Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FANTARO NY TANTARANTSIKA

“Mbola Betsaka ny Asa Fijinjana Tokony Hatao”

“Mbola Betsaka ny Asa Fijinjana Tokony Hatao”

Tonga tany Rio de Janeiro i George Young tamin’ny Martsa 1923

TAONA 1923 tamin’izay. Feno hipoka ilay efitrano tao amin’ny Sekoly Fianarana Teatra sy Mozika, tany São Paulo. Nanao lahateny tao i George Young ary nadika tamin’ny teny portogey izany. Tony izy ary nihaino azy tsara ireo mpanatrika 585. Naseho tamin’ny teny portogey teo amin’ny efijery lehibe ny andinin-teny. Tamin’ny farany, dia nozaraina ilay bokikely hoe Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy! Zato no nozaraina ary tamin’ny fiteny portogey, anglisy, alemà, ary italianina. Tena tian’ny olona ilay lahateny, ka nanasa olon-kafa izy ireo. Feno indray àry ilay trano rehefa naverina ilay lahateny, ny afakampitson’iny. Fa inona no nitranga talohan’izany?

Niala tany Etazonia i Sarah Ferguson sy ny fianakaviany tamin’ny 1867, ary nifindra tany Brezila. Nitondran’ny zandriny lahy boky ara-baiboly avy tany Etazonia izy, tamin’ny 1899. Tonga dia niaiky izy fa nahita ny fahamarinana rehefa namaky an’ireo boky. Te hamaky boky hafa izy, ka nanao famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana anglisy. Faly be izy nahalala ny hafatra raketin’ny Baiboly, ka nanoratra tamin’ny Rahalahy C. Russell hoe: ‘Tsy misakana ny olona tsy handre ny vaovao tsara ny halaviran-tany. Manaporofo izany ny zava-mitranga amiko.’

Afaka Miresaka Amin’ny Maty ve ny Velona? (portogey)

Niezaka be i Sarah nitory ny fahamarinana. Matetika anefa izy no nieritreritra hoe iza no mba hanampy azy mianakavy sy ny olona tso-po any Brezila. Nilaza taminy ny Betelan’i Brooklyn tamin’ny 1912, fa misy olona ho avy any São Paulo ary hitondra an’arivony amin’ilay taratasy mivalona hoe Aiza moa Ireo Maty?, amin’ny fiteny portogey. Nilaza i Sarah tamin’ny 1915 fa nahagaga azy foana ny hoe maro ny Mpianatra ny Baiboly nanantena hakarina tsy ho ela any an-danitra. Nanoratra izy hoe: ‘Ary ahoana ny amin’i Brezila sy ny tany rehetra atỳ Amerika Atsimo? Mbola betsaka ny asa fijinjana tokony  hatao satria midadasika be i Amerika Atsimo.’ Betsaka tokoa ny asa fijinjana natao taorian’izay.

Nisy tantsambo tanora valo avy any Brezila namonjy fivoriana tao New York, tamin’ny 1920 tany ho any. Namboarina mantsy ny sambo mpiady niasan’izy ireo. Niresaka tamin’ny hafa ny fanantenany avy ao amin’ny Baiboly izy ireo, rehefa nody tany Rio de Janeiro. Tamin’ny Martsa 1923 dia tonga tany Rio de Janeiro i George Young, izay mpitety fiangonana na mpiandraikitra mpitety faritany. Nahita olona liana izy tao, ary nikarakara ny fandikana boky vitsivitsy ho amin’ny fiteny portogey. Nankany São Paulo izy taoriana kelin’izay, ary nanao an’ilay lahateny voaresaka tany aloha sy nizara an’ireo bokikely. Nisy mponina 600 000 teo ho eo tany. Hoy izy: ‘Izaho irery no rahalahy tany, ka tsy maintsy nanao filazana an-gazety aho mba hanasana ny olona hanatrika an’ilay lahateny. Sambany tany Brezila no nisy lahateny ho an’ny besinimaro nokarakarain’ny Mpianatra ny Baiboly ka nanaovana filazana an-gazety.’

Naseho teo amin’ny efijery lehibe ireo andinin-teny, nandritra ny lahatenin’ny Rahalahy Young

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1923: ‘Tena tahin’ny Tompo ny asa any Brezila, rehefa eritreretina hoe tamin’ny 1 Jona ilay izy no nanomboka sady mbola tsy nisy boky ara-baiboly tany.’ Nilaza ilay gazety fa 3 600 no nanatrika an’ireo lahateny ho an’ny besinimaro 21 natao tany Brezila, teo anelanelan’ny 1 Jona sy 30 Septambra. Anisan’izany ireo lahateny 2 nataon’ny Rahalahy Young tao São Paulo. Niely tsikelikely tao Rio de Janeiro koa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Boky 7 000 mahery tamin’ny fiteny portogey no voazara tany, tao anatin’ny volana vitsivitsy. Natomboka ny fandikana Ny Tilikambo Fiambenana, ka ny laharana Novambra-Desambra 1923 no voalohany.

I Sarah Ferguson no voalohany nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana anglisy, tany Brezila

Nitsidika an’i Sarah Ferguson i George Young. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana: “Tonga tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny i Sarah, ary tsy nahateny izy aloha. Nandray ny tanan’ny Rahalahy Young izy, nibanjina azy tsara, ary farany dia niteny hoe: ‘Izay aho vao tena nahita Mpitety Fiangonana.’ ” Natao batisa izy sy ny zanany efatra, tsy ela taorian’izay. Efa 25 taona no niandrasany an’izany! Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1924 fa 50 no natao batisa tany Brezila, ary tany Rio de Janeiro ny ankamaroany.

Efa 90 taona teo ho eo izay no lasa. Tsy mila manontany intsony isika hoe: ‘Ary ahoana ny amin’i Brezila sy ny tany rehetra any Amerika Atsimo?’ Vavolombelona 760 000 mahery izao no mitory ny vaovao tsara any Brezila. Mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fiteny portogey sy espaniola ary amin’ny fiteny maro any an-toerana ny olona any Amerika Atsimo. Betsaka tokoa ny asa fijinjana tsy maintsy natao, araka ny tenin’i Sarah Ferguson tamin’ny 1915.—Avy any amin’ny tahirintsika any Brezila.