Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Antsika Hahafoy Tena Foana?

Inona no Hanampy Antsika Hahafoy Tena Foana?

“Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany.” —MAT. 16:24.

1. Inona no mampiseho fa tena nahafoy tena i Jesosy?

NAHAFOY tena i Jesosy tamin’izy teto an-tany, ary modely tonga lafatra amin’izany izy. Nampandeferiny ny zavatra tiany sy izay hahametimety ny fiainany, mba hahafahany hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 5:30) Maty teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy izy satria tsy nivadika. Hita tamin’izany fa vonona hahafoy tena foana izy, na inona na inona takin’izany.—Fil. 2:8.

2. Inona no hataontsika raha mahafoy tena isika, ary nahoana isika no tokony hahafoy tena?

2 Tokony hahafoy tena koa isika satria mpanara-dia an’i Jesosy. Inona no dikan’ny hoe mahafoy tena? Midika izany hoe vonona hamoy ny tombontsoan’ny tenantsika isika mba hanampiana olona. Mifanohitra amin’ny hoe tia tena izany. (Vakio ny Matio 16:24.) Mampandefitra ny hevitsika sy izay tiantsika isika raha tsy tia tena, ka mihevitra ny hafa aloha. (Fil. 2:3, 4) Nilaza i Jesosy fa tena mila mahafoy tena isika eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah. Mahafoy tena mantsy ny olona manana fitiavana, ary ny fitiavana no amantarana ny tena mpanara-dia  an’i Jesosy. (Jaona 13:34, 35) Eritrereto koa ny fitahiana raisintsika, noho isika manana rahalahy sy anabavy mahafoy tena eran-tany.

3. Inona no mety hahatonga antsika tsy dia hahafoy tena intsony?

3 Ny fitiavan-tena no fahavalo mahatonga antsika tsy hahafoy tena, ary tsy tonga dia hita izy io. Nanana an’io toetra io i Adama sy Eva. Tia tena i Eva ka naniry hitovy tamin’Andriamanitra. Tia tena koa i Adama ka naleony nampifaly ny vadiny. (Gen. 3:5, 6) Voataonan’ny Devoly izy ireo ka tsy nanaraka ny fivavahana marina intsony. Mbola nitaona ny olona ho tia tena ny Devoly taorian’izay. Izany no nataony tamin’izy naka fanahy an’i Jesosy. (Mat. 4:1-9) Voafitak’i Satana ny ankamaroan’ny olona ankehitriny ka lasa tia tena, ary maro ny fomba isehoan’izany. Mila mitandrina isika satria mety hifindra amintsika koa izany toe-tsaina izany.—Efes. 2:2.

4. a) Afaka manala ny fitiavan-tena ao anatintsika ve isika ankehitriny? Hazavao. b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

4 Toy ny harafesina miforona eo amin’ny vy ny fitiavan-tena. Mety ho harafesina foana ny fitaovana vy rehefa tratran’ny orana sy ny rivotra. Tena mety hampidi-doza raha avela amin’izao ilay harafesina, ka lasa manimba an’ilay fitaovana na mahatonga azy io ho tsy azo ampiasaina intsony. Toy izany koa ny fitiavan-tena. Marina fa tsy lavorary isika ka mbola tsy afaka manala azy io ao anatintsika. Tsy tokony havela amin’izao anefa io toetra io. Mila mitadidy foana ny voka-dratsin’izy io isika, ka hiezaka foana handresy azy io. (1 Kor. 9:26, 27) Inona no hanampy antsika hahita hoe efa manomboka tia tena isika? Inona no hanampy antsika hahafoy tena kokoa?

AMPIASAO NY BAIBOLY MBA HAHITANA RAHA TIA TENA IANAO

5. a) Nahoana ny Baiboly no azo oharina amin’ny fitaratra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no tsy tokony hataontsika, raha te hahita isika hoe tia tena na tsia?

5 Mampiasa fitaratra isika mba hijerena ny tenantsika. Azo atao toy ny fitaratra ny Baiboly mba hahitana ny toetrantsika ka hanitsiana an’izay tsy mety. (Vakio ny Jakoba 1:22-25.) Tsy hanampy anefa ny fitaratra raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy. Raha mijery maimaika fotsiny, ohatra, isika dia mety tsy ho hitantsika ny tasy kely manaratsy endrika. Mety ho olon-kafa mihitsy aza no ho hitantsika, raha tsy ataontsika manandrify tsara antsika ilay fitaratra. Toy izany koa fa tsy mety ny mamakimaky fotsiny ny Baiboly, na mampiasa azy io mba hijerena ny fahalemen’ny hafa, raha tiantsika ny hahita ny toetra ratsintsika, ohatra hoe ny fitiavan-tena.

