Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Mahaiza Misafidy

Ry Tanora, Mahaiza Misafidy

“Ianareo tovolahy sy ianareo tovovavy . . . aoka samy hidera ny anaran’i Jehovah.”—SAL. 148:12, 13.

1. Inona no zavatra mahafinaritra ataon’ny tanora kristianina maro?

MIAVAKA ny fotoana iainantsika. Olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra izao no lasa manaraka ny fivavahana marina. (Apok. 7:9, 10) Mbola tsy nisy toy izany hatramin’izay. Tanora maro no manampy ny hafa hahatakatra ny fahamarinana ara-baiboly mamonjy aina, ary betsaka ny zavatra mahafaly hitan’izy ireo. (Apok. 22:17) Eo, ohatra, ireo mampianatra Baiboly ka manampy ny olona hanana fiainana tsara kokoa. Eo koa ireo mazoto mitory ny vaovao tsara amin’ny olona miteny vahiny. (Sal. 110:3; Isaia 52:7) Inona no azonao atao raha tianao ny ho afa-po kokoa amin’ny asa ampanaovin’i Jehovah?

2. Inona no nitranga tamin’i Timoty ka ahitana fa tia manankina andraikitra amin’ny tanora i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Mety ho afaka hanompo bebe kokoa an’Andriamanitra ianao amin’ny hoavy, raha mahay misafidy amin’izao ianao tanora izao. Azo inoana fa nandray fanapahan-kevitra tsara i Timoty avy any Lystra, matoa izy lasa misionera tamin’izy 20 taona tany ho any. (Asa. 16:1-3) Nasain’ny apostoly Paoly niverina tany Tesalonika izy, angamba volana vitsivitsy taorian’izay, mba hampahery an’ireo rahalahy  tany. Nisy fanenjehana be mantsy tany ka voatery nandao an’ilay fiangonana vao niforona i Paoly. (Asa. 17:5-15; 1 Tes. 3:1, 2, 6) Eritrereto ange ny hafalian’i Timoty rehefa nahazo an’izany fanendrena izany e!

NY SAFIDY LEHIBE INDRINDRA

3. Inona no fanapahan-kevitra lehibe indrindra azonao raisina, ary rahoviana no tsara andraisana an’izany?

3 Fotoana andraisana fanapahan-kevitra lehibe ny fahatanorana. Ny fanapahan-kevitra hanompo an’i Jehovah no lehibe indrindra amin’izany. Rahoviana no fotoana mety indrindra andraisana an’io fanapahan-kevitra io? Hoy i Jehovah: “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.” (Mpito. 12:1) Ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ihany no fomba tsara ‘ahatsiarovana’ azy. (Deot. 10:12) Izany no fanapahan-kevitra lehibe indrindra azonao raisina. Hisy vokany eo amin’ny fiainanao manontolo ilay izy.—Sal. 71:5.

4. Inona no safidy lehibe hafa misy vokany eo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah?

4 Tsy ny fanapahan-kevitrao hanompo an’i Jehovah ihany no misy vokany eo amin’ny hoavinao. Mety hieritreritra koa ianao hoe: ‘Hanambady sa tsia? Iza no halaina ho vady? Inona no asa hatao?’ Fanapahan-kevitra lehibe ireo, nefa tsara aloha ny misafidy hoe hanompo an’i Jehovah bebe kokoa ianao sa tsia. (Deot. 30:19, 20) Nahoana? Satria mifampiankina ireo. Misy vokany eo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah ny fanapahan-kevitrao momba ny fanambadiana sy ny asa. (Ampitahao amin’ny Lioka 14:16-20.) Misy vokany eo amin’ny safidinao momba ny fanambadiana sy ny asa koa ny fanirianao hanompo an’i Jehovah. Fidio àry aloha izay zava-dehibe indrindra aminao.—Fil. 1:10.

INONA NO HATAONAO DIENY MBOLA TANORA?

5, 6. Milazà fitantarana mampiseho fa misy vokany tsara any aoriana ny fanaovana safidy tsara. (Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Ilay Safidiko Tamin’izaho Mbola Kely”, ato amin’ity gazety ity.)

