Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Derao i Kristy, Ilay Mpanjaka Be Voninahitra!

Derao i Kristy, Ilay Mpanjaka Be Voninahitra!

Mandrosoa amim-boninahitra ho amin’ny fandresena”SAL. 45:4.

1, 2. Nahoana ny Salamo faha 45 no mahaliana antsika?

MIVOAKA hiady ny mpanjaka be voninahitra iray, mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Mampaka-bady izy rehefa resiny tanteraka ny fahavalony, ary tsara tarehy ilay vadiny. Hotsarovana sy hoderaina hatramin’ny taranaka fara mandimby ilay mpanjaka. Izany no hevi-dehibe ao amin’ny Salamo faha 45.

2 Tsy tantara mahafinaritra sy tsara fiafara fotsiny anefa ny Salamo faha 45. Misy dikany ho antsika ny zava-mitranga resahina ao. Mifandray amin’ny fiainantsika ankehitriny sy ny hoavintsika ilay izy. Araho tsara àry izao ny famakafakana an’io salamo io.

“MIBOIBOIKA ZAVATRA TSARA NY FOKO”

3, 4. a) Inona ilay “zavatra tsara” mahakasika antsika, ary inona no vokany eo amin’ny fontsika? b) Nahoana no azo lazaina fa ‘misy ifandraisany amin’ny mpanjaka ny asantsika’, ary nahoana no lasa toy ny penina ny lelantsika?

3 Vakio ny Salamo 45:1. Misy ifandraisany amin’ny mpanjaka iray ilay “zavatra tsara” nanohina ny fon’ny mpanao salamo. Izany no nahatonga ny fony ‘hiboiboika’, izany hoe lasa feno hafanam-po izy, ka nanjary “toy ny penina eny an-tanan’ny mpanao dika soratra tena mahay” ny lelany.

 4 Misy “zavatra tsara” manohina ny fontsika koa, dia ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’ny Mesia. Lasa tena “tsara” ny hafatra momba ilay Fanjakana nanomboka tamin’ny 1914, satria tsy momba ny Fanjakana mbola ho avy intsony, fa momba ny fitondram-panjakana tena misy ary efa miasa any an-danitra. Torintsika ‘maneran-tany io vaovao tsaran’ilay fanjakana io, mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.’ (Mat. 24:14) Mampientanentana ny fontsika ve io hafatra io? Mafana fo ve isika mitory azy io? “Misy ifandraisany amin’ny mpanjaka” koa ny asantsika, toy ny an’ilay mpanao salamo, satria isika mitory momba an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka efa nomena fahefana any an-danitra. Asaintsika hanaiky ny fahefany ny rehetra, na ny mpitondra na ny vahoaka. (Sal. 2:1, 2, 4-12) Lasa “toy ny penina eny an-tanan’ny mpanao dika soratra tena mahay” ny lelantsika, satria mampiasa be an’ireo teny voasoratra ao amin’ny Baiboly isika rehefa mitory.

Faly isika mitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy Mpanjakantsika

‘MAHAFINARITRA NY TENY AVY AMIN’NY MOLOTR’ILAY MPANJAKA’

5. a) Nahoana no lazaina fa ‘tsara’ i Jesosy? b) Nahoana no lazaina fa ‘nahafinaritra ny teny avy tamin’ny molony’, ary ahoana no azontsika anahafana azy?

5 Vakio ny Salamo 45:2. Tsy miresaka firy momba ny bika aman’endrik’i Jesosy ny Baiboly. Lavorary izy ka azo antoka fa tsara tarehy. Ilay izy tsy nivadika tamin’i Jehovah sy nankatò ny fitsipiny foana anefa no nahatonga azy ho tena ‘tsara.’ Nilaza “teny mahafinaritra” koa izy rehefa nitory momba ilay Fanjakana. (Lioka 4:22; Jaona 7:46) Manahaka azy ve isika rehefa mitory, ka miezaka milaza teny manohina ny fon’ny olona?—Kol. 4:6.

