Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fantatr’i Jehovah ny Azy”

“Fantatr’i Jehovah ny Azy”

‘Raha misy tia an’Andriamanitra, dia fantatr’Andriamanitra izy.’ —1 KOR. 8:3.

1. Inona no zava-nitranga mampiseho fa mety hamita-tena ny mpanompon’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

NIJORO teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay masin’i Jehovah i Arona Mpisoronabe, indray maraina, sady nitondra fitondrana afo fandoroana emboka manitra. Teo akaiky teo i Kora sy ny lehilahy 250. Samy nitondra fitondrana afo koa izy ireo, ary nanolotra emboka manitra ho an’i Jehovah. (Nom. 16:16-18) Toy ny hoe mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ireo lehilahy rehetra ireo. Mpikomy anefa i Kora sy ny namany, ary nanambony tena ka nitady haka ny toeran’ny mpisorona. (Nom. 16:1-11) Nieritreritra izy ireo fa hankasitraka ny fanompoany Andriamanitra. Namita-tena anefa izy ireo. Tezitra taminy i Jehovah satria nihatsaravelatsihy izy ireo. Mahita ny ao am-po mantsy izy.—Jer. 17:10.

2. Inona no nolazain’i Mosesy fa hitranga, ary tanteraka ve ny teniny?

2 Hoy i Mosesy, iray andro talohan’izay: “Rahampitso maraina i Jehovah no hampahafantatra hoe iza no azy.” (Nom. 16:5) Navahan’i Jehovah ny tena mpanompony sy ny mpihatsaravelatsihy, ka nandefa afo izy mba handringanana an’i Kora sy ireo 250 lahy. (Nom. 16:35; 26:10) Nitsimbina ny ain’i Arona kosa i Jehovah, ka hita fa i Arona no tena mpisorona nofidiny sady tena mpanompony.—Vakio ny 1 Korintianina 8:3.

3. a) Inona no zava-nitranga tamin’ny andron’i Paoly? b) Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jehovah rehefa nikomy i Kora sy ny namany?

 3 Nisy zava-nitranga nitovy tamin’izany, tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, 1 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nanaraka fampianaran-diso ny olona sasany nitonona ho Kristianina, nefa mbola niaraka tamin’ny fiangonana. Toa nitovy tamin’ny rehetra teo anivon’ny fiangonana izy ireny, raha tsy nandinika tsara ny olona iray. Nampidi-doza an’ireo Kristianina tsy nivadika anefa izy ireny. Nanomboka “nandrava ny finoan’ny sasany” ireny mpivadi-pinoana ireny, izay toy ny amboadia mitafy hodi-janak’ondry. (2 Tim. 2:16-18) Tsy niafina tamin’i Jehovah izay rehetra nitranga, ary azo inoana fa fantatr’i Paoly izany. Tsaroany mantsy izay nataon’i Jehovah tamin’i Kora sy ireo mpikomy namany. Handinika an’izay nosoratan’i Paoly isika izao, ary handray lesona avy amin’izany.

“IZAHO NO JEHOVAH ARY TSY MIOVA AHO”

4. Inona no natokisan’i Paoly, ary inona no nolazainy tamin’i Timoty mba hampisehoana an’izany?

4 Natoky tanteraka i Paoly fa fantatr’i Jehovah raha mihatsaravelatsihy ny mpanompony, ary fantany koa izay tena mankatò azy. Hita amin’ireo teny nosoratany ho an’i Timoty izany. Hoy izy rehefa avy nilaza fa nandrava ny finoan’ny sasany ireo mpivadi-pinoana: “Mbola mijoro ihany ny fototra mafy nataon’Andriamanitra, ka manana izao tombo-kase izao: ‘Fantatr’i Jehovah ny azy’, ary koa: ‘Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah.’ ”—2 Tim. 2:18, 19.

5, 6. Nahoana no mahaliana antsika ilay teny hoe “ny fototra mafy nataon’Andriamanitra”, ary inona no nety ho vokatr’io teny io teo amin’i Timoty?

5 Nahoana no mahaliana antsika ireo tenin’i Paoly ireo? Eo ihany no ahitana ny teny hoe “fototra mafy nataon’Andriamanitra”, ao amin’ny Baiboly. Misy zavatra maromaro oharin’ny Baiboly amin’ny “fototra.” Anisan’izany i Jerosalema, renivohitr’i Israely fahiny. (Sal. 87:1, 2) Oharina amin’ny fototra koa ny anjara asan’i Jesosy mba hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah. (1 Kor. 3:11; 1 Pet. 2:6) Inona àry no tian’i Paoly holazaina amin’ilay hoe “fototra mafy nataon’Andriamanitra”?

