Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Finoan’i Mosesy

Tahafo ny Finoan’i Mosesy

Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao.HEB. 11:24.

1, 2. a) Inona no fanapahan-kevitra noraisin’i Mosesy, tamin’izy 40 taona? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana i Mosesy no nifidy ny hijaly niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra?

FANTATR’I Mosesy ny zavatra nety ho azony tao Ejipta. Hitany, ohatra, ny tranobe tsara tarehy an’ireo mpanankarena. Anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka koa izy, ary “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina.” Anisan’izany angamba ny zava-kanto, ny momba ny kintana sy ny planeta, ny matematika, sy ny taranja hafa. (Asa. 7:22) Afaka ny hanan-karena i Mosesy ary hahazo fahefana sy tombontsoa tsy nananan’ny olon-tsotra ejipsianina.

2 Tsy nampoizina anefa ny safidiny tamin’izy 40 taona. Nifidy ny ho toy ny Ejipsianina rehetra ve izy? Tsia. Nanapa-kevitra ny hiara-miaina tamin’ny andevo izy. Azo antoka fa tsy azon-dry Farao mianakavy ny antony. Nahoana i Mosesy no nanao izany? Satria nanam-pinoana izy. (Vakio ny Hebreo 11:24-26.) Tsy ny zavatra hita maso fotsiny no noeritreretiny. Nanam-pinoana izy, ka toy ny hoe nahita “an’Ilay tsy hita”, dia i Jehovah. Natoky izy fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah.—Heb. 11:27.

3. Inona avy ny fanontaniana hovaliana ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Mila manahaka an’i Mosesy isika, ka tsy hifantoka amin’izay hitan’ny maso. Tokony ho “anisan’ireo manam-pinoana” isika. (Heb. 10:38, 39) Miresaka momba an’i Mosesy ny Hebreo 11:24-26, ka  handinika izany isika mba hanatanjahana ny finoantsika. Diniho àry ny valin’ireto: Nahoana ny finoana no nanampy an’i Mosesy tsy haniry zavatra teto amin’ity tontolo ity? Nahoana ny finoany no nanampy azy hankasitraka foana ny asa nasain’i Jehovah nataony, na dia nisy nandatsa aza izy? Nahoana izy no “nibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa”?

TSY NANIRY ZAVATRA TETO AMIN’ITY TONTOLO ITY IZY

4. Inona no fantatr’i Mosesy momba ny ‘fifaliana azo amin’ny fahotana’?

4 Nanam-pinoana i Mosesy ka fantany fa vetivety ny ‘fifaliana azo amin’ny fahotana.’ Nety ho nieritreritra ny olona tamin’izany hoe andevo ny vahoakan’Andriamanitra sady nijaly, fa i Ejipta kosa lasa firenena natanjaka indrindra, na dia feno mpanompo sampy sy mpampiasa herin’ny maizina aza. Fantatr’i Mosesy anefa fa hain’i Jehovah ny mamadika ny rasa. Nino izy fa ho ringana ny ratsy fanahy sy ireo manao izay tiany fotsiny, na dia hoatran’ny mety aza ny fiainan’izy ireo. Tsy voasarika “hifaly vetivety tamin’ny fahotana” àry i Mosesy.

5. Inona no hanampy antsika tsy ho voatarika ‘hifaly vetivety amin’ny fahotana’?

5 Inona no hanampy anao tsy ho voatarika ‘hifaly vetivety amin’ny fahotana’? Aza hadinoina mihitsy fa mihelina ny fahafinaretana azo amin’ny fahotana. Manàna finoana, ka matokia fa tena “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.” (1 Jaona 2:15-17) Saintsaino ny hoavin’ny mpanota tsy mibebaka. “Eo amin’ny toerana malama” izy ireo, ka ho ratsy fiafara. (Sal. 73:18, 19) Eritrereto àry izao rehefa alaim-panahy hanota ianao: ‘Tiako hanao ahoana ny hoaviko?’