6. Ahoana no nitahian’i Jehovah an’i Jesosy “mandritra ny fotoana tsy voafetra”?

6 Nahafoy tena tanteraka i Jesosy, ka nitahy azy i Jehovah nandritra ny fanompoany teto an-tany, ary novaliany soa izy rehefa avy nanome ny ainy ho sorona. Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona izy, dia nanetry tena ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” (Fil. 2:8-11) ‘Notahin’i Jehovah mandritra ny fotoana tsy voafetra’ i Jesosy, ka natsangany tamin’ny maty ary lasa tsy mety maty intsony.Rom. 6:9

NATAO MIHOATRA NOHO NY ‘NAMANY’ IZY

7. Inona avy ny antony ilazana fa nataon’Andriamanitra mihoatra noho ny ‘namany’ i Jesosy?

7 Vakio ny Salamo 45:6, 7. Nanosotra an’i Jesosy ho Mpanjaka i Jehovah, satria tena tian’i Jesosy ny fahamarinana ary halany ny zava-drehetra mety hanala baraka ny Rainy. ‘Nohosorana menaka fifaliana mihoatra noho ireo namany’ i Jesosy, izany hoe mihoatra noho ireo mpanjakan’i Joda taranak’i Davida. Nahoana i Jesosy no mihoatra noho ny namany? Satria i Jehovah mihitsy no nanendry azy. Tsy nanosotra azy ho Mpanjaka fotsiny izy fa ho Mpisoronabe koa. (Sal. 2:2; Heb. 5:5, 6)  Tsy menaka koa no nanosorana azy fa fanahy masina, ary tsy etỳ an-tany ny fanjakany fa any an-danitra.

8. Nahoana no lazaina fa ‘Andriamanitra no seza fiandrianan’i Jesosy’, ary nahoana no azo antoka fa hanao ny rariny i Jesosy?

8 Nataon’i Jehovah Mpanjaka tany an-danitra ny Zanany tamin’ny 1914. ‘Tehim-pahitsiana ny tehim-panjakany’, ka azo antoka fa hanao ny rariny sy ny hitsiny izy. Ara-dalàna ny fahefany satria ‘Andriamanitra no seza fiandrianany’, izany hoe avy amin’i Jehovah ny fahefany. Haharitra “mandrakizay” koa ny seza fiandrianan’i Jesosy. Azo antoka fa faly ianao manompo an’i Jehovah eo ambany fitondran’ilay Mpanjaka mahery notendreny!

‘ATAONY EO AMIN’NY ANDILANY NY SABANY’

9, 10. a) Oviana i Kristy no nanao ny sabany teo amin’ny andilany, ary ahoana no nampiasany azy io avy hatrany? b) Ahoana no mbola hampiasan’i Kristy ny sabany?

9 Vakio ny Salamo 45:3. Nandidy ny Mpanjakany i Jehovah hoe: “Ataovy eo amin’ny andilanao ny sabatrao.” Midika izany fa omeny alalana i Jesosy mba hiady amin’izay rehetra manohitra ny zon’Andriamanitra hitondra sy handringana azy ireo. (Sal. 110:2) Mpanjaka sady Mpiady tsy mety resy i Kristy, ka antsoina hoe “ilay mahery.” Tamin’ny 1914 izy no nanao ny sabany teo amin’ny andilany. Nandresy an’i Satana sy ny demoniany izy tamin’izay, ary nanipy azy ireo tetỳ amin’ny manodidina ny tany.—Apok. 12:7-9.

10 Vao ny fiandohan’ny fandresen’ilay Mpanjaka izany. Mbola tsy maintsy “hamita ny fandreseny izy.” (Apok. 6:2) Efa nanapa-kevitra i Jehovah fa horinganina izay rehetra anisan’ny tontolon’i Satana, ary tsy havela hiasa intsony i Satana sy ny demoniany. I Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, no horinganina voalohany. Hampiasa an’ireo mpitondra fanjakana i Jehovah mba handringana an’io “mpivaro-tena” ratsy fanahy io. (Apok. 17:16, 17) Hamely ny fitondrana ara-politika rehetra eo amin’ny tontolon’i Satana i Kristy aorian’izay, ka ho foana tanteraka izany. Hamita ny fandreseny i Kristy, ilay “anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka”, rehefa hanipy an’i Satana sy ny demoniany ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. (Apok. 9:1, 11; 20:1-3) Hojerentsika izao ny faminaniana momba izany ao amin’ny Salamo faha 45.

