Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanome Izay Ilaintsika sy Mpiaro Antsika i Jehovah

Mpanome Izay Ilaintsika sy Mpiaro Antsika i Jehovah

“Satria izaho no niraiketan’ny fony dia hanafaka azy aho. Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako.”SAL. 91:14.

1, 2. Inona no tsy mampitovy ny olona, ary inona no tsy mampitovy ny mpanompon’i Jehovah?

I JEHOVAH no namorona ny fianakaviana. (Efes. 3:14, 15) Tsy mitovy anefa ny toetran’ny olona sy ny toe-javatra iainany, na dia ireo anisan’ny fianakaviana iray aza. Mety ho niara-niaina tamin’ny ray aman-dreninao koa ianao hatramin’ny nahaterahanao mandra-pahalehibenao. Ny hafa indray kamboty, satria maty noho ny aretina na ny loza hafa ny ray aman-dreniny. Misy aza tsy mahalala ny ray aman-dreniny akory.

2 Samy hafa koa ny fomba nahitantsika ny fahamarinana, na dia toy ny fianakaviana iray aza isika mpanompon’i Jehovah. Mety ho notezaina tao amin’ny fahamarinana ianao, ka ny ray aman-dreninao no nampianatra anao ny toro lalan’Andriamanitra. (Deot. 6:6, 7) Mety ho olon-kafa koa anefa no nitory taminao, ary maro no toy izany.—Rom. 10:13-15; 1 Tim. 2:3, 4.

3. Inona no itovizantsika rehetra?

3 Misy zavatra itovizantsika rehetra anefa. Tsy lavorary sy mpanota ary mety maty isika, noho i Adama tsy nankatò an’Andriamanitra. (Rom. 5:12) Na izany aza, dia afaka miantso an’i Jehovah hoe ‘Raintsika’ isika tena mpivavaka aminy. Afaka nilaza,  ohatra, ny vahoakan’Andriamanitra fahiny hoe: ‘Jehovah ô, ianao no Rainay.’ (Isaia 64:8) Nasain’i Jesosy nivavaka toy izao koa ny mpianany: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!”—Mat. 6:9.

4, 5. Inona no hodinihintsika ato, ka hahatonga antsika ho tia an’i Jehovah bebe kokoa?

4 Manome izay ilaintsika sy miaro antsika ilay Raintsika any an-danitra, satria vahoakany isika ary miantso ny anarany sady mino azy. Hoy izy ao amin’ny Salamo 91:14, momba ny tena mpanompony: “Satria izaho no niraiketan’ny fony dia hanafaka azy aho. Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako.” Tia antsika i Jehovah ka manafaka antsika amin’ny fahavalontsika ary miaro antsika vahoakany, mba tsy ho ripaka isika.

5 Hodinihintsika izao hoe nahoana i Jehovah no lazaina fa 1) Mpanome izay ilaintsika, 2) Mpiaro antsika, ary 3) Namantsika akaiky indrindra. Hanampy antsika ho tia azy bebe kokoa izany. Rehefa handinika an’ireo isika, dia saintsaino hoe manao ahoana ny fifandraisanao amin’ilay Rainao any an-danitra, ary ahoana no azonao anomezana voninahitra azy. Saintsaino koa ny fitahiana omen’i Jehovah an’ireo manatona azy.—Jak. 4:8.

MPANOME IZAY ILAINTSIKA I JEHOVAH

6. Milazà fomba iray anaporofoan’i Jehovah fa Mpanome ny “fanomezana tsara rehetra” izy.

6 Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra izany.” (Jak. 1:17) Fanomezana tena tsara avy amin’i Jehovah, ohatra, ny fiainana. (Sal. 36:9) Hahazo fitahiana tondraka isika dieny izao ary hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao, raha mampiasa ny fiainantsika mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Ohab. 10:22; 2 Pet. 3:13) Ahoana anefa no hetezan’izany rehefa jerena ny vokatry ny tsy fankatoavan’i Adama?

7. Inona no nataon’Andriamanitra mba hahafahantsika hifandray akaiky aminy?

7 Misy fomba maro ampisehoan’i Jehovah fa Mpanome izay ilaintsika izy. Namonjy antsika, ohatra, izy noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Mpanota daholo mantsy isika ary tsy lavorary, noho ilay razambentsika voalohany. (Rom. 3:23) Tia antsika anefa i Jehovah ka nanao zavatra mba hahafahantsika hifandray akaiky aminy. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany. Ary izany fitiavana izany dia tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.”—1 Jaona 4:9, 10.

