Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy Antsika ho Akaiky Kokoa An’i Jehovah ny Asan’ny Mpisava Lalana

Manampy Antsika ho Akaiky Kokoa An’i Jehovah ny Asan’ny Mpisava Lalana

“Tsara ny mihira fiderana ho an’Andriamanitsika.”SAL. 147:1.

1, 2. a) Inona no vokany rehefa mieritreritra sy miresaka momba ny olona iray tiantsika isika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona avy ireo fanontaniana hovaliantsika?

VAO mainka tiantsika ny olona iray rehefa mieritreritra momba azy sy miresaka momba azy isika. Marina koa izany raha ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra no resahina. Nandinika matetika ny lanitra feno kintana i Davida, tamin’izy niandry ondry, ary nisaintsaina momba an’ilay Mpamorona tsy manan-tsahala. Hoy izy: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?” (Sal. 8:3, 4) Nandinika ny fomba miavaka nanatanterahan’i Jehovah ny fikasany momba ny Israely ara-panahy koa ny apostoly Paoly, ka niaiky hoe: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!”Rom. 11:17-26, 33.

2 Mieritreritra sy miresaka momba an’i Jehovah isika, rehefa manompo. Misy vokany tsara izany. Maro ny mpisava lalana mahatsapa fa mitombo ny fitiavany an’Andriamanitra, noho izy manompo bebe kokoa. Na mpanompo manontolo andro ianao na mikasa hanao izany, dia tsara ny ieritreretanao hoe: ‘Nahoana no manatsara ny fifandraisana amin’i Jehovah ny fanompoana manontolo andro?’ Raha efa mpisava lalana ianao, dia eritrereto hoe: ‘Inona no hanampy anao hanohy an’io fanompoana mahafa-po io?’ Raha mbola tsy mpisava lalana kosa ianao, dia saintsaino hoe: ‘Inona no fanovana azonao atao mba ho lasa mpisava lalana ianao?’ Andeha isika handinika antony maromaro mahatonga antsika hilaza fa lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra isika rehefa manompo manontolo andro.

 NY VOKANY EO AMIN’NY FIFANDRAISANTSIKA AMIN’I JEHOVAH

3. Inona no vokany rehefa mitory momba an’ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana isika?

3 Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa miresaka momba ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Inona no andinin-teny tianao sy fampiasanao rehefa mitory isan-trano? Ny Salamo 37:10, 11 ve, sa ny Daniela 2:44, sa ny Jaona 5:28, 29, sa ny Apokalypsy 21:3, 4? Isaky ny miresaka an’ireny fampanantenana ireny isika, dia mitamberina ao an-tsaintsika fa malala-tanana ilay Andriamanitsika, ary avy aminy “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” Mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy izany.Jak. 1:17.

4. Nahoana isika no lasa mankasitraka kokoa ny hatsaram-panahin’i Jehovah, rehefa mitory amin’ny hafa?

4 Lasa mankasitraka kokoa ny fahamarinana isika, rehefa mahita fa tsy sambatra ny olona itoriantsika. Tsy manana tari-dalana azo antoka mba hanampy azy ho sambatra sy hahomby ny olona eto amin’ity tontolo ity. Manahy momba ny hoavy ny ankamaroany, sady tsy manana fanantenana. Tsy mahafantatra ny antony iainany koa izy ireo. Na ny ankamaroan’ny olona tia fivavahana aza zara raha mahalala ny Soratra Masina. Toa an’ireo mponin’i Ninive fahiny izy ireo. (Vakio ny Jona 4:11.) Rehefa manompo bebe kokoa isika, dia vao mainka miharihary amintsika fa voakarakara tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah, raha oharina amin’ny olona eny am-pitoriana. (Isaia 65:13) Tsapantsika koa fa tena tsara fanahy i Jehovah, satria tsy ny vahoakany ihany no karakarainy. Manasa ny rehetra izy mba hahazo famelombelomana sy fanantenana azo antoka.Apok. 22:17.

5. Lasa manao ahoana ny fahitantsika ny olana mahazo antsika, rehefa mampianatra ny fahamarinana isika?

5 Lasa tsy manahy be loatra amin’ny olana mahazo antsika isika, rehefa mampianatra ny fahamarinana amin’ny hafa. Nahatsapa an’izany i Trisha, izay mpisava lalana maharitra. Nilaza izy fa kivy be rehefa nisaraka ny ray aman-dreniny. Nalahelo be izy, indray mandeha, ka te hijanona tao an-trano. Nandeha nampianatra Baiboly ihany anefa izy. Ankizy telo mianadahy no nampianariny. Nanana olana lehibe izy ireo, satria nilaozan’ny dadany ary nampijalin’ny zokiny lahy. Hoy i Trisha: “Tsy nisy dikany ny olana sy ny alahelo nahazo ahy, raha oharina tamin’izay nanjo azy ireo. Miramirana sy falifaly erỳ anefa izy ireo sady nihomehy, nandritra ny fianaranay.” Nilaza i Trisha fa nampiasain’i Jehovah ireo ankizy ireo mba hampaherezana azy, tamin’iny andro iny.