6. a) Nahoana i Mosesy no tsy nety “hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao”? b) Araka ny hevitrao, nahoana no nety ny fanapahan-kevitr’i Mosesy?

6 Nanampy an’i Mosesy hifidy izay hampiasany ny fiainany koa ny finoany. “Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa nihalehibe izy.” (Heb. 11:24) Tsy nieritreritra izy hoe: ‘Mbola afaka ny hanompo an’Andriamanitra aho, na dia manana toerana ambony ao an-dapa aza. Ho afaka hampiasa ny harenako sy ny fahefako aho mba hanampiana ny Israelita rahalahiko.’ Tapa-kevitra kosa izy fa ho tia an’i Jehovah amin’ny fony sy ny tenany ary ny heriny manontolo. (Deot. 6:5) Niaro an’i Mosesy ny fanapahan-keviny. Tsy ela taorian’izay mantsy dia nalain’ny Israelita ny harena maro tao Ejipta, ka ho nalahelo be izy raha niraiki-po tamin’izany. (Eks. 12:35, 36) Afa-baraka i Farao ary noringanina. (Sal. 136:15) Tsy maty kosa i Mosesy ary nampiasain’i Jehovah mba hanafaka an’ilay firenena. Tsy verivery tokoa ny androm-piainany.

7. a) Araka ny Matio 6:19-21, nahoana no ilaina ny mitsinjo ny hoavy mandrakizay? b) Inona no nataon’ny anabavy iray ka mampiseho fa tsy mitovy ny mikatsaka harena ara-nofo sy mikatsaka harena ara-panahy?

7 Raha tanora manompo an’i Jehovah ianao, nahoana ny finoana no afaka manampy anao hifidy izay hataonao eo amin’ny fiainana? Ilaina ny mitsinjo ny hoavy, nefa raha mino ny fampanantenan’Andriamanitra ianao, dia hitsinjo ny hoavinao mandrakizay, fa tsy ny hoavinao amin’izao fiainana izao fotsiny. (Vakio ny Matio 6:19-21.) Izany no nataon’i Sophie, mpandihy tena mahay. Tarika maro eran’i Etazonia no nilaza fa hiantoka ny fianarany sy hanome azy toerana ambony ao amin’ny tarik’izy ireo. Hoy izy: “Tsara erỳ ilay hoe tian’ny olona.” Nilaza koa izy fa nahatsiaro ho ambony noho ny mpandihy hafa. Tsy sambatra anefa izy. Hoy i Sophie rehefa avy nijery an’ilay video hoe Manontany ny TanoraInona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?: “Tafita sy nohindrahindrain’ny olona aho teto amin’ity tontolo ity. Tsy afaka nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo anefa aho. Nivavaka mafy aho ary niala tsy ho mpandihy.” Hoy ihany izy: “Tsy manembona ny fiainako taloha aho ary tena sambatra izao! Mpisava lalana izaho sy ny vadiko. Tsy olo-malaza izahay ary tsy manankarena. Manana an’i Jehovah sy ireo  olona ampianarinay Baiboly anefa izahay, sady manana tanjona ara-panahy. Tsy manenina mihitsy aho!”

8. Inona no torohevitry ny Baiboly manampy ny tanora hifidy izay hataony eo amin’ny fiainana?

8 Fantatr’i Jehovah izay tena hahasoa anao. Hoy i Mosesy: “Inona moa no angatahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao? Tsy izao ihany ve: Ny hatahoranao an’i Jehovah Andriamanitrao mba handehananao amin’ny lalany rehetra sy hitiavanao azy sy hanompoanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo, ary ny hitandremanao ny didin’i Jehovah sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba hahasoa anao?” (Deot. 10:12, 13) Dieny mbola tanora ianao, dia mifidiana asa hahafahanao hanompo an’i Jehovah sy ho tia azy “amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.” Matokia fa “hahasoa anao” izany.