8, 9. Inona no manaporofo fa Mpanome izay ilaina i Jehovah tamin’ny andron’i Abrahama sy Isaka? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Nampiseho mialoha izay hataon’Andriamanitra ny zava-nitranga iray tamin’ny 1893 T.K. tany ho any. Hita tamin’ilay izy fa be fitiavana Andriamanitra ka hanao zavatra, mba ho afaka hiaina mandrakizay ny olombelona mankatò. Hoy ny Hebreo 11:17-19: “Finoana no nahatonga an’i Abrahama ho tonga hatramin’ny fanolorana an’i Isaka rehefa notsapaina izy. Vonona hanolotra ny zanany lahitokana ilay lehilahy izay faly nahazo ny fampanantenana. Vonona hanao izany izy, na dia efa nilazana aza hoe: ‘Amin’ny alalan’i Isaka no hiavian’ilay hantsoina hoe “taranakao.”’ Nihevitra mantsy izy fa hain’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza, ka avy tamin’ny fahafatesana no nandraisany azy, ary tandindon-javatra izany.” Tsy misy hafa tamin’ny nataon’i Abrahama ny nataon’i Jehovah. Nahafoy an’i Jesosy Kristy  Zanany izy mba hamonjena an’izao tontolo izao.—Vakio ny Jaona 3:16, 36.

9 Tsy maintsy ho faly be i Isaka rehefa tsy natao sorona. Azo antoka koa fa faly izy rehefa nanome biby hatao solony i Jehovah, dia ilay ondrilahy voasaringotry ny kirihitrala. (Gen. 22:10-13) Tsy mahagaga raha natao hoe “Jehovah-jire” ilay toerana, izany hoe “Hanome i Jehovah.”—Gen. 22:14.

IZAY NOMENY MBA HIHAVANANTSIKA AMINY

10, 11. Iza no loha laharana amin’ny “fanompoana fampihavanana”, ary ahoana no anaovan’izy ireo izany?

10 Rehefa misaintsaina an’izay nomen’i Jehovah antsika isika, dia lasa takatsika fa sarobidy ny soron’i Jesosy Kristy. Nahatsapa izany i Paoly ka nilaza hoe: “Izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra, satria efa maty izy rehetra, raha ny marina. Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.”—2 Kor. 5:14, 15.

11 Tena tia an’i Jehovah sy nankasitraka ny tombontsoa nanompo azy ny Kristianina voalohany, ka faly izy ireo nanaiky hanao ny “fanompoana fampihavanana.” Nitory sy nampianatra izy ireo, ka nanampy ny olona tso-po hihavana amin’Andriamanitra sy ho lasa namany. Lasa zanak’Andriamanitra ara-panahy ireny olona ireny, tatỳ aoriana. Izany koa no fanompoana ataon’ny voahosotra ankehitriny. Ambasadaoro solon’Andriamanitra sy Kristy izy ireo. Noho ny asa ataon’izy ireo, dia afaka mitaona ny olona manana toe-po tsara i Jehovah, ka lasa mpino ireny olona ireny.—Vakio ny 2 Korintianina 5:18-20; Jaona 6:44; Asa. 13:48.

12, 13. Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka ny zavatra maro omen’i Jehovah antsika isika?

12 Mankasitraka an’izay rehetra omen’i Jehovah koa ny Kristianina manantena hiaina eto an-tany, ka manampy an’ireo voahosotra amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Mampiasa ny Baiboly, izay fanomezana faran’izay tsara avy amin’i Jehovah, isika rehefa manao io asa io. (2 Tim. 3:16, 17) Manampy ny hafa mba hiaina mandrakizay isika, rehefa mahay mampiasa azy io eny amin’ny fanompoana. Miantehitra amin’ny fanahy masina, izay avy amin’i Jehovah koa, isika rehefa manompo. (Zak. 4:6; Lioka 11:13) Mahatalanjona ny vokany, araka ny hita ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Voninahitra lehibe tokoa ny manao an’io asa io, ho fiderana an’ilay Raintsika sy Mpanome izay ilaintsika!

