Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Nitsanganan’i Jesosy Tamin’ny Maty?

Inona no Vokatry ny Nitsanganan’i Jesosy Tamin’ny Maty?

“Efa natsangana izy.”​—MAT. 28:6.

1, 2. a) Inona no tian’ny mpitondra fivavahana ho fantatra, ary ahoana no namalian’i Petera azy ireo? b) Nahoana i Petera no be herim-po tamin’io?

TEO anatrehan’ny lehilahy maromaro mampahatahotra ny apostoly Petera, andro vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy iza izany fa ny mpitondra fivavahana jiosy. Izy ireo no niray tetika hamono an’i Jesosy. Vao avy nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny i Petera tamin’izay. Nanontany ireo lehilahy ireo hoe fahefana avy aiza ary tamin’ny anaran’iza no nanaovany an’izany. Sahy namaly azy ireo i Petera hoe nahavita izany izy, ‘noho ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, ilay nofantsihan’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana, nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty.’—Asa. 4:5-10.

2 Nahoana i Petera no be herim-po toy izany, nefa natahotra izy talohan’izay ka nanda an’i Jesosy intelo? (Mar. 14:66-72) Ankoatra ny fanahy masina, dia nanampy azy ny finoany fa tena natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nahoana izy no natoky tanteraka hoe velona i Jesosy? Nahoana koa isika no afaka matoky an’izany?

3, 4. a) Iza avy no efa natsangana tamin’ny maty talohan’ny nahaterahan’ny apostoly? b) Iza avy no natsangan’i Jesosy tamin’ny maty?

3 Tsy vaovao tamin’ny apostolin’i Jesosy ny hoe afaka ny ho velona indray ny maty. Efa nisy olona natsangana tamin’ny maty talohan’ny nahaterahan’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa nomen’Andriamanitra hery hananganana ny maty i Elia sy Elisa mpaminany. (1 Mpanj. 17:17-24; 2 Mpanj. 4:32-37) Velona koa ny lehilahy iray rehefa natsipy tao am-pasana ny fatiny ka nidona tamin’ny taolan’i Elisa. (2 Mpanj. 13:20, 21) Nino an’ireny fitantarana ao amin’ny Soratra Masina ireny ny Kristianina voalohany, toa antsika izay mino fa marina ny Tenin’Andriamanitra.

4 Azo inoana fa tena mampihetsi-po antsika rehetra ireo tantara momba ny nananganan’i Jesosy olona tamin’ny maty. Tsy maintsy ho gaga be ilay vehivavy mpitondratena rehefa natsangan’i Jesosy ny zanany lahitokana. (Lioka 7:11-15) Nanangana zazavavy 12 taona koa i Jesosy. Eritrereto ange ny hafaliana sy ny hagagan’ny ray aman-dreniny, izay nalahelo be e! (Lioka 8:49-56) Faly be koa ny olona nahita fa nivoaka avy tao am-pasana i Lazarosy ary velona sy salama tsara.—Jaona 11:38-44.

NAHOANA NO MIAVAKA NY FITSANGANAN’I JESOSY TAMIN’NY MATY?

5. Nahoana no tsy mitovy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ireo fitsanganana amin’ny maty talohany?

5 Fantatr’ireo apostoly fa tsy toy ny fitsanganana hafa tany alohany ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Nofo aman-dra mantsy ireo olona natsangana talohany rehefa velona, ary mbola maty ihany. I Jesosy kosa lasa nanana vatana ara-panahy tsy mety simba rehefa natsangana. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:34.) Nanoratra i Petera hoe ‘nofo i Jesosy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.’ “Eo ankavanan’Andriamanitra izy, satria nankany an-danitra, ary nasaina nanaiky azy ny anjely sy ny fahefana ary ny fanjakana.” (1 Pet. 3:18-22) Nahatalanjona ireo fitsanganana amin’ny maty talohan’i Jesosy, nefa mbola miavaka kokoa ny azy.

