Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka”

“Aoka ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka”

“Aoka ... ianareo hisaina tsara, ary aoka ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.”—1 PET. 4:7.

1, 2. a) Nahoana isika no tokony ho “mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka”? b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika momba ny vavaka?

HOY ny lehilahy iray efa niasa alina: “Rehefa hadiva haraina ny andro vao tena mafy ny miady amin’ny torimaso.” Izany koa angamba ny hevitrao, raha efa voatery niari-tory nandritra ny alina ianao. Mafy amin’ny Kristianina koa ankehitriny ny miady amin’ny torimaso ara-panahy, satria efa ela no tao anaty haizina ny tontolon’i Satana ary tena mikitroka izany haizina izany izao. (Rom. 13:12) Hahita loza isika raha matory ara-panahy amin’izao farany efa akaiky izao. Tena ilaina àry ny ‘misaina tsara’ sy manaraka ny fampirisihan’ny Baiboly hoe: “Aoka ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.”—1 Pet. 4:7.

2 Efa tena antomotra ny farany, ka ilaina ny mieritreritra hoe: ‘Tena mailo ve aho ka tsy manao tsirambina ny vavaka? Manao vavaka isan-karazany ve aho, ary mivavaka foana? Zatra mivavaka ho an’ny hafa ve aho, sa izay ilaiko sy tadiaviko ihany no resahiko matetika rehefa mivavaka? Tena ilaina ve ny vavaka raha te ho voavonjy?’

MANAOVA VAVAKA ISAN-KARAZANY

3. Inona avy ny karazana vavaka azontsika atao?

3 Nilaza ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina fa misy “endriny” na karazany maromaro ny vavaka. (Efes. 6:18) Matetika isika no mangataka amin’i Jehovah mba hanome izay ilaintsika, na hanampy antsika hiatrika zava-tsarotra. Be fitiavana ilay “Mpihaino vavaka”, ka manongilan-tsofina rehefa miangavy fanampiana aminy isika. (Sal. 65:2) Misy karazana vavaka hafa koa anefa tsy tokony hohadinointsika. Anisan’izany ny fiderana sy fisaorana ary fitalahoana.

4. Nahoana isika no tokony hidera an’i Jehovah matetika rehefa mivavaka?

 4 Misy antony maro tokony hiderantsika an’i Jehovah rehefa mivavaka isika. Mandrisika antsika hidera azy, ohatra, ny mieritreritra ny “asany lehibe” sy ny “fahalehibeazany.” (Vakio ny Salamo 150:1-6.) In-13 be izao no manentana antsika hidera an’i Jehovah ny Salamo faha-150. Nanaja lalina an’Andriamanitra koa ny mpanao salamo iray hafa, ka nihira hoe: “Impito isan’andro no iderako anao, satria ara-drariny ny didim-pitsaranao.” (Sal. 119:164) Mendrika ny hoderaina tokoa i Jehovah! Tokony hidera azy “impito isan’andro” koa àry isika, izany hoe hidera azy matetika.

5. Nahoana no ho voaro isika, raha manao vavaka fisaorana?

5 Tena zava-dehibe koa ny vavaka fisaorana. Nampirisika ny Kristianina tany Filipy i Paoly hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” (Fil. 4:6) Ho voaro isika raha misaotra an’i Jehovah amin’ny fo rehefa mivavaka. Vao mainka ilaina izany amin’izao andro farany izao, satria tsy tia misaotra ny olona. (2 Tim. 3:1, 2) Tsy mahay mankasitraka ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Mety hifindra mora foana amintsika izany toe-tsaina izany, raha tsy mitandrina isika. Ilaintsika àry ny misaotra an’Andriamanitra. Hanampy antsika izany mba ho faly amin’izay ananantsika, ary tsy ho lasa ‘mpimenomenona na be taraina amin’ny toe-piainana misy antsika.’ (Joda 16) Handrisika ny vady aman-janany mba hahay hankasitraka koa ny raim-pianakaviana, raha misaotra an’i Jehovah rehefa miara-mivavaka amin’izy ireo.

