Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no nanamboarana ny sambo fahiny mba tsy ho tantera-drano?

Nanazava izay nataon’ny Romanina i Lionel Casson, manam-pahaizana momba ny sambo fahiny. Notsentsenan’izy ireo godorao aloha ny elakelaky ny hazo tamin’ilay sambo. Rehefa vita izay, dia matetika no “nohosoran’izy ireo godorao, na godorao miaraka amin’ny savoka, teo amin’ilay notsentsenana na ny ivelan’ilay sambo iray manontolo. Nohosorany godorao koa ny atiny.” Efa nampiasa godorao tamin’ny sambo koa ny Akadianina sy ny Babylonianina, ela be talohan’ny Romanina.

Be rihitra godorao hoatr’izao tany Palestina fahiny

Resahin’ny Genesisy 6:14 fa nampiasaina tamin’ny fanamboarana sambo ny godorao.

Misy marihitra sy mivaingana ny godorao. Ilay marihitra no fampiasan’ny mpanamboatra sambo fahiny, ary ahosony mivantana amin’ny sambony izy io. Tonga dia maina ilay izy rehefa avy ahosotra, ary lasa mafy be ka tsy tantera-drano mihitsy.

Be godorao tany Palestina fahiny. “Be lavaka godorao” mantsy tany amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima, any amin’ny faritra misy ny Ranomasina Maty.—Genesisy 14:10.

Ahoana no nitehirizana ny trondro, fahiny?

Efa ela ny olona no tia trondro. Mpanarato tao amin’ny Ranomasin’i Galilia ny apostoly sasany, talohan’ny nanarahany an’i Jesosy. (Matio 4:18-22) Nalefa hokarakaraina tao amin’ny “orinasa” teo akaiky teo ny sasany tamin’ny trondro azony.

Sary sokitra ahitana mpanarato ejipsianina

Mbola manaraka ny fomba fitehirizana trondro fahiny ny olona any amin’ny tany sasany, ary mety hitovy amin’ilay fanao tany Galilia izany. Sasana ny trondro rehefa avy nesorina ny tao anatiny. Hoy ny boky iray: “Hosorana sira ny lohany sy ny kirany. Avy eo dia araraka eo ambony tsihy ny sira, dia alahatra eo amboniny ny trondro, ary totofana sira. Asiana trondro eo ambonin’iny sira iny, dia totofana sira indray. Dia toy izany foana, ary saronana tsihy amin’ny farany. Avela ao telo na dimy andro ilay trondro. Avadika izy aorian’izay, ary avela ao telo na dimy andro indray. Mitsika ny ranony amin’izay, ary miditra any anatiny ny sira. Lasa trondro maina ilay izy amin’ny farany.”

Tsy fantatra aloha raha naharitra hafiriana ireny trondro maina ireny vao simba. Tsy maintsy ho nahomby anefa ilay izy matoa nanondrana trondro maina tany Syria ny Ejipsianina fahiny.