Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ara-drariny ve ny Lalàna Nomen’Andriamanitra ny Israelita?

Ara-drariny ve ny Lalàna Nomen’Andriamanitra ny Israelita?

NISY lehilahy roa nohelohin’ny fitsarana iray ho faty, taona maro lasa izay, satria voalaza fa namono olona. Fantatra anefa avy eo hoe nisy diso ny porofo niampangana azy ireo. Niezaka mafy nanafaka azy ireo àry ny mpahay lalàna, ka afaka madiodio ny iray. Indrisy anefa fa tsy nisy azo natao ho an’ilay faharoa intsony. Efa novonoina ho faty mantsy izy!

Mety ho diso tokoa ny fitsarana indraindray. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Ny rariny, eny, ny rariny ihany no katsaho.” (Deoteronomia 16:20) Tsy mijaly ny vahoaka rehefa manao ny rariny ny mpitsara. Nasain’Andriamanitra hanao ny rariny sy tsy hiangatra ny mpitsara israelita. Hita tamin’ny lalàna nomeny azy ireo izany. Andeha hojerentsika io lalàna io mba hahitana raha tena “ara-drariny daholo” ny ‘lalan’Andriamanitra.’—Deoteronomia 32:4.

MPITSARA “HENDRY SY MALINA ARY ZA-DRAHARAHA”

Mandray soa ny vahoaka rehefa mahay sy manao ny rariny ary tsy tia kolikoly ny mpitsara. Milaza ny Lalàn’Andriamanitra hoe olona toy izany no tokony hotendrena ho mpitsara. Vao nandeha kelikely tany an-tany efitra ny Israelita, dia efa nandidy an’i Mosesy Andriamanitra mba hitady “lehilahy mahay, matahotra an’Andriamanitra, azo itokisana, ary tsy tia tombony azo amin’ny tsy rariny” mba hatao mpitsara. (Eksodosy 18:21, 22) Naverin’i Mosesy indray, 40 taona taorian’izay, hoe tokony ho “hendry sy malina ary za-draharaha” ny mpitsara.—Deoteronomia 1:13-17.

Niteny tamin’ny mpitsara koa i Josafata * mpanjakan’ny Joda, taonjato maro tatỳ aoriana, hoe: “Tandremo tsara izay ataonareo, satria tsy ho an’ny olona no itsaranareo, fa ho an’i Jehovah. Ary momba anareo izy amin’ny fitsarana ataonareo. Koa aoka hatahotra an’i Jehovah ianareo. Mitandrema tsara amin’izay ataonareo, fa tsy misy tsy fahamarinana ao amin’i Jehovah Andriamanitsika, ary tsy mba miangatra na mandray kolikoly izy.” (2 Tantara 19:6, 7) Nampahatsiahy azy ireo i Josafata hoe tsy havelan’Andriamanitra ho afa-maina izy ireo raha miangatra sy tia kolikoly, ka mitondra fahavoazana ho an’ny olona.

Nilamin-tsaina ny Israelita sady tsy nijaly rehefa nankatò ny Lalàn’Andriamanitra ny mpitsara. Nisy toro lalana maromaro koa anefa tao amin’io lalàna io, ary nanampy ny mpitsara hanao ny rariny izany, na dia tamin’ny raharaha tena sarotra aza. Andeha hojerentsika ny sasany.

TORO LALANA HO AN’NY MPITSARA

Tsy nanao an’izay saim-pantany ny mpitsara na dia hendry sy nahay aza. Nomen’i Jehovah Andriamanitra toro lalana hanampy azy hamoaka didim-pitsarana ara-drariny izy ireo. Ireto misy ohatra:

Manadihady tsara. Nasain’Andriamanitra nilaza tamin’ny mpitsara israelita i Mosesy hoe: “Rehefa mihaino ny rahalahinareo hotsaraina ianareo, dia tsarao araka ny rariny izay manana ady amin’ny rahalahiny.” (Deoteronomia 1:16) Mila mahalala ny zava-nitranga rehetra ny mpitsara vao afaka mitsara araka ny rariny. Nasain’Andriamanitra ‘nikaroka  sy namotopototra ary nanadihady tsara’ àry izy ireo. Tokony ho azony antoka hoe “voaporofo fa marina” ny fiampangana iray, izay izy vao mamoaka didim-pitsarana.—Deoteronomia 13:14; 17:4.

