Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao

Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao

Be herim-po isika, ka milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy.”HEB. 13:6.

1, 2. Inona no olana atrehin’ny mpifindra monina maro, rehefa mody izy ireo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

HOY i Hery: * ‘Nanana toerana ambony sy be karama aho tany andafy. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho ka lasa nahalala hoe manana andraikitra lehibe kokoa. Nila nanampy ny fianakaviako hifandray amin’Andriamanitra aho, fa tsy hoe hamelona azy ireo fotsiny. Nody àry aho.’—Efes. 6:4.

2 Fantatr’i Hery fa nampifaly an’i Jehovah izy rehefa nody tany amin’ny fianakaviany. Nila niezaka nifandray tsara tamin’ny vady aman-janany indray anefa izy, toa an’i Maria, ilay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nitaky fotoana izany. Tsy mora taminy koa ny namelona ny vady aman-janany, satria nahantra kokoa ny firenena misy azy. Ahoana no nataony? Inona no fanampiana azon’ny fiangonana omena ny fianakaviana toy izany?

MIEZAHA HIFANDRAY TSARA INDRAY AMIN’I JEHOVAH SY NY FIANAKAVIANAO

3. Inona no vokany rehefa tsy miara-mipetraka amin’ny zanany ny ray na ny reny?

3 Niaiky i Hery hoe: “Tsy niraharaha ny zanako aho, tamin’ilay fotoana tena nilan’izy ireo tari-dalana sy fitiavana. Tsy teo aho mba hamaky tantara ara-baiboly ho azy ireo, hiara-mivavaka aminy, hamihina  azy, ary hiara-milalao aminy.” (Deot. 6:7) Hoy i Anna, zanany vavimatoa: “Nahatsiaro ho tsy nisy vidiny aho satria tsy teo i Dada. Nody izy tatỳ aoriana, nefa hoatran’ny hoe tsy dadanay no fiheveranay azy, satria ny endriny sy ny feony fotsiny no fantatray. Hafahafa aho rehefa namihina ahy izy.”

4. Inona no vokany rehefa tsy eo ny lehilahy mba hitondra ny ankohonany?

4 Tsy mahavita tsara ny andraikitry ny loham-pianakaviana koa ny lehilahy, rehefa tsy miara-mipetraka amin’ny ankohonany. Hoy i Rondro, vadin’i Hery: “Sady lahy aho no vavy tao an-trano, ary zatra nandray ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra. Rehefa nody i Hery, dia tsy maintsy nianatra nanaiky ny fahefany aho satria izy no loham-pianakaviana. Na amin’izao aza aho indraindray, dia mila mitadidy hoe efa eo ny vadiko.” (Efes. 5:22, 23) Hoy i Hery: “Efa zatra niera tamin’ny reniny ny ankizy, ka nila nasehonay mivady tamin’izy ireo hoe niray saina izahay. Tsy maintsy nianatra nitondra ny ankohonako araka ny toro lalan’ny Baiboly koa aho.”

5. Inona no nataon’i Hery mba hifandraisana tsara tamin’ny fianakaviany indray, ary inona no vokany?

5 Tapa-kevitra ny hanao izay rehetra azony natao i Hery mba hifandraisana tsara tamin’ny fianakaviany indray sy hanampiana azy ireo hifandray tsara tamin’i Jehovah. Hoy izy: “Nataoko tanjona ny hampianatra ny fahamarinana an’ireo zanako, tamin’izay nataoko sy nolazaiko. Tsy niteny fotsiny aho hoe tia an’i Jehovah fa nasehoko tamin’ny nataoko izany.” (1 Jaona 3:18) Notahin’i Jehovah ve ny ezaka nataon’i Hery? Hoy i Anna: ‘Tena niezaka nanao tsara ny andraikitry ny ray i Dada sady niezaka nifandray tsara taminay. Hitanay izany ka tena nisy vokany taminay. Faly erỳ izahay nahita azy niezaka hahazo andraikitra teo anivon’ny fiangonana. Niezaka hampiala anay tamin’i Jehovah ity tontolo ity. Hitanay anefa hoe nifantoka tamin’ny fanompoana i Dada sy Neny, ka niezaka nanao toy izany koa izahay. Nampanantena i Dada fa tsy handao anay intsony, ary nitana ny teniny izy. Angamba aho tsy tato amin’ny fandaminana raha mbola nandeha izy.’