6. Inona no vokatry ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, teo amin’ny mpianany?

6 Nisy vokany lalina teo amin’ny mpianatr’i Jesosy ny nitsanganany tamin’ny maty. Efa velona izy fa tsy araka ny noeritreretin’ny fahavalony. Lasa fanahy mahery izy ary tsy hisy hahavita hanisy ratsy azy. Voaporofo tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty fa Zanak’Andriamanitra izy. Nampahery an’ireo mpianany izany, ka niova ho fifaliam-be ny fahorian’izy ireo. Tsy natahotra intsony izy ireo fa lasa be herim-po. Tsy maintsy natsangana tamin’ny maty i Jesosy mba ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah. Tsy ho nisy dikany koa ilay vaovao tsara notorin’ny mpianany raha tsy nitsangana izy.

7. Inona no ataon’i Jesosy izao, ary inona no fanontaniana vokatr’izany?

7 Fantatsika tsara fa tsy lehilahy miavaka fotsiny i Jesosy Kristy. Velona izy izao ary mitarika ny asa fitoriana eran-tany. Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra koa izy. Tsy ho ela izy dia hanala ny faharatsiana rehetra sy hanova ny tany ho paradisa mba hiainan’ny olona mandrakizay. (Lioka 23:43) Tsy hitranga izany rehetra izany raha tsy natsangana tamin’ny maty izy. Nahoana àry isika no mino fa natsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy? Inona no vokatr’izany fitsanganany izany eo amintsika?

NANDRESY NY FAHAFATESANA I JEHOVAH

8, 9. a) Nahoana no nasain’ireo mpitondra fivavahana jiosy natao tsara ambina ny fasan’i Jesosy? b) Inona no nitranga rehefa nisy vehivavy tonga teo amin’ilay fasana?

8 Rehefa avy novonoina i Jesosy, dia hoy ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo tamin’i Pilato: “Tompoko, tsaroanay izay nolazain’iny mpisandoka iny fony fahavelony hoe: ‘Hitsangana aho rehefa afaka telo andro.’ Koa asaivo atao tsara ambina ny fasana hatramin’ny andro fahatelo, sao ho avy ny mpianany ka hangalatra azy ary hilaza amin’ny olona hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy!’ Dia ho ratsy noho ny voalohany izany fisandohana farany izany.” Koa hoy i Pilato taminy: “Manana mpiambina ianareo. Mandehana ataovy tsara ambina araka izay vitanareo ny fasana.” Dia nataon’izy ireo izany.—Mat. 27:62-66.

9 Nalevina tao amin’ny fasana nolavahana teo amin’ny vatolampy i Jesosy, ary nisy vato be nakodia teo am-baravaran’izy io. Tian’ny mpitondra fivavahana jiosy ho faty mandrakizay tao izy. Hafa mihitsy anefa ny fikasan’i Jehovah. Tonga teo amin’ilay fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray tamin’ny andro fahatelo, ka nahita fa efa niala ilay vato ary nisy anjely nipetraka teo amboniny. Nasain’ilay anjely nijery tao am-pasana izy roa vavy mba hahitany fa foana ilay fasana. Hoy ilay anjely: “Tsy ato izy fa efa natsangana.” (Mat. 28:1-6) Velona i Jesosy!

10. Inona no nolazain’i Paoly mba hanaporofoana fa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy?

10 Voaporofo fa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy, rehefa jerena izay nitranga nandritra ny 40 andro taorian’izay. Namintina an’ireny porofo ireny ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Korintianina hoe: “Anisan’ny zavatra voalohany natolotro anareo ilay efa noraisiko koa, dia izao: Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina, ary nalevina izy dia natsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina, ary niseho tamin’i Kefasy izy, ary avy eo tamin’izy roa ambin’ny folo lahy. Taorian’izany, dia rahalahy maherin’ny dimanjato no indray nisehoany, ka mbola velona ankehitriny ny ankamaroany, fa ny sasany kosa efa nodimandry. Taorian’izany, dia niseho tamin’i Jakoba izy, avy eo tamin’ny apostoly rehetra, ary farany indrindra, dia niseho tamiko koa izy, toy ny hoe niseho tamin’ny zaza teraka tsy tonga volana.”—1 Kor. 15:3-8.

NAHOANA ISIKA NO MINO FA NATSANGANA TAMIN’NY MATY I JESOSY?

