Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miezaka” Hahazo Andraikitra ve Ianao?

“Miezaka” Hahazo Andraikitra ve Ianao?

NITAINTAINA i Fernando. * Nangataka hiresaka taminy ny anti-panahy roa. Vao haingana mantsy ny mpiandraikitra ny faritra no nitsidika ny fiangonan’izy ireo. Isaky ny avy mitsidika izy tao ho ao, dia resahin’ny anti-panahy amin’i Fernando izay tokony hataony raha te hahafeno fepetra hahazo andraikitra fanampiny izy. Lasa saina i Fernando rehefa nandeha ny fotoana hoe: ‘Ho voatendry ho anti-panahy ihany àry ve aho?’ Inona izao no holazain’ireo anti-panahy ireo?

Nihaino tsara i Fernando rehefa niresaka ny 1 Timoty 3:1 ny iray taminy. Nilaza izy fa naharay taratasy manendry an’i Fernando ho anti-panahy izy ireo. Taitra be i Fernando ka niteny hoe: “Ahoana a?” Naverin’ilay rahalahy ny teniny, ka nitsiky i Fernando. Faly erỳ ny fiangonana rehefa nampandrenesina ilay vaovao.

Diso ve ianao raha maniry hahazo andraikitra? Tsy izany mihitsy. Hoy ny 1 Timoty 3:1: “Raha misy olona miezaka ho tonga mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy.” Maro ny rahalahy miezaka mandroso ara-panahy mba hahazo andraikitra, araka io andininy io. Lasa ana hetsiny àry ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mahay, eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Rahalahy maro kokoa anefa no mila miezaka hahazo andraikitra, satria mihamaro ny olona eo anivon’ny fiangonana. Inona no tokony hatao raha te hahazo andraikitra? Mety ve ny manahy be momba izany, toa an’i Fernando?

INONA NO DIKAN’NY HOE “MIEZAKA”?

Avy amin’ny matoanteny grika midika hoe maniry mafy na manakatra, ilay hoe “miezaka” ao amin’ny 1 Timoty 3:1. Olona miezaka manakatra voankazo masaka eny ambony hazo no mety ho tonga ao an-tsainao amin’izany. Ny hoe miezaka anefa tsy midika hoe maniry mafy ny hahazo ny toeran’ny “mpiandraikitra.” Raha tena maniry ho anti-panahy mantsy ny olona iray, dia ny hanao  “asa tsara” no tokony ho tanjony fa tsy ny hahazo toerana.

Hita ao amin’ny 1 Timoty 3:2-7 sy ao amin’ny Titosy 1:5-9 ny maro amin’ny fepetra takina amin’ireo te hanao an’io asa tsara io. Hoy i Raymond, anti-panahy efa ela, momba an’ireo fitsipika ireo: “Ny tena zava-dehibe amiko dia hoe olona manao ahoana isika. Tsy ampy ny mahay mandaha-teny sy mahay mampianatra, na dia ilaina aza. Tokony tsy hisy hokianina koa isika, hahay mandanjalanja eo amin’izay zavatra fanao, hisaina tsara, ho tia filaminana, ho tia mandray vahiny, ary handefitra.”

Mandraisa anjara amin’izay atao eo anivon’ny fiangonana, raha “miezaka” hahazo andraikitra ianao

Miezaka mba tsy hisy hokianina ny rahalahy tena te hahazo andraikitra, ka manalavitra an’izay rehetra mety ho tsy fahamarinana sy fahalotoana. Mahay mandanjalanja eo amin’izay zavatra fanaony izy, misaina tsara, tia filaminana, ary mandefitra. Lasa matoky àry ny mpiara-manompo hoe hahay hitarika izy sady afaka manampy rehefa misy olana. Tia mandray vahiny koa izy ka mampahery ny tanora sy ny vaovao. Tia izay tsara izy, ka mampionona sy manampy an’ireo marary sy be taona. Miezaka ny hanana an’ireo toetra ireo izy mba hahasoa ny mpiara-manompo, fa tsy hoe mba ho voatendry. *