MANDRAISA ANDRAIKITRA

6. Inona no tsapan’ny ray aman-dreny sasany, rehefa nisy ady tao amin’ny taniny?

6 Hita tamin’ny zava-nitranga sasany nandritra ny ady iray tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Eoropa, fa sambatra ireo ankizy Vavolombelon’i Jehovah tany na dia mafy aza ny fiainana tamin’izany. Nahoana? Tsy niasa ny ray aman-dreniny fa nijanona tao an-trano, ka nampianatra azy sy niresaka taminy ary niara-nilalao taminy. Midika izany fa ilain’ny ankizy kokoa noho ny vola sy ny fanomezana ny ray aman-dreniny. Marina tokoa ny lazain’ny Baiboly hoe mandray soa ny ankizy rehefa miahy azy sy mampiofana azy ny ray aman-dreniny.—Ohab. 22:6.

7, 8. a) Inona no zavatra tsy mety ataon’ny ray na reny sasany? b) Inona no azon’ny ray na ny reny atao mba hifandraisana tsara amin’ny zanany indray?

7 Ahoana no ataon’ny olona sasany rehefa mody any amin’ny taniny izy, ka mahita ny zanany tezitra na tsy miraharaha azy? Mampalahelo fa misy miteny amin-janany hoe: “Tsy mankasitraka an’izay nataoko ho anao mihitsy ianao!” Mety ho ny tsy naha teo an’ilay ray na reny anefa no tsy mahafaly an’ilay ankizy. Inona àry no azo atao mba hifandraisana tsara indray?

8 Mangataha amin’i Jehovah mba hanampiany anao hahatakatra izay tena tsapan’ny ankohonanao sy hanampiany anao hampiseho fa tena miahy azy ireo ianao. Ekeo koa hoe anisan’ny nahatonga an’ilay olana ianao ary resaho amin’izy ireo izany. Mety hilaina ny miala tsiny amin’ny fo. Raha miezaka foana ianao hanatsara ny fifandraisanareo, dia ho tsapan’ny vady aman-janakao izany. Manàna àry faharetana, dia ho hitanao fa mety hanomboka ho tia sy hanaja anao indray ny fianakavianao.

 OMEO IZAY ILAINY NY FIANAKAVIANAO

9. Nahoana isika no tsy voatery hitady vola be, vao ho afaka hanome ‘izay ilain’ny olona tokony ho adidintsika’?

9 Marina fa nilaza ny apostoly Paoly hoe tokony “hamaly babena ny ray aman-dreniny mbamin’ny raibe sy ny renibeny” ny Kristianina, rehefa tsy mahavelon-tena intsony izy ireo. Nampirisika ny Kristianina rehetra anefa izy mba hianina amin’izay tena ilaina isan’andro, izany hoe ny sakafo sy fitafiana ary fialofana. Tsy tokony hiezaka hanatsara ny fari-piainantsika foana isika, na hiezaka hanangom-bola foana mba hananana ny ampy amin’ny hoavy. (Vakio ny 1 Timoty 5:4, 8; 6:6-10.) Tsy voatery hikatsaka harena eto amin’ity tontolo efa ho rava ity ny Kristianina, vao ho afaka hanome “izay ilain’ny olona tokony ho adidiny.” (1 Jaona 2:15-17) Mila mitandrina isika mba tsy ho ‘voafitaky ny harena’ na ho variana amin’ny “fanahiana eo amin’ny fiainana”, ka hahatonga ny fianakaviantsika tsy “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana” ao amin’ny tontolo vaovao.—Mar. 4:19; Lioka 21:34-36; 1 Tim. 6:19.

10. Nahoana no fahendrena ny tsy midi-trosa?

10 Fantatr’i Jehovah fa mila vola ihany isika. Tsy tena afaka miaro sy manampy antsika toy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra anefa ny vola. (Mpito. 7:12; Lioka 12:15) Matetika ny olona no tsy mieritreritra hoe mandany vola be ny mandeha miasa any andafy. Tsy azo antoka koa hoe hahazo vola izy raha mankany, fa mety hahita olana lehibe aza. Maro ny mpifindra monina lasa bokan-trosa rehefa miverina. Tsy lasa manam-potoana kokoa hanompoana an’Andriamanitra izy ireo, fa lasa mpanompon’ilay nampisambo-bola azy. (Vakio ny Ohabolana 22:7.) Hendry isika raha tsy midi-trosa mihitsy.

11. Inona no maha tsara ny manao teti-bola?

11 Fantatr’i Hery fa nila nianatra nitantam-bola izy mba tsy handao ny fianakaviany intsony. Nanao teti-bola àry izy mivady ka izay tena nilaina ihany no nampidiriny tao. Mazava ho azy fa tsy afaka nividy zavatra betsaka toy ny taloha intsony izy mianakavy. Samy niezaka anefa izy rehetra ka tsy nividy zavatra tsy tena nilaina. * Hoy i Hery: “Nafindrako tany amin’ny sekolim-panjakana tsaratsara ny zanako.” Nivavaka izy mianakavy mba hahitan’i Hery asa tsy manembantsembana ny fanompoan’izy ireo. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’izy ireo?