6, 7. a) Lasa manao ahoana ny finoantsika, rehefa mampianatra Baiboly isika? b) Inona no tsapantsika rehefa hitantsika fa mihatsara ny fiainan’ny olona mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

6 Lasa matanjaka kokoa ny finoantsika, rehefa mampianatra ny fahamarinana isika. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Jiosy sasany, izay nitory nefa tsy nampihatra an’izay notoriny: “Ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao?” (Rom. 2:21) Tsy toy izany ny mpisava lalana fa mampianatra tsara ny tenany. Imbetsaka izy ireo no miresaka ny fahamarinana sy mampianatra Baiboly. Tsy maintsy miomana tsara izy ireo isaky ny hampianatra, ary angamba mila manao fikarohana mba hamaliana ny fanontanian’ny olona. Hoy ny mpisava lalana iray atao hoe Janeen: “Vao mainka latsa-paka ao am-poko sy ao an-tsaiko ny fahamarinana isaky ny mampianatra Baiboly aho, ka mihamatanjaka ny finoako.”

7 Vao mainka isika miaiky hoe hendry i Jehovah, rehefa hitantsika fa mihatsara ny fiainan’ny olona mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Isaia 48:17, 18) Manampy antsika izany mba ho tapa-kevitra kokoa ny hampihatra foana an’ireny toro lalana ireny. Hoy i Adrianna, izay mpisava lalana: “Mikorontana ny fiainan’ny olona rehefa  manao izay saim-pantany fotsiny izy. Tonga dia hita kosa hoe mihatsara ny fiainany rehefa matoky ny fahendren’i Jehovah izy.” Hoy koa i Phil: ‘Mahavariana ny mahita hoe mahavita miova ny olona rehefa ampian’i Jehovah, na dia tsy nahavita an’izany aza izy taloha.’

8. Inona no vokany rehefa miara-manompo amin’ny rahalahy sy anabavy isika?

8 Mampahery antsika ny miara-manompo amin’ireo rahalahy sy anabavy. (Ohab. 13:20) Manokana fotoana be dia be hiarahana manompo amin’ny mpitory hafa ny ankamaroan’ny mpisava lalana. Afaka ‘mifampahery’ kokoa amin’ny hafa àry izy ireo. (Rom. 1:12; vakio ny Ohabolana 27:17.) Hoy i Lisa, izay mpisava lalana: “Matetika no tia mifaninana sy be fialonana ny olona any am-piasana. Fosafosa sy ompa no renao any isan’andro. Ny ho ambony noho ny hafa no iezahany, na inona na inona mety ho vokany. Maneso na manambany antsika izy ireo indraindray, noho ny fitondran-tenantsika. Tena mampahery kosa ny miara-manompo amin’ny mpiray finoana. Velombelona erỳ aho rehefa mody ao an-trano ny hariva, na reraka toy inona aza.”

9. Inona no vokany rehefa samy mpisava lalana ny mpivady?

9 Rehefa samy mpisava lalana ny mpivady, dia mihamafy ny fatoram-panambadiany, izay toy ny tady randran-telo. (Mpito. 4:12) Mpisava lalana i Madeline sy ny vadiny. Hoy izy: “Afaka miresaka ny zava-nitranga teny amin’ny fanompoana izahay mivady, na miresaka ny zavatra novakinay tao amin’ny Baiboly ka azo ampiharina eny amin’ny fanompoana. Vao mainka mihamifankatia izahay isan-taona, satria miara-manao ny asan’ny mpisava lalana.” Nilaza koa i Trisha hoe: “Samy miezaka mafy mba tsy hitrosa izahay, ka tsy mampiady anay ny resa-bola. Mitovy koa ny andro andehananay manompo, ka  miara-manao fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly izahay. Lasa mifankatia kokoa àry izahay sady lasa akaiky kokoa an’i Jehovah.”

