Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitondra ny Entako Isan’andro’ i Jehovah

‘Mitondra ny Entako Isan’andro’ i Jehovah

Miovaova be ny toe-pahasalamako ka mila tsy ho tantiko indraindray. Tsapako anefa hoe tena tia ahy ilay Raintsika any an-danitra, ka nanohana ahy foana hatramin’izay. Tena faly aho fa afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana, nandritra ny 20 taona mahery.

Teraka tamin’ny 1956 aho. Vao teraka aho dia fantatra fa nisy fantsona tsy nikatona tsara tao amin’ny hazondamosiko. Nisy selam-pitatitra simba àry ka lasa tsy afaka mandeha tsara aho, sady manjo ahy daholo izao karazan’aretina rehetra izao.

Nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny misionera Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Neny, taloha kelin’ny nahaterahako. Tany Usakos, any Namibia, izahay no nipetraka ary mpitory vitsivitsy monja no tany tamin’izaho mbola kely. Izahay mianakavy àry no niara-nandinika ny fanazavana tokony hianarana tany am-pivoriana. Tamin’izaho fito taona, dia nodidiana aho mba hahafahako mamoaka pipỳ. Voan’ny androbe koa aho nanomboka tamin’izaho 14 taona. Tsy nahavita fianarana aho satria lavitra be avy teo aminay ny lise akaiky indrindra, nefa izaho mbola nila fikarakarana manokana.

Tapa-kevitra ny hiezaka mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah aho, na izany aza. Afrikaans no tenin-drazako ary mbola tsy nisy tamin’io fiteny io ny ankamaroan’ny bokintsika, tamin’izany. Nianatra teny anglisy àry aho mba hahafahako mianatra azy ireny. Lasa mpitory aho ary natao batisa tamin’izaho 19 taona. Narary foana aho sady ketraka, nandritra ny efa-taona taorian’izay. Nifandray be koa ny mpiara-monina tany aminay, ka lasa kamo nitory aho satria natahotra olona.

Nifindra tatỳ Afrika Atsimo izahay, tamin’izaho 20 taona mahery kely. Tamin’izay aho vao mba nifanerasera tamin’ny fiangonana, ka faly erỳ. Tsy maintsy nodidiana indray anefa aho. Nodidiana ny tsinaibeko mba hahafahako mamoaka maloto.

Naheno mpiandraikitra ny faritra niresaka momba ny asan’ny mpisava lalana aho, tatỳ aoriana. Nanohina ny foko ny teniny, ka nangataka ny ho mpisava lalana maharitra aho, na dia teo aza ny aretiko. Tsapako mantsy fa nanampy ahy foana i Jehovah tamin’ny olana maro nahazo ahy. Tsy sahy nanaiky ny fangatahako anefa ny anti-panahy, satria narary aho.

Tapa-kevitra aho, na izany aza, fa hitory araka izay fara heriko. Nanampy ahy i Neny sy ny mpitory hafa, ka nahafeno ny oran’ny mpisava lalana aho, nandritra ny enim-bolana. Nasehoko tamin’izany fa tena vonona aho, ary tsy vato misakana ny aretiko. Nameno fangatahana indray aho, ary nekena ilay izy. Lasa mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1 Septambra 1988.

Tsapako foana hoe nanampy ahy i Jehovah. Tsy nifantoka tamin’izay nanjo ahy aho fa revo nampianatra ny fahamarinana. Niaro ahy sy nampahery ahy izany ary nanatanjaka ny finoako. Faly be aho nanampy olona maro hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa.

Mbola miovaova foana ny toe-pahasalamako. ‘Mitondra ny entako isan’andro’ anefa i Jehovah. (Sal. 68:19) Tsy vitan’ny hoe manampy ahy hizaka izay mahazo ahy eo amin’ny fiainako izy, fa ataony koa izay hahatonga ny fiainako hahafinaritra!