6. Inona no hataontsika raha “maharitra” amin’ilay lalàna tonga lafatra isika?

6 Mety hamaky ny Baiboly tsy tapaka isika, ary mety ho isan’andro mihitsy aza, nefa mbola tsy hahita hoe mitady hahazo vahana ao amintsika ny fitiavan-tena. Nahoana? Diniho ilay ohatra noresahin’i Jakoba: Tsy nilaza izy hoe tsy nijery tsara an’ilay fitaratra ilay olona. Tena ‘nijery ny tenany’ ilay olona. Midika hoe mandinika tsara ilay teny grika nadika hoe “mijery” eto. Fa inona no tsy nety? Nilaza i Jakoba fa ‘lasa ilay olona, ary hadinony avy hatrany hoe manao ahoana izy.’ Niala fotsiny izy, fa tsy nanamboatra an’izay tsy nety tamin’ny tenany. Mifanohitra amin’izany ilay olona fakan-tahaka. “Mijery tsara ny lalàna tonga lafatra” izy sady “maharitra amin’izany.” Tsy manadino ny lalàna tonga lafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy, fa mampihatra foana an’izay voalaza ao. Toy izany koa no nolazain’i Jesosy. Hoy izy: “Raha tsy miala amin’ny teniko  ianareo dia tena mpianatro tokoa.”—Jaona 8:31.

7. Ahoana no azontsika ampiasana ny Baiboly mba hahitana raha efa somary tia tena isika?

7 Inona àry no hanampy anao raha hitanao fa somary tia tena ianao? Ilainao ny mamaky tsara ny Tenin’Andriamanitra, mba hahitanao izay tokony hahitsy. Tsy ampy anefa izany. Miezaha handalina ka manaova fikarohana. Eritrereto hoe ianao mihitsy no miaina an’ilay zava-mitranga resahin’ilay tantara, ka saintsaino hoe: ‘Inona no ho nataoko raha izaho no teo amin’ny toeran’ilay olona? Tena ho nanao ny tsara ve aho?’ Rehefa avy nisaintsaina an’izay novakinao ianao, dia ampiharo ilay izy. Izany no tena zava-dehibe. (Mat. 7:24, 25) Handinika ny tantaran’i Saoly Mpanjaka sy ny apostoly Petera isika izao. Hanampy antsika hahafoy tena foana izany.

LESONA AVY AMIN’I SAOLY MPANJAKA

8. Nanao ahoana ny toe-tsain’i Saoly tamin’izy vao lasa mpanjaka, ary inona no manaporofo izany?

8 Anatra ho antsika ny nahazo an’i Saoly Mpanjaka. Hita tamin’ny fiainany fa mety tsy hahafoy tena intsony isika raha tia tena. Nanetry tena izy tamin’izy vao lasa mpanjaka. (1 Sam. 9:21) Tsy nety nanasazy an’ireo Israelita nanao tsinontsinona ny fahefany, ohatra, izy, na dia nanan-jo hiaro ny fahefana nomen’Andriamanitra azy aza. (1 Sam. 10:27) Nanaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra koa izy, ka nitarika ny Israelita hiady tamin’ny Amonita ary nandresy izy ireo. Nanome voninahitra an’i Jehovah izy noho ilay fandresena, ka hita hoe nanetry tena.—1 Sam. 11:6, 11-13.

9. Inona no mampiseho fa lasa tia tena i Saoly?

9 Lasa tia tena sy nanambony tena anefa i Saoly. Navelany hahazo vahana tao aminy ireo toetra ireo, toy ny harafesina manimba tsikelikely ny vy. Tsy nankatò an’i Jehovah izy rehefa avy nandresy an’ireo Amalekita, fa izay tiany no nataony. Nalainy ho azy ny zavatra azo babo, fa tsy naringany araka ny didy nomen’i Jehovah. Nanangana tsangambato hahatsiarovana ny tenany koa izy. (1 Sam. 15:3, 9, 12) Nilaza taminy i Samoela mpaminany fa tsy nahafaly an’i Jehovah ny nataony. Nanamarin-tena anefa i Saoly ka nasongadiny izay didin’Andriamanitra nankatoaviny, ary nailiny tamin’ny hafa ny fahadisoany. (1 Sam. 15:16-21) Nihevi-tena ho ambony koa izy, ka izay tsy hahafa-baraka azy teo anatrehan’ny vahoaka no nahamaika azy fa tsy ny hampifaly an’Andriamanitra. (1 Sam. 15:30) Azontsika ampiasaina ho toy ny fitaratra io tantara io, mba handinihana ny tenantsika. Hanampy antsika izany mba hahafoy tena foana.