5 Rehefa tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ianao, dia eritrereto tsara hoe inona no tiany hataonao ary manapaha hevitra hoe ahoana no hanompoanao azy. Hoy ny rahalahy iray any Japon: “Niara-nitory tamin’ny anti-panahy iray aho, tamin’izaho 14 taona. Tsikariny fa tsy nankafy ny fanompoana aho, ka hoy izy: ‘Yuichiro a, mandehana aloha mody, ary mipetraha ... ka saintsaino tsara izay nataon’i Jehovah ho anao.’ Nataoko izany, ary mbola nisaintsaina sy nivavaka nandritra ny andro maromaro aza aho. Niova tsikelikely ny toe-tsaiko. Tsy ela aho dia nankafy ny fanompoana. Tia namaky tantaran’ireo misionera aho, ka lasa nieritreritra ny hanompo an’i Jehovah bebe kokoa.”

6 Hoy ihany izy: “Te hanompo an’i Jehovah any an-tany hafa aho ka nampifanarahiko tamin’izany ny safidy nataoko. Nianatra teny anglisy, ohatra, aho. Rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise, dia niasa tapa-potoana nampianatra teny anglisy aho, mba ho afaka ny ho mpisava lalana. Nanomboka nianatra teny mongol aho tamin’izaho 20 taona, ary nitsidika antoko-mpitory miteny mongol. Nankatỳ Mongolia aho roa taona taorian’izay, tamin’ny 2007. Hitako fa maro ny olona mangetaheta ny fahamarinana, rehefa niara-nitory tamin’ny mpisava lalana tatỳ aho. Te hifindra tatỳ àry aho, ka nody tany Japon mba hanomana ny diako. Mpisava lalana teto Mongolia aho, nanomboka tamin’ny 2008. Tsy mora ny fiainana atỳ nefa mandray tsara ny olona rehefa itoriana ny vaovao tsara, ary afaka manampy azy ireo mba hanatona an’i Jehovah aho. Tsapako hoe nanao ny safidy tsara indrindra aho.”

7. Inona no safidy tsy maintsy ataontsika, ary inona no modely navelan’i Mosesy?

 7 Tsy maintsy manapa-kevitra an’izay hataony eo amin’ny fiainana ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay. (Jos. 24:15) Tsy afaka mampirisika anao hanambady na tsy hanambady izahay. Anjaranao koa ny mifidy ny ho vadinao sy ny asa hataonao. Hifidy asa tsy ilana fiofanana be ve ianao? Miaina any amin’ny tanàna mahantra ny tanora sasany, fa ny hafa kosa any amin’ny tanàna manankarena. Samy hafa be koa ny toetranareo, ny fahaizanareo, ny zavatra niainanareo, ny mahaliana anareo, ary ny tanjaky ny finoanareo. Tsy mitovy ianareo, toy ny tanora hebreo tany Ejipta fahiny. Nanana ny tombontsoa rehetra tao an-dapan’ny mpanjaka, ohatra, i Mosesy, fa ny tanora hafa kosa andevo. (Eks. 1:13, 14; Asa. 7:21, 22) Fotoana miavaka koa no niainan’izy ireo. (Eks. 19:4-6) Tsy maintsy nifidy izay hataony eo amin’ny fiainana izy ireo. Nanao safidy tsara i Mosesy.—Vakio ny Hebreo 11:24-27.

8. Inona no afaka manampy ny tanora hahay hisafidy?

8 Manampy ny tanora hahay hisafidy i Jehovah. Manoro hevitra anao izy, ka manome toro lalana azonao ampiharina amin’ny toe-javatra misy anao. (Sal. 32:8) Afaka manampy anao koa ny ray aman-dreninao sy ny anti-panahy, mba hahitanao ny fomba hampiharana an’ireny toro lalana ireny. (Ohab. 1:8, 9) Handinika toro lalana ara-baiboly telo isika, mba hahafahanao hanao safidy tsara ka handray soa amin’ny hoavy.

TORO LALANA TELO HANAMPY ANAO

9. a) Inona no mampiseho fa sarobidy amin’i Jehovah isika ka avelany hisafidy? b) Inona no vokany raha ‘mikatsaka aloha an’ilay Fanjakana’ ianao?

9 Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. (Vakio ny Matio 6:19-21, 24-26, 31-34.) Sarobidy amin’i Jehovah isika ka avelany hisafidy. Tsy milaza ny habetsahan’ny fotoana tokony hitorianao mandritra ny fahatanoranao izy. Nanome toro lalana mahasoa anefa i Jesosy hoe ilay Fanjakana no tokony hokatsahina voalohany. Hahita fomba maro hampisehoana ny fitiavanao an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ianao, raha mampihatra an’io toro lalana io. Ho afaka hampiseho koa ianao fa mankasitraka ny fanantenana fiainana mandrakizay. Ary ahoana ny fanambadiana sy ny asa? Moa ve ny safidy tianao hatao hahatonga anao hanahy be momba ny vola sy harena, sa hanampy anao hikatsaka voalohany ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany?

