Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: MILA AN’ANDRIAMANITRA VE ISIKA?

Inona ny Zava-misy?

Inona ny Zava-misy?

“An-tapitrisany no mahita hoe mety ny fiainany na tsy misy an’Andriamanitra aza. Afaka ny ho toy izany koa ianao.” Izany no soratra teo amin’ny takela-by lehibe nohofain’ny olona tsy mino an’Andriamanitra. Mihevitra izy ireo fa tsy ilaina izy.

Olona maro milaza ho mino an’Andriamanitra koa anefa no tsy miraharaha azy eo amin’ny fiainany. Hoy ny Arseveka Salvatore Fisichella, momba ny mpiangona ao aminy: “Tsy fantatry ny olona mandinika anay hoe Kristianina izahay, satria mitovy amin’ny an’ny tsy mpino ny fomba fiainanay.”

Misy indray sahirana loatra ka tsy manam-potoana hieritreretana an’Andriamanitra. Lavitra loatra, hono, izy ka tsy manan-kery eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy mahatsiaro azy izy ireo raha tsy rehefa manana olana na mila zavatra, ka toy ny hoe mpanatanteraka ny sitrapony fotsiny izy.

Ny hafa indray tsy mahita hoe mahasoa azy ny fampianaran’ny fivavahany, na tsy vitany ny mampihatra azy. Ny 76 isan-jaton’ny Katolika any Alemaina, ohatra, no mino hoe mety ny manao tokantranomaso, nefa tsy izany no ampianarin’ny eglizy sy ny Baiboly. (1 Korintianina 6:18; Hebreo 13:4) Tsy ny Katolika ihany anefa no mahita hoe mifanohitra amin’ny zavatra inoany ny fomba fiainany. Mpitondra fivavahana any amin’ny antokom-pivavahana maro no mitaraina hoe toy ny an’ny tsy mpino ihany ny fomba fiainan’ny mpivavaka ao aminy.

Ireo ohatra ireo no mahatonga an’ilay fanontaniana hoe: Tena mila an’Andriamanitra ve isika? Tsy vao izao anefa no niresahana an’izany fa efa ela be. Mba hahitana ny valin’io fanontaniana io, dia hodinihintsika ny adihevitra maromaro resahin’ny bokin’ny Genesisy.