Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: INONA AVY IREO LAINGA MOMBA AN’ANDRIAMANITRA?

Manafaka Anao ny Marina

Manafaka Anao ny Marina

Niresaka momba ny Rainy i Jesosy, indray andro, tany Jerosalema sady nampiharihary ny faharatsian’ireo mpitondra fivavahana tamin’izany. (Jaona 8:12-30) Manampy antsika handinika an’ireo zavatra inoan’ny olona ankehitriny ny tenin’i Jesosy. Hoy izy tamin’izay: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:31, 32.

Nilaza i Jesosy fa ‘tsy miala amin’ny teniny ny mpianany.’ Atorony eo ny fomba ahalalana raha marina ny fampianaran’ny fivavahana iray na tsia. Rehefa mandre resaka momba an’Andriamanitra ianao, dia saintsaino hoe: ‘Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy sy ny Soratra Masina manontolo ve izany?’ Tahafo ireo olona nandre ny tenin’ny apostoly Paoly, izay “nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.”—Asan’ny Apostoly 17:11.

Nandinika tsara ny zavatra ninoany i Marco sy Rosa ary Raymonde, voaresaka tao amin’ny lahatsoratra voalohany, rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana hoy izy ireo?

Marco: “Nampiasa Baiboly ilay olona nampianatra anay mivady mba hamaliana ny fanontanianay. Lasa tia an’i Jehovah izahay, ary nifankatia kokoa!”

Rosa: “Nieritreritra aho, tamin’ny voalohany, fa ny fiheveran’ny olona an’Andriamanitra fotsiny no ao amin’ny Baiboly. Voavaly tsikelikely tao anefa ny fanontaniako. Fantatro izao fa tena misy i Jehovah sady azoko itokisana.”

Raymonde: “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hampiany hahalala azy. Nanomboka nianatra Baiboly izahay mivady, tsy ela taorian’izay. Lasa nahafantatra ny marina momba an’i Jehovah izahay ka faly erỳ!”

Tsy mampiharihary ny lainga momba an’Andriamanitra fotsiny ny Baiboly. Resahiny koa fa manana toetra tsara izy. Avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly ary manampy antsika ‘hahafantatra ny zavatra nomeny antsika tamin-katsaram-panahy.’ (1 Korintianina 2:12) Tsara raha ianao mihitsy no mijery ny valiny omen’ny Baiboly amin’ireo fanontaniana lehibe fametraky ny olona momba an’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny hoavy. Jereo ilay hoe “Fampianaran’ny Baiboly > Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly”, ao amin’ny www.pr418.com/mg. Afaka mangataka hianatra Baiboly koa ianao ao, na miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho hitanao fa mora noho ny nieritreretanao azy ny ho tia an’Andriamanitra.