Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 AMPIANARO NY ZANAKAO

Mety Malahelo Andriamanitra. Ahoana no Hampifaliantsika Azy?

Mety Malahelo Andriamanitra. Ahoana no Hampifaliantsika Azy?

Efa naratra be ve ianao ka nitomany?... * Mety ho efa voan’izany daholo isika. Mety hitomany koa anefa isika, rehefa misy olona milaza zavatra ratsy be momba antsika nefa tsy marina ilay izy. Malahelo isika rehefa mitranga izany e?... Malahelo koa i Jehovah Andriamanitra rehefa misy milaza lainga momba azy. Andeha isika hiresaka momba izany, sady hijery hoe inona no tokony hataontsika raha tiantsika ho faly izy fa tsy halahelo.

Resahin’ny Baiboly fa nisy olona nilaza ho tia an’Andriamanitra, nefa nanao izay “nampalahelo azy” sady ‘nampahory azy.’ Tsy misy afaka mampijaly azy ara-bakiteny anefa, satria Mahery Indrindra izy. Malahelo kosa izy rehefa tsy mankatò azy isika. Nahoana? Andeha hojerentsika izany.

Tena nanao izay nampalahelo an’i Jehovah ny olona roa noforoniny voalohany. Napetrany tao amin’ny Paradisa atao hoe “zaridainan’i Edena” izy ireo. Iza moa no anaran’izy ireo?... Ie, i Adama no nataony voalohany vao i Eva. Andeha hojerentsika izay nataon’izy ireo, ka nampalahelo an’i Jehovah.

Nasain’i Jehovah nikarakara an’ilay zaridaina izy ireo. Niteny koa izy hoe afaka miteraka izy ireo, ary mahazo mipetraka ao amin’io zaridaina io izy mianakavy sady tsy ho faty mihitsy. Nisy zava-doza nitranga anefa, tamin’i Adama sy Eva mbola tsy nanan-janaka. Fantatrao ve hoe inona izany?... Nisy anjely nampirisika an’i Eva tsy hankatò an’i Jehovah. Tsy nankatò koa i Adama avy eo. Andeha hojerentsika izay nataon’ilay anjely.

Nataon’ilay anjely hoatran’ny hoe miteny ny bibilava  iray. Nahafinaritra an’i Eva ny zavatra henony. Nilaza ilay bibilava hoe “ho tahaka an’Andriamanitra” i Eva raha manao izay lazainy. Dia nanao tokoa i Eva. Inona no nataony?...

Nohaniny ilay voankazo notenenin’i Jehovah tamin’i Adama hoe tsy tokony hohanina. Hoy i Jehovah tamin’i Adama, tamin’izy mbola tsy namorona an’i Eva: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.”

Fantatr’i Eva io lalàna io. Mbola nijery an’ilay hazo ihany anefa izy, ary hitany fa “mahate hihinana ilay hazo sady mahafinaritra ny maso ... Koa nakany ny voany ka nohaniny.” Nomeny koa i Adama avy eo ary “nihinana izy.” Nahoana izy no nanao an’izany, araka ny hevitrao?... Satria lasa tian’i Adama kokoa noho i Jehovah i Eva. Naleony nampifaly an’i Eva toy izay hampifaly an’i Jehovah. Ny mankatò an’i Jehovah anefa no zava-dehibe kokoa noho ny mankatò olona.

Tadidinao ve ilay bibilava niresaka tamin’i Eva? Misy olona mahay mampiteny saribakoly, dia ataony hoatran’ny hoe tena miteny ilay izy nefa ilay olona no miteny. Hoatran’izany koa no natao tamin’ilay bibilava. Feon’iza àry ilay niteny?... Feon’ilay “menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana.”

Fantatrao ve hoe inona no tokony hataonao mba hampifaliana an’i Jehovah?... Mila mankatò azy foana ianao. Milaza i Satana fa vitany ny mitaona ny olona hanaraka izay lazainy. Hoy àry i Jehovah amintsika: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” Maneso na manaratsy an’i Jehovah i Satana. Milaza izy fa vitany ny mitarika ny olona rehetra tsy hanompo an’i Jehovah. Ho faly àry i Jehovah raha mankatò sy manompo azy ianao. Hiezaka mafy hanao izany ve ianao?...

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.