Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Mahafinaritra Kokoa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

Ataovy Mahafinaritra Kokoa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

Hoy ny raim-pianakaviana iray any Brezila: “Mafana be ny resakay mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ka raha tsy faranako dia matetika no mitohy hatramin’ny alina be.” Manan-janaka lahy folo taona ny rahalahy iray any Japon. Tian’ilay zaza hotohizina foana ny fotoam-pivavahan’izy ireo, satria tsy hitany hoe efa lasa be ny fotoana. Nahoana? Hoy ny dadany: “Mazoto be izy ka faly erỳ.”

Tsy ny ankizy rehetra anefa no mazoto be. Misy aza tsy tia manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Hoy ny raim-pianakaviana iray any Togo: “Tsy tokony hankaleo ny fanompoana an’i Jehovah.” Raha mankaleo àry ilay izy, sao dia ny fomba hanaovana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana no tsy mety? Maro no tena mankafy an’io fotoana io, toa an’ireo Israelita “finaritra tanteraka” nandritra ny Sabata.—Isaia 58:13, 14.

Hitan’ny raim-pianakaviana fa mila mahazo aina tsara ny rehetra mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, raha tiana hahafinaritra ilay izy. Manan-janaka telo vavy sy lahy iray i Ralf. Toy ny resadresaka ny fotoam-pivavahan’izy ireo fa tsy toy ny fianarana, ary mandray anjara ny rehetra. Tsy mora anefa indraindray ny manampy ny rehetra mba ho liana sy hifantoka tsara. Hoy ny reny iray: “Vizana aho indraindray, ka tsy mahafinaritra ny fotoam-pivavahanay, na dia tiako hatao mahafinaritra aza.” Inona àry no azo atao?

AMPIFANARAHO AMIN’IZAY ILAINA ARY ASIO ZAVATRA SAMIHAFA

Manan-janaka roa ny rahalahy iray any Alemaina. Hoy izy: “Tsy maintsy ampifanarahina amin’izay ilaina ny fotoam-pivavahana.” Hoy koa i Natalia, manan-janaka roa: “Asianay zavatra isan-karazany foana ilay izy.  Izany no tena ilainay.” Maro no mitsinjara an’ilay fotoana ka manao zavatra samihafa. Hoy i Cleiton avy any Brezila, izay manan-janaka tanora roa: “Lasa mampahazoto kokoa ny fotoam-pivavahana rehefa atao an’izany. Mandray anjara koa ny rehetra.” Afaka manome izay ilain’ny tsirairay ny ray aman-dreny rehefa tsinjarainy hanaovana zavatra samihafa ilay fotoana. Tena mety izany rehefa misy elanelany be ny taonan’ny ankizy. Azo ovaovana koa ny zavatra dinihina sy ny fomba ianarana azy.

Inona àry no ataon’ny fianakaviana sasany? Mihira fiderana ho an’i Jehovah izy ireo rehefa manomboka. Hoy i Juan any Meksika: “Mahafalifaly ny rehetra izany sady manomana ny saina mba handray an’ilay zavatra hianarana.” Hira mifandray amin’ny zavatra hodinihina no fidin’izy ireo.

Sri Lanka

Maro ny fianakaviana miara-mamaky Baiboly, ka mamaky tenin’olona samihafa ny tsirairay. Nilaza ny raim-pianakaviana iray any Japon fa “somary hafahafa taminy ilay izy tamin’ny voalohany.” Faly anefa ny zanany roa lahy mahita ny dada sy mamany miara-manao zavatra aminy. Ny an’ny fianakaviana sasany aza ataony toy ny tantara an-tsehatra ilay tantara ao amin’ny Baiboly. Hoy i Roger any Afrika Atsimo, izay manan-janaka roa lahy: “Matetika no misy zavatra hitan’ny ankizy ao amin’ny tantara ara-baiboly, nefa tsy hitantsika ray aman-dreny.”

Afrika Atsimo

Azo atao koa ny miara-manamboatra zavatra, toy ny sambofiaran’i Noa na ny tempolin’i Solomona. Ilana fikarohana izany, ary mety hahafinaritra ilay mikaroka. Diniho ny nataon’ny mpivady iray any Azia sy ny zanany vavy dimy taona ary ny bebeny. Namorona kilalao misy fanontaniana ara-baiboly izy ireo, mifandray amin’ny dia misionera nataon’ny apostoly Paoly. Misy fianakaviana koa mamorona fanontaniana mifandray amin’ny tantara ao amin’ny Eksodosy. Hoy i Donald, tovolahy 19 taona any Togo: “Lasa nahaliana kokoa ny fotoam-pivavahanay, rehefa novaovana ny zavatra natao. Na ny fiarahana tao an-trano aza lasa nahafinaritra kokoa!” Mahita hevitra koa ve ianao mba hahatonga ny fotoam-pivavahanareo hahafinaritra kokoa?

Etazonia

ILAINA NY MANOMANA

Mila manomana koa ny rehetra raha tena te hiana-javatra. Vizana ny ankizy indraindray, ka mila mandinika tsara an’izay hodinihina ny raim-pianakaviana ary manomana tsara. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Mandray soa kokoa ny rehetra rehefa manomana aho.” Milaza mialoha an’izay hodinihina mandritra ny herinandro maromaro ny raim-pianakaviana iray any Alemaina. Isaky ny hijery DVD kosa ny fianakaviana iray any Bénin, izay misy ankizy enina, dia manomana fanontaniana mialoha ny dadany. Tena manatsara ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ny fanomanana.

Azo resahina mandritra ny herinandro ilay zavatra hodinihina, raha fantatra mialoha, ka hazoto hanao fotoam-pivavahana ny rehetra. Ho tsapan’ny tsirairay koa fa natao ho azy ilay Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, raha samy manana anjara izy.

ATAOVY TSY TAPAKA ILAY IZY

Betsaka ny fianakaviana mahita fa sarotra ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka.

Maro ny raim-pianakaviana miasa mandritra ny ora maro, mba hamelomana ny vady aman-janany. Miainga amin’ny enina maraina, ohatra, ny raim-pianakaviana iray any Meksika ary tsy tafody raha tsy amin’ny valo alina. Mila ovana koa indraindray ny fotoana anaovana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, satria mifanindry amin’ny fandaharana ara-panahy hafa.

Tokony ho tapa-kevitra hanao azy io tsy tapaka anefa isika. Hoy i Loïs, ankizivavy 11 taona any Togo: “Manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana foana izahay, na dia taratara aza vao manomboka indraindray noho ny zava-mitranga tsy ampoizina.” Vao miandoha ny herinandro, dia manao fotoam-pivavahana ny fianakaviana sasany. Azo afindra amin’ny faramparan’ny herinandro ilay izy amin’izay, raha misy zava-mitranga tampoka.

Anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, araka izany anarany izany. Aoka àry ny mpianakavinao rehetra hanolotra ny ‘vokatry ny molony, dia ny vantotr’ombilahy fiderana’ ho an’i Jehovah, isan-kerinandro. (Hosea 14:2) Enga anie ianareo rehetra mba ho falifaly amin’io, satria “ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.”—Neh. 8:9, 10.