MIADY “MBA HAMPITOERANA NY FAHAMARINANA” IZY

11. Inona no dikan’ny hoe miady “mba hampitoerana ny fahamarinana” i Kristy?

11 Vakio ny Salamo 45:4. Tsy miady mba hahazo faritany sy hanery olona hanaiky ny fahefany ilay Mpanjaka. Ara-drariny ny ady ataony ary noho ny antony tsara. Miady “mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana” izy. Ny zon’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao no fahamarinana lehibe indrindra arovany. Tsy neken’i Satana mantsy ny zon’i Jehovah hitondra, rehefa nikomy taminy izy. Samy nanda an’io fahamarinana lehibe io ny demonia sy ny olombelona nanomboka teo. Tonga izao ny fotoana hanaporofoana indray mandeha tsy miverina hoe i Jehovah no manana zo hitondra, ary izany no antony iadian’ilay Mpanjaka voatendriny.

12. Inona no dikan’ny hoe miady ‘mba hampitoerana ny fanetren-tena’ ilay Mpanjaka?

12 Miady ‘mba hampitoerana ny fanetren-tena’ koa ilay Mpanjaka. Tena nanetry tena sy nanaiky foana ny fahefan’ny Rainy io Zanaka lahitokan’Andriamanitra io, ka modely ho antsika. (Isaia 50:4, 5; Jaona 5:19) Tsy maintsy manetry tena toa azy ny vahoakany rehetra, ka manaiky ny fahefan’i Jehovah amin’ny zava-drehetra. Izay manao izany ihany no  havela hiaina ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra.Zak. 14:16, 17.

13. Inona no dikan’ny hoe miady ‘mba hampitoerana ny fahitsiana’ i Kristy?

13 Miady ‘mba hampitoerana ny fahitsiana’ koa ilay Mpanjaka be herim-po. Inona ilay “fahitsiana” arovany? Izay heverin’Andriamanitra ho “marina”, izany hoe ny fitsipiny momba ny tsara sy ny ratsy. (Rom. 3:21; Deot. 32:4) Naminany toy izao momba an’i Jesosy Kristy i Isaia: “Hisy mpanjaka hitondra mba hampanjaka ny fahamarinana.” (Isaia 32:1) Hampisy “lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana” ny fitondran’i Jesosy. (2 Pet. 3:13) Tsy maintsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah àry ny mponina rehetra ao amin’io tontolo vaovao io.—Isaia 11:1-5.

“HANAO ZAVA-MAMPAHATAHOTRA” IZY

14. Nahoana no lazaina fa hanao “zava-mampahatahotra” ny tanana havanan’i Kristy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

14 Eo amin’ny andilan’ilay mpanjaka ny sabany, ary mitaingina soavaly izy. (Sal. 45:3) Hanatsoaka ny sabany izy amin’ny hoavy ary hampiasa azy io amin’ny tanany havanana. Hoy ilay mpanao salamo: ‘Hanao zava-mampahatahotra ny tananao ankavanana.’ (Sal. 45:4) Hanao “zava-mampahatahotra” hamelezana ny fahavalony i Jesosy Kristy rehefa hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah, amin’ny Hara-magedona. Tsy fantatsika ny fomba handringanany ny tontolon’i Satana. Azo antoka anefa amin’izay fa hihorohoro ny fon’ireo tsy nankatò an’i Jehovah sy tsy nanaiky ny fahefan’ilay Mpanjaka. (Vakio ny Salamo 2:11, 12.) Hoy i Jesosy ao amin’ny faminaniana momba ny andro farany: “Hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana. Fa hohozongozonina ny herin’ny lanitra.” Hoy koa izy: “Ary ny olona hahita ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahona.”—Lioka 21:26, 27.

15, 16. Iza avy no anisan’ilay “tafika” hanaraka an’i Kristy sy hiara-miady aminy?

15 Ho avy “amin-kery sy voninahitra lehibe” mba handresy ny fahavalon’i Jehovah ilay Mpanjaka. Hoy ny Apokalypsy momba izany: “Nahita ny lanitra nisokatra aho, ary iny nisy soavaly fotsy. Antsoina hoe Mendri-pitokisana sy Marina ilay nitaingina azy, ary nitsara sy niady araka ny fahamarinana mandrakariva izy. Ary nanaraka azy koa ny tafika tany an-danitra, nitaingina soavaly fotsy sady nanao akanjo vita amin’ny lamba rongony fotsy sy madio ary tena tsara. Ary nisy sabatra maranitra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavany mba hamelezany ny firenena. Ary hifehy azy ireo amin’ny tehim-by izy. Nohitsakitsahiny koa ny voaloboka tao anaty famiazam-boaloboky ny fisafoaky ny fahatezeran’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.”Apok. 19:11, 14, 15.

