Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitraho ny Tombontsoanao Miara-miasa Amin’i Jehovah

Ankasitraho ny Tombontsoanao Miara-miasa Amin’i Jehovah

‘Mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika.’—1 KOR. 3:9.

1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny asa, ary inona no nataony vokatr’izany?

MAHAFALY an’i Jehovah ny asany. (Sal. 135:6; Jaona 5:17) Tiany ho faly toy izany koa ny anjely sy ny olombelona, ka nomeny asa mahafinaritra sy mahafa-po. Nasainy nanampy azy tamin’ny famoronana, ohatra, ny Zanany lahimatoa. (Vakio ny Kolosianina 1:15, 16.) Milaza ny Baiboly fa “mpiasa tena mahay” teo anilan’Andriamanitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany.—Ohab. 8:30.

2. Inona no porofo fa nanana asa lehibe sy mahafa-po foana ny anjely?

2 Hita ao amin’ny Baiboly manontolo fa nanome asa ho an’ny anjely foana i Jehovah. Rehefa nanota i Adama sy Eva ka noroahina avy tao amin’ny Paradisa, dia napetrak’Andriamanitra “teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena ireo kerobima sy ny lelan-tsabatra izay sady mirehitra no mihodinkodina, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.” (Gen. 3:24) Milaza koa ny Apokalypsy 22:6 fa “naniraka ny anjeliny hampiseho amin’ny mpanompony izay zavatra hitranga tsy ho ela” i Jehovah.

 NOMENY ASA NY OLOMBELONA

3. Inona no mampiseho fa nanahaka ny Rainy i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany?

3 Faly nanao ny asa nampanaovin’i Jehovah azy i Jesosy, tamin’izy olombelona lavorary teto an-tany. Nanahaka ny Rainy i Jesosy ka nasainy nanao asa lehibe iray ny mpianany. Nataony izay hahatonga azy ireo ho dodona hanao izany asa izany. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria izaho mankany amin’ny Ray.” (Jaona 14:12) Nasongadiny fa maika ilay asa, ka hoy izy: “Tsy maintsy manao ny asan’ilay naniraka ahy isika, dieny mbola antoandro. Fa ho avy ny alina izay tsy hahafahan’ny olona hiasa.”—Jaona 9:4.

4-6. a) Nahoana isika no tokony ho faly noho i Noa sy Mosesy nanao ny asa nampanaovin’i Jehovah? b) Inona no itovizan’ny asa rehetra ampanaovin’i Jehovah?

4 Efa nomena asa mahafa-po ny olombelona, talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Olona maro no nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy, fa tsy toa an’i Adama sy Eva. (Gen. 1:28) Nomen’i Jehovah toromarika mazava tsara momba ny fanamboarana ny sambofiara, ohatra, i Noa mba ho tafavoaka velona amin’ny Safodrano izy sy ny fianakaviany. Soa ihany fa narahiny tsara izany. Tsy nisy intsony mantsy ny olombelona raha tsy izany.—Gen. 6:14-16, 22; 2 Pet. 2:5.

5 Nahazo toromarika mazava tsara koa i Mosesy, mba hanorenana ny tranolay masina sy handaminana an’ireo mpisorona. Narahiny tsara izany. (Eks. 39:32; 40:12-16) Mbola mandray soa avy amin’ny fankatoavany isika ankehitriny. Nahoana? Nanazava ny apostoly Paoly fa fanoharana enti-milaza an’ireo “zavatra tsara ho avy” ireny zavatra notakin’ny Lalàna ireny.—Heb. 9:1-5, 9; 10:1.

6 Miovaova ny asa ampanaovin’Andriamanitra ny mpanompony, arakaraka izay ilaina mba hahatanteraka ny fikasany. Manome voninahitra an’i Jehovah sady mahasoa foana anefa ny asa asainy ataon’izy ireo. Toy izany ny asa nataon’i Jesosy, tamin’izy teto an-tany sy talohan’ny nahatongavany teto. (Jaona 4:34; 17:4) Manome voninahitra an’i Jehovah koa ny asa asainy ataontsika. (Mat. 5:16; vakio ny 1 Korintianina 15:58.) Nahoana?

TIAVO FOANA IZAY ASA AMPANAOVINA ANAO

7, 8. a) Inona ilay asa ataon’ny Kristianina ankehitriny? b) Ahoana no tokony hataontsika rehefa mahazo toromarika avy amin’i Jehovah isika?

7 Ekenao angamba fa tena mahavariana ny hoe tsy lavorary isika nefa omen’i Jehovah voninahitra hiara-miasa aminy. (1 Kor. 3:9) Manao asa fanorenana toa an’i Noa sy Mosesy ireo mpanorina Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana ary tranon’ny sampana. Ankasitraho ny tombontsoanao, na manavao Efitrano Fanjakana ao amin’ny misy anao ianao, na manorina ny foibentsika any Warwick, any Etazonia. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) Fanompoana masina izany. Fanorenana an’ohatra anefa no tena asaina ataon’ny Kristianina rehetra, dia ny fitoriana. Natao hanomezam-boninahitra an’i Jehovah koa io asa io sady mahasoa ny olona mankatò. (Asa. 13:47-49) Manome toromarika momba ny fomba tsara indrindra anaovana ny asa fitoriana ny fandaminan’i Jehovah. Mety hiova ny fanendrena antsika, vokatr’izany.

