Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hananarana ny Ankizy?

Ahoana no Hananarana ny Ankizy?

“Ranga mihitsy ny sofiko isaky ny nisy aotomobilina nandalo. Efa fanintelony tamin’iny izay i Jordan no tara fodiana. ‘Fa aiza ihany àry izy?’, hoy aho. ‘Sao dia maninomaninona any? Tsy raharahainy akory izao hoe mitebiteby be izahay atỳ.’ Efa saika nanamparako ny hatezerako izy nony tonga.”GEORGE.

“Nikiakiaka tampoka ny zanako vavy, ka taitra be aho. Nitodika aho, dia io izy fa mitomany sady ataony eny amin’ny lohany ny tanany. Hay nokapohin’ilay zandriny lahy efa-taona izy.”—NICOLE.

“Mody nipitrapitra kely erỳ i Natalie, ilay zanakay vavy enin-taona, rehefa niteny hoe: ‘Efa hoe tsy nangalariko izany ho’aho iny peratra iny fa hitako!’ Tsy nekeny mihitsy hoe nangalariny ilay izy, ka nirotsaka hatramin’ny ranomasonay. Fantatray mantsy fa nandainga izy.”—STEPHEN.

EFA nitranga taminao angamba ny zavatra mitovitovy amin’ireo raha manan-janaka ianao. Mety ho nieritreritra ianao tamin’izay hoe: ‘Ahoana re no hananarako an’ity zanako ity e? Tsy mampaninona ve ny manafay zanaka?’

INONA NO ATAO HOE MANANATRA?

Tsy hoe manasazy ny tena dikan’ny hoe “mananatra”, raha ny Baiboly no jerena, fa manoro sy mampianatra ary manitsy. Tsy misy ifandraisany amin’ny fampijaliana na haratsiam-panahy mihitsy io teny io.—Ohabolana 4:1, 2.

Toy ny ataon’ny mpanao zaridaina no ataon’ny ray aman-dreny rehefa mananatra. Asainy aloha ny tany, dia tondrahany ilay zavatra amboleny ary asiany zezika. Asiany fanafody miaro amin’ny bibikely koa ilay izy ary esoriny ny ahidratsy. Rehefa maniry ilay izy, dia mety horantsanany izay tsy ilaina mba hitomboany ara-dalàna. Fantany hoe arakaraka ny fahaizany mampiasa ny teknika rehetra no hampaniry tsara an’ilay zavamaniry. Mampiasa fomba maro koa ny ray aman-dreny rehefa mitaiza ny zanany. Mety hila rantsanana toy ny zavamaniry anefa ny ankizy indraindray, izany hoe mila anarina. Manitsy azy dieny mbola kely izany, ka hanampy azy ho hendry rehefa mihalehibe izy. Ilaina anefa ny mitandrina rehefa mandrantsana zavamaniry, raha tsy izany dia mety ho simba ilay izy. Mila be fitiavana koa ny ray aman-dreny raha tiany hisy vokany tsara ny fananarany.

Modely amin’izany i Jehovah Andriamanitra, ilay nanome ny Baiboly. Tena mandaitra sady mahasoa ny fananarany ka lasa “tia anatra” ny mpanompony. (Ohabolana 12:1) ‘Mitana mafy ny anatra omeny’ izy ireo ary tsy manadino an’izany mihitsy. (Ohabolana 4:13) Afaka manampy ny zanakao hanaiky anatra koa ianao raha manahaka an’izay ataon’Andriamanitra rehefa mananatra. Ireto ny telo amin’izany: 1) Be fitiavana, 2) mahay mandanjalanja, ary 3) tsy miovaova.

MIEZAHA HO BE FITIAVANA

Fitiavana no tena mahatonga an’Andriamanitra hananatra, ary feno fitiavana foana ny anatra omeny.  Hoy ny Baiboly: “Izay tian’i Jehovah no anariny, tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.” (Ohabolana 3:12) “Mamindra fo sy tsara fanahy” koa i Jehovah ary “tsy mora tezitra.” (Eksodosy 34:6) Tsy mampijaly na ratsy fanahy mihitsy àry izy. Tsy masiaka koa izy na manakiana lava na manao teny maneso. Samy mandratra “toy ny fanindron’ny sabatra” mantsy ireo.—Ohabolana 12:18.

MIHAINOA

Marina aloha fa tsy hahay hifehy tena be toa an’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Indraindray mantsy hoatran’ny hoe mihoa-pefy loatra no fahitanao ny zava-misy ka mila hitroatra ianao. Tadidio anefa fa raha amin’ilay tezitra be iny ianao no manasazy ny zanakao, dia matetika no tsy voalanjalanja sy tsy misy vokany izany fa mampijaly fotsiny. Tsy mananatra koa ny olona toy izany. Miharihary fotsiny hoe tsy mahafehy tena izy.

Hisy vokany tsara kosa ny anatra omenao raha be fitiavana sy mahay mifehy tena ianao. Diniho ny nataon’i George sy Nicole, ilay noresahina terỳ aloha.