12, 13. Inona no nataon’i Hery mba hamelomana ny ankohonany, ary inona no fitahiana nomen’i Jehovah azy noho izy nanatsotra fiainana?

12 Hoy i Hery: “Sahirana izahay ny roa taona voalohany. Nihena tsikelikely ny tahiriko ary tsy nahasahana ny fandanianay ny karama keliko indraindray. Vizana be koa aho. Nahavita nivory sy niara-nanompo foana anefa izahay.” Tapa-kevitra i Hery fa tsy hoeritreretiny akory ny hanao asa iray, raha toa ilay izy ka hampisaraka azy amin’ny vady aman-janany mandritra ny volana na taona maromaro. Hoy izy: “Nianatra karazan’asa maromaro aho, ka rehefa tsy nandeha ny iray dia ny iray indray no nataoko.”

Tsara raha mahay asa maromaro ianao mba hamelomanao ny fianakavianao (Fehintsoratra 12)

13 Tsy maintsy namerina tsikelikely ny trosany i Hery, ka be dia be ny zanabola naloany. Tsy nampaninona azy anefa izany satria afaka niara-nanao zavatra tamin’ny fianakaviany izy, ary izany no tian’i Jehovah hataon’ny ray aman-dreny. Hoy izy: “Latsaka ny folo isan-jaton’ny karamako tany andafy ny karamako izao, nefa tsy mosarena izahay. ‘Tsy fohy ny tanan’i Jehovah.’ Nirotsaka ho mpisava lalana mihitsy aza izahay. Mahagaga fa nihatsara ny toe-karena teo amin’ny firenenay taorian’izay, ka lasa mora kokoa ny nahazo izay nilaina.”—Isaia 59:1.

 AHOANA RAHA TEREN’NY HAVANA?

14, 15. Inona no azon’ny Kristianina atao raha misy havany manery azy hitady vola ka hampandefitra ny fanompoana? Inona no mety ho vokany raha tsy milefitra izy?

14 Mihevitra ny olona any amin’ny tany maro fa tsy maintsy manome vola sy fanomezana ho an’ny havany sy ny namany izy. Hoy i Hery: “Izany no fanao atỳ aminay ary tianay ny manome. Misy fetrany anefa izany.” Hazavain’i Hery amin-katsaram-panahy amin’ny havany fa hanome azy ireo araka izay vitany izy, nefa tsy hataony an-tsirambina mihitsy ny fifandraisan’ny fianakaviany amin’i Jehovah sy ny fahazaran’izy ireo amin’ny fanompoana azy.

15 Tezitra na maneso na diso fanantenana ny havana matetika, rehefa misy fianakaviany niasa tany andafy nefa mody, na afaka mankany nefa tsy mety mandeha satria tsy te handao vady aman-janaka. Manantena ny hovelominy mantsy izy ireo. Milaza aza ny havana sasany hoe tsy manam-pitiavana ny olona toy izany. (Ohab. 19:6, 7) Hoy anefa i Anna, zanak’i Hery: “Raha tsy atakalonay vola ny fanompoana an’i Jehovah, dia mety ho takatry ny havanay sasany ihany amin’ny farany hoe zava-dehibe ilay izy. Tsy ho takatr’izy ireo mihitsy anefa izany, raha milefitra izahay.”—Ampitahao amin’ny 1 Petera 3:1, 2.

ASEHOY FA MANAM-PINOANA IANAO

16. a) Inona no hevi-diso mety hananan’ny Kristianina? (Jak. 1:22) b) Fanapahan-kevitra manao ahoana no tahin’i Jehovah?

16 Nandeha niasa tany amin’ny tany manankarena kokoa ny anabavy iray, ka nandao ny vady aman-janany. Hoy izy tamin’ny anti-panahy rehefa tonga tany: “Nahafoy zavatra be ny fianakaviako mba hankanesako tatỳ. Ny vadiko aza voatery niala tsy ho anti-panahy. Manantena aho fa hotahin’i Jehovah izao fanapahan-kevitra izao.” Tahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisintsika, raha mino azy isika ary mifanaraka amin’ny sitrapony ilay izy. Tsy tahiny kosa anefa izany raha mifanohitra amin’ny sitrapony. Tsy ho faly koa izy raha zavatra tsy misy dikany no mahatonga antsika hiala amin’ny tombontsoam-panompoana masina.—Vakio ny Hebreo 11:6; 1 Jaona 5:13-15.

