Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: NAHOANA ISIKA NO MIJALY BE TOY IZAO? RAHOVIANA IZANY NO HIFARANA?

Maro ny Tsy Manan-tsiny Namoy ny Ainy

Maro ny Tsy Manan-tsiny Namoy ny Ainy

Zazavavikely be fitiavana i Noelle sady tia nanao sary. Nandehandeha tany ambadiky ny tranony izy, indray takariva, tapa-bolana talohan’ny nahafeno efa-taona azy. Latsaka tao anaty dobo filomanosana izy ary maty tao.

Olona 26 no maty tamin’ilay tifitra variraraka tany Connecticut, any Etazonia, tamin’ny 14 Desambra 2012. Ankizy enin-taona na fito taona ny 20 tamin’ireo, ka anisan’izany i Charlotte, Daniel, Olivia, ary Josephine. Nanonona ny anaran’izy rehetra ny Filoha Obama, tamin’ny kabary nataony, ary niteny tamin’ny mpanatrika hoe: “Tsy tokony hiverina intsony ny toy izao.”

Avy any Irak i Bano, tovovavy 18 taona. Nifindra tany Norvezy izy sy ny fianakaviany tamin’ny 1996. Tara-masoandro no anaram-bosotra nomen’ny namany azy. Nampalahelo anefa fa anisan’ireo olona 77 novonoin’ny lehilahy iray mpikomy amin’ny fanjakana izy, tamin’ny 22 Jolay 2011. Hoy ilay lehilahy: “Miala tsiny aho ... fa tsy nahafaty olona maro kokoa.”

Maro ny tantara mahavaky fo toy izany eran-tany. Miteraka alahelo sy fahoriana ny loza, heloka bevava, ady, asa fampihorohoroana, hetraketraky ny natiora, sy ny sisa. Betsaka ny tsy manan-tsiny mamoy ny ainy na mijaly, noho ny antony tsy ara-drariny.

Misy manome tsiny an’Andriamanitra ka milaza fa tsy miraharaha ny olona izy. Ny hafa indray mieritreritra hoe hitan’Andriamanitra ny fijaliantsika, saingy mifidy ny tsy hanao zavatra izy. Ao koa ny milaza fa efa voalahatra mialoha ireny loza ireny. Aiza àry no ahitantsika fanazavana marina sy mahafa-po? Handinika izay lazain’ny Baiboly isika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka, mba hahitantsika hoe nahoana no misy ny fijaliana ary ahoana no hamaranana izany.