6, 7. Inona no atao hoe vavaka fitalahoana, ary inona avy no azontsika italahoana amin’i Jehovah?

6 Miangavy mafy amin-kafanam-po ny olona manao vavaka fitalahoana. Inona avy no azontsika italahoana amin’i Jehovah? Tena afaka mitalaho aminy isika rehefa enjehina, na marary mafy ka atahorana ho faty. Tena mety ny miangavy mafy mba hampian’i Jehovah, amin’ny fotoana toy ireny. Rehefa enjehina sy marary ihany ve anefa isika no afaka mitalaho aminy?

7 Diniho ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy, ary mariho izay nolazainy momba ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny sitrapony. (Vakio ny Matio 6:9, 10.) Feno faharatsiana ity tontolo ity, ary tsy mahavita manome ny zavatra tena ilain’ny olona ny fanjakan’olombelona. Tokony hivavaka mafy àry isika mba hohamasinina ny anaran’ilay Raintsika any an-danitra, ary mba hofoanan’ny Fanjakany ny fitondran’i Satana. Tena mila mitalaho amin’i Jehovah koa isika izao, mba hatao etỳ an-tany ny sitrapony, tahaka ny any an-danitra. Aoka àry isika ho mailo foana, ka hazoto hanao vavaka isan-karazany.

“MIVAVAHA FOANA”

8, 9. Nahoana isika no tsy tokony hanakiana an’i Petera sy ny apostoly hafa, noho izy ireo resin-tory tao amin’ny zaridainan’i Getsemane?

8 Marina fa nampirisika ny Kristianina ny apostoly Petera mba “ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.” Efa tsy nahavita an’izany anefa izy, indray mandeha fara fahakeliny. Anisan’ireo mpianatra resin-tory izy, tamin’i Jesosy nivavaka tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Nampirisika azy ireo i Jesosy mba ‘hiambina sy hivavaka foana’, nefa tsy nanao izany izy ireo.—Vakio ny Matio 26:40-45.

9 Tsy dia tokony hanome tsiny an’i Petera sy ny apostoly hafa isika raha tsy nahavita niari-tory izy ireo. Tokony hotadidintsika kosa izay nataon’izy ireo tamin’io andro io sy ny vokatr’izany teo aminy. Efa nanomana ny Paska  izy ireo, ary nankalaza izany iny hariva iny. Nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany i Jesosy taorian’izay, ka nampiseho ny fomba hankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. (1 Kor. 11:23-25) “Nivoaka nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, rehefa avy nanao hira fiderana.” (Mat. 26:30, 36) Tsy maintsy nandeha an-tongotra nanaraka ireo lalan-kely tao Jerosalema izy ireo. Efa taorian’ny misasakalina angamba izy ireo vao tonga tany. Nety ho resin-tory koa isika, raha anisan’ireo tao amin’ny zaridainan’i Getsemane tamin’io alina io. Be fitiavana i Jesosy ka tsy nanakiana an’ireo apostoly efa reraka, fa nilaza hoe: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”

Nanao fahadisoana i Petera, nefa nandray lesona ka lasa ‘mailo ary tsy nanao tsirambina ny vavaka’ (Fehintsoratra 10, 11)

10, 11. a) Inona no lesona noraisin’i Petera avy tamin’izay nitranga taminy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane? b) Inona no lesona raisinao avy amin’izay nanjo an’i Petera?

10 Tsy niambina i Petera tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ka nanao zavatra nanenenany. Nandray lesona tamin’izany anefa izy. Efa nilaza i Jesosy talohan’io hoe: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho izay hanjo ahy.” Hoy anefa i Petera: “Na hahafoy anao daholo aza ny rehetra noho izay hanjo anao, izaho kosa tsy mba hahafoy anao mihitsy!” Nilaza taminy i Jesosy fa handa azy intelo izy. Vao mainka anefa i Petera nanizingizina hoe: “Na hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao mihitsy.” (Mat. 26:31-35) Tena nahafoy an’i Jesosy anefa i Petera, araka ny efa nolazain’i Jesosy. Nalahelo mafy i Petera rehefa avy nanda an’i Jesosy fanintelony, ka “nitomany tamin’alahelo be.”—Lioka 22:60-62.

