Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: INONA NO RESAHIN’NY BAIBOLY?

Nahoana ny Baiboly no Tokony Hahaliana Anao?

Nahoana ny Baiboly no Tokony Hahaliana Anao?

Ny Baiboly no boky be mpitia indrindra. Mora azo mantsy izy io. Miresaka tantara tena nisy izy io, sady mitantara ny fifandraisan’ny olona teo amin’izy samy izy sy tamin’Andriamanitra. Andraisana lesona mahasoa ireny tantara ireny. Tsotra sy mivantana ny teny ampiasaina amin’izy ireny ka azo adika amin’ny fiteny an-jatony ary azon’ny olona fahiny sy ankehitriny, na aiza na aiza misy azy. Mandaitra foana koa ny toro lalan’ny Baiboly.

Voalaza ao fa boky avy amin’Andriamanitra izy io fa tsy boky momba azy fotsiny. Lazaina ao ny anaran’Andriamanitra, ny toetrany, ary ny fikasany tamin’izy namorona ny tany sy ny olombelona. Miresaka tantara mahavariana mahakasika ny olona rehetra eran-tany koa izy io: Nitady handresy ny tsara foana ny ratsy, saingy ny tsara no mivoaka ho mpandresy. Hanana finoana sy fanantenana àry ianao, raha mamaky Baiboly amin’ny saina tsy miangatra.

Misy fanazavana tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly. Lazainy amintsika, ohatra, ny marina momba an’ireto loha hevitra ireto:

  • Ahoana no nampisy antsika ary nahoana isika no mijaly?

  • Inona no nataon’Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona?

  • Inona no nataon’i Jesosy ho antsika?

  • Hanao ahoana ny tany sy ny olombelona amin’ny hoavy?

Nahoana raha mijery an’ireo pejy manaraka, mba hahalalanao izay resahin’ny Baiboly?