8 Nazoto nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika, hatramin’izay. (Vakio ny Hebreo 13:7, 17.) Mety hahazo toromarika momba ny fomba hanaovana ny asa ampanaovina antsika isika, ary tsy azontsika tsara angamba amin’ny voalohany ny anton’ilay izy. Fantatsika tsara anefa fa handray soa  isika raha miara-miasa amin’i Jehovah ka manao an’izay fanovana hitany fa tokony hatao.

9. Inona no modely omen’ny anti-panahy ho an’ny fiangonana?

9 Hita amin’ny fomba itarihan’ny anti-panahy ny fiangonana fa tena te hanao ny sitrapon’i Jehovah izy ireo. (2 Kor. 1:24; 1 Tes. 5:12, 13) Vonona hiasa mafy sy hanaraka an’izay fanovana ataon’ny fandaminana izy ireo. Mailaka izy ireo manaraka an’izay fomba fitory vaovao ampirisihina hatao. Nisy tamin’izy ireo nisalasala ny handamina fitoriana an-telefaonina na fitoriana eny amin’ny seranan-tsambo na eny amin’ny toerana be olona. Nanao an’ilay izy ihany anefa izy ireo, ka nahita vokatra tsara. Nisy mpisava lalana efatra tany Alemaina, ohatra, nanapa-kevitra hitory tamin’ny faritany iray be toeram-piasana, izay efa ela tsy nitoriana. Anisan’izy ireo ny anti-panahy atao hoe Michael. Nilaza izy fa natahotra be izy ireo satria efa aman-taonany no tsy nitory tamin’ny toeram-piasana. Hoy koa izy: “Tsy maintsy ho fantatr’i Jehovah izany matoa nataony nahafinaritra be ny fanompoanay tamin’iny maraina iny, ka tsy hohadinoinay mihitsy. Tena faly izahay hoe nanaraka ny toromarika tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ary niantehitra tamin’i Jehovah.” Ary ianao? Moa ve ianao mazoto manandrana ny karazana fitoriana vaovao atao ao amin’ny faritaninareo?

10. Inona no fanovana natao tato ho ato?

10 Misy fanovana atao indraindray eo anivon’ny fandaminana. Maromaro, ohatra, ny biraon’ny sampana natambatra tato ho ato. Nila nanao fanitsiana ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ireny biraon’ny sampana ireny. Tsy ela anefa dia hitan’izy rehetra fa mahasoa ilay fanovana. (Mpito. 7:8) Tena faly ireny mpiasa mazoto ireny mandray anjara amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah.

11-13. Inona no zava-tsarotra natrehin’ny Kristianina sasany, noho ny fanovana teo anivon’ny fandaminana?

11 Misy lesona lehibe raisintsika avy amin’ireo nanompo tany amin’ireny sampana natambatra ireny. Efa am-polony taona maro ny sasany no nanompo tao amin’ny Betela tao amin’ny taniny. Nanompo tao amin’ny Betela kely iray tany Amerika Afovoany i Rogelio sy ny vadiny. Nasaina nifindra tao amin’ny Betelan’i Meksika anefa izy ireo, ary efa ho avo 30 heny amin’ny isan’ny Betelita tany aminy ny isan’ny Betelita ao. Hoy izy: “Tena mafy ny nandao ny tapaka sy namana.” Nasaina nifindra tany amin’ny Betelan’i Meksika koa i Juan. Tsapany fa toy ny vao manomboka fiainana vaovao izy. Izao koa no nolazainy: “Tsy maintsy mitady namana vaovao aho, ary mila mizatra amin’ny kolontsaina sy fomba fisainana hafa.”

12 Tsy mora tamin’ireo Betelita tany amin’ny firenena sasany tany Eoropa koa ny nifindra tany amin’ny biraon’ny sampan’i Alemaina. Raha olona tia tendrombohitra ianao, dia ho azonao an-tsaina ny alahelon’ireo avy any Soisa, rehefa nandao an’ireo tendrombohitra kanton’i Alpes izy ireo. Ireo avy any Aotrisy indray tamin’ny voalohany, nalahelo ny fiainana milamindamina kokoa tany aminy.

13 Maro ny fanovana nataon’ireo nifindra. Tsy maintsy nizatra trano vaovao izy ireo, lasa niara-niasa tamin’ny rahalahy sy anabavy mbola tsy fantany, ary angamba nila nianatra asa vaovao. Vaovao koa ny fiangonana sy ny faritany itoriana, ary angamba ny fiteny ampiasaina. Maro ny Betelita nanao an’ireo fiovana ireo, na dia mety ho sarotra aza izany. Nahoana?

14, 15. a) Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina maro fa tiany foana ny miara-miasa amin’i Jehovah, na inona na inona asa asaina ataony? b) Nahoana izy ireo no ohatra tsara ho antsika?

