Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Olona Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny”

“Olona Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny”

“Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!”—SAL. 144:15.

1. Inona no eritreretin’ny olona sasany momba an’ireo mpivavaka amin’Andriamanitra?

MARO no tonga dia manaiky fa tsy tena manampy ny olona ny fivavahana lehibe, na izany Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina na hafa. Misy mihevitra fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ireny fivavahana ireny satria tsy mampianatra ny marina momba azy sady manao zavatra maharikoriko. Mino anefa izy ireo fa misy olona tso-po any amin’ny fivavahana rehetra, ary hitan’Andriamanitra izy ireny sady ekeny ho tena mpivavaka aminy. Mihevitra izy ireo fa tsy mila miala amin’ny fivavahan-diso ireny olona ireny ka hitokana ao amin’ny fivavahana iray. Izany ve anefa no fiheveran’Andriamanitra? Hodinihintsika ao amin’ny Baiboly ny tantaran’ny tena mpanompon’i Jehovah, mba hahitana ny valin’izany.

VAHOAKA NANAOVAN’I JEHOVAH FIFANEKENA

2. Iza no lasa vahoakan’i Jehovah, ary inona no nampiavaka azy ireo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Nifidy olona maromaro mba ho vahoakany eto an-tany i Jehovah, 4 000 taona lasa teo ho eo izay. An-jatony ny olona anisan’ny ankohonan’i Abrahama, ilay loham-pianakaviana nantsoina hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana.” (Rom. 4:11; Gen. 14:14) Nanaja azy ny mpitondra tany Kanana satria nihevitra fa “voatendrin’andriamanitra ho mpiadidy” izy. (Gen. 21:22; 23:6) Nanao fifanekena tamin’i Abrahama sy ny taranany i Jehovah. (Gen. 17:1, 2, 19) Hoy izy taminy: ‘Izao no fifanekena tokony hohajainareo, dia ny fifanekena ataoko aminareo sy amin’ny taranakao handimby anao: Tsy maintsy forana ny lahy rehetra eo aminareo. Izany no ho famantarana an’ilay fifanekena ataoko aminareo.’ (Gen. 17:10, 11) Noforana àry i Abrahama sy ny lehilahy rehetra anisan’ny ankohonany. (Gen. 17:24-27) Ny famorana no famantarana fa ny taranak’i Abrahama ihany no vahoaka nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra.

3. Ahoana no nahatonga ny taranak’i Abrahama ho lasa vahoaka be?

3 Nanan-janaka 12 lahy i Jakoba na Israely, zafikelin’i Abrahama. (Gen. 35:10, 22b-26) Izy ireo no lasa loham-pianakavian’ny foko 12 teo amin’ny Israely. (Asa. 7:8) Nifindra tany Ejipta i Jakoba sy ny ankohonany noho ny mosary. Mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta i Josefa zanak’i Jakoba tamin’izay ary tena nitokisan’i Farao. (Gen. 41:39-41; 42:6) Nihamaro ny taranak’i Jakoba ka lasa vahoaka be.—Gen. 48:4; vakio ny Asan’ny Apostoly 7:17.

VAHOAKA NAVOTAN’I JEHOVAH

4. Nanao ahoana ny fifandraisan’ny Ejipsianina sy ny taranak’i Jakoba, tamin’ny voalohany?

4 Tany Gosena, any Ejipta, ny taranak’i Jakoba nandritra ny 200 taona mahery. (Gen. 45:9, 10) Toa nihavana tamin’ny Ejipsianina izy ireo nandritra ny zato taona teo ho eo, ary nipetraka tany amin’ny tanàna kely sady niandry ny ondriny sy ny ombiny. Nandray tsara azy ireo i Farao, izay nahalala an’i Josefa sy tia azy. (Gen. 47:1-6) Halan’ny Ejipsianina ny mpiandry ondry, nefa nanaiky hiara-monina tamin’ny Israelita ihany izy ireo.—Genesisy 46:31-34.

5, 6. a) Nahoana no niova ny fiainan’ny vahoakan’i Jehovah tany Ejipta? b) Nahoana i Mosesy no tsy maty ary inona no nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany?