10. Inona no nahasambatra an’i Jesosy, ary inona no azonao atao mba hahasambatra anao?

10 Mahasambatra ny manampy olona. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:20, 21, 24, 35.) I Jesosy no nampianatra antsika an’io toro lalana tena lehibe io. Tena sambatra izy satria nanao ny sitrapon’ny Rainy fa tsy ny sitrapony. Faly izy nahita an’ireo olona manetry tena, nandray tsara ny vaovao tsara. (Lioka 10:21; Jaona 4:34) Efa faly toy izany angamba ianao rehefa nanampy olona. Ho sambatra ianao sady hampifaly an’i Jehovah, raha manaraka ny toro lalana nampianarin’i Jesosy, isaky ny hanao safidy lehibe.—Ohab. 27:11.

11. Nahoana i Baroka no tsy faly intsony, ary inona no torohevitra nomen’i Jehovah azy?

11 Ny manompo an’i Jehovah no mahasambatra indrindra antsika. (Ohab. 16:20) Toa nanadino an’izany i Baroka mpitan-tsoratr’i Jeremia. Nisy fotoana izy tsy nankafy ny fanompoana intsony. Hoy i Jehovah taminy: “Ianao . . . mbola mikatsaka zavatra lehibe ho anao ihany. Aza mikatsaka izany intsony. Fa hahatonga loza amin’ny nofo rehetra aho . . . nefa homeko ho babonao kosa ny ainao, any amin’ny toerana rehetra halehanao.” (Jer. 45:3, 5) Ahoana no hevitrao? Inona no tokony ho nataon’i Baroka raha te ho sambatra izy: Mikatsaka zavatra  lehibe ve, sa manompo an’i Jehovah foana dia ho tafavoaka velona rehefa horinganina i Jerosalema?—Jak. 1:12.

12. Inona no safidy nataon’i Ramiro, ka nahasambatra azy?

12 Anisan’ireo rahalahy manampy olona i Ramiro ka sambatra. Hoy izy: “Nahantra izahay ary nipetraka tany amin’ny tanàna iray any amin’ny Tendrombohitra Andes. Nanana tombony be àry aho rehefa nilaza ny zokiko lahy fa vonona hiantoka ny fianarako eny amin’ny oniversite. Vao vita batisa anefa aho, ary nisy mpisava lalana nanasa ahy hanitatra faritany niaraka taminy, tany amin’ny tanàna kely iray. Nandeha tany aho, nianatra nanety, ary izany no nataoko fivelomana. Olona maro no nanaiky rehefa nasainay hianatra Baiboly. Nisy fiangonana vaovao nampiasa tenim-paritra tatỳ aoriana, ka nifindra tany aho. Efa folo taona aho izao no nanompo manontolo andro. Manampy olona hianatra ny vaovao tsara amin’ny fitenin-drazany aho, ka tsapako fa tsy misy asa hafa mahafaly noho izany.”

Faly manompo an’i Jehovah i Ramiro, nanomboka tamin’ny fahatanorany (Fehintsoratra 12)

13. Nahoana ny fahatanorana no fotoana tsara hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa?

13 Manompoa an’i Jehovah dieny mbola tanora. (Vakio ny Mpitoriteny 12:1.) Aza mieritreritra hoe tsy maintsy manana asa tsara aloha ianao vao ho afaka hanompo an’i Jehovah. Fotoana tsara hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa ny fahatanorana. Tsy manana andraikitra ara-pianakaviana firy ny tanora maro, ary salama sy matanjaka ka mahavita asa sarotra. Inona no tianao hatao ho an’i Jehovah mandritra ny fahatanoranao? Te ho mpisava lalana angamba ianao. Na maniry hanitatra faritany any ambanivohitra. Na ianao te hanompo bebe kokoa eo anivon’ny fiangonana. Mila miasa anefa ianao, na inona na inona tanjonao eo amin’ny fanompoana. Inona àry no asa hataonao? Toy inona ny habetsahan’ny fiofanana hilainao amin’izany?