NANKASITRAKA NY ASA NASAIN’I JEHOVAH NATAONY IZY

9. Nahoana no nety ho sarotra tamin’i Mosesy ny nanao an’ilay asa nampanaovin’i Jehovah azy?

9 Nihevitra i Mosesy fa “harena lehibe noho ny zava-tsarobidin’i Ejipta ny latsa nozakain’ilay Voahosotra.” (Heb. 11:26) Antsoina hoe “Voahosotra” i Mosesy eo, satria nofidin’i Jehovah hitarika ny Israelita hivoaka an’i Ejipta. Fantany fa ho sarotra be ilay asa, ary hisy ‘handatsa’ azy mihitsy. Nisy Israelita naneso azy hoe: “Iza no nanendry an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay?” (Eks. 2:13, 14) Na i Mosesy aza nanontany an’i Jehovah hoe: “Ahoana moa no hihainoan’i Farao ahy?” (Eks. 6:12) Ahoana no niomanany hizaka ny fanakianan’ny olona? Nolazainy tamin’i Jehovah izay nampahatahotra sy nampanahy azy. Ahoana no nanampian’i Jehovah azy hamita an’ilay asa?

10. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Mosesy mba hahavita ny asa nampanaoviny azy?

10 Voalohany, nanome toky an’i Mosesy i Jehovah hoe: “Izaho no homba anao!” (Eks. 3:12) Faharoa, nanampy azy ho be herim-po i Jehovah rehefa nanazava taminy ny iray amin’ny hevitry ny anarany. Hoy izy: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” * (Eks. 3:14) Fahatelo, nomeny hery hanaovana fahagagana i Mosesy ka voaporofo fa nirahin’Andriamanitra izy. (Eks. 4:2-5) Fahefatra, nomen’i Jehovah an’i Arona izy mba hisolo vava azy sy hanampy azy amin’ilay asa. (Eks. 4:14-16) Resy lahatra i Mosesy taloha kelin’ny nahafatesany, fa manampy ny mpanompony hamita an’izay asa anendreny Andriamanitra. Hoy àry izy tamin’i Josoa mpandimby azy: “I Jehovah no mandeha eo alohanao. Homba anao foana izy. Tsy handao anao izy ary tsy hahafoy anao mihitsy. Koa aza matahotra na mihorohoro.”—Deot. 31:8.

11. Nahoana no sarobidy tamin’i Mosesy ilay asa nampanaovina azy?

11 Nampian’i Jehovah i Mosesy, ka sarobidy taminy ilay asa na dia sarotra aza. Nihevitra azy io ho toy ny “harena lehibe noho ny zava-tsarobidin’i Ejipta” izy. Inona tokoa moa izay manompo an’i Farao raha oharina amin’ny manompo an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra? Tsy misy dikany koa ny hoe printsin’i Ejipta raha ampitahaina amin’ny hoe voahosotr’i Jehovah. Nankasitraka ny tombontsoa nomen’i Jehovah i Mosesy ka novalian-tsoa. Tena akaiky an’i Jehovah izy, ary nomeny hery mahagaga mba hitarihana ny Israelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.—Deot. 34:10-12.

12. Inona avy no tombontsoa omen’i Jehovah antsika, ka tokony hankasitrahantsika?

12 Misy asa ampanaovin’i Jehovah antsika koa ankehitriny. Asainy manao an’ilay fanompoana nasainy nataon’ny apostoly Paoly sy ny hafa isika. (Vakio ny 1 Timoty 1:12-14.) Manana tombontsoa hitory ny vaovao tsara isika rehetra. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Misy amintsika manompo manontolo andro. Manompo  ny fiangonana koa ny rahalahy matotra, izay mpanampy amin’ny fanompoana sy anti-panahy. Mety tsy ho tsapan’ny havanao sy ny olon-kafa tsy Vavolombelona anefa fa sarobidy ireny tombontsoa ireny. Mety hanakiana anao mihitsy izy ireo noho ny sorona ataonao. (Mat. 10:34-37) Raha kivy noho ny ataon’izy ireo ianao, dia mety hieritreritra hoe sao dia very maina fotsiny ny sorona ataonao, na koa hoe mety tsy ho vitanao ilay asa ampanaovin’i Jehovah. Raha izany no mitranga, nahoana ny finoana no hanampy anao?

13. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika hamita ny asa anendreny?

13 Manàna finoana, ka mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Resaho aminy izay mampahatahotra sy mampanahy anao. Izy no naniraka anao, ka tsy maintsy hanampy anao izy, toy ny nanampiany an’i Mosesy. Voalohany, manome toky anao i Jehovah hoe: “Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” (Isaia 41:10) Faharoa, mampahatsiahy anao izy hoe azo itokisana ny fampanantenany. Hoy izy: “Efa nolazaiko izany ka hotanterahiko. Efa nokasaiko izany ka hataoko.” (Isaia 46:11) Fahatelo, omen’i Jehovah “hery fanampiny” ianao mba hahavitanao ny fanompoanao. (2 Kor. 4:7) Fahefatra, omen’i Jehovah anao koa ireo rahalahy sy anabavy eran-tany, izay ‘mifampionona sy mifampahery hatrany.’ Manampy anao izany mba hanohy foana ny fanompoanao. (1 Tes. 5:11) Hihamatanjaka ny finoanao, rehefa hitanao fa manampy anao hamita an’izay asa ampanaoviny i Jehovah. Ho tsapanao koa fa sarobidy noho izay harena mety homen’ity tontolo ity izany asa izany.

“NIBANJINA TSARA NY FANOMEZANA AN’ILAY VALISOA” IZY

14. Nahoana i Mosesy no natoky fa hovalian-tsoa izy?

14 “Nibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa” i Mosesy. (Heb. 11:26) Navelany hamolavola ny toe-tsainy ny zavatra fantany momba ny hoavy, na dia kely aza izany. Toa an’i Abrahama razambeny, dia natoky izy fa afaka manangana ny maty i Jehovah. (Lioka 20:37, 38; Heb. 11:17-19) Nino izy fa homen’i Jehovah azy izay fitahiana nampanantenainy. Tsy nieritreritra izy hoe lany fotoana fotsiny, rehefa niafina nandritra ny 40 taona sy tamin’izy tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona. Nanam-pinoana izy, ka toy ny efa tazany ilay valisoa, na dia tsy fantany tamin’ny an-tsipiriany aza ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany.

15, 16. a) Nahoana isika no tokony hifantoka amin’ny valisoantsika? b) Inona amin’ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana no tena tsy andrinao?

 15 ‘Mibanjina tsara ny fanomezana’ ny valisoanao ve ianao? Toa an’i Mosesy isika, satria tsy fantatsika ny tsipiriany rehetra mifandray amin’ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy fantatsika, ohatra, “ny fotoana voatondro” hanombohan’ny fahoriana lehibe. (Mar. 13:32, 33) Mahalala kokoa momba ny Paradisa anefa isika, raha oharina amin’i Mosesy. Afaka ‘mibanjina tsara’ an’ilay fiainana ho avy isika, satria maro ny zavatra efa nolazain’i Jehovah fa hitranga rehefa hanjaka ny Fanjakany. Hanao loha laharana an’ilay Fanjakana isika, raha azontsika sary an-tsaina tsara ilay tontolo vaovao. Tsy hividy trano, ohatra, ianao raha zara raha fantatrao ny mombamomba an’ilay izy. Toy izany koa fa raha tsy azontsika sary an-tsaina tsara ny tontolo vaovao, dia tsy hiezaka ny ho tody any isika. Manàna àry finoana, satria hanampy anao izany mba hahita sary an-tsaina ny tontolo vaovao.