11. Nahoana no azo lazaina fa nitranga “araka ny Soratra Masina” ny fitsanganan’i Jesosy?

11 Voalohany, satria nitranga “araka ny Soratra Masina” ny nitsanganany tamin’ny maty. Efa niresaka mialoha an’izany ny Soratra Masina. Nanoratra, ohatra, i Davida hoe tsy havelan’Andriamanitra hijanona ao am-pasana ‘ilay mpanompony tsy mivadika.’ (Vakio ny Salamo 16:10.) Nilaza i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33 fa i Jesosy no resahin’io faminaniana io. Hoy izy: “Efa hitan’i Davida mialoha ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary efa niresaka momba izany izy, dia ny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana i Jesosy sady tsy lo ny nofony.”—Asa. 2:23-27, 31.

12. Iza avy no nahita an’i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy?

12 Faharoa, satria maro ny vavolombelona nahita an’izany. Niseho tamin’ny mpianany nandritra ny 40 andro i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Anisan’izany ilay tao amin’ny zaridaina nisy ny fasany, sy teny amin’ny lalana mankany Emaosy, ary tany an-toeran-kafa. (Lioka 24:13-15) Niresaka tamin’ny olona iray izy tamin’ireny fotoana ireny, ohatra hoe i Petera, na tamin’ny olona maromaro. Niseho tamin’ny olona 500 mahery aza izy indray mandeha! Tsy azo iadian-kevitra mihitsy ny hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy, satria be dia be ny olona nahita azy avy natsangana.

13. Nahoana ny zotom-pon’ireo mpianatra no manaporofo fa nino izy ireo hoe natsangana i Jesosy?

13 Fahatelo, satria nazoto be ny mpianatr’i Jesosy nitory momba ny nitsanganany tamin’ny maty. Nenjehina sy nampijalina ary novonoina ho faty izy ireo, satria nazoto nanambara an’izany. Raha fitaka fotsiny ilay hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ho nanao vivery ny ainy ve i Petera ka hilaza an’izany tamin’ireo mpitondra fivavahana, izay nankahala an’i Jesosy sy niray tetika hamono azy? Nanao vivery ny ainy anefa i Petera sy ny mpianatra hafa, satria natoky tanteraka fa velona i Jesosy ary nitarika an’ilay asa nasain’Andriamanitra hatao. Ny fitsanganan’i Jesosy koa dia nanome toky an’ireo mpanara-dia azy fa mbola hatsangana amin’ny maty izy ireo. Nino an’izany, ohatra, i Stefana tamin’izy hovonoina.—Asa. 7:55-60.

14. Nahoana ianao no mino fa velona i Jesosy?

14 Fahefatra, satria manana porofo isika hoe Mpanjaka i Jesosy izao sady Lohan’ny fiangonana kristianina. Miroborobo be ny tena Fivavahana Kristianina, vokatr’izany. Hitranga ve izany raha tsy natsangana tamin’ny maty i Jesosy? Nety tsy ho nandre ny momba azy akory isika raha tsy natsangana izy. Misy antony marim-pototra tokoa mahatonga antsika hino fa velona i Jesosy sady mitarika ny fitoriana ny vaovao tsara eran-tany.

INONA NO VOKATRY NY NITSANGANAN’I JESOSY TAMIN’NY MATY?

15. Nahoana ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no mahatonga antsika ho be herim-po?

15 Lasa manana herim-po hitoriana isika. Nampiasa ny fiadiana rehetra ny fahavalon’Andriamanitra nandritra ny 2 000 taona, mba tsy hielezan’ny vaovao tsara. Anisan’izany ny fivadiham-pinoana, fanesoana, herisetra, fandrarana, fampijaliana, ary ny famonoana ho faty. Tsy nahavita nampitsahatra ny fitoriana sy fanaovana mpianatra anefa ny ‘fiadiana namboarina hamelezana antsika.’ (Isaia 54:17) Tsy matahotra an’ireo mpanompon’i Satana isika. Momba antsika sy manampy antsika i Jesosy, araka ny nampanantenainy. (Mat. 28:20) Tsy misy atahorantsika mihitsy, satria tsy hahavita hampangina antsika ny fahavalo, na inona na inona ataony.