Henoina ny vavolombelona rehetra. Tena mila henoina ny vavolombelona rehetra tamin’ilay raharaha. Hoy ny Lalàn’Andriamanitra: “Raha vavolombelona iray monja, dia tsy afaka mijoro hiampanga olona ny amin’ny fahadisoana na fahotana mety hataony, na inona izany na inona. Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hahamarim-pototra ilay raharaha.” (Deoteronomia 19:15) Izao kosa no didy nomena ny vavolombelona: “Aza manely tsaho. Ary aza miandany amin’ny ratsy fanahy ka mijoro ho vavolombelona mitetika ny hanao ratsy.”—Eksodosy 23:1.

Antitranterina hoe tena ilaina ny milaza ny marina. Henjana ny sazin’izay nandainga teo anatrehan’ny fitsarana. Izao no voalazan’ilay lalàna: “Hanadihady tsara ireo mpitsara, ka raha vavolombelona mandainga ilay olona, ary nanendrikendrika an’ilay rahalahiny, dia ataovy aminy izay saika hataony tamin’ny rahalahiny. Ary esory tsy ho eo aminao ny ratsy.” (Deoteronomia 19:18, 19) Raha tratra, ohatra, hoe nandainga ny olona iray mba hahazoana lovan’olon-kafa, dia hanome vola na zavatra hafa mitovy amin’ilay zavatra saika halainy izy. Raha nanendrikendrika olona tsy manan-tsiny kosa izy satria te hanameloka azy ho faty, dia ny ainy no hanefa. Tena nandrisika ny olona hilaza ny marina izany.

Tsy miangatra. Rehefa avy nandinika ny porofo rehetra ny mpitsara, dia niara-nanapa-kevitra momba ny didim-pitsarana havoaka. Nila nitadidy an’ity Lalàn’Andriamanitra ity izy ireo: “Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena. Tokony ho ara-drariny no hitsaranao ny namanao.” (Levitikosy 19:15) Tokony hiankina amin’izay zavatra tena nitranga foana  ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara, fa tsy tokony ho arakaraka ny paozin’ilay olona na ny fananany.

Mbola mahasoa hatramin’izao ireo toro lalana ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra ireo. Tsy hanao fahadisoana ny fitsarana raha arahina daholo ireo.

Tsy hanao fahadisoana ny fitsarana raha manaraka ny toro lalana ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra

MANDRAY SOA NY VAHOAKA REHEFA MANJAKA NY RARINY

Nampisaintsaina ny Israelita i Mosesy hoe: “Iza moa no firenen-dehibe manana fitsipika sy didim-pitsarana marina toy ireo lalàna rehetra ataoko eo anatrehanareo anio?” (Deoteronomia 4:8) Nanana tombony tokoa ny Israelita raha noharina tamin’ny firenena hafa. “Nonina tsy amin’ahiahy”, ohatra, izy ireo, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka satria niezaka nanaraka ny Lalàn’i Jehovah io mpanjaka io tamin’izy mbola tanora. Niadana izy ireo, nanana ny ampy, “nihinana sy nisotro ary nifaly.”—1 Mpanjaka 4:20, 25.

Nampalahelo fa tsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra intsony ny Israelita, tatỳ aoriana. Nasain’Andriamanitra nilaza i Jeremia mpaminany hoe: “Ny tenin’i Jehovah no nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?” (Jeremia 8:9) Lasa “tanàna mpandatsa-dra” sy feno “zava-maharikoriko” i Jerosalema. Rava izy io nony farany, ary tsy nisy nipetraka nandritra ny 70 taona.—Ezekiela 22:2; Jeremia 25:11.

Nahita ny zavatra mampalahelo nanjo ny Israelita i Isaia mpaminany, ka niaiky hoe aleo ihany manaraka ny Lalàn’i Jehovah. Hoy izy momba an’i Jehovah sy ny Lalàny: ‘Rehefa mitsara ny tany ianao, dia mianatra fahamarinana ny mponina eto an-tany.’—Isaia 26:9.

Nisy zavatra nahafaly an’i Isaia anefa. Nasain’Andriamanitra naminany izy hoe ho lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, ary hanao ny rariny. Hoy i Isaia: “Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany.” (Isaia 11:3, 4) Hahazo an’izany fitahiana tsara be izany ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 6:10.

^ feh. 6 “Jehovah no Mpitsara” no dikan’ny hoe Josafata.