 MANAMPY ANAO HAHAY HISAFIDY NY TORO LALAN’NY BAIBOLY

14. Inona no tokony hotandremana rehefa mifidy asa?

14 Hanampy anao handinika tsara sy hifidy izay asa mety aminao ny toro lalana telo hitantsika teo. Azo inoana fa mahalala ny asa misy eo amin’ny faritra misy anareo ny mpampianatra anao. Mety hisy koa biraom-panjakana afaka milaza ny asa ilaina eo an-toerana na any amin’ilay faritra tianao hanompoana. Mety hahasoa ny torohevitr’ireny olona ireny, nefa mitandrema. Mety hitaona anao ho tia an’ity tontolo ity ny olona tsy tia an’i Jehovah. (1 Jaona 2:15-17) Ho voafitaka mora foana ny fonao, raha mieritreritra an’izay mety ho azonao eto amin’ity tontolo ity ianao.—Vakio ny Ohabolana 14:15; Jer. 17:9.

15, 16. Iza no tena afaka manampy anao hifidy asa?

15 Mila torohevitra tsara ianao, rehefa fantatrao ireo asa azonao isafidianana. (Ohab. 1:5) Iza no afaka manampy anao hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly rehefa mifidy asa? Henoy ireo olona tia an’i Jehovah sy tia anao, ary mahalala tsara anao sy ny toe-javatra misy anao. Hanampy anao izy ireo mba handinika tsara izay tena hainao sy ny antony anaovanao an’ilay safidy. Mety hanampy anao hieritreritra tsara ny tanjonao ny zavatra lazainy. Tena manana tombony ianao raha tia an’i Jehovah ny ray aman-dreninao! Afaka manoro hevitra anao koa ny anti-panahin’ny fiangonana misy anao. Manontania koa mpisava lalana sy mpiandraikitra mpitety faritany hoe nahoana izy ireo no nifidy ny hanompo manontolo andro. Inona no nataony mba ho lasa mpisava lalana, ary ahoana no ivelomany? Inona no fitahiana azony?—Ohab. 15:22.

16 Afaka manome anao torohevitra feno fahendrena ny olona mahalala tsara anao. Aoka hatao hoe te hiala eny amin’ny lise ianao ka hanao ny asan’ny mpisava lalana, satria fotsiny tsy tianao ny mianatra be. Mety ho fantatry ny olona tia anao izany, ka hanampy anao izy hahatakatra hoe mahatonga anao ho be fikirizana ny fianarana. Tena ilaina io toetra io raha te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa ianao.—Sal. 141:5; Ohab. 6:6-10.

17. Inona no fanapahan-kevitra tsy tokony horaisinao mihitsy?

17 Miatrika fitsapana sy fakam-panahy mety hahatonga azy hiala amin’i Jehovah ny Kristianina rehetra. (1 Kor. 15:33; Kol. 2:8) Misy karazana asa atahorana kokoa hampiala amin’i Jehovah anefa. Angamba ianao mahalala olona lasa niala tamin’ny finoana, noho ny asa nofidiny. (1 Tim. 1:19) Hendry àry ianao raha tsy mandray fanapahan-kevitra mety hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.—Ohab. 22:3.

MAHAFINARITRA NY HOE TANORA KRISTIANINA

18, 19. Inona no tokony hataon’izay mbola tsy mazoto hanompo bebe kokoa an’i Jehovah?

18 Maniry hanompo an’i Jehovah àry ve ianao? Misy zavatra maro azonao atao, ka hararaoty izany dieny mbola tanora ianao. Mandraisa fanapahan-kevitra hanampy anao hankafy ny fanompoana an’i Jehovah, amin’izao fotoana mahafaly izao.—Sal. 148:12, 13.

19 Ahoana kosa raha mbola tsy mazoto hanompo bebe kokoa ianao? Hatanjaho foana ny finoanao. Hoy i Paoly rehefa avy niresaka ny ezaka nataony mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra: “Raha manana sain-kafa ianareo na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona, dia hahariharin’Andriamanitra aminareo io toe-tsaina voalaza etsy ambony io. Na izany aza, dia araka izay fandrosoana efa vitantsika no aoka mbola hizorantsika hatrany, amin’ny fomba milamina, araka ny efa nahazatra antsika.” (Fil. 3:15, 16) Saintsaino foana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny torohevitra mahasoa omeny. Afaka manampy anao hahay hisafidy izy, amin’izao ianao tanora izao. Izy no tsara toerana indrindra amin’izany!