16 Iza no anisan’ny “tafika” any an-danitra, izay hanaraka an’i Kristy sy hiara-miady aminy? “Ny anjeliny” no niaraka taminy, tamin’izy nametraka voalohany ny sabany teo amin’ny andilany, ka nandroaka an’i Satana sy ny demoniany avy tany an-danitra. (Apok. 12:7-9) Azo inoana àry fa ho anisan’ny tafik’i Kristy ny anjely masina, amin’ny ady Hara-magedona. Hisy hafa koa ve? Nampanantena an’ireo rahalahiny voahosotra i Jesosy hoe: “Izay mandresy ka manatanteraka ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin’ireo firenena. Ary hifehy ny olona amin’ny tehim-by izy, dia ho potipotika toy ny vilany tanimanga ireny. Eny, homeko fahefana izy, tahaka izay noraisiko avy tamin’ny Raiko.” (Apok. 2:26, 27) Ho anisan’ny tafik’i Kristy koa àry ireo rahalahiny voahosotra, izay ho efa nandray ny valisoany any an-danitra amin’ izay. Ho eo anilan’i Kristy ireo voahosotra mpiara-manjaka aminy, rehefa hanao “zava-mampahatahotra” izy ka handringana an’ireo firenena.

HAMITA NY FANDRESENY IZY

17. a) Inona no dikan’ny hoe mitaingina soavaly fotsy i Kristy? b) Manondro inona ilay sabatra sy tsipìka?

17 Vakio ny Salamo 45:5. Mitaingina soavaly fotsy ilay Mpanjaka. Midika izany fa manao ady madio sy marina eo imason’i Jehovah izy. (Apok. 6:2; 19:11) Tsy sabatra fotsiny no eny aminy, fa tsipìka koa. Izao no voalaza momba azy: “Nahita aho fa iny nisy soavaly fotsy. Nanana tsipìka ilay nitaingina azy, ary nomena satroboninahitra. Ary nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.” Tsy inona ilay sabatra sy tsipìka fa ny fitaovana hampiasain’i Kristy mba handringanana ny fahavalony.

Hantsoina mba hanadio ny tany ny vorona (Fehintsoratra 18)

18. Nahoana no azo lazaina fa ‘maranitra ny zana-tsipìka’ hampiasain’i Kristy?

18 Izao no sarin-teny nosoratan’ny mpanao salamo: ‘Hitsatoka amin’ny fon’ny fahavalon’ilay Mpanjaka ny zana-tsipìkany maranitra, ka firenena maro no ho lavo eo ambaniny.’ Hisy ra mandriaka eran-tany. Hoy ny faminanian’i Jeremia: “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany.” (Jer. 25:33) Hoy koa ny faminaniana hafa mifanitsy amin’io: “Hitako koa fa nisy anjely nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin’ny vorona rehetra nanidina teny afovoan’ny lanitra hoe: ‘Avia atỳ ka miangòna ho amin’ny sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra, mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpitari-tafika sy ny nofon’ny lehilahy mahery sy ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny rehetra, na olona afaka na mpanompo, na kely na lehibe.’ ”—Apok. 19:17, 18.

19. Ahoana no hamitan’i Kristy ny fandreseny?

19 ‘Handroso amim-boninahitra ho amin’ny fandresena’ i Kristy, rehefa avy mandringana ny tontolon’i Satana. (Sal. 45:4) Hamita ny fandreseny izy rehefa hanagadra an’i Satana sy ny demonia ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (Apok. 20:2, 3) Ho toy ny maty i Satana sy ny anjeliny, ka tsy hanan-kery amin’ny mponina eto an-tany intsony. Ho afaka hankatò tanteraka an’ilay Mpanjaka mandresy sy be voninahitra ny olony amin’izay. Mbola hisy zavatra hiarahan’izy ireo mifaly amin’ilay Mpanjaka sy ny mpiara-manjaka aminy anefa, alohan’ny hanovana tsikelikely ny tany ho paradisa. Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.