5 Nivadika tampoka anefa ny rasa. ‘Nisy mpanjaka vaovao tany Ejipta, tatỳ aoriana, ary tsy nahalala an’i Josefa izy io. Hoy izy tamin’ny vahoakany: “Jereo fa lasa maro sy mahery noho isika ny zanak’Israely.” Nandevoziny teo ambany fitondrana jadona ny zanak’Israely. Nataony izay hampangidy ny fiainan’izy ireo, ka nandevoziny mafy izy ireo rehefa nasainy nanao rihitra tanimanga sy biriky mbamin’izay karazam-panandevozana rehetra.’—Eks. 1:8, 9, 13, 14.

6 Namoaka didy mihitsy i Farao fa tokony hovonoina ho faty ny zazalahy hebreo rehetra vao teraka. (Eks. 1:15, 16) Tamin’izany i Mosesy no teraka. Nafenin’ny reniny teny amin’ny bararata tao amin’ny Reniranon’i Neily izy tamin’izy telo volana. Hitan’ny zanakavavin’i Farao izy ary natsangany ho zanany. Soa ihany fa i Jokebeda reniny ihany no nitaiza azy, ka lasa mpanompon’i Jehovah tsy nivadika izy. (Eks. 2:1-10; Heb. 11:23-25) Hitan’i Jehovah ny fahorian’ny vahoakany ka tapa-kevitra ny hanafaka azy ireo izy. I Mosesy no nasainy nitarika azy ireo. (Eks. 2:24, 25; 3:9, 10) Lasa vahoaka navotan’i Jehovah izy ireo.—Eks. 15:13; vakio ny Deoteronomia 15:15.

LASA FIRENENA NY ISRAELITA

7, 8. Inona no nahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho lasa firenena masina?

7 Efa noheverin’i Jehovah ho vahoakany ny Israelita na dia mbola tsy firenena voalamina aza. Nirahiny ho any amin’i Farao àry i Mosesy sy Arona mba hiteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Alefaso ny oloko, mba hankalaza fety ho ahy any an-tany efitra.’ ”—Eks. 5:1.

8 Afaka tamin’ny fampahorian’ny Ejipsianina ny zanak’Israely, taorian’ny loza folo sy ny fandringanana an’i Farao sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena. (Eks. 15:1-4) Nanao fifanekena tamin’ny Israelita teo an-tendrombohitra Sinay i Jehovah, telo volana latsaka taorian’izay. Hoy izy: ‘Raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo, dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo, sy ho firenena masina.’—Eks. 19:5, 6.

9, 10. a) Nahoana ny Lalàna no nampiavaka ny Israelita tamin’ny firenen-kafa, rehefa jerena ny Deoteronomia 4:5-8? b) Ahoana no nampisehoan’ny Israelita fa ‘vahoaka masina teo anatrehan’i Jehovah’ izy ireo?

9 Voalamina isam-poko ny Hebreo tany Ejipta, tamin’izy ireo mbola tsy andevo. Ny loham-pianakaviana no niandraikitra azy ireo ka nifehy sy nitsara azy ireo ary nanao sorona. Izany no efa nataon’ny mpanompon’i Jehovah tany aloha. (Gen. 8:20; 18:19; Joba 1:4, 5) Nomen’i Jehovah fehezan-dalàna anefa ny Israelita ary i Mosesy no nampita izany. Nampiavaka azy ireo tamin’ny firenena hafa rehetra izany. (Vakio ny Deoteronomia 4:5-8; Sal. 147:19, 20.) Araka ny Lalàna, dia nisy olona natokana ho mpisorona. Ny “anti-panahy” kosa no nitsara, ary nohajaina izy ireo satria nanana fahalalana sy fahendrena. (Deot. 25:7, 8) Nirakitra toromarika momba ny fivavahana sy ny fiainana andavanandro ny Lalàna.