10, 11. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Saoly? b) Inona no hanampy antsika tsy hanao ny zava-dratsy nataon’i Saoly?

10 Hita amin’ny tantaran’i Saoly fa tokony ho mailo foana isika, fa tsy hieritreritra hoe efa mahafoy tena isika izao, ka ho toy izany foana. (1 Tim. 4:10) Tadidio fa tsara toetra sy nankasitrahan’Andriamanitra i Saoly tamin’ny voalohany. Lasa tia tena anefa izy ary tsy niezaka hiala tamin’izany toetra ratsy izany. Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony izy satria tsy nankatò.

11 Hita amin’iny tantara iny koa fa tsy mety raha izay zavatra tsara efa ataontsika ihany no jerentsika, ka tsy jerentsika izay mila ahitsy. Raha manao izany isika, dia toy ny hoe mijery fitaratra ka faly erỳ mahita ny akanjo vaovao anaovantsika, nefa tsy miraharaha ny loto eny amin’ny tarehintsika. Mety tsy hihevi-tena ho marina toa an’i Saoly isika, kanefa tena mila mitandrina mba tsy hanana an’ireo toetra nahatonga azy hanao ratsy. Tsy tokony hanamarin-tena isika rehefa mahazo torohevitra, na hanamaivana ny fahadisoantsika, na  hanome tsiny ny hafa. Tokony ho vonona handray torohevitra kosa isika, fa tsy hanahaka an’i Saoly.—Vakio ny Salamo 141:5.

12. Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra be loatra momba ny tenantsika, raha nanao fahotana lehibe?

12 Ahoana anefa raha nanao fahotana lehibe isika? Te hiaro ny lazany i Saoly, ka tsy niezaka nihavana indray tamin’i Jehovah. Tsy tokony hieritreritra be loatra momba ny tenantsika isika. Ho sahy hangataka fanampiana isika amin’izay, na dia menatra aza. (Ohab. 28:13; Jak. 5:14-16) Nijery sary vetaveta, ohatra, ny rahalahy iray nanomboka tamin’izy 12 taona, ary nanao izany nandritra ny folo taona mahery fa niafina. Hoy izy: “Tena mafy tamiko ny nilaza izany tamin’ny vadiko sy ny anti-panahy. Vitako ihany anefa ilay izy, ka maivamaivana erỳ aho izao, toy ny hoe nisy entana mavesatra be nesorina tamiko. Diso fanantenana tamiko ny namako sasany rehefa nesorina tsy ho mpanampy amin’ny fanompoana aho. Toy ny hoe namadika azy ireo aho. Fantatro anefa fa mahafaly kokoa an’i Jehovah ny fanompoako izao, fa tsy toy ny tamin’izaho mbola nijery sary vetaveta. Ny fomba fihevitr’i Jehovah no tena zava-dehibe.”

TSY RESIN’NY FITIAVAN-TENA I PETERA

13, 14. Ahoana no nahitana hoe tia tena i Petera?

13 Tena nahafoy tena ny apostoly Petera tamin’izy nampiofanin’i Jesosy. (Lioka 5:3-11) Tsy maintsy niady tamin’ny fitiavan-tena anefa izy. Tezitra, ohatra, izy rehefa nanao tetika ny apostoly Jakoba sy Jaona, mba ho eo akaikin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nihevitra angamba i Petera fa tokony ho azy ny iray amin’izany toerana ambony izany, satria efa nilaza i Jesosy fa hanana andraikitra manokana izy. (Mat. 16:18, 19) Nampitandrina an’i Jakoba sy Jaona sy Petera ary ny apostoly hafa i Jesosy hoe tsy tokony ho tia tena izy ireo ka ‘hanjakazaka’ amin’ireo rahalahy.—Mar. 10:35-45.

14 Mbola nila niady mafy mba tsy hihevi-tena ho ambony i Petera, na dia efa nahitsin’i Jesosy aza. Nilaza, ohatra, izy fa izy irery no tsy hivadika, rehefa niteny i Jesosy hoe hahafoy azy ny apostoly. Nanambany ny hafa i Petera  tamin’izany, ary nanambony tena. (Mat. 26:31-33) Tsy tokony ho natoky tena toy izany anefa izy, satria ny alin’iny izy dia efa hita hoe tsy nahafoy tena. Te hiaro tena izy ka nanda an’i Jesosy intelo.—Mat. 26:69-75.