13 Betsaka tokoa ny fanomezan’i Jehovah, ka mila misaintsaina isika hoe: ‘Manao izay rehetra azoko atao amin’ny fanompoana ve aho, mba hampisehoana amin’i Jehovah fa tena mankasitraka izay omeny? Inona no azoko hatsaraina, ary ahoana no hahitako vokatra kokoa amin’ny fitoriana?’ Hasehontsika fa mankasitraka ny zavatra tsara omen’i Jehovah isika, raha ataontsika loha laharana foana ilay Fanjakana. Hataon’i Jehovah izay hahazoantsika izay ilaintsika, raha manao izany isika. (Mat. 6:25-33) Tia antsika izy, ka azo antoka fa te hanao izay fara herintsika isika mba hampifaliana ny fony.—Ohab. 27:11.

14. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa Mpanafaka ny vahoakany izy?

14 Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “Ory sy mahantra aho. Mihevitra ahy i Jehovah. Ianao no Mpanampy sy Mpanafaka ahy.” (Sal. 40:17) Manafaka ny vahoakany i Jehovah, indrindra rehefa tsy mitsahatra manenjika mafy azy ireo ny fahavalo. Efa imbetsaka i Jehovah no nanao toy izany, ary tena ankasitrahantsika ny fanampiany amin’ny fotoana toy ireny. Isaorantsika koa izy fa manome fanampiana ara-panahy tsy tapaka.

 MIARO I JEHOVAH

15. Ahoana no iarovan’ny ray be fitiavana ny zanany? Manomeza ohatra.

15 Tsy manome izay ilain-janany fotsiny ny ray be fitiavana, fa miaro azy koa. Hiezaka hanavotra ny zanany izy, raha tandindomin-doza izy io. Izany no nitranga tamin’ny rahalahy iray tamin’izy mbola kely. Avy nanompo niaraka tamin’ny dadany izy indray mandeha, ary tsy maintsy niampita renirano kely. Avy be anefa ny orana ny maraina ka tondraka ilay renirano. Tsy maintsy nitsambikina tamin’ny vato be maromaro izy ireo. Nandeha teo alohan’ny dadany ilay ankizilahy. Nibolisatra anefa izy ka latsaka tao amin’ilay rano be, ary nilentika indroa. Tena faly izy satria namonjy azy haingana ny dadany ary nitazona mafy ny sorony ka avotra izy. Toy izany koa fa manavotra antsika ilay Raintsika any an-danitra, ka miaro antsika amin’ireo zavatra mampidi-doza eto amin’ity tontolo ity, sady miaro antsika amin’ilay mpitondra azy io, dia i Satana. Tsy hahita Mpiaro tsara noho i Jehovah isika.—Mat. 6:13; 1 Jaona 5:19.

16, 17. Ahoana no nanampian’i Jehovah sy niarovany ny Israelita, rehefa niady tamin’ny Amalekita izy ireo?

16 Hita hoe miaro ny vahoakany amim-pitiavana i Jehovah, rehefa jerena izay nataony tamin’ny 1513 T.K. Vao avy nanafaka ny Israelita tsy ho andevo tany Ejipta izy, ary nanao fahagagana mba hiarovana azy ireo rehefa niampita ny Ranomasina Mena izy ireo. Tonga tao Refidima ilay firenena, rehefa avy nanavatsava ny tany efitra mba ho any amin’ny Tendrombohitra Sinay.

17 Azo antoka fa tsy tian’i Satana ho tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15, ka nanao izay ho afany izy mba hamelezana ny Israelita. Nampiasainy ny Amalekita izay fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah. (Nom. 24:20) Niaro ny vahoakany anefa i Jehovah tamin’ny alalan’ny lehilahy tsy mivadika, dia  i Josoa, Mosesy, Arona, ary Hora. I Josoa no niady tamin’ny Amalekita, fa nijanona teo an-tampon-kavoana tsy lavitra teo kosa i Mosesy sy Arona ary Hora. Naharesy ny Israelita rehefa nanangana ny tanany i Mosesy. Nanohana ny tanany tsy hidina i Arona sy Hora, rehefa vizana ny tanany. “Resin’i Josoa tamin’ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny vahoakany” tamin’ny farany, noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fiarovany. (Eks. 17:8-13) Nanorina alitara teo amin’ilay toerana i Mosesy, ary nantsoiny hoe “Jehovah-nisỳ” ilay izy, izany hoe “Fialofako i Jehovah.”—Vakio ny Eksodosy 17:14, 15.