11 Nandray lesona i Petera ka tsy natoky tena tafahoatra intsony. Azo inoana fa nanampy azy tamin’izany ny vavaka. Mahaliana fa i Petera no nanome ilay torohevitra hoe: “Aoka ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.” Mankatò an’io torohevitra avy amin’Andriamanitra io ve isika? ‘Mivavaka foana’ ve isika, ka hita fa miantehitra amin’i Jehovah? (Sal. 85:8) Tadidio foana koa ny tenin’i Paoly hoe: “Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.”—1 Kor. 10:12.

NAHAZO VALIM-BAVAKA I NEHEMIA

12. Nahoana no modely ho antsika i Nehemia?

12 Diniho ny nataon’i Nehemia, izay mpandroso zava-pisotron’i Artaksersesy, mpanjaka persianina tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Nivavaka tamin-kafanam-po izy ka modely ho antsika. ‘Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitra’ nandritra ny andro maro izy, noho ny fahorian’ny Jiosy tany Jerosalema. (Neh. 1:4) Rehefa nanontany azy i Artaksersesy  hoe nahoana izy no maloka endrika, dia “nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra” izy. (Neh. 2:2-4) Inona no vokany? Namaly ny vavaka nataony i Jehovah, ka nanao zavatra mba hahasoa ny vahoakany. (Neh. 2:5, 6) Tena nanatanjaka ny finoan’i Nehemia izany.

13, 14. Inona no hanampy antsika hanana finoana matanjaka foana sy hahatohitra ny ezaka ataon’i Satana hanakiviana antsika?

13 Hanana finoana matanjaka foana isika, raha tsy mitsahatra mivavaka toa an’i Nehemia. Tsy mifaditrovana i Satana ary matetika izy no mamely antsika rehefa malemy isika. Mety hieritreritra, ohatra, isika rehefa marary na ketraka mafy, fa tsy misy dikany firy amin’Andriamanitra ny fotoana anompoantsika azy isam-bolana. Misy koa mety hieritreritra zavatra mahakivy, angamba noho izay niainany tamin’ny lasa. Tian’i Satana hihevi-tena ho tsy misy dikany isika. Manao izay hahakivy antsika izy matetika, mba hampahalemy ny finoantsika. Hanana finoana matanjaka foana anefa isika, raha ‘mailo ka tsy manao tsirambina ny vavaka.’ Ho afaka “hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy” isika, raha manana an’io “ampinga lehibe” io, dia ny finoana.—Efes. 6:16.

Ho afaka hiatrika zava-tsarotra isan-karazany isika raha ‘mailo ka tsy manao tsirambina ny vavaka’ (Fehintsoratra 13, 14)

14 Ho vonona foana amin’izay fitsapam-pinoana mety hitranga tampoka isika, raha ‘mailo ka tsy manao tsirambina ny vavaka.’ Tsy hanaiky lembenana isika amin’izay. Tadidio ny ohatr’i Nehemia rehefa misy fitsapana na zava-tsarotra, ka mivavaha avy hatrany. I Jehovah ihany no afaka manampy antsika hahatohitra fakam-panahy sy hiaritra fitsapana.

