kristy. Amin’izay dia tsy ho very ny maha Kristianina antsika, izay oharin’ny Baiboly amin’ny ‘akanjo ivelany.’—Apok. 3:4, 5; 16:15.

HOTSAROAN’I JEHOVAH ISIKA

19, 20. Inona no azontsika atao raha tiantsika ny hotsaroan’i Jehovah sy ‘hahazo sitraka aminy’?

19 Anisan’ny mpaminany tamin’ny andron’i Nehemia i Malakia. Nilaza izy fa ‘nisy boky fahatsiarovana nosoratana ho an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.’ (Mal. 3:16, 17) Tsy hohadinoin’Andriamanitra mihitsy ireo matahotra azy sy tia ny anarany.—Heb. 6:10.

20 Nivavaka i Nehemia hoe: “Mba tsarovy aho, ry Andriamanitro ô, ka aoka hahazo sitraka aminao.” (Neh. 13:31) Tianao ho voasoratra ao amin’ilay boky fahatsiarovan’Andriamanitra toy ny anaran’i Nehemia koa ve ny anaranao? Mitandrema àry amin’ny naman-dratsy, tohano ny asan’i Jehovah, ataovy loha laharana ny fanompoana azy, ary asehoy foana fa Kristianina ianao. Aoka isika ‘handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana isika na tsia.’ (2 Kor. 13:5) Hotsaroan’i Jehovah isika sady ‘hahazo sitraka aminy’, raha miezaka ho masina sy hifandray tsara aminy foana.