Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NY TSARA FANAHY NO MIJALY?

Hifarana Ihany ve ny Faharatsiana?

Hifarana Ihany ve ny Faharatsiana?

Hazavain’ny Baiboly tsara izay hataon’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany, momba ny fijaliana vokatry ny nataon’i Satana Devoly. Hoy ny 1 Jaona 3:8: “Izao no nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra [Jesosy], dia ny handrava ny asan’ny Devoly.” Ho rava ity tontolo ratsy ity, ka tsy hisy intsony ny fitiavam-bola sy ny fankahalana ary ny zava-dratsy. Nampanantena koa i Jesosy fa “horoahina” i Satana Devoly, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31) Tsy ho afaka hamitaka intsony izy amin’izay. Ho feno olona manao ny marina ny tany ary hanjaka ny filaminana.—2 Petera 3:13.

Ary ahoana ny amin’ireo olon-dratsy tsy mety miova? Hoy ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.” Tsy hisy intsony ny olon-dratsy. Hilamina ny tany, ary hatao lavorary tsikelikely ny olona mankatò.—Romanina 6:17, 18; 8:21.

Ahoana no hanafoanan’Andriamanitra ny faharatsiana? Tsy hoe tsy ho afaka hisafidy intsony akory ny olombelona ka hanjary ho toy ny robot. Hampianariny ny fitsipiny kosa izy ireo, ka tsy hieritreri-dratsy na hanao ratsy intsony.

Hofoanan’Andriamanitra ny zava-drehetra mampijaly

Ary ahoana ny amin’ny zava-mitranga tsy ampoizina? Nampanantena Andriamanitra fa tsy ho ela dia hitondra ny tany ny Fanjakany. I Jesosy Kristy no notendreny ho Mpanjakan’izy io ary mahay manasitrana aretina izy. (Matio 14:14) Mahavita mifehy ny herin’ny natiora koa izy. (Marka 4:35-41) Tsy hisy intsony àry ny fijaliana vokatry ny aretina sy ny loza “tsy ampoizina.” (Mpitoriteny 9:11) Tsy hisy intsony ny zavatra mampijaly rehefa manjaka i Kristy.—Ohabolana 1:33.

Ary ahoana indray ny amin’ireo olona an-tapitrisany tsy nanan-tsiny, nefa maty tamin’ny loza? Hoy i Jesosy taloha kelin’ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 11:25) Vitan’i Jesosy tokoa ny manangana ny maty.

Azo antoka fa tianao ny hiaina ao amin’ny tontolo mahafinaritra hoatr’izany, ka tsy hijaly intsony ny tsara fanahy. Nahoana àry raha miezaka mianatra Baiboly, mba hahalalana bebe kokoa momba an’ilay tena Andriamanitra sy ny fikasany? Vonona hanampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo. Miresaha amin’izy ireo na manorata any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity.