Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao”

“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao”

“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.”—MAT. 22:37.

1. Nahoana i Jehovah sy ny Zanany no lasa nifankatia kokoa?

HOY i Jesosy Kristy, Zanak’i Jehovah: “Tiako ny Ray.” (Jaona 14:31) Nilaza koa izy hoe: “Ny Ray tia ny Zanaka.” (Jaona 5:20) Tsy tokony hahagaga antsika izany. “Mpiasa tena mahay” teo anilan’Andriamanitra mantsy i Jesosy, nandritra ny an-tapitrisany taona, talohan’ny naha olombelona azy. (Ohab. 8:30) Nanjary nahafantatra tsara ny toetran’ny Rainy izy rehefa niara-niasa taminy, ka nanana antony maro be nitiavana azy. Nifanerasera akaiky izy ireo ka lasa nifankatia kokoa.

2. a) Inona no dikan’ny hoe tia? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Midika hoe miraiki-po be ny hoe tia. Nihira i Davida mpanao salamo hoe: “Hiraiki-po aminao aho, Jehovah ô, fa ianao no heriko.” (Sal. 18:1) Tokony hiraiki-po amin’Andriamanitra isika, satria miraiki-po amintsika izy. Mampanantena izy fa haneho fitiavana amintsika, raha mankatò azy isika. (Vakio ny Deoteronomia 7:12, 13.) Afaka ny ho tena tia an’Andriamanitra ve anefa isika, na dia tsy hita maso aza izy? Inona no dikan’ny hoe tia an’i Jehovah? Nahoana isika no tokony ho tia azy? Ahoana no ampisehoantsika fa tia azy isika?

 AFAKA NY HO TIA AN’ANDRIAMANITRA ISIKA

3, 4. Nahoana isika no afaka ny ho tia an’i Jehovah?

3 “Andriamanitra dia fanahy” ka tsy hitan’ny masontsika. (Jaona 4:24) Afaka ny ho tia azy anefa isika, ary mandidy antsika mba ho tia azy ny Soratra Masina. Nilaza tamin’ny Israelita, ohatra, i Mosesy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.”—Deot. 6:5.

4 Nahoana isika no afaka ny ho tena tia an’Andriamanitra? Noforoniny mba haniry hifandray aminy sy hahay haneho fitiavana isika. Mitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah rehefa miezaka hifandray aminy isika, ary mahasambatra antsika izany. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 5:3) Efa voajanahary amin’ny olona ny mivavaka. Hoy ny boky iray: ‘Mahagaga ny mahita hoe mitady an’Andriamanitra ny olona eran-tany ary mino fa misy izy.’—Tsy Mahavita Tena ny Olombelona (anglisy), nosoratan’i A. Morrison.

5. Nahoana isika no matoky fa tena hahita an’Andriamanitra ny olona mitady azy?

5 Tena hahita an’Andriamanitra ve izay mitady azy? Eny tokoa, satria tiany hahita azy isika. Nanazava tsara an’izany ny apostoly Paoly rehefa nitory tamin’ireo olona tany Atena fahiny. Maro tamin’izy ireo no nihevitra fa nila nankao amin’ny tempoly iray, mba hivavaka tamin’i Athéna andriamanibavy. Nilaza anefa i Paoly fa afaka mahita an’ilay tena Andriamanitra izy ireo, dia ilay “Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy.” Nanazava izy fa “tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana” Andriamanitra. Nilaza koa izy fa ‘avy tamin’ny olona anankiray no nanaovan’Andriamanitra ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo, ary efa nisy fotoana voatondrony sy faritra noferany honenan’ny olona, mba hitadiavan’ireo azy raha mitsapatsapa mitady azy izy ireo ka tena hahita azy tokoa. Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy.’ (Asa. 17:24-27) Afaka ny hahita an’Andriamanitra tokoa ny olona. ‘Tena nahita azy’ ny Vavolombelon’i Jehovah 7 500 000 mahery ary tena tia azy.

NY DIKAN’NY HOE TIA AN’ANDRIAMANITRA

6. Inona no nolazain’i Jesosy fa “didy lehibe indrindra sady voalohany”?

6 Tokony ho avy ao am-po ny fitiavantsika an’i Jehovah. Mampiseho izany ny tenin’i Jesosy rehefa nanontany azy ny Fariseo iray hoe: “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?” Namaly izy hoe: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.”—Mat. 22:34-38.

7. Inona no dikan’ny hoe tia an’i Jehovah amin’ny a) ‘fo manontolo’? b) ‘tena manontolo’? d) ‘saina manontolo’?

7 Inona no dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra amin’ny ‘fo manontolo’? Te hilaza i Jesosy fa tokony hanan-kery eo amin’ny faniriantsika sy ny fihetseham-pontsika ny fitiavantsika an’i Jehovah. Ny hoe tia azy amin’ny ‘tena manontolo’ indray dia midika hoe mampiasa ny fiainantsika sy ny tenantsika mba hitiavana azy. Tokony ho tia azy amin’ny ‘saina manontolo’ koa isika, ka ho hita eo amin’izay eritreretintsika sy ny fomba ampiasantsika ny saintsika izany. Raha tsorina, dia tokony ho tia tanteraka an’i Jehovah isika.

8. Inona no hataontsika raha tena tia an’Andriamanitra isika?

8 Inona no hataontsika raha tia an’Andriamanitra amin’ny fo sy ny tena ary ny saina manontolo isika? Hianatra tsy tapaka ny Teniny isika, hazoto hanao ny sitrapony, ary ho be zotom-po amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Mat. 24:14; Rom. 12:1, 2) Ho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa tena tia  azy. (Jak. 4:8) Tsy ho voatanisa eto ny antony tokony hitiavantsika an’i Jehovah, nefa hijery vitsivitsy amin’izany isika izao.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HO TIA AN’I JEHOVAH?

9. Nahoana ianao no tia an’i Jehovah, ilay Mpamorona sy Mpanome izay ilaina?

9 I Jehovah no Mpamorona antsika sy Mpanome izay ilaintsika. Hoy i Paoly: “Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.” (Asa. 17:28) Nanome antsika an’ity tany fonenana tsara tarehy ity izy. (Sal. 115:16) Omeny antsika koa ny sakafo sy izay ilaintsika mba hahavelomana. Izany no antony nilazan’i Paoly tamin’ireo mponina mpanompo sampy tao Lystra hoe: ‘Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Ilay Andriamanitra velona, satria nanao soa ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.’ (Asa. 14:15-17) Tena tokony ho tiantsika tokoa ilay Mpamorona Be Voninahitra tia antsika sy Mpanome izay ilaintsika.—Mpito. 12:1.

10. Inona no tokony ho tsapantsika, noho izay nataon’Andriamanitra mba hanesorana ny ota sy ny fahafatesana?

10 Nataon’Andriamanitra izay hanesorana ny ota sy ny fahafatesana nolovantsika tamin’i Adama. (Rom. 5:12) “Naneho ny fitiavany antsika” tokoa Andriamanitra, “fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.” (Rom. 5:8) Tena tia an’i Jehovah isika satria nanao zavatra izy mba hahazoantsika famelan-keloka, raha mibebaka sy mino ny sorom-panavotan’i Jesosy isika.—Jaona 3:16.

11, 12. Inona avy no fanantenana omen’i Jehovah antsika?

11 “Manome fanantenana” antsika i Jehovah, ka faly sy miadan-tsaina isika. (Rom. 15:13) Manampy antsika hiaritra fitsapana izany fanantenana izany. Manantena hiaina mandrakizay any an-danitra ireo voahosotra ‘tsy mivadika mandra-pahafatiny.’ (Apok. 2:10) Ireo olon-kafa tsy mivadika kosa manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Lioka 23:43) Inona no tsapantsika rehefa mieritreritra ny fanantenantsika? Tena faly sy miadan-tsaina isika sady tia an’ilay Mpanome “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.”—Jak. 1:17.

12 Mampanantena fitsanganana amin’ny maty Andriamanitra. (Asa. 24:15) Marina fa malahelo be isika rehefa misy havana na namana maty. Manantena fitsanganana amin’ny maty anefa isika, ka ‘tsy malahelo tahaka an’ireo tsy manana fanantenana.’ (1 Tes. 4:13) Tia ny olombelona i Jehovah ka maniry mafy ny hanangana ny maty, indrindra fa ireo olona tsy mivadika toa an’i Joba. (Joba 14:15) Alao sary an-tsaina ny hafaliantsika rehefa hihaona indray amin’ireo atsangana amin’ny maty eto an-tany isika. Tena lasa miraiki-po amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, noho izany fanantenana kanto izany.