VOARO AMIN’NY FANAFIHAN’I SATANA

18, 19. Ahoana no iarovan’i Jehovah ny mpanompony ankehitriny?

18 Miaro an’izay tia azy sy mankatò azy i Jehovah. Manahaka ny Israelita isika, ka mitady fiarovana aminy rehefa toherin’ny fahavalo. Matetika i Jehovah no miaro antsika amin’ny fitambarany, ary manafaka antsika amin’ny fanafihan’ny Devoly. Imbetsaka izy no niaro an’ireo rahalahintsika tsy nanaiky ho anisan’izao tontolo izao. Izany no nitranga tany Alemaina sy tany an-tany hafa, tamin’ny andron’ny Nazia. Tsara ny mamaky sy misaintsaina tantaram-piainana na fitantarana ao amin’ny Diary, izay mampiseho fa miaro i Jehovah rehefa misy fanenjehana. Vao mainka hatoky isika amin’izay fa Fialofana ho antsika i Jehovah.—Sal. 91:2.

Afaka mampiasa ny mpiara-manompo i Jehovah mba hanampiana antsika tsy hivadika ao anatin’ny sarotra (Fehintsoratra 18-20)

19 Miaro antsika ny fampahatsiahivana omen’ny fandaminan’i Jehovah sy hitantsika ao amin’ireo boky sy gazety. Eritrereto ny soa noraisintsika avy amin’izany tato ho ato. Vao mainka miharatsy fitondran-tena sy tia toaka ny olona eto amin’ity tontolo ity, sady tia mijery sary vetaveta. Mampahatsiahy antsika an’izay tokony hatao anefa ilay Raintsika any an-danitra, ary manampy antsika mba ho mailo amin’izay mety hitarika antsika hanao ratsy. Mampitandrina antsika, ohatra, izy mba tsy hifanerasera amin’ny naman-dratsy amin’ny alalan’ny Internet. *1 Kor. 15:33.

20. Ahoana no ahazoantsika fiarovana sy tari-dalana eo anivon’ny fiangonana?

20 Ahoana no ampisehoantsika fa tena ‘ampianarin’i Jehovah’ isika? Mila manaraka tsara ny didiny isika. (Isaia 54:13) Voaro sy mahazo tari-dalana isika eo anivon’ny fiangonana. Manampy antsika sy manome antsika torohevitra avy ao amin’ny Baiboly mantsy ny anti-panahy. (Gal. 6:1) Amin’ny alalan’ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny no tena ikarakaran’i Jehovah antsika amim-pitiavana. (Efes. 4:7, 8) Ahoana àry no tokony hataontsika? Mila mankatò sy manaiky an-tsitrapo isika. Hotahin’i Jehovah isika raha manao izany.—Heb. 13:17.

21. a) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanaiky hotarihin’ny fanahy masina, ka hanaraka ny tari-dalan’ilay Raintsika any an-danitra. Mila misaintsaina ny fiainan’i Jesosy koa isika, ary manahaka ny modely miavaka nomeny. Nahazo valisoa lehibe i Jesosy noho izy nankatò sy nanaiky ho faty. (Fil. 2:5-11) Hotahin’i Jehovah koa isika raha matoky azy amin’ny fo manontolo. (Ohab. 3:5, 6) Enga anie isika hiantehitra foana amin’i Jehovah, ilay Mpanome izay ilaintsika sy Mpiaro tsy manan-tsahala. Tena mahafaly tokoa ny manompo azy, sady voninahitra lehibe! Nahoana anefa no azo lazaina fa Namantsika akaiky indrindra izy? Vao mainka ho tia azy isika rehefa handinika ny valin’izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 19 Misy fampahatsiahivana toy izany ao amin’ny lahatsoratra hoe “Ampiasao Amim-pahendrena ny Internet”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2011, pejy 3-5, ary ilay hoe “Mitandrema Amin’ny Fandriky ny Devoly!” sy ilay hoe “Halaviro ny Fandrik’i Satana!”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2012, pejy 20-29.