Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Iza no tena mitondra an’izao tontolo izao?

Raha Andriamanitra no mitondra an’izao tontolo izao, nahoana no be dia be ny fijaliana?

Maro no mieritreritra fa Andriamanitra no mitondra an’izao tontolo izao. Raha izany no izy, nahoana no be dia be ny fijaliana? (Deoteronomia 32:4, 5) Milaza ny Baiboly fa eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao.—Vakio ny 1 Jaona 5:19.

Nahoana anefa ilay ratsy no lasa mpifehy ny olombelona? Nikomy tamin’Andriamanitra ny anjely iray tany am-boalohany, ary nampirisika ny mpivady voalohany hikomy koa. (Genesisy 3:1-6) I Satana io anjely io. Nifidy ny hanaraka an’i Satana izy mivady, ka toy ny hoe nanao azy ho mpitondra azy ireo. Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ihany no manana zo hitondra. Tiany anefa raha mifidy azy ho mpitondra ny olona satria tia azy. (Deoteronomia 6:6; 30:16, 19) Indrisy fa voafitaka ny ankamaroan’ny olona, ka nanahaka an’ilay mpivady voalohany.—Vakio ny Apokalypsy 12:9.

Iza no hamaha ny olana mahazo ny olombelona?

Tsy hoe havelan’Andriamanitra hitondra foana akory i Satana. Hampiasa an’i Jesosy izy mba hanafoana ny ratsy nataon’i Satana.—Vakio ny 1 Jaona 3:8.

Homen’Andriamanitra hery i Jesosy, mba handringanany an’i Satana. (Romanina 16:20) Hitondra ny olombelona Andriamanitra avy eo, ka hataony sambatra toy ny nieritreretany azy tany am-boalohany izy ireo.—Vakio ny Apokalypsy 21:3-5.