10 Naverin’i Jehovah tamin’ny Israelita ny Lalàny rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Hoy i Mosesy: ‘I Jehovah no nahatonga anao hiteny androany hoe ho vahoakany ianao, ho fananany manokana araka izay nampanantenainy anao. Izany koa no nahatonga anao hilaza fa hitandrina ny didiny rehetra ianao, ary hanandratra anao ho ambony noho ny firenena hafa rehetra nataony izy. Ho fiderana sy laza ary hatsaran-tarehy ianao, amin’ny maha vahoaka masina anao eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.’—Deot. 26:18, 19.

NORAISINA TSARA NY VAHINY

11-13. a) Iza no lasa niaraka tamin’ilay vahoaka voafidin’Andriamanitra? b) Nila nanao inona ireo tsy Israelita raha te hanompo an’i Jehovah?

11 Efa nofidin’i Jehovah ho fireneny ny Israelita, nefa navelany hiara-monina tamin’izy ireo ny olona avy tamin’ny firenen-kafa. Rehefa nanafaka ny vahoakany avy tany Ejipta, ohatra, izy, dia navelany hiaraka tamin’izy ireo ny “olona maro hafa firenena”, anisan’izany ny Ejipsianina. (Eks. 12:38) Nisy “mpanompon’i Farao” natahotra ny tenin’i Jehovah nandritra ny loza fahafito. Azo inoana fa niaraka tamin’ny Israelita nandao an’i Ejipta izy ireo.—Eks. 9:20.

12 Taloha kelin’ny hiampitan’ny Israelita ny Reniranon’i Jordana mba haka ny tany Kanana, dia nandidy azy ireo ho ‘tia ny mpivahiny’ eo aminy i Mosesy. (Deot. 10:17-19) Tsy maintsy navelany hiara-monina taminy izay vahiny vonona hankatò ny lalàna fototra nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. (Lev. 24:22) Lasa mpanompon’i Jehovah ny vahiny sasany ka nitovy fihetseham-po tamin’i Rota Moabita. Hoy izy tamin’i Naomy, vehivavy israelita: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16) Lasa nanaraka ny Fivavahana Jiosy ireny olona hafa firenena ireny, ary noforana ny lehilahy teo aminy. (Eks. 12:48, 49) Neken’i Jehovah ho anisan’ny vahoaka voafidiny izy ireny.—Nom. 15:14, 15.

Tia an’ireo vahiny ny Israelita (Fehintsoratra 11-13)

13 Neken’i Jehovah ho mpanompony ireo tsy Israelita, araka ny vavak’i Solomona rehefa nitokana ny tempoly. Hoy izy: “Raha misy koa vahiny, izay tsy anisan’ny Israely olonao, nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin’ny anaranao be voninahitra sy ny tananao mahery ary ny sandrinao nahinjitra, ka tonga mivavaka manandrify an’ity trano ity, dia enga anie ianao hihaino any an-danitra, any amin’ny fonenanao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny anao, mba hahafantaran’ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao, sy hatahorany anao toy ny atahoran’ny Israely olonao anao, ary hahafantarany fa ny anaranao no efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity!” (2 Tan. 6:32, 33) Nila niaraka tamin’ilay vahoaka voafidin’i Jehovah ireo tsy Israelita te hanompo azy. Toy izany koa tamin’ny andron’i Jesosy.—Jaona 12:20; Asa. 8:27.

FIRENENA IRAY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

14-16. a) Nahoana no azo lazaina hoe vavolombelon’i Jehovah ny firenen’Israely? b) Inona no adidin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

14 Nivavaka tamin’i Jehovah ny Israelita fa ny firenen-kafa kosa nivavaka tamin’ny andriamaniny. Tamin’ny andron’i Isaia mpaminany, dia nampitahain’i Jehovah tamin’izay mitranga eny amin’ny fitsarana izany. Nasainy namoaka vavolombelona hanamarina ny maha andriamanitra azy ny andriamanitry ny firenena. Hoy izy: “Aoka hiangona eo amin’ny toerana iray ny firenena rehetra, ary aoka ho tafangona ny firenena samy hafa. Iza amin’ireo andriamanitra no afaka milaza an’izany? Ary iza no afaka manambara aminay ny zavatra hitranga voalohany? Aoka izy ireo hanome vavolombelona hanamarina azy, na aoka ny vavolombelony handre ka hilaza hoe: ‘Marina izany!’ ”—Isaia 43:9.