Manana herim-po hitoriana isika satria i Jesosy natsangana tamin’ny maty (Fehintsoratra 15)

16, 17. a) Nahoana ny fitsanganan’i Jesosy no manaporofo fa marina ny fampianarany? b) Nomen’i Jehovah hery hanaovana inona i Jesosy, araka ny Jaona 11:25?

16 Voaporofo fa marina ny zavatra nampianarin’i Jesosy. Nilaza i Paoly fa very maina ny finoan’ny Kristianina sy ny asa fitoriana raha tsy natsangana tamin’ny maty i Kristy. Nilaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly fa ‘tena voafitaka ny Kristianina raha tsy natsangana tamin’ny maty i Kristy.’ Raha tsy natsangana i Jesosy, dia lasa tantara mampalahelo fotsiny ny Filazantsara, izany hoe tantaran’ny lehilahy hendry sy tsara fanahy novonoin’ny fahavalony. Tena natsangana anefa izy ka voaporofo fa marina ny zavatra nampianariny, anisan’izany izay nolazainy momba ny hoavy.—Vakio ny 1 Korintianina 15:14, 15, 20.

17 Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25) Tsy maintsy ho tanteraka io fampanantenana miavaka io. Nomen’i Jehovah hery i Jesosy, mba hananganana an’ireo olona ho lasa fanahy any an-danitra sy ireo an’arivony tapitrisa hiaina mandrakizay eto an-tany. Ho foana ny fahafatesana, noho ny soron’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Tsy manampy anao hanana hery hiaretana an’izay fitsapana mitranga ve izany, ary mahatonga anao ho sahy hiatrika fahafatesana mihitsy?

18. Inona no atokisantsika noho i Jesosy natsangana?

18 Lasa matoky isika fa hotsaraina araka ny fitsipika feno fitiavana napetrak’i Jehovah ny mponina eto an-tany. Hoy i Paoly tamin’ny lehilahy sy vehivavy maromaro tany Atena: ‘Mikasa hitsara ny tany onenana Andriamanitra, eny, hitsara azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany azy io tamin’ny maty.’ (Asa. 17:31) I Jesosy no Mpitsara notendren’Andriamanitra, ary afaka matoky isika fa ho be fitiavana sy hitsara araka ny rariny izy.—Vakio ny Isaia 11:2-4.

19. Inona no vokatry ny finoantsika hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy?

19 Lasa mazoto manao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Tsy ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana mihitsy isika, raha tsy natao sorona sy natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Rom. 5:12; 6:23) Raha tsy natsangana koa izy, dia mety hieritreritra isika hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Kor. 15:32) Tsy variana mikatsaka fahafinaretana anefa isika. Sarobidy amintsika kosa ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ka mankatò an’i Jehovah foana isika.

20. Nahoana ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no manaporofo fa tena lehibe i Jehovah?

20 Voaporofo fa tena lehibe i Jehovah, ilay “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Heb. 11:6) Manana hery sy fahendrena lehibe izy, matoa nahavita nanangana an’i Jesosy sy nanome azy vatana ara-panahy tsy mety maty sy afaka miaina any an-danitra. Nasehon’i Jehovah tamin’izany koa fa mahavita manatanteraka ny fampanantenany rehetra izy. Anisan’izany ilay hoe hisy ‘taranaka’ iray handamina an’ilay adihevitra momba ny zony ho mpanjakan’izao rehetra izao. Tsy tanteraka io fampanantenana io raha tsy maty sy novelomina indray i Jesosy.—Gen. 3:15.

21. Inona no vokatry ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty eo aminao?

21 Tsy mankasitraka an’i Jehovah ve ianao, noho izy manome toky fa hitsangana ny maty? Mampanantena ny Soratra Masina hoe: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Nampitaina tamin’ny apostoly Jaona io fampanantenana mahatalanjona io, ary nilazana izy hoe: “Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.” Avy amin’iza ireo teny ireo? Avy amin’i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty.Apok. 1:1; 21:3-5.