Mahafinaritra ny fiainan’ny mpanompo manontolo andro (Fehintsoratra 9)

10. Inona no vokany rehefa manao loha laharana an’ilay Fanjakana isika ka mahatsapa fa ampian’i Jehovah?

10 Vao mainka isika matoky an’i Jehovah, rehefa manao loha laharana ny Fanjakany ka mahatsapa fa manohana antsika izy sady mamaly ny vavaka ataontsika. Mahatsapa an’izany ny Kristianina tsy mivadika rehetra. Tsapan’ny mpisava lalana koa anefa fa ny fitokisany amin’i Jehovah no manampy azy tsy hiala amin’ny fanompoana manontolo andro. (Vakio ny Matio 6:30-34.) Mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana i Curt, ary mpisava lalana izy sy ny vadiny. Nasaina nitsidika fiangonana lavitra ny tranony izy ary nanaiky. Adiny roa sy sasany vao tonga any, raha mandeha fiara. Ampy nankanesana tany ny lasantsy tao amin’ny fiaran’izy mivady, fa tsy ampy hiverenana. Mbola afaka herinandro anefa i Curt vao handray karama. Nisalasala indray àry i Curt raha nety ny nanekeny hitsidika an’ilay fiangonana. Nivavaka anefa izy mivady ary nanapa-kevitra ny handeha ihany, satria natoky fa hanome izay ilainy Andriamanitra. Niantso an-telefaonina azy ireo ny anabavy iray, taloha kelin’ny hiaingan’izy ireo, ary nilaza fa misy zavatra tiany homena azy ireo. Vola ilay izy, ary ampy tsara hamitana an’ilay dia. Hoy i Curt: “Rehefa miverimberina ny zavatra toy ireny, dia tsapanao hoe i Jehovah mihitsy no manampy anao.”

11. Nahoana isika no milaza fa mitondra fitahiana ny asan’ny mpisava lalana?

11 Matetika ny mpisava lalana no milaza fa toa tsy mety tapitra mihitsy ny fitahiana azony, rehefa mikely aina amin’ny fanompoana izy ireo sady miezaka foana ho akaiky an’i Jehovah. (Deot. 28:2) Miatrika zava-tsarotra koa anefa ny mpisava lalana. Tsy misy tokoa mantsy mpanompon’i Jehovah afa-miala amin’ny olana vokatry ny fikomian’i Adama. Marina fa misy mpisava lalana tsy maintsy mitsahatra. Matetika anefa no azo alamina na sorohina ireny olana ireny. Inona àry no hanampy ny mpisava lalana tsy hiala amin’ny tombontsoam-panompoany?

AZA MIALA AMIN’NY FANOMPOANA MANONTOLO ANDRO

12, 13. a) Inona no tokony hataon’ny mpisava lalana raha sahirana izy vao mahafeno ora? b) Nahoana no tena ilaina ny manokana fotoana hamakiana Baiboly isan’andro sy hianarana samirery ary hisaintsainana?

12 Tena be atao ny ankamaroan’ny mpisava lalana. Mety ho sarotra aminy ny hamita an’izay rehetra tokony hatao, ka ilainy ny mahay mandamim-potoana. (1 Kor. 14:33, 40) Mila mandinika ny fomba ampiasany ny fotoanany izy raha sahirana vao mahafeno ora. (Efes. 5:15, 16) Afaka mieritreritra izy hoe: ‘Manao ahoana ny habetsahan’ny fotoana laniko ialana voly? Mila mifehy tena kokoa ve aho? Azoko amboarina ve ny fotoana iasako?’ Manaiky angamba isika rehetra fa mora ny mampiditra zavatra hafa ao amin’ny fandaharam-potoanantsika. Mila mandini-tena matetitetika àry ny mpanompo manontolo andro, ary manao izay fanitsiana ilaina.

13 Tokony hanokana fotoana hamakiana Baiboly isan’andro sy hianarana samirery ary hisaintsainana ny mpisava lalana. Mila mifehy tena àry izy, mba tsy havelany haka ny fotoana tokony hanaovany an’ireo zava-dehibe ireo ny zavatra tsy dia misy dikany. (Fil. 1:10) Intỳ misy ohatra: Tonga ao an-trano ny mpisava lalana iray, rehefa avy nanompo tontolo andro. Mieritreritra ny hanomana fivoriana izy amin’io takariva io. Nandefa tele anefa aloha izy, satria te hijery vaovao. Nisy fandaharana tsara koa taorian’ny vaovao ka variana teo izy. Tsy hitahita akory dia efa lasa ny adiny roa, nefa mbola tsy nanomboka nanomana izy. Inona no tsy mahamety an’izany? Tsy maintsy misakafo tsara foana ny atleta matihanina, raha te hateza amin’ ny asany. Toy izany koa ny mpisava lalana. Mila mianatra samirery tsy tapaka izy ireo, mba ho afaka hanohy ny fanompoana manontolo andro.1 Tim. 4:16.