15 Tsy nahavita nanaporofo ny maha andriamanitra azy ny andriamanitr’ireo firenena. Sampy fotsiny izy ireny ary tsy miteny sady mila olona hibata. (Isaia 46:5-7) Hoy kosa i Jehovah tamin’ny Israely olony: ‘Ianareo no vavolombeloko, eny, mpanompoko izay nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo ahy, ary hahatakaranareo fa tsy miova Aho. Talohako dia tsy nisy Andriamanitra voaforona, ary mbola tsy nisy koa taoriako. Izaho no Jehovah, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho. Koa ianareo no vavolombeloko ary izaho no Andriamanitra.’—Isaia 43:10-12.

16 Toy ny nisy raharaham-pitsarana nahakasika ny olona rehetra tamin’izay. Niadian-kevitra ny hoe: “Iza no Andriamanitra Fara Tampony?” Tsy maintsy nanaporofo mazava tsara ilay vahoaka nofidin’i Jehovah hoe i Jehovah irery no tena Andriamanitra. Nilaza i Jehovah fa izy ireo no ‘vahoaka noforoniny ho azy mba hitantara ny zavatra mendri-piderana nataony.’ (Isaia 43:21) Nitondra ny anarany ilay vahoaka. Navotan’i Jehovah avy tany Ejipta izy ireo, ka nanana adidy hanaporofo hoe i Jehovah no manana zo hitondra. Tokony hanaraka ity nolazain’i Mika mpaminany ity izy ireo: “Ny firenena rehetra samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.” (Mika 4:5) Izany koa no tokony hataon’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny.

NIKOMY ILAY VAHOAKA

17. Nahoana ny Israely no lasa toy ny ‘voalobokadia ratsy’ teo imason’i Jehovah?

17 Nampalahelo fa nivadika tamin’i Jehovah ny firenen’Israely. Lasa nivavaka tamin’ny vato sy hazo izy ireo, toy ny firenen-kafa. Hoy i Hosea mpaminany, 2 800 taona teo ho eo izay: ‘Voaloboka mihasimba ny Israely. Nampitomboany ny isan’ny alitarany. Lasa nihatsaravelatsihy ny fony, ka ho meloka izy.’ (Hosea 10:1, 2) Naniraka an’i Jeremia hilaza toy izao tamin’ilay vahoaka nivadika i Jehovah, 150 taona teo ho eo tatỳ aoriana: ‘Izaho namboly anao mba ho voaloboka mena faran’izay tsara, eny, karazam-boa tena izy. Koa ahoana no nampiova anao ho sampam-boalobokadia sy ratsy? Aiza ireo andriamanitra nataonareo? Aoka ireny no hitsangana raha mahavonjy anareo amin’ny fotoana mahory anareo. Ny oloko kosa anefa nanadino ahy.’—Jer. 2:21, 28, 32.

18, 19. a) Ahoana no nilazan’i Jehovah mialoha fa hisy firenena vaovao hisolo tena azy? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Namoa voa ratsy ny Israelita. Tsy nanaraka ny fivavahana marina intsony izy ireo sady tsy nijoro ho vavolombelon’i Jehovah fa nanompo sampy. Hoy àry i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy mpihatsaravelatsihy tamin’ny androny: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mat. 21:43) Niresaka mialoha momba ny “fifanekena vaovao” tamin’i Jeremia mpaminany i Jehovah. Ireo olona nanaovana an’io fifanekena io ihany no ho anisan’ilay firenena vaovao na Israely ara-panahy. Naminany toy izao momba azy ireo i Jehovah: “Ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho oloko.”—Jer. 31:31-33.

19 Ny Israely ara-panahy indray no lasa vahoakan’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nivadika ny firenen’Israely. Iza kosa no vahoakany eto an-tany ankehitriny? Ahoana no ahafantaran’ireo olona tso-po hoe iza no tena mpanompon’Andriamanitra? Resahin’ny lahatsoratra manaraka izany.