Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: MBOLA HO VELONA INDRAY VE NY MATY?

Mitady Ody Faty ny Olona

Mitady Ody Faty ny Olona

MPANJAKA QIN SHI HUANG

PONCE DE LEÓN, MPIKAROKA TANY VAOVAO

Fahavalo mampahatahotra ny fahafatesana, ka mitady ny fomba rehetra handosirana azy io ny olona. Mety tsy hanaiky ny saintsika raha olona akaiky antsika no maty. Ny tanora aza mety hieritreritra hoe tsy hiharan’izany mihitsy. Tsy miala amin’izany hevi-dravina izany izy raha mbola azony atao.

Nieritreritra be momba ny fiainany aorian’ny fahafatesana ireo Farao fahiny. Nandany ny androatokom-piainany izy ireo sy ny mpiasa an’arivony mba hiadiana amin’ny fahafatesana. Hita amin’ireo piramida naoriny ny ezaka nataony, nefa asehon’izy ireny koa fa tsy nahomby izany.

Ireo mpanjaka sinoa indray nampiasa fomba hafa. Nitady ody faty izy ireo. Nasain’ny Mpanjaka Qin Shi Huang nanamboatra ranon-javatra hatao ody faty, ohatra, ny mpahay siansa. Nisy volavelona anefa ny ankamaroan’ireo ranon-javatra ireo, ka azo inoana fa izany no nahafaty azy.

Namakivaky ny Ranomasina Karaiba koa i Juan Ponce de León, mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 1513 mba hitady loharano mahatanora, hono. Nahita an’i Floride, Etazonia, izy tamin’io diany io. Maty anefa izy taona vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa niady tamin’ireo Indianina tany. Mbola tsy hita ilay loharano mahatanora hatramin’izao.

Samy tsy te ho faty ireo Farao sy mpanjaka ary mpikaroka tany vaovao. Tsy hisy amintsika hilaza hoe ratsy ny tanjon’izy ireo, na dia tsy tiantsika aza ny fomba nampiasainy. Te ho velona foana mantsy isika rehetra.

METY HO RESY VE NY FAHAFATESANA?

Nahoana isika no tsy te ho faty? Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah Andriamanitra, * ilay Mpamorona antsika: ‘Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovany ny zava-drehetra. Ary na  ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona.’ (Mpitoriteny 3:11) Tiantsika ny hankafy fiainana eto an-tany mandrakizay, fa tsy hoe 80 taona eo ho eo monja.—Salamo 90:10.

Nahoana no nataon’Andriamanitra tao am-pontsika ny “fotoana tsy voafetra”? Mba hanakiviana antsika fotsiny ve? Tsy azo inoana izany. Mampanantena kosa izy fa mbola ho resy ny fahafatesana. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka fa hofoanana ny fahafatesana ary mampanantena fiainana mandrakizay Andriamanitra.—Jereo ilay efajoro hoe  “Resy ny Fahafatesana.”

Hoy i Jesosy Kristy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Tsy hoe tsy ho resy mihitsy àry ny fahafatesana. Andriamanitra ihany anefa no maharesy azy io, araka ny tenin’i Jesosy.

^ feh. 9 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.