14, 15. a) Nahoana ny mpisava lalana no tokony hiezaka hanana fiainana tsotra foana? b) Inona no tokony hataon’ny mpisava lalana raha manana olana izy?

14 Miezaka hanana fiainana tsotra foana ny mpisava lalana raha te hahomby. Nampirisika ny mpianany mba hanana maso tsotra i Jesosy. (Mat. 6:22) Niezaka hanana fiainana tsotra izy mba tsy ho voahelingelina, fa hifantoka amin’ny fanompoana. Hoy izy: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Mat. 8:20) Manahaka an’i Jesosy ny mpisava lalana, ka mitadidy fa raha betsaka ny zavatra ananany dia ho betsaka koa ny fikojakojana na fanamboarana ilaina hatao, na ny zavatra tsy maintsy soloana.

15 Fantatry ny mpisava lalana fa tsy hoe tsara noho ny hafa izy matoa mpisava lalana. Avy amin’i Jehovah kosa io tombontsoam-panompoana ananany io, ary nomeny noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Tsy maintsy miantehitra amin’i Jehovah àry izy ireo, mba hahafahany hanohy ny fanompoany. (Fil. 4:13) Tsy maintsy hisy ny olana. (Sal. 34:19) Tokony hangataka tari-dalana amin’i Jehovah ny mpisava lalana rehefa mitranga izany, ary hamela azy hanampy, fa tsy halaky hiala amin’ny tombontsoam-panompoany. (Vakio ny Salamo 37:5.) Ho lasa akaiky kokoa an’ilay Rainy any an-danitra izy ireo, rehefa mahatsapa hoe tia sy manampy azy ireo izy.Isaia 41:10.

AFAKA NY HO MPISAVA LALANA VE IANAO?

16. Inona no tokony hataonao raha te ho mpisava lalana ianao?

16 Resaho amin’i Jehovah ny fanirianao, raha te hahazo an’ireo fitahiana ananan’ireo manompo manontolo andro ianao. (1 Jaona 5:14, 15) Miresaha amin’ny mpisava lalana. Manàna tanjona izay hanampy anao ho lasa mpisava lalana. Izany no nataon’i Keith sy Erika. Niasa tontolo andro izy mivady. Nividy fiara sy trano vaovao izy ireo, raha vao nivady kelikely, satria izany no fanaon’ny mpivady maro mitovy taona aminy, any amin-dry zareo. Hoy izy ireo: “Nieritreritra izahay hoe ho sambatra rehefa manana an’ireo, nefa tsy izany mihitsy no tsapanay.” Nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy i Keith, tatỳ aoriana, rehefa voaroaka tamin’ny asany. Hoy izy: “Nanjary tsapako indray fa tena mahafaly ny manompo.” Lasa mpinamana tamin’ny mpivady mpisava lalana iray izy mivady. Nampian’ireo izy mivady mba hahita hoe mahafinaritra ny manana fiainana tsotra sy manao ny asan’ny mpisava lalana. Inona àry no nataon’i Keith sy Erika? Hoy izy ireo: “Nataonay lisitra ny tanjonay ara-panahy ary napetakay teo amin’ny frizideranay. Isaky ny nahatratra tanjona iray izahay, dia nasianay marika kely teo tamin’ilay izy.” Lasa mpisava lalana izy mivady tatỳ aoriana.

17. Nahoana no tsara ny mandinika ny fandaharam-potoananao sy ny fiainanao, mba hahitana raha afaka ny ho mpisava lalana ianao?

17 Afaka ny ho mpisava lalana àry ve ianao? Raha mbola tsy afaka ianao izao, dia ataovy izay fara herinao amin’ny fanompoana mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao. Mivavaha koa aminy ary diniho tsara ny fiainanao. Mety ho hitanao amin’izay fa afaka ny ho mpisava lalana ianao, raha manamboatra ny fandaharam-potoananao na manova zavatra sasany eo amin’ny fiainanao. Ho betsaka lavitra noho izay zavatra hafoinao ny fifaliana ho azonao, raha manao ny asan’ny mpisava lalana ianao. Vao mainka ianao ho afa-po satria manao loha laharana an’ilay Fanjakana. (Mat. 6:33) Ho sambatra kokoa ianao satria manome. Tsy izay ihany fa ho afaka hiresaka sy hieritreritra momba an’i Jehovah foana ianao, ka vao mainka ho tia azy sy hampifaly azy.