Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Anti-panahy, Tahafo Ireo Mpiandry Lehibe Indrindra

Ry Anti-panahy, Tahafo Ireo Mpiandry Lehibe Indrindra

“Na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.”—1 PET. 2:21.

1, 2. a) Inona no vokany rehefa voakarakara tsara ny ondry? b) Nahoana ny olona maro tamin’ny andron’i Jesosy no toy ny ondry tsy misy mpiandry?

SALAMA tsara ny ondry rehefa mazoto mikarakara azy ny mpiandry. Milaza ny boky iray momba ny fiompiana ondry fa ho reraka sy harary ny ondry rehefa afaka taona vitsivitsy, raha tsy karakaraina tsara fa entina miraoka ahitra fotsiny. Salama sy matanjaka tsara anefa ny andian’ondry, rehefa voakarakara tsara.

2 Ho salama ara-panahy koa ny fiangonana manontolo, raha miahy sy mikarakara tsara ny ondry tsirairay ny anti-panahy. Tsaroanao angamba fa nangoraka ny vahoaka i Jesosy, satria “nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry” izy ireo. (Mat. 9:36) Nasiaka sy nihatsaravelatsihy ary nitaky be loatra mantsy ny olona notendrena hampianatra azy ireo ny Lalàn’Andriamanitra. Tsy nanampy na nikarakara ny ondry ireny mpiandry ireny, fa vao mainka nampitondra “enta-mavesatra” azy ireo.—Mat. 23:4.

3. Inona no tokony hotadidin’ny anti-panahy rehefa mikarakara ny ondry?

3 Manana andraikitra lehibe àry ny anti-panahy. An’i Jehovah sy Jesosy ny ondry karakarainy, ary antsoina hoe “mpiandry tena tsara” i Jesosy. (Jaona 10:11) ‘Novidina’ lafo ireo ondry ireo, satria ny “ra sarobidy” nalatsak’i Jesosy no nividianana azy. (1 Kor. 6:20; 1 Pet. 1:18, 19) Tena tian’i Jesosy ny ondry, ka nahafoy ny ainy ho azy ireo izy. Tokony hotadidin’ny anti-panahy foana fa mpiandry lefitra izy ireo, ary manara-maso azy ireo i Jesosy Kristy, ilay “mpiandry ondry lehibe.”—Heb. 13:20.

4. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

 4 Ahoana àry no tokony hitondran’ny anti-panahy ny ondry? Ampirisihina ny olona eo anivon’ny fiangonana mba ‘hankatò an’ireo mitarika’ azy ireo. Ny anti-panahy kosa ampitandremana mba ‘tsy hanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra.’ (Heb. 13:17; vakio ny 1 Petera 5:2, 3.) Ahoana no hahafahan’ny anti-panahy hitarika ny andian’ondry nefa tsy hanjakazaka amin’izy ireo? Raha tsorina, dia hoe ahoana no hahafahany hanome izay ilain’ny ondry, nefa tsy hanampatra ny fahefana nomen’Andriamanitra azy?

“HOTROTROINY EO AN-TRATRANY IRENY”

5. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, araka ny Isaia 40:11?

5 Hoy i Isaia mpaminany momba an’i Jehovah: “Toy ny mpiandry ondry izy ka handrasany ny andian’ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny. Ary hotarihiny amim-pitandremana ireo mampinono.” (Isaia 40:11) Hita eo fa mikarakara izay ilain’ny ondry malemy sy tsy misy mpiaro i Jehovah. Mahalala ny zavatra manokana ilain’ny ondry tsirairay ny mpiandry ondry, ary vonona hanome izany. Toy izany koa i Jehovah. Mahalala izay ilain’ny olona tsirairay eo anivon’ny fiangonana izy, ary faly manome izany. Mety hotrotroin’ny mpiandry ondry sy hofonosiny amin’ny akanjony ny ondrikely vao teraka. Toy izany koa no ataon’i Jehovah, ilay “Rain’ny fangorahana.” Mampahery antsika izy rehefa tojo fitsapana lehibe isika na manana olana.—2 Kor. 1:3, 4.

6. Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jehovah?

6 Miana-javatra avy amin’ilay Raintsika any an-danitra tokoa ny mpiandry eo anivon’ny fiangonana. Tsy maintsy mijery tsara izay ilain’ny ondry izy ireo, toy ny ataon’i Jehovah. Mila mahalala ny zava-tsarotra atrehin’ny ondry sy izay ilany fanampiana haingana izy, mba hahafahany hampahery sy hanampy azy ireny. (Ohab. 27:23) Mila mifampiresaka tsara amin’ny mpiara-manompo aminy àry ny anti-panahy. Tsy midikiditra amin’ny fiainan’izy ireo manokana izy, nefa mihaino sy mandinika an’izay mitranga eo anivon’ny fiangonana, ary manampy amim-pitiavana an’izay “mila ampiana.”—Asa. 20:35; 1 Tes. 4:11.

7. a) Ahoana no nataon’ny mpiandry tamin’ny andron’i Ezekiela sy Jeremia? b) Inona no lesona raisin’ny anti-panahy, rehefa eritreretina ny nanamelohan’i Jehovah an’ireo mpiandry fahiny?

7 Nomelohin’i Jehovah ny mpiandry tamin’ny andron’i Ezekiela sy Jeremia, satria tsy tsara ny toe-tsainy. Tokony ho nikarakara ny ondrin’i Jehovah izy ireo, nefa tsy nanao tsara an’izany. Lanin’ny bibidia sy niparitaka ny ondry satria tsy nisy niambina. Tsy namahana ny ondry koa ny mpiandry, fa nampijaly azy ireny sy “namahan-tena” fotsiny. (Ezek. 34:7-10; Jer. 23:1) Tsy misy hafa amin’izany no ataon’ny mpitondra ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, ka melohin’i Jehovah izy ireo. Misy lesona lehibe ho an’ny anti-panahy amin’izany: Mila mikarakara tsara ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo sady miahy azy ireo amim-pitiavana.

“MODELY NO NOMEKO ANAREO”

8. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Jesosy rehefa manome torohevitra?

8 Tsy lavorary ny olombelona. Tsy mora mahazo ny zavatra takin’i Jehovah aminy àry ny olona sasany eo anivon’ny fiangonana. Mety tsy hanaraka ny torohevitry ny Baiboly izy ireo, na hanao zavatra mampiseho fa mbola tsy matotra izy. Inona no azon’ny anti-panahy atao? Mila manahaka an’i Jesosy  izy ireo. Nanam-paharetana i Jesosy, rehefa nifanditra ny mpianany hoe iza no ho lehibe indrindra ao amin’ilay Fanjakana. Tsy tezitra izy fa nampianatra azy ireo foana, ary nanoro hevitra azy ireo tamim-pitiavana hoe ilaina ny manetry tena. (Lioka 9:46-48; 22:24-27) Nanasa ny tongotr’izy ireo mihitsy aza izy mba hampisehoana ny atao hoe manetry tena. Ilain’ny anti-panahy koa io toetra io.—Vakio ny Jaona 13:12-15; 1 Pet. 2:21.

9. Inona no toe-tsain’ny apostoly nahitsin’i Jesosy?

9 Hita tamin’izay nataon’i Jakoba sy Jaona fa tsy nitovy ny fiheveran’izy ireo sy ny fiheveran’i Jesosy ny andraikitry ny mpiandry. Nitady toerana ambony tao amin’ilay Fanjakana mantsy izy ireo. Hoy anefa i Jesosy nanitsy azy ireo: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ny mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe. Tsy mba toy izany kosa eo aminareo. Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.” (Mat. 20:25, 26) Nila nitandrina ny apostoly mba tsy ‘hanjakazaka’ na hibaikobaiko ny mpiray finoana taminy.