MIVAVAHA

“Efa saika hisafoaka izahay mivady rehefa tonga i Jordan. Nifehy ny hatezeranay anefa izahay ka nihaino ny fanazavany. Efa alina be tamin’izay ka naleonay ny ampitso vao niresaka. Niara-nivavaka izahay, dia avy eo nandeha natory. Efa tonitony izahay ny ampitson’iny, ka afaka niresaka tsara an’ilay izy sady nampisaintsaina an’i Jordan. Tsy hoe nanaiky ny sazy nomenay fotsiny izy, fa vonona hankatò sy hizaka ny vokatry ny nataony koa. Soa ihany fa takatray hoe tsy mandaitra ny anatra raha amin’ilay ianao tezitra iny no manao zavatra. Misy vokany tsara ilay izy matetika, rehefa mihaino aloha izahay vao mananatra.”—George.

MIFAMPIRESAHA

“Tezitra be mihitsy aho noho ny nataon’ilay zanakay lahy tamin’ilay zokiny vavy. Tsy tonga dia nobedesiko anefa izy, fa nasaiko nankany amin’ny efitranony satria mbola tezitra loatra aho. Rehefa tonitony aho vao nohazavaiko taminy fa tsy mety mihitsy ny mampijaly ny hafa. Nataoko tsapany hoe tena nalahelo ilay zokiny. Hentitra aho rehefa nanazava an’izany, ary nandaitra ilay izy. Niala tsiny tamin’ilay zokiny izy avy eo ary namihina azy.”—Nicole.

Fitiavana foana àry no tokony hanosika ny olona hananatra, na dia mila manasazy aza izy.

MAHAIZA MANDANJALANJA

Mananatra “araka ny antonony” foana i Jehovah. (Jeremia 30:11; 46:28) Dinihiny tsara daholo aloha ny zava-misy, na dia ny zavatra tsy miharihary aza, izay izy vao mananatra. Ahoana no anahafan’ny ray  aman-dreny azy? Hoy i Stephen, ilay voaresaka terỳ aloha: “Nalahelo be aloha izahay rehefa nandainga i Natalie. Tsy azonay koa hoe maninona izy no tsy nety niaiky hoe nangalariny ilay peratra. Niezaka nitadidy anefa izahay hoe mbola kely loatra izy sady mbola tsy matotra.”

Mandinika ny zava-drehetra koa i Robert, vadin’i Nicole, rehefa hananatra. Rehefa maditra ny zanany, dia mieritreritra foana izy hoe: ‘Vao izay ve ity zanako ity no nanao an’izao, sa efa fanaony mihitsy izao? Sao dia reraka àry izy, na tsy salama? Manana olana hafa ve izy matoa manao an’izao?’

Raha mahay mandanjalanja koa ny ray aman-dreny, dia hitadidy fa tsy hoe olon-dehibe kely akory ny ankizy. Niaiky an’izany ny apostoly Paoly hoe: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza.” (1 Korintianina 13:11) Hoy i Robert: “Tadidìko ny zavatra nataoko tamin’izaho mbola kely, ka izany no nanampy ahy handinika tsara sy hahay hifehy tena.”

Ilaina àry ny mahay mandanjalanja fa tsy mitaky be loatra amin’ny ankizy, nefa koa tsy manala tsiny na tsy miraharaha an’ilay zava-dratsy. Diniho tsara, ohatra, hoe hatraiza ny fahaizan’ny zanakao, ary hatraiza ny mety ho vitany. Ho azonao antoka amin’izay hoe araka ny tokony ho izy ilay fananarana omenao.

AZA MIOVAOVA

Hoy ny Malakia 3:6: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” Mino ny mpanompon’Andriamanitra hoe tsy miovaova i Jehovah ary mahatonga azy ireo tsy hanana ahiahy izany. Mila matoky koa ny zanakao hoe tsy miovaova ianao rehefa mananatra. Mety ho sahiran-tsaina mantsy izy, raha hafa ny fitsipika apetrakao rehefa tezitra ianao ary ovanao indray izany rehefa falifaly ianao.

Tadidio ilay tenin’i Jesosy hoe: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.” Tena mihatra amin’ny fitaizana zanaka ireo teny ireo. (Matio 5:37) Mieritrereta tsara àry aloha, fa aza tonga dia milaza sazy iray nefa avy eo tsy hampihatra an’ilay izy akory. Raha mampitandrina ny zanakao, ohatra, ianao hoe hokapohinao izy raha maditra, dia tena ampiharo izany rehefa maditra tokoa izy.

Mila mifampiresaka tsara koa ny ray aman-dreny mba hitovy ny fitsipika omen’izy ireo. Hoy i Robert: “Tambatambazan’ny zanako aho indraindray dia lasa manaiky an’izay tadiaviny. Rehefa fantatro anefa hoe efa tsy navelan’ny vadiko hanao an’ilay izy ry zareo, dia manaraka ny tenin’ny vadiko indray aho.” Ahoana anefa raha tsy mitovy hevitra ny ray aman-dreny? Tokony hifampiresaka mitokana izy ireo, ka hitady marimaritra iraisana.

TENA MILA ANARINA NY ANKIZY

Tokony hiezaka ho be fitiavana sy hahay handanjalanja ary tsy hiovaova hoatran’i Jehovah ianao rehefa mananatra. Amin’izay dia ho matotra sy hahay handray andraikitra ary hahay handanjalanja ny zanakao rehefa lehibe. Hoy mantsy ny Baiboly: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.