Marina fa manampy sy manoro hevitra ny anti-panahy. Ilay rahalahy mihitsy anefa no mila miezaka hahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina. Hoy i Henry, anti-panahy za-draharaha: “Miezaha mafy hahafeno fepetra raha te ho lasa mpiandraikitra ianao.” Hoy koa izy nanazava ny Mpitoriteny 9:10: “ ‘Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.’ Na inona na inona asain’ny anti-panahy ataonao, dia ataovy araka izay tsara indrindra vitanao izany. Tiavo daholo ny asa ampanaovina anao eo anivon’ny fiangonana, anisan’izany ny mamafa trano. Hisy hahamarika ny asa mafy sy ny ezaka ataonao amin’ny farany.” Mazotoa manao an’izay fanompoana masina asaina ataonao ary miezaha ho mendri-pitokisana, raha te ho anti-panahy ianao. Tokony hiharihary hoe manetry tena ianao fa tsy mitady voninahitra.—Mat. 23:8-12.

 TANDREMO NY TOE-TSAINA SY FIHETSIKA

Angamba te hiteny an-kolaka amin’ny anti-panahy ny rahalahy sasany hoe te hahazo andraikitra izy, na ataony izay hiheveran’ny anti-panahy fa mendrika an’izany izy. Misy indray tsy faly rehefa omen’ny anti-panahy torohevitra. Mila mieritreritra ireny rahalahy ireny hoe: ‘Mitady izay hahasoa ny tenako ve aho, sa manetry tena ka te hikarakara ny ondrin’i Jehovah?’

Tadidio fa tokony ho “modely ho an’ny andian’ondry” ny anti-panahy. (1 Pet. 5:1-3) Tsy manao zavatra amin-kafetsena na mieritreritra ny hamitaka olona ny modely ho an’ny fiangonana. Mila mahay miaritra sy manam-paharetana izy na efa voatendry na tsia. Tsy misy fahagagana anefa ka hoe tsy hanao diso intsony ny olona iray rehefa lasa anti-panahy. (Nom. 12:3; Sal. 106:32, 33) Mety ‘tsy hahita izay tsininy’ ny rahalahy iray, fa ny hafa kosa mety hahita lesoka aminy. (1 Kor. 4:4) Aza tezitra àry raha manome anao torohevitra avy ao amin’ny Baiboly ny anti-panahy. Mitady izay hahasoa anao izy. Henoy tsara ny toroheviny ary ampiharo.

AHOANA RAHA EFA NIANDRY ELA IANAO?

Maro no mihevitra hoe efa ela be izy no niandry nefa mbola tsy voatendry ihany. Raha efa taona maro ianao no ‘niezaka ho tonga mpiandraikitra’, tsy andrinao ve ilay izy indraindray? Milaza ny Ohabolana 13:12 hoe: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina, fa hazon’aina kosa ny faniriana tanteraka.”

Mety harary tokoa ny fo rehefa misy tanjona irina hotratrarina nefa toa tsy ho tratra mihitsy. Izany no tsapan’i Abrahama. Nampanantena hanome azy zanaka lahy i Jehovah, nefa tsy niteraka izy sy Saraha nandritra ny taona maro. (Gen. 12:1-3, 7) Nitalaho toy izao i Abrahama rehefa antitra: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, inona no homenao ahy? Ho faty ihany aho nefa mbola tsy manan-janaka ... Tsy nomenao taranaka aho.” Nanome toky azy i Jehovah fa ho tanteraka ilay fampanantenany. Efa 14 taona tatỳ aoriana, fara fahakeliny, vao tanteraka izany.—Gen. 15:2-4; 16:16; 21:5.

Tsy nahafaly an’i Abrahama intsony ve ny nanompo an’i Jehovah satria nila niandry izy? Tsia. Tsy nisalasala mihitsy izy hoe tsy ho tanteraka ny tenin’i Jehovah. Nanantena foana izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Nahazo izany fampanantenana izany i Abrahama, rehefa avy nampiseho faharetana.” (Heb. 6:15) Notahin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra io lehilahy tsy mivadika io tamin’ny farany, ary nomeny mihoatra noho izay nantenainy. Inona no lesona raisinao avy amin’izany?