10. Ahoana no tian’i Jesosy hitondran’ny anti-panahy ny andian’ondry, ary inona no ohatra navelan’i Paoly?

10 Tian’i Jesosy hanahaka ny fomba nitondrany ny ondry ny anti-panahy. Tokony ho vonona hanompo an’ireo rahalahy sy anabavy izy ireo, fa tsy hanao toy ny tompo na mpampiasa. Ohatra tsara ny apostoly Paoly. Nanetry tena izy, satria hoy izy tamin’ny anti-panahy tao Efesosy: “Fantatrareo tsara ny fanaoko nandritra ny fotoana rehetra niarahako taminareo, hatramin’ilay andro voalohany nanitsahako ny faritr’i Azia, ka nanompoako ny Tompo tamim-panetren-tena tanteraka.” Tian’i Paoly hanetry tena sy hiasa mafy ho an’ny hafa koa ireo anti-panahy ireo, ka hoy izy: “Nasehoko anareo tamin’ny zava-drehetra fa amin’ny fiasana mafy toy izany no tsy maintsy anampianareo an’ireo mila ampiana.” (Asa. 20:18, 19, 35) Nilaza tamin’ny Korintianina izy fa tsy tompon’ny finoan’izy ireo, fa mpiara-miasa taminy fotsiny mba hahazoan’izy ireo fifaliana. (2 Kor. 1:24) Nanetry tena sy niasa mafy i Paoly, ka ohatra tsara ho an’ny anti-panahy.

AZA MIALA AMIN’ILAY “TENY AZO ANTOKA”

11, 12. Inona no azon’ny anti-panahy atao, mba hanampiana ny mpiray finoana aminy hanapa-kevitra?

11 Tsy maintsy “mitana mafy ilay teny azo antoka”, na ny Baiboly, ny anti-panahy “rehefa mampianatra.” (Tit. 1:9) Mila manao izany “amim-pahalemem-panahy” anefa izy. (Gal. 6:1) Tsy manery ny mpiray finoana aminy ny mpiandry tsara, fa miezaka hanohina ny fon’izy ireo. Ahoana, ohatra, no ataon’ny anti-panahy rehefa manampy olona hanapa-kevitra? Asongadiny ny toro lalan’ny Baiboly tokony hodinihin’ilay olona. Mety hodinihiny miaraka aminy koa ny fanazavana efa nivoaka tamin’ny boky sy gazetintsika, mifandray amin’ilay raharaha. Mety hasainy hisaintsaina an’ireo safidy ananany ilay olona, ka handinika ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah. Hohamafisiny koa fa tena ilaina ny mivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’Andriamanitra, alohan’ny hanapahana hevitra. (Ohab. 3:5, 6) Tokony havelany hanapa-kevitra samirery ilay olona avy eo.—Rom. 14:1-4.

12 Tsy tokony hivaona amin’ny Soratra Masina ny tari-dalana omen’ny anti-panahy. Mila mahay mampiasa tsara ny Baiboly àry izy ireo, ary manaraka foana izay voalaza ao.  Hanampy azy ireo tsy hanampatra fahefana izany. Mpiandry lefitra ihany mantsy izy ireo. Samy hampamoahin’i Jehovah sy Jesosy amin’izay fanapahan-kevitra raisiny ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana.—Gal. 6:5, 7, 8.

“MODELY HO AN’NY ANDIAN’ONDRY”

Manampy ny mpianakaviny hiomana ho amin’ny fanompoana ny anti-panahy (Fehintsoratra 13)

13, 14. Amin’ny lafiny inona avy ny anti-panahy no tokony ho modely?

13 Nampirisika ny anti-panahy mba ho “modely ho an’ny andian’ondry” ny apostoly Petera, rehefa avy nampitandrina azy ireo mba ‘tsy hanjakazaka.’ (1 Pet. 5:3) Ahoana no hahatonga ny anti-panahy ho modely? Misy fepetra maromaro mila fenoin’ny rahalahy “miezaka ho tonga mpiandraikitra.” Anisan’izany ny hoe “misaina tsara.” Midika izany fa tokony ho hainy tsara ny toro lalan’Andriamanitra sy ny fomba ampiharana an’izany eo amin’ny fiainany. Tokony hieritreritra tsara koa izy fa tsy ho maika hitsara. Mila “mahay mitondra ny ankohonany” koa izy raha manambady aman-janaka, izany hoe tokony ho modely eo amin’ny fomba itondrany ny mpianakaviny. “Raha misy tokoa lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, ataony ahoana no fikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?” (1 Tim. 3:1, 2, 4, 5) Atokisan’ny rahalahy sy anabavy ny anti-panahy, rehefa hitany hoe manana an’ireo toetra ireo.