13. Inona no manaporofo fa tena miahy antsika Andriamanitra?

13 Tena miahy antsika i Jehovah. (Vakio ny Salamo 34:6, 18, 19; 1 Petera 5:6, 7.) Fantatsika fa vonona foana ny hanampy an’ireo tsy mivadika aminy ilay Andriamanitra tia antsika, ka milamin-tsaina isika anisan’ny ‘ondry ao amin’ny kijanany.’ (Sal. 79:13) Hiharihary koa ny fitiavan’Andriamanitra antsika rehefa hanao zavatra ho antsika izy amin’ny hoavy. Hanafoana ny herisetra sy ny fampahoriana ary ny faharatsiana i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hiadana mandrakizay sy hanana izay rehetra ilainy ny olombelona mankatò, aorian’izay. (Sal. 72:7, 12-14, 16) Moa ve izany tsy mandrisika antsika ho tia an’Andriamanitra amin’ny fo sy ny tena sy ny hery ary ny saintsika manontolo?—Lioka 10:27.

14. Inona no tombontsoa lehibe nomen’Andriamanitra antsika?

14 Nomen’i Jehovah tombontsoa lehibe ho  Vavolombelony isika. (Isaia 43:10-12) Tia an’Andriamanitra isika satria navelany hanohana ny zony hitondra. Afaka manome fanantenana azo antoka ho an’ny olona eto amin’ity tontolo feno olana ity koa isika. Mino sy matoky ny vaovao tsara torintsika isika satria avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany, ary tsy maintsy tanteraka ny fampanantenany. (Vakio ny Josoa 21:45; 23:14.) Tsy ho voatanisa ny fitahian’i Jehovah antsika sy ny antony tokony hitiavantsika azy. Ahoana anefa no ampisehoantsika fa tia azy isika?

ASEHOY FA TIA AN’I JEHOVAH IANAO

15. Nahoana no mahasoa antsika ny mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra?

15 Mazotoa mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra. Asehontsika amin’izany fa tia an’i Jehovah isika ary tena irintsika ho ‘fahazavana ho an’ny lalantsika’ ny teniny. (Sal. 119:105) Rehefa mijaly, ohatra, isika, dia mampionona antsika ny fanomezan-toky toy ireto: “Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!” “Ny hatsaram-panahinao feno fitiavana no nanohana ahy, Jehovah ô! Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.” (Sal. 51:17; 94:18, 19) Mangoraka an’ireo mijaly i Jehovah sy Jesosy. (Isaia 49:13; Mat. 15:32) Lasa fantatsika tsara fa tia sy miahy antsika i Jehovah, rehefa mianatra Baiboly isika. Mahatonga antsika ho tena tia azy izany.

16. Nahoana no mihalalina ny fitiavantsika an’Andriamanitra rehefa mivavaka tsy tapaka isika?

16 Mivavaha tsy tapaka. Manampy antsika ho akaiky kokoa an’ilay “Mpihaino vavaka” izany. (Sal. 65:2) Mihalalina ny fitiavantsika an’Andriamanitra rehefa tsapantsika hoe mamaly vavaka izy. Mety ho tsapantsika, ohatra, hoe tsy navelany halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika isika. (1 Kor. 10:13) Raha mitebiteby isika ka mitalaho mafy amin’i Jehovah, dia mety hahatsapa “ny fiadanan’Andriamanitra” izay tsy misy toa azy. (Fil. 4:6, 7) Mety hivavaka mangina toa an’i Nehemia isika indraindray ary hahita fa mivaly ilay vavaka. (Neh. 2:1-6) Hitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra, rehefa ‘maharitra amin’ny vavaka’ isika ary mahita hoe mamaly ny fangatahantsika izy. Vao mainka koa isika hatoky fa hanampy antsika hiatrika fitsapam-pinoana izy.—Rom. 12:12.