Tena hahafinaritra ny hiresaka amin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, toa an’i Mosesy (Fehintsoratra 16)

16 Mila ‘mibanjina tsara’ ny fiainanao ao amin’ny Paradisa ianao, mba ho azonao sary an-tsaina kokoa izay hitranga rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Alefaso ny fisainanao. Rehefa mianatra momba ny fiainan’ny mpanompon’i Jehovah niaina talohan’i Jesosy, ohatra, ianao, dia eritrereto izay hanontanianao azy ireny rehefa hitsangana amin’ny maty izy ireny. Eritrereto koa izay mety hanontanian’izy ireny anao momba ny fiainana amin’ny andro farany. Eritrereto ny hafalianao hihaona amin’ny razambenao sy hampianatra azy ireo momba izay rehetra nataon’Andriamanitra ho azy ireo. Alao sary an-tsaina koa ny hafalianao hianatra momba ny bibidia maro be, rehefa hilamina tsara ny eto an-tany. Saintsaino hoe tena ho lasa akaiky an’i Jehovah ianao rehefa hiova tsikelikely ho lavorary.

17. Nahoana no mandray soa isika, raha mazava tsara ao an-tsaintsika ilay valisoantsika?

17 Hahavita hiaritra sy ho faly foana isika, raha mazava tsara ao an-tsaintsika ilay valisoantsika, na dia mbola tsy hita aza. Manampy antsika hanapa-kevitra koa ny fanantenana hoavy mandrakizay. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina voahosotra: “Raha manantena izay tsy hitantsika isika, dia miandry azy io hatrany ka miaritra.” (Rom. 8:25) Mahakasika ny Kristianina rehetra manantena hiaina mandrakizay izany. Mbola tsy azontsika ilay valisoa, nefa manana finoana matanjaka isika, ka andrintsika foana ny “fanomezana” azy io. Toa an’i Mosesy isika, ka tsy mihevitra hoe lanilany foana ireo taona nanompoantsika an’i Jehovah. Mino kosa isika fa “mihelina ny zavatra hita, fa ny tsy hita kosa maharitra mandrakizay.”—Vakio ny 2 Korintianina 4:16-18.

18, 19. a) Nahoana isika no mila miezaka mafy mba hanam-pinoana foana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Manampy antsika ny finoana mba hahita an’ireo “zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Heb. 11:1) Tsy manam-pinoana ny olona araka ny nofo ka tsy mahatsapa hoe sarobidy ny manompo an’i Jehovah. Mihevitra izy ireny fa “hadalana” izany. (1 Kor. 2:14) Isika kosa manantena ny hiaina mandrakizay sy hahita ny fitsanganan’ny maty. Tsy mino an’izany ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka mihevitra hoe tsy misy dikany ny fanantenana torintsika. Toa an’ireo filozofa tamin’ny andron’i Paoly izy ireo. Nilaza izy ireny fa “be resaka” fotsiny i Paoly fa tsy mahay na inona na inona.—Asa. 17:18.

19 Mila miezaka mafy mba hanam-pinoana foana isika, satria tsy manam-pinoana ny olona manodidina antsika. Mitalahoa amin’i Jehovah mba “tsy ho levona ny finoanao.” (Lioka 22:32) Tadidio foana ny vokatry ny fahotana, ny hasarobidin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary ny fanantenanao fiainana mandrakizay. Izay ihany ve anefa no ianarantsika avy amin’i Mosesy? Tsia. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa nanampy azy hahita “an’Ilay tsy hita” ny finoana.—Heb. 11:27.

^ feh. 10 Nanazava ny Eksodosy 3:14 ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Hoy izy: “Tsy misy na inona na inona mahasakana azy tsy hanatanteraka ny sitrapony.  . . . Toy ny hoe tanàna mimanda ho an’ny Israelita io anarana [Jehovah] io, ka nanome fanantenana sy nampionona azy ireo foana.”