Matokia foana an’i Jehovah raha efa taona maro ianao no naniry ho anti-panahy, nefa mbola tsy voatendry. Miezaha foana mba ho faly manompo azy. Nahoana? Hoy i Warren, izay nanampy rahalahy maro handroso ara-panahy: ‘Elaela vao hita hoe mahafeno fepetra sa tsia ny rahalahy iray. Hita tsikelikely amin’ny fihetsiny sy ny fomba anatanterahany ny asa ampanaovina azy ny fahaizany sy ny toetrany. Misy mihevitra fa tsy mahomby izy raha tsy mahazo andraikitra sasany. Diso anefa izany sady mety hahatonga azy tsy hieritreritra  afa-tsy ilay andraikitra. Efa mahomby ianao rehefa tsy mivadika amin’i Jehovah, na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona ataonao eo anivon’ny fiangonana na eny amin’ny saha.’

Niandry folo taona mahery ny rahalahy iray vao voatendry ho anti-panahy. Noresahiny ny momba ny kalesin’i Jehovah ao amin’ny Ezekiela toko voalohany, sy ny lesona noraisiny. Hoy izy: “I Jehovah no mifidy ny hafainganam-pandeha tiany hitondrana ny kalesiny, izany hoe ny fandaminany. Ny fotoanan’i Jehovah àry no zava-dehibe, fa tsy ny fotoanantsika. Hoatr’izany tamin’izaho naniry ho anti-panahy. Tsy izay niriko sy notadiaviko no zava-dehibe. Mety tsy hitovy amin’izay iriko ny zavatra fantatr’i Jehovah fa ilaiko.”

Te hanao ny asa tsara ataon’ny mpiandraikitra ve ianao indray andro any? Ampio hahita fifaliana àry ny rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana. Aza be fanahiana ary manàna faharetana, raha tsapanao hoe miandry ela be ianao. Hoy i Raymond, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tsy ho afa-po mihitsy ny olona iray raha tafahoatra ny faniriany hahazo zavatra iray. Tsy ho faly amin’ny fanompoana izay mieritreritra foana hoe rahoviana no ho voatendry.” Miezaha hanana vokatry ny fanahy bebe kokoa, indrindra fa ny fahari-po na faharetana. Mianara Baiboly mba hihatsara ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary miezaha hitory sy hampianatra bebe kokoa. Tariho hanao ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana ny fianakavianao, ary manaova Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Ankafizo foana ny fiarahana amin’ireo rahalahy sy anabavy. Ho faly hanompo an’i Jehovah ianao amin’izay, mandra-pahatratranao ny tanjonao.

Tena tombontsoa ny hoe avelan’i Jehovah hiezaka hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Tsy tian’i Jehovah sy ny fandaminany anefa raha kivy sy tsy faly amin’ny fanompoana ireo rahalahy miezaka hahazo andraikitra. Tohanan’i Jehovah sy tahiny izay rehetra manompo azy amin’ny fo manontolo, ary “tsy ampiany fahoriana” ny fitahiany.—Ohab. 10:22.

Mbola afaka mandroso tsara eo amin’ny ara-panahy ianao, na dia efa elaela aza no niezaka hahazo andraikitra. Miezaha hanana an’ireo toetra ilaina sy hiasa mafy eo anivon’ny fiangonana ary tsy hanao tsirambina ny fianakavianao. Tsy hadinon’i Jehovah ny zava-drehetra ataonao mba hanompoana azy. Ary enga anie ka hahafaly anao foana ny manompo azy, na inona na inona andraikitra omena anao.

^ feh. 2 Novana ireo anarana ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 8 Natao ho an’ireo maniry ho mpanampy amin’ny fanompoana koa ny toro lalana voaresaka ato. Ao amin’ny 1 Timoty 3:8-10, 12, 13 ny fepetra takina amin’izy ireo.