6 Niresaka momba “ny fototra mafy nataon’Andriamanitra” i Paoly, rehefa namerina an’ireo teny nolazain’i Mosesy tamin’i Kora sy ny mpanohana azy, ao amin’ny Nomery 16:5. Niresaka an’io zava-nitranga io i Paoly, mba hampaherezana an’i Timoty sy hampahatsiahivana azy fa fantatr’i Jehovah izay mitady hikomy ary vitany ny misakana ny zava-dratsy ataon’izy ireo. Tsy hahasakana an’izay nokasain’i Jehovah hatao ny mpivadi-pinoana teo anivon’ny fiangonana, toy ny tamin’ny andron’i Kora ihany. Tsy nohazavain’i Paoly tamin’ny an-tsipiriany hoe inona ilay “fototra mafy nataon’Andriamanitra.” Azo inoana anefa fa lasa natoky ny fomba fiasan’i Jehovah i Timoty, rehefa namaky an’ireo teny ireo.

7. Nahoana isika no matoky fa hanao ny marina foana i Jehovah sady tsy hivadika?

7 Tsy miova mihitsy ny toro lalan’i Jehovah. Hoy ny Salamo 33:11: “Maharitra tsy miova mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fikasan’i Jehovah, ary tsy miova ny hevitry ny fony, na dia hatramin’ny taranaka fara mandimby aza.” Misy andinin-teny hafa milaza fa maharitra mandrakizay ny fanjakan’i Jehovah, ny hatsaram-panahiny feno fitiavana, ny fahamarinany, ary ny tsy fivadihany. (Eks. 15:18; Sal. 100:5; 112:9) Hoy ny Malakia 3:6: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” Milaza koa ny Jakoba 1:17 fa “tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka” i Jehovah.

 “TOMBO-KASE” MANATANJAKA FINOANA

8, 9. Inona no ianarantsika avy amin’ilay “tombo-kase” noresahin’i Paoly?

8 Misy soratra eo amin’ilay fototra noresahin’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 2:19, ary toy ny nosoratana tamin’ny tombo-kase ilay izy. Fanaon’ny olona fahiny ny nanisy soratra teo amin’ny fototry ny trano, angamba mba hampahafantarana hoe iza no nanorina an’ilay trano na iza no tompony. I Paoly no mpanoratra Baiboly voalohany niresaka momba an’io fanao io. * Nisy soratra anankiroa natao tamin’ny tombo-kase teo ambonin’ilay “fototra mafy nataon’Andriamanitra”, manao hoe: 1) “Fantatr’i Jehovah ny azy”, ary 2) “Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah.” Mampahatsiahy antsika an’izay voalazan’ny Nomery 16:5 izany.—Vakio ny Nomery 16:5.

9 Inona no ianarantsika avy amin’ilay “tombo-kase” noresahin’i Paoly? Hitantsika amin’izy io fa miorina amin’ireto fahamarinana lehibe ireto ny fitsipik’i Jehovah sy ny toro lalany ho an’ny mpanompony: 1) Tian’i Jehovah ny olona tsy mivadika aminy, ary 2) Halan’i Jehovah ny tsy fahamarinana. Inona no ifandraisan’izany amin’ny fivadiham-pinoana tamin’ny andron’i Paoly?

10. Inona no vokatry ny zavatra nataon’ireo mpivadi-pinoana tamin’ny andron’i Paoly?

10 Azo inoana fa nampiady saina an’i Timoty sy ireo olon-kafa tsy nivadika ny nataon’ireo mpivadi-pinoana. Nieritreritra angamba ny sasany tamin’ireo Kristianina tsy nivadika hoe nahoana no mbola navela hiaraka tamin’ny fiangonana ny mpivadi-pinoana. Na koa hoe hain’i Jehovah ve ny manavaka ny mpanompony amin’ireo mpivadi-pinoana nihatsaravelatsihy.—Asa. 20:29, 30.

Azo inoana fa tsy nanaiky hotaomin’ireo mpivadi-pinoana i Timoty (Fehintsoratra 10-12)

11, 12. Nahoana no azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’i Timoty ny taratasin’i Paoly?

11 Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’i Timoty ny taratasin’i Paoly. Nampahatsiahy azy an’izay nataon’i Jehovah ilay izy. Nahariharin’i Jehovah hoe tsy nivadika i Arona, fa i Kora sy ny mpanohana azy kosa nihatsaravelatsihy ka nolaviny ary noringaniny. Toa te hilaza i Paoly fa na dia nisy Kristianina sandoka aza teo anivon’izy ireo, dia fantatr’i Jehovah ny azy, izany hoe ireo tsy mivadika aminy, toy ny tamin’ny andron’i Mosesy ihany.

