Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana isika no asaina mivavaka hoe ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

Te hahafantatra bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny zavatra hataony ve ianao?

Fitondrana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampianarin’i Jesosy hivavaka ny mpianany hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Izy io mantsy no hampanjaka indray ny rariny sy ny fiadanana. Tsy misy fitondran’olombelona mahafoana ny herisetra sy ny tsy rariny ary ny aretina. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manao izany sady tena hanao izany. Nanendry an’i Jesosy Zanany ho Mpanjakan’izy io i Jehovah Andriamanitra. Misy mpanara-dia an’i Jesosy koa hiara-manjaka aminy ary i Jehovah no nifidy azy ireo.—Vakio ny Lioka 11:2; 22:28-30.

Tsy ho ela dia handringana an’izay mikomy amin’Andriamanitra io Fanjakana io. Rehefa mivavaka àry isika hoe ho tonga anie ny Fanjakan’Andriamanitra, dia midika izany fa mangataka aminy isika mba hosoloana an’ilay Fanjakany ny fitondran’olombelona rehetra.—Vakio ny Daniela 7:13, 14; Apokalypsy 11:15, 18.

Nahoana no miavaka io Fanjakana io?

Mpanjaka tena tsara i Jesosy satria mahay mangoraka. Mahavita manampy an’izay mila vonjy amin’Andriamanitra koa izy satria Zanak’Andriamanitra.—Vakio ny Salamo 72:8, 12-14.

Hahazo fitahiana avy amin’ilay Fanjakana ianao raha mivavaka amin’ny fo manontolo momba azy io sy manao ny sitrapon’Andriamanitra. Fantaro koa izay lazain’ny Baiboly momba an’io Fanjakana io, fa tsy hanenina mihitsy ianao.—Vakio ny Lioka 18:16, 17; Jaona 4:23.