17. Nahoana no ilaina ny mitady ny tari-dalan’i Jehovah alohan’ny hanapahana hevitra, ary inona no tokony hatao mba hahazoana ny tari-dalany?

17 Mitadiava ny tari-dalan’i Jehovah alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra, fa tsy rehefa  avy manapa-kevitra. Mivavaha mba hahazo fanahy masina sy fahendrena ary tari-dalana. (2 Tim. 1:7) Eritrereto hoe: ‘Vonona hankatò an’i Jehovah foana ve aho, na dia rehefa misy fanenjehana aza? Ary raha mila manatsotra fiainana aho mba hankatoavana azy, tsy tokony ho vonona hanao izany koa ve aho?’ (Lioka 14:33) Mangataha torohevitra ara-baiboly amin’ny anti-panahy, ary araho izany. Izany no ahitana hoe mino an’i Jehovah ianao ary matoky ny fampanantenany hanampy anao. Tsy afaka manapa-kevitra ho anao ny anti-panahy, nefa afaka manampy anao mba hanao safidy hahasambatra anao.—2 Kor. 1:24.

18. Andraikitr’iza ny manome izay ilain’ny ankohonany? Inona anefa no azon’ny hafa atao mba hanampiana azy?

18 Ny loham-pianakaviana no asain’i Jehovah manome izay ilain’ny ankohonany isan’andro. Maro no manao tsara izany andraikitra izany nefa tsy mandao ny vady aman-janany, na dia mety halaim-panahy hanao izany aza na teren’ny hafa. Tokony hidera azy ireny sy hivavaka ho azy ireny isika. Afaka mampiseho isika hoe tia ny Kristianina namantsika ary miara-ory aminy, rehefa misy toe-javatra tsy ampoizina, ohatra hoe misy loza na misy marary mila fitsaboana maika. (Gal. 6:2, 5; 1 Pet. 3:8) Afaka manome vola ve ianao rehefa misy mpiara-manompo mila vonjy? Sa ianao afaka manampy azy hahita asa eo an-toerana? Raha manao izany ianao, dia mety hanampy azy tsy hieritreritra ny handao ny fianakaviany mba hitady asa any an-toeran-kafa.—Ohab. 3:27, 28; 1 Jaona 3:17.

TADIDIO FA MANAMPY ANAO I JEHOVAH

19, 20. Nahoana ny Kristianina no afaka matoky fa hanampy azy i Jehovah?

19 Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy Andriamanitra: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Koa be herim-po àry isika, ka milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”’ (Heb. 13:5, 6) Marina tokoa ve izany?

20 Hoy ny anti-panahy iray any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana: “Matetika ny olona no milaza fa sambatra ny Vavolombelon’i Jehovah. Voamarik’izy ireo koa fa miakanjo tsara foana na dia ny Vavolombelona mahantra aza, ary toa metimety kokoa noho ny an’ny olon-kafa ny fiainany.” Izany indrindra no nampanantenain’i Jesosy ny olona manao loha laharana an’ilay Fanjakana. (Mat. 6:28-30, 33) Tia anao tokoa i Jehovah, ilay Rainao any an-danitra, ary mitady izay tena hahasoa anao sy ny zanakao. “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tan. 16:9) Nomeny ny didiny isika mba hahasoa antsika, anisan’izany ny didiny mifandray amin’ny fianakaviana sy ny famelomana ankohonana. Hita hoe tia an’i Jehovah sy matoky azy isika, rehefa mankatò azy ireny. Hoy mantsy ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

21, 22. Nahoana ianao no tapa-kevitra fa hatoky an’i Jehovah?

21 Hoy i Hery: “Fantatro fa efa very ireny fotoana tsy niarahako tamin’ny vady aman-janako ireny. Manenina aho, nefa tsy mifantoka be amin’izany. Manankarena ny maro amin’ireo mpiara-miasa tamiko taloha, nefa tsy sambatra. Manana olana lehibe ny fianakaviany. Izahay mianakavy kosa sambatra erỳ! Variana aho mahita an’ireo rahalahy eto amin’ny firenenay. Mahantra izy ireo nefa ataony loha laharana foana ny fanompoana an’i Jehovah. Tsapanay rehetra fa marina ilay fampanantenan’i Jesosy.”—Vakio ny Matio 6:33.

22 Mahereza àry! Mankatoava an’i Jehovah ary matokia azy. Tiavo izy sy ny vady aman-janakao, dia ho vitanao tsara ny andraikitry ny loham-pianakaviana. Ho tsapanao amin’izay fa ‘i Jehovah no mpanampy anao.’

^ feh. 1 Novana ireo anarana.

^ feh. 11 Jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Tianao ve ny Hahay Hitantam-bola?”, ao amin’ny Mifohaza! Septambra 2011.