MIVAVAHA HO AN’NY HAFA

15. Inona avy no fanontaniana tokony hosaintsainintsika?

15 Nitalaho tamin’i Jehovah i Jesosy mba tsy ho levona ny finoan’i Petera. (Lioka 22:32) Nanahaka an’i Jesosy i Epafra, Kristianina tamin’ ny taonjato voalohany, ka nivavaka mafy ho an’ny mpiara-manompo taminy tany Kolosia. Hoy i Paoly momba azy: “Mikely aina mandrakariva izy mivavaka ho anareo, mba hitoetra ho matotra ianareo amin’ny farany sady hatoky tanteraka foana ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.” (Kol. 4:12) Tsara ny misaintsaina hoe: ‘Mivavaka mafy ho an’ny rahalahy maneran-tany ve aho? Impiry aho no mivavaka ho an’ny mpiray finoana amiko mijaly vokatry ny hetraketraky ny natiora? Oviana aho no nivavaka farany ho an’ireo miantsoroka andraikitra mavesatra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah? Vao haingana ve aho no nivavaka ho an’ny olona miatrika zava-tsarotra eo anivon’ny fiangonana?’

16. Tena zava-dehibe ve ny mivavaka ho an’ny hafa? Hazavao.

16 Tena afaka manampy ny hafa ny vavaka ataontsika ho azy. (Vakio ny 2 Korintianina 1:11.) Tsy voatery hamaly ny fangatahan’ny mpanompony i Jehovah, satria fotsiny hoe maro be izy ireo no mangataka an’ilay izy imbetsaka. Manao zavatra anefa izy, rehefa hitany fa tena mampanahy ny mpanompony maromaro ny raharaha iray ka samy mangataka momba izany izy ireo. Tombontsoa sy andraikitra àry ny mivavaka ho an’ny hafa, ka tsy tokony hohamaivanina. Tokony hasehontsika fa tena tia sy miahy an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, ka hikely aina hivavaka ho azy ireo, toy ny nataon’i Epafra. Vao mainka ho sambatra isika raha manao izany, satria “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asa. 20:35.

‘AKAIKY NY FAMONJENA ANTSIKA’

17, 18. Nahoana isika no tokony “ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka”?

17 Hoy i Paoly: “Efa ho lasa ny alina, ka efa manakaiky ny andro.” Nilaza koa izy talohan’izay hoe: “Fantatrareo izao fotoana misy antsika izao, fa efa tonga izao ny ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso. Fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny fotoana nahatongavantsika ho mpino.” (Rom. 13:11, 12) Efa akaiky ny tontolo vaovao ary efa akaiky noho izay mety hoeritreretintsika ny famonjena antsika. Aza manaiky ho resin’ny torimaso ara-panahy àry. Mitandrema koa mba tsy handany fotoana be amin’ireo zavatra mahavariana eo amin’ity tontolo ity, ka hanjary tsy hanam-potoana hiresahana samirery amin’i Jehovah. Aoka kosa isika “ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.” Hanampy antsika izany mba hanana “fitondran-tena masina” sy haneho “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra”, mandra-pahatongan’ny andron’i Jehovah. (2 Pet. 3:11, 12) Ho hita amin’ny fomba fiainantsika amin’izay fa mifoha ara-panahy hatrany isika, ary tena mino hoe efa ho ringana ity tontolo ity. “Aza mitsahatra mivavaka” àry. (1 Tes. 5:17) Aoka koa isika hanahaka an’i Jesosy ka hitady toerana mitokana mba hivavahana samirery. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika, raha miresaka ela aminy rehefa mivavaka samirery. (Jak. 4:7, 8) Fitahiana lehibe tokoa izany!

18 Hoy ny Baiboly: “Fony mbola nofo i Kristy, dia nitalaho sy niangavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty, ary nitaraindraina mafy sy nitomany, ka nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (Heb. 5:7) Nitalaho sy niangavy tamin’Andriamanitra i Jesosy, ka tsy nivadika mihitsy mandra-pahafatiny. Novonjen’Andriamanitra àry ilay Zanany malalany ka natsangany tamin’ny maty. Nakariny tany an-danitra izy avy eo, ary lasa tsy mety maty intsony. Afaka ny tsy hivadika amin’ilay Raintsika any an-danitra koa isika, na inona na inona fakam-panahy na fitsapana manjo antsika. Tena ho afaka hiaina mandrakizay isika, raha “mailo” foana ‘ka tsy manao tsirambina ny vavaka.’