15. Nahoana no mampahery ny ohatr’i Petera?

15 Niady mafy i Petera ary lavo indraindray. Mampahery antsika anefa ny ohatra navelany. Niezaka mafy izy ary nampian’ny fanahy masina, ka afaka tamin’ny toetra ratsiny ary lasa nahafehy tena sy be fitiavana ary nahafoy tena. (Gal. 5:22, 23) Nahavita niaritra fitsapana mafy kokoa noho ireo nahalavo azy teo aloha izy. Hita hoe nanetry tena izy, rehefa nanarin’ny apostoly Paoly teo imason’olona. (Gal. 2:11-14) Tsy nitana lolompo izy ary tsy nieritreritra hoe nanala baraka azy ny fananaran’i Paoly. Mbola tia an’i Paoly foana izy. (2 Pet. 3:15) Manampy antsika hahafoy tena ny ohatr’i Petera.

Ahoana no nataon’i Petera rehefa nahitsy izy? Hanao toy izany ve isika? (Fehintsoratra 15)

16. Raha mahafoy tena isika, inona no hataontsika rehefa miatrika toe-javatra sarotra?

16 Ahoana no ataonao rehefa miatrika toe-javatra sarotra? Natao am-ponja sy nokapohina i Petera sy ny apostoly hafa satria nitory. Faly anefa izy ireo “satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho [ny anaran’i Jesosy].” (Asa. 5:41) Rehefa enjehina koa ianao, dia hararaoty izany mba hampisehoana fa mahafoy tena toa an’i Petera sy Jesosy ianao. (Vakio ny 1 Petera 2:20, 21.) Afaka manampy anao izany toe-tsaina izany, rehefa anarin’ny anti-panahy ianao. Manahafa an’i Petera fa aza tezitra.—Mpito. 7:9.

17, 18. a) Inona no tokony hoeritreretintsika momba ny tanjontsika ara-panahy? b) Inona no azontsika atao raha tsapantsika hoe somary tia tena isika?

17 Afaka mandray soa avy amin’ny ohatr’i Petera koa ianao, rehefa manatratra tanjona ara-panahy. Miezaha hahafoy tena toa azy. Mitandrema mba tsy ho ny fanirian-daza no mahatonga anao hanatratra ny tanjonao. Eritrereto hoe: ‘Nahoana aho no te hanatsara na hampitombo ny fanompoako? Te hoderain’ny olona ve aho sa te hahazo fahefana bebe kokoa?’ Mety ho izany mantsy no nahatonga an’i Jakoba sy Jaona hangataka ny ho eo ankavanana sy ankavian’i Jesosy.

18 Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao hanitsy ny toe-tsainao raha tsapanao hoe somary tia tena ianao. Miezaha bebe kokoa hanome voninahitra azy fa tsy hitady laza. (Sal. 86:11) Azonao atao koa ny manatratra tanjona tsy hampisongadina anao. Miezaha, ohatra, mba hanana an’izay vokatry ny fanahy hitanao hoe mbola mila iezahanao ananana. Raha ohatra indray ianao ka mazoto manomana ny anjaranao amin’ny fivoriana nefa kamokamo manadio Efitrano Fanjakana, dia miezaha hampihatra an’ilay torohevitra ao amin’ny Romanina 12:16.—Vakio.

19. Inona no hanampy antsika tsy ho kivy, rehefa mijery ny Tenin’Andriamanitra sy mandini-tena isika?

19 Mety ho kivy isika rehefa mijery ny Tenin’Andriamanitra sy mandini-tena, ka mahita hoe manana toetra ratsy, ohatra hoe tia tena. Raha izany no mitranga aminao, dia tadidio ilay olona fakan-tahaka ao amin’ny fanoharan’i Jakoba. Tsy nilaza i Jakoba hoe voahitsin’io olona io haingana, na voahitsiny daholo, izay tsy nety hitany tamin’ny tenany. Nilaza kosa izy fa ‘naharitra tamin’ny lalàna tonga lafatra’ ilay olona. (Jak. 1:25) Nitadidy an’izay hitany teo amin’ny fitaratra ilay olona ary niezaka foana hanatsara an’izay tsy nety. Aza mieritreritra hoe tsy misy antenaina ny aminao, ary tadidio foana fa tsy lavorary ianao. (Vakio ny Mpitoriteny 7:20.) Aza miala amin’ilay lalàna tonga lafatra mihitsy ary miezaha hahafoy tena foana. Vonona hanampy anao i Jehovah, toy ny anampiany ny rahalahy sy anabavy maro. Tsy lavorary koa izy ireny nefa mahazo sitraka aminy sy tahiny.