Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FANTARO NY TANTARANTSIKA

Faly Be Ilay Mpanjaka!

Faly Be Ilay Mpanjaka!

NITONDRA fiara misy fanamafisam-peo tao amin’ny tanànan’ny mpanjakan’i Soazilandy i Robert sy George Nisbet, tamin’ny Aogositra 1936. Nandefa mozika sy lahatenin’ny Rahalahy J. Rutherford izy ireo, ka faly be ny Mpanjaka Sobhuza II! Hoy i George: “Tiany hovidina ilay grafofaonina sy ireo diska ary ilay fanamafisam-peo, ka tsy hitanay izay natao.”

Niala tsiny i Robert sady nilaza hoe tsy amidy ireo fitaovana ireo, satria efa misy tompony. Nanontany àry ilay mpanjaka hoe iza no tompony.

Namaly i Robert hoe: “Mpanjaka no tompony.” “Mpanjaka iza?”, hoy i Sobhuza. Dia namaly indray i Robert hoe: “I Jesosy Kristy, Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Hoy i Sobhuza sady nanaja be: “Hay! Mpanjaka lehibe tokoa i Jesosy! Tsy haka ny fananany mihitsy aho ka.”

Nanoratra i Robert hoe: ‘Tena nahavariana ahy ny toetran’ilay mpanjaka. Nahay teny anglisy be izy nefa tsy nirehareha. Tsy niolakolaka koa izy rehefa niteny, sady mora niresahana. Niara-nipetrapetraka taminy tao amin’ny biraony nandritra ny adiny iray latsaka fahefany aho, fa i George kosa tany ivelany nandefa mozika.’

Hoy ihany i Robert: ‘Nankany amin’ny sekolim-panjakana izahay avy eo. Nahafinaritra be tany! Nitory tamin’ny tale izahay, ary nihaino tsara izy. Nilaza taminy izahay hoe te handefa lahateny tamin’ny grafofaonina mba hohenoin’ny mpianatra rehetra. Faly be izy ka niantso mpianatra efa ho zato mba hipetraka teo amin’ny bozaka sy hihaino an’izany. Nolazaina taminay hoe nampianarina namboly, niompy, nikarakara zaridaina, nandrafitra, nanao trano, niteny anglisy, ary nanao kajy ny ankizilahy tao amin’ilay lise. Ny ankizivavy kosa nampianarina nikarakara marary sy nanao raharaha ary nianatra zavatra hafa mahasoa.’ Ny reniben’ilay mpanjaka no nanangana an’ilay sekoly.

Mpianatry ny lise tany Soazilandy, nihaino lahateny ho an’ny besinimaro, tamin’ny 1936

Efa nisy mpisava lalana tonga tao amin’ilay tanàna tamin’ny 1933, ary faly erỳ i Sobhuza nihaino azy ireo. Novoriny mihitsy ny mpiady 100 mpiambina azy, indray mandeha, mba hihaino ny hafatra nalefan’ireo mpitory tamin’ny  grafofaonina. Nanao famandrihana ny gazetintsika izy ary nandray boky. Tsy ela dia saika nananany daholo ny bokintsika. Narovany koa ireo boky ireo, na dia voararan’ny mpanjana-tany anglisy aza ny bokintsika, nandritra ny Ady Lehibe II.

Nandray tsara ny Vavolombelon’i Jehovah tonga tao an-tanànany tao Lobamba foana i Sobhuza. Nantsoiny hihaino ny lahatenin’izy ireo mihitsy aza ny mpitondra fivavahana. Namelabelatra ny Matio toko faha-23 i Helvie Mashazi, rahalahy teo an-toerana, indray mandeha. Tezitra ny mpitondra fivavahana sasany teo, ka nitsangana tampoka ary nanery an’i Mashazi hipetraka. Nilaza taminy mba hanohy ny lahateniny anefa ny mpanjaka, sady nanasa ny mpanatrika handray an-tsoratra ny andinin-teny rehetra.

Nisy mpitondra fivavahana efatra niteny toy izao, rehefa avy nihaino ny lahateny nataon’ny rahalahy iray mpisava lalana: “Vavolombelon’i Jehovah izahay izao, fa tsy mpitondra fivavahana intsony.” Nanontany an’ilay rahalahy izy ireo avy eo raha nanana boky mitovy amin’ny an’ny mpanjaka izy.

Nanaja ny Vavolombelon’i Jehovah foana i Sobhuza, nanomboka tamin’ny 1930 tany ho any ka mandra-pahafatiny tamin’ny 1982. Tsy navelany henjehina izy ireo rehefa tsy nanaraka ny fombafomba tany Soazilandy. Tena nankasitraka azy àry ny Vavolombelona, ary nalahelo rehefa maty izy.

Nisy mpitory 3 000 mahery tany Soazilandy teo am-piandohan’ny 2013. Iray tapitrisa mahery kely ny mponina any, ka misy mpitory iray isaky ny mponina 384. Tamin’ny 2012, dia nisy mpisava lalana 260 mahery tany, fiangonana 90, ary 7 496 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Antenaina àry fa mbola hisy fitomboana be any. Niasa tsara tokoa ireo mpitory tonga voalohany tany, taoriana kelin’ny 1930.—Avy any amin’ny tahirintsika atsy Afrika Atsimo.