 12 Tsy miova mihitsy i Jehovah ka azo ianteherana. Halany ny tsy fahamarinana ary tsy maintsy hosaziny ny mpanao ratsy tsy mibebaka. Anisan’ireo ‘nanonona ny anaran’i Jehovah’ i Timoty, ka nampahatsiahy azy i Paoly fa mila mitandrina izy mba tsy ho voataonan’ny Kristianina sandoka hanaraka ny tsy fahamarinana. *

TSY VERY MAINA NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH AMIN’NY FO

13. Inona no toky ananantsika?

13 Afaka manatanjaka ny finoantsika koa ireo tenin’i Paoly. Mampahery ny mahalala fa fantatr’i Jehovah tsara hoe tsy mivadika aminy isika. Tsy hoe fantany fotsiny anefa ireo tsy mivadika aminy, fa dinihiny tsara koa. Hoy ny Baiboly: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tan. 16:9) Afaka matoky tanteraka àry isika fa tsy ho very maina mihitsy izay ataontsika ho an’i Jehovah “amin’ny fo madio.”—1 Tim. 1:5; 1 Kor. 15:58.

14. Inona no tsy eken’i Jehovah?

14 Mampieritreritra koa ilay hoe tsy eken’i Jehovah ny fanompoana misy fihatsarambelatsihy. “Mijery eny rehetra eny manerana ny tany” ny masony, ka hitany ireo tsy “mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” Milaza ny Ohabolana 3:32 fa “maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy”, anisan’izany ny olona miseho ho mankatò azy nefa zatra manao fahotana miafina. Mety hahavita hamitaka mandritra ny fotoana kelikely ny olona fetsifetsy. Mahery indrindra anefa i Jehovah sady tia fahamarinana, ka azo antoka fa ‘tsy hahomby izay mandika lalàna ka manarontsarona ny nataony.’—Ohab. 28:13; vakio ny 1 Timoty 5:24; Hebreo 4:13.

15. Inona no tsy tokony hataontsika ary nahoana?

15 Manompo an’i Jehovah amin’ny fo ny ankamaroan’ny mpivavaka aminy. Mahalana vao misy olona minia mamitaka an’i Jehovah ka mody manompo azy. Mety hisy ihany anefa izany, satria efa nitranga tamin’ny andron’i Mosesy sy tamin’ny taonjato voalohany. (2 Tim. 3:1, 5) Tokony hiahiahy an’ireo mpiara-manompo amintsika àry ve isika, ka hihevitra fa tsy tena vokatry ny fo ny fanompoany an’i Jehovah? Tsy mety mihitsy izany! Tsy tokony hiahiahy tsy amin’antony an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika. (Vakio ny Romanina 14:10-12; 1 Korintianina 13:7.) Ho simba koa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah raha miahiahy lava azy ireo isika.

16. a) Inona no azontsika atao mba hanesorana an’izay fihatsarambelatsihy ao am-pontsika? b) Inona no ianarantsika avy amin’ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-11?

16 Tokony “handinika izay ataony” ny Kristianina tsirairay. (Gal. 6:4) Tsy lavorary isika ka mety tsy ho tandrintandrintsika hoe lasa tsy tsara ny antony anompoantsika an’i Jehovah. (Heb. 3:12, 13) Ilaintsika àry ny mandinika tsindraindray ny antony anompoantsika azy. Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Manompo an’i Jehovah ve aho, satria tia azy sy manaiky ny zony hitondra? Sa ireo fitahiana antenaiko ho azo ao amin’ny Paradisa no mibahana kokoa ao an-tsaiko?’ (Apok. 4:11) Azo antoka fa handray soa isika raha mandinika an’izay ataontsika, ka manaisotra tanteraka an’izay fihatsarambelatsihy ao am-pontsika.

HO SAMBATRA ISIKA RAHA TSY MIVADIKA

17, 18. Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo fa tsy hihatsaravelatsihy?

17 Handray soa be dia be isika, raha miezaka manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo fa tsy mihatsaravelatsihy. Hoy ny mpanao  salamo: “Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah ny fahadisoany. Sambatra ny olona tsy mieritreritra ny hamitaka.” (Sal. 32:2) Sambatra kokoa àry ny olona manala ny fihatsarambelatsihy ao am-pony, ary afaka manantena izy fa tena ho sambatra amin’ny hoavy.

18 Hahariharin’i Jehovah amin’ny fotoana mety izay rehetra zatra manao ratsy sy izay mihatsaravelatsihy. Ho hita tsara amin’izay “ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.” (Mal. 3:18) Mandra-pahatongan’izany, dia mampahery antsika ny mahalala fa “ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.”—1 Pet. 3:12.

^ feh. 8 Miresaka “vato fototra” 12 misy ny anaran’ny apostoly 12 ny Apokalypsy 21:14, izay nosoratana am-polony taona taorian’ny nanoratan’i Paoly an’ireo taratasiny ho an’i Timoty.

^ feh. 12 Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no hialana amin’ny tsy fahamarinana, toy ny ataon’i Jehovah.