14 Hoy i Grethel: “Nanaiky an’ilay fanasana  hifindra aho. Izay mantsy no ampisehoako amin’i Jehovah fa tia azy foana aho, na aiza na aiza firenena na trano misy ahy, ary na inona na inona tombontsoam-panompoako.” Hoy koa i Dayska: “Nitadidy aho hoe avy amin’i Jehovah ilay fanasana, ka faly aho nanaiky an’ilay izy.” Miombon-kevitra amin’izy ireo i André sy Gabriela, ka niteny hoe: “Hitanay fa fomba ampisehoanay koa izany hoe mampandefitra ny fanirianay izahay mba hanompoana an’i Jehovah.” Rehefa misy fanovana ataon’i Jehovah, hoy izy ireo, dia aleo manaraka ny onjany fotsiny fa tsy manohitra an’ilay izy.

Ny manao ny asan’i Jehovah no tombontsoa lehibe indrindra ananantsika

15 Nisy Betelita sasany nasaina nanao ny asan’ny mpisava lalana, rehefa natambatra ireo sampana. Izany no nitranga rehefa natambatra ny sampan’i Danemark sy Norvezy ary Soeda, ka lasa nantsoina hoe biraon’ny sampan’i Skandinavia. Anisan’ireny Betelita ireny i Florian sy Anja vadiny. Tsy mora ilay fanendrena vaovao nefa nazoto hanao izany izy ireo. Hoy izy ireo: “Tena mahafinaritra anay foana ny ampiasain’i Jehovah, na aiza izany na aiza. Tsapanay hoe mahazo fitahiana be dia be izahay.” Mety tsy hiova be toy izany ny fiainan’ny ankamaroantsika. Afaka manahaka an’ireny rahalahy sy anabavy ireny anefa isika, ka ho vonona hanao loha laharana an’ilay Fanjakana toa azy ireo. (Isaia 6:8) Tahin’i Jehovah foana isika raha mankasitraka ny tombontsoa miara-miasa aminy, na aiza na aiza anompoantsika azy.

ANKAFIZO FOANA NY TOMBONTSOANAO MIARA-MIASA AMIN’I JEHOVAH

16. a) Inona no tokony hataontsika araka ny Galatianina 6:4? b) Inona no tombontsoa lehibe indrindra azon’ny olona ananana?

16 Tsy lavorary isika ka mora mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa. Milaza anefa ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hifantoka amin’izay azontsika atao isika. (Vakio ny Galatianina 6:4.) Tsy isika rehetra no afaka ny ho anti-panahy na mpisava lalana na misionera na Betelita. Tombontsoa miavaka ireo, nefa ny tombontsoa lehibe indrindra dia ny miara-miasa amin’i Jehovah amin’ny fitoriana ny vaovao  tsara. Tadidio fa manana an’io tombontsoa io isika rehetra. Aoka àry isika hankasitraka an’izany.

17. Inona foana no hitranga raha mbola eto amin’ny tontolon’i Satana isika, nefa nahoana izany no tsy tokony hahakivy antsika?

17 Voafetra ihany ny azontsika atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, raha mbola eto amin’ny tontolon’i Satana isika. Mety ho tsy azo ialana mantsy ny zavatra sasany, toy ny andraikitra ara-pianakaviana na ny aretina. Tsy tokony hahakivy anefa izany. Tadidio fa afaka miara-miasa amin’Andriamanitra ianao, rehefa mitory momba ny anarany sy ny Fanjakany isaky ny misy hirika anaovana izany. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe manompo an’i Jehovah araka izay vitanao ianao, ary mivavaka mba hanampiany an’ireo Kristianina hafa afaka manao betsaka kokoa noho ianao. Tsarovy fa sarobidy amin’i Jehovah ny olona tsirairay midera ny anarany.

18. Tokony ho vonona hanao inona isika, ary nahoana?

18 Faly i Jehovah miara-miasa amintsika, na dia tsy lavorary aza isika ka manana kileman-toetra. Tena ankasitrahantsika ny tombontsoa miara-miasa aminy, amin’izao andro farany izao. Tokony ho vonona hampandefitra an’ireo zavatra maro tiantsika hatao àry aloha isika izao. Fantatsika mantsy fa mbola havelan’i Jehovah hankafy ny “tena fiainana” isika, ao amin’ny tontolo vaovao. Ho sambatra sy hiadana isika amin’izay ary hiaina mandrakizay.—1 Tim. 6:18, 19.

Ankasitrahanao ve ny tombontsoanao manompo an’i Jehovah? (Fehintsoratra 16-18)

19. Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika?

19 Toy ny hoe efa eo an-tokonan’ny tontolo vaovao isika izao. Saintsaino àry ny tenin’i Mosesy tamin’ireo Israelita, taloha kelin’ny nidiran’izy ireo ny Tany Nampanantenaina. Hoy izy: “Hataon’i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ny vokatry ny asa rehetra ataonao.” (Deot. 30:9) Aorian’ny Hara-magedona, dia handova ny tany araka ny efa nampanantenain’Andriamanitra ireo nazoto niara-niasa taminy. Hahazo fanendrena vaovao isika amin’izay, satria hanova ny tany ho paradisa tsara tarehy.