14 Mazoto manompo koa ny anti-panahy, ka modely ho an’ny mpiray finoana aminy. Ohatra tsara ho azy ireo i Jesosy. Nanokana ny ankamaroan’ny fotoanany mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy, ary nampianariny hanao an’io asa io ny mpianany. (Mar. 1:38; Lioka 8:1) Tena mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy ankehitriny ny miara-mitory amin’ny anti-panahy, sy ny mahita ny fahazotoan’izy ireo manao io asa mamonjy aina io, ary ny miana-javatra avy amin’ny fomba fampianarany. Lasa mazoto ny fiangonana, rehefa hitany fa mazoto mampiasa ny fotoanany sy ny heriny mba hitoriana ny vaovao tsara ny anti-panahy, na dia be atao aza. Modely ho an’ny hafa koa ny anti-panahy, rehefa manomana fivoriana sy manome valin-teny, ary mandray anjara amin’ny asa hafa toy ny fanadiovana sy fikojakojana Efitrano Fanjakana.—Efes. 5:15, 16; vakio ny Hebreo 13:7.

Mazoto manompo ny anti-panahy ka modely ho an’ny hafa (Fehintsoratra 14)

‘TOHANO NY MALEMY’

15. Inona no antony sasany anaovan’ny anti-panahy fitsidihan’ny mpiandry?

15 Mailaka manao zavatra ny mpiandry tsara, rehefa misy ondry maratra na marary. Toy izany koa no ataon’ny anti-panahy. Manao zavatra haingana izy ireo rehefa misy mpiara-manompo mijaly na mila torohevitra sy fampaherezana. Mety hila ampiana mba hahazo izay ilainy andavanandro, ohatra, ny zokiolona sy ny marary. Fampaherezana sy  fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina anefa matetika no tena ilain’izy ireny. (1 Tes. 5:14) Ny tanora indray mety hiatrika olana, anisan’izany ny ady amin’ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” (2 Tim. 2:22) Mila manao fitsidihan’ny mpiandry matetika àry ny anti-panahy, mba hahalalany ny olana mahazo an’ireo rahalahy sy anabavy, sy hampaherezany azy ireny amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Maro ny olana lehibe ho voasoroka, raha karakarain’ny anti-panahy haingana izay ilain’ny ondry.

16. Inona no azon’ny anti-panahy atao rehefa misy mpiara-manompo mila fanampiana ara-panahy?

16 Ahoana raha misy mpiara-manompo manana olana lehibe, ka atahorana tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony? Hoy i Jakoba, mpanoratra Baiboly: “Misy marary ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.” (Jak. 5:14, 15) Na tsy ‘miantso ny anti-panahin’ny fiangonana’ aza anefa ilay marary ara-panahy, dia tokony hanampy azy haingana izy ireo, raha vao fantany ny mahazo azy. Mamelombelona sy mampahery an’ireo ondry karakarainy ny anti-panahy, rehefa miara-mivavaka amin’izy ireny sy mivavaka ho azy ireny ary manampy azy ireny ao anatin’ny sarotra.—Vakio ny Isaia 32:1, 2.

17. Inona no vokany rehefa manahaka an’ilay ‘mpiandry lehibe’ ny anti-panahy?

17 Miezaka manahaka an’i Jesosy Kristy, ilay ‘mpiandry lehibe’, ny anti-panahy, amin’izay rehetra ataony eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Matanjaka ara-panahy foana ny ondry ary tsy mivadika amin’Andriamanitra, noho ny fanampian’ireny lehilahy matotra ireny. I Jehovah, ilay Mpiandry tsy manan-tsahala, no tena isaorantsika sy deraintsika noho izany rehetra izany.