Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | FAHOTANA VE NY MIFOKA SIGARA?

Olana Eran-tany

Olana Eran-tany

Tsy mamela mahazo ny sigara.

  • Zato tapitrisa no matiny tamin’ny taonjato faha-20.

  • Enina tapitrisa eo ho eo no matiny isan-taona.

  • Olona iray no matiny isaky ny enina segondra.

Toa tsy hiova mihitsy anefa izany.

Nilaza ny manam-pahaizana fa raha mitohy izao, dia hitombo foana ny olona ho fatin’ny sigara isan-taona, ary hihoatra ny 8 000 000 izany amin’ny 2030. Tombanany ho 1 000 tapitrisa koa no ho faty mandra-pahatapitry ny taonjato faha-21.

Tsy ny mpifoka ihany no mizaka ny voka-dratsin’ny sigara. Mijaly ara-pihetseham-po koa ny fianakaviany sady lany vola. Misy 600 000 koa ny olona tsy mifoka nefa matin’ny setro-tsigara, isan-taona. Ny rehetra mihitsy aza no mijinja ny vokany satria lasa miakatra ny saram-pitsaboana.

Fantatry ny rehetra anefa ny fanafodiny, ary tsy mila anaovana fikarohana be. Hoy i Margaret Chan, dokotera sady tale jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS): “Lasa be dia be ny mpifoka sigara, ary ny olona ihany no mahatonga an’izany. Tsy hisy intsony anefa ny fifohana sigara raha samy miezaka hamongotra azy io ny fitondrana sy ny vahoaka.”

Efa betsaka ihany ny ezaka natao. Firenena 175 teo ho eo no nifanaiky tamin’ny Aogositra 2012 fa handray fepetra hanafoanana ny fifohana sigara. * Nahoana anefa no mbola betsaka ihany ny mpifoka sigara? Mandany vola an’arivony tapitrisa dolara isan-taona ny orinasa mpamokatra sigara mba hanaovana dokam-barotra hisarihana an’ireo mbola tsy mifoka. Ny vehivavy sy ny tanora any amin’ny tany mahantra no tena ataony lasibatra. Mora manandevo koa ny sigara, ka azo antoka fa maro amin’ireo 1 000 tapitrisa efa mpifoka no ho faty. Raha tsy miala amin’ny sigara izy ireo, dia hitombo be ny isan’ny maty mandritra ny 40 taona manaraka.

Be ihany no te hiala saingy efa andevozin’ny sigara izy ireo sady mbola voafitaky ny dokam-barotra koa. Izany no nahazo an’i Naoko. Mbola tsy ampy 20 taona izy dia efa nifoka. Nanahaka an’ireo mpifoka naseho tao amin’ny tele izy, amin’izay mba hoatran’ny hoe maharaka. Efa matin’ny kanseran’ny havokavoka ny ray aman-dreniny. Mbola nifoka ihany anefa izy, na dia efa niteraka roa vavy aza. Hoy izy: “Natahotra ny ho voan’ny kanseran’ny havokavoka aho sady nanahy ny amin’ny fahasalaman-janako. Tsy vitako anefa ny niala tamin’ilay izy. Nihevitra aho hoe tsy ho afaka mihitsy.”

Tafala tamin’ny sigara ihany anefa i Naoko. Nisy boky iray nanampy azy sy ny olona an-tapitrisany ho afaka tamin’izy io. Inona io boky io? Vakio ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 11 Nampianatra ny olona momba ny voka-dratsin’ny sigara, ohatra, izy ireo, nandrara ny orinasa tsy hanao dokam-barotra momba ny sigara, nampitombo ny hetran-tsigara, ary nanao fandaharana hanampiana ny olona hiala amin’ny sigara.