17. Raha tia an’Andriamanitra isika, ahoana no ho fiheverantsika ny fivoriana?

 17 Atreho foana ireo fivoriana sy fivoriambe. (Heb. 10:24, 25) Nivory mba hihaino sy hianatra momba an’i Jehovah ireo Israelita, mba hahatonga azy ireo hanaja azy sy hankatò ny Lalàny. (Deot. 31:12) Tsy sarotra ny manao ny sitrapon’Andriamanitra raha tena tia azy isika. (Vakio ny 1 Jaona 5:3.) Aza avela hisy hisakana antsika tsy hanatrika an’ireo fivoriana àry. Tsy tokony havelantsika hihena mihitsy ilay fitiavantsika an’i Jehovah tamin’ny voalohany.—Apok. 2:4.

18. Mandrisika antsika hanao inona ny fitiavantsika an’Andriamanitra?

18 Mazotoa mitory ny “fahamarinan’ny vaovao tsara.” (Gal. 2:5) Mandrisika antsika hitory momba ny Fanjakan’ny Mesia ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Hiady mba ‘hampitoerana ny fahamarinana’ io Zanany io, amin’ny Hara-magedona. (Sal. 45:4; Apok. 16:14, 16) Faly tokoa isika manao mpianatra, ka manampy ny olona hahalala ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fampanantenany tontolo vaovao.—Mat. 28:19, 20.

19. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana?

19 Asehoy fa ankasitrahanao ny fandaharana ataon’Andriamanitra mba hiandrasana ny ondriny. (Asa. 20:28) Manome antsika an’ireo anti-panahy i Jehovah satria mihevitra izay hahasoa antsika foana. “Toy ny fierena amin’ny rivotra, sy fialofana amin’ny oram-baratra” ny anti-panahy, ‘sady toy ny rano mikoriana any amin’ny tany karakaina, ary toy ny aloky ny vatolampy lehibe any amin’ny tany ngazana.’ (Isaia 32:1, 2) Faly erỳ isika rehefa voaro amin’ny rivotra mifofofofo sy ny oram-be! Faly koa isika mankeo ambany aloky ny vatolampy, rehefa danihin’ny masoandro. Asehon’ireo sarin-teny ireo fa manome ny fanampiana sy ny fampaherezana ilaintsika ny anti-panahy. Asehontsika fa tena mankasitraka an’ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny isika, rehefa mankatò an’ireo mitarika eo amintsika. Hita amin’izany koa fa tia an’Andriamanitra sy Kristy, izay Lohan’ny fiangonana, isika.—Efes. 4:8; 5:23; Heb. 13:17.

Nanome mpiandry tena miahy ny ondry i Jehovah (Fehintsoratra 19)

AMPITOMBOY FOANA NY FITIAVANAO AN’ANDRIAMANITRA

20. Inona no hataonao raha tia an’Andriamanitra ianao?

20 “Ho mpankatò ny teny” ianao “fa tsy ho mpihaino fotsiny”, raha tena mifandray akaiky amin’i Jehovah. (Vakio ny Jakoba 1:22-25.) Manam-pinoana ny olona “mpankatò” ka mazoto mitory sy mandray anjara amin’ny fivoriana sy ny asa kristianina hafa. Hankatò ny “lalàna tonga lafatra” avy amin’i Jehovah ianao, satria tia azy. Tafiditra amin’izany lalàna izany ny zavatra rehetra takiny.—Sal. 19:7-11.

21. Azo ampitahaina amin’ny inona ny vavaka vokatry ny fo?

21 Hivavaka matetika amin’i Jehovah ianao, raha tia azy. Nandoro emboka manitra ho an’i Jehovah isan’andro ny mpisorona teo amin’ny Israely fahiny. Nampitahain’i Davida Mpanjaka tamin’ny emboka manitra ny vavaka nataony, ka hoy izy tamin’i Jehovah: “Enga anie ny vavaka ataoko ka ho voaomana tsara toy ny emboka manitra eo anatrehanao, ary ny fanandratako ny tanako ho toy ny fanatitra varimbazaha fanolotra takariva!” (Sal. 141:2; Eks. 30:7, 8) Hihaino ny vavaka ataonao i Jehovah, raha manetry tena sy mangataka amim-pahatsorana ianao ary midera sy misaotra azy. Toy ny emboka manitra ny vavaka toy izany.—Apok. 5:8.

22. Inona no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Nilaza i Jesosy fa tokony ho tia namana koa isika. (Mat. 22:37-39) Handinika misimisy kokoa momba an’io fitiavana io ny lahatsoratra manaraka. Ho hitantsika ao fa hanampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa sy ho tia namana ny fitiavana an’i Jehovah sy ny toro lalany.