Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Firenen’Andriamanitra Ianareo Ankehitriny’

‘Firenen’Andriamanitra Ianareo Ankehitriny’

“Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.”1 PET. 2:10.

1, 2. Inona no fiovana nisy tamin’ny Pentekosta taona 33? Iza no lasa anisan’ny firenena vaovaon’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

FOTOANA miavaka ho an’ny vahoakan’i Jehovah ny Pentekosta taona 33. Nisy fiovana lehibe tamin’io. Nampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hisian’ny firenena vaovao iray, dia ny Israely ara-panahy na “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) Ny famorana no namantarana ny vahoakany hatramin’ny andron’i Abrahama, nefa tsy toy izany intsony nanomboka teo. Hoy i Paoly momba ireo anisan’io firenena io: “Voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy.”Rom. 2:29.

2 Iza no voalohany anisan’ny firenena vaovaon’Andriamanitra? Ny apostoly sy ny mpianatr’i Kristy zato mahery, izay nivory tao amin’ny efitrano iray ambony rihana tao Jerosalema. (Asa. 1:12-15) Nilatsahan’ny fanahy masina izy ireo ka lasa zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy. (Rom. 8:15, 16; 2 Kor. 1:21) Noporofoin’io zava-nitranga io fa nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao. I Kristy no mpanelanelana amin’izy io ary ny rany no nampanan-kery azy io. (Lioka 22:20; vakio ny Hebreo 9:15.) Lasa anisan’ny firenena vaovaon’i Jehovah àry ireo mpianatra ireo. Nahazo fanahy masina izy ireo ka nahay fiteny samihafa. Hainy ny fitenin’ireo Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, izay tonga tao Jerosalema mba hankalaza ny Fetin’ireo Herinandro na Pentekosta. Nitory tamin’ireny olona avy any amin’ny faritra rehetra nanjakan’ny Romanina ireny ireo Kristianina voahosotra ireo. Nandre sy nahazo izay nolazaina taminy ireny olona ireny, satria tamin’ny fiteniny no nitoriana “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.”——Asa. 2:1-11.

ILAY FIRENENA VAOVAON’ANDRIAMANITRA

3-5. a) Inona no nolazain’i Petera tamin’ny Jiosy tamin’ny Pentekosta? b) Inona avy no nitranga ka nampitombo ny isan’ireo anisan’ilay firenena vaovao?

3 Ny apostoly Petera no nirahin’i Jehovah hanasa ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy mba ho anisan’ilay firenena vaovao, dia ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. Sahy niteny tamin’ny Jiosy i Petera tamin’ny Pentekosta hoe tsy maintsy eken’izy ireo i Jesosy, ilay ‘nofantsihan’izy ireo teo amin’ny tsato-kazo’ satria “nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” izy. Nanontany izay tokony hataony ny vahoaka, ka hoy i Petera: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka. Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.” (Asa. 2:22, 23, 36-38) Olona 3 000 teo ho eo no lasa anisan’ilay firenena vaovao na Israely ara-panahy, tamin’iny andro iny. (Asa. 2:41) Vao mainka nahita vokatra ireo apostoly nazoto nitory, taorian’izay. (Asa. 6:7) Nihamaro àry ireo anisan’ilay firenena vaovao.

4 Nitory tamin’ny Samaritanina ny mpianatra, tatỳ aoriana, ka nahita vokatra. Nanao batisa olona maro i Filipo, mpitory ny vaovao tsara, nefa tsy tonga dia nahazo ny fanahy masina izy ireo. Naniraka an’i Petera sy Jaona nankany amin’ireo olona vao lasa Kristianina ireo ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema. “Nametra-tanana tamin’ireo izy roa lahy, ka nandray ny fanahy masina ireo.” (Asa. 8:5, 6, 14-17) Nahazo ny fanahy masina koa àry ireo Samaritanina ireo ka lasa anisan’ny Israely ara-panahy.

Nitory tamin’i Kornelio sy ny ankohonany i Petera (Fehintsoratra 5)

5 Nirahin’i Jehovah mba hanasa antokon’olona hafa ho anisan’ilay firenena vaovao i Petera tamin’ny taona 36. Nitory tamin’i Kornelio manamboninahitra romanina sy ny ankohonany ary ny namany izy. (Asa. 10:22, 24, 34, 35) Hoy ny Baiboly: “Raha mbola nilaza izany i Petera, dia nilatsaka tamin’izay [tsy Jiosy] rehetra nihaino ny teny ny fanahy masina. Dia gaga ireo olona tsy mivadika anisan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny hafa firenena koa ny fanomezana maimaim-poana, dia ny fanahy masina.” (Asa. 10:44, 45) Nasaina ho anisan’ny Israely ara-panahy koa àry ny hafa firenena tsy voafora, nanomboka teo.

FIRENENA ‘MITONDRA NY ANARANY’

6, 7. Ahoana no nanaporofoan’ny tena Kristianina fa ‘mitondra ny anaran’i Jehovah’ izy ireo? Hatraiza no nanaovan’izy ireo izany?

6 Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy tamin’ny fivoriana iray nataon’ny filan-kevi-pitantanana, tamin’ny taona 49: “Efa notantarain’i Simeona [Petera] tamin’ny an-tsipiriany ny nanombohan’Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.” (Asa. 15:14) Samy anisan’io firenena vaovao mitondra ny anaran’i Jehovah io ny Kristianina jiosy sy tsy jiosy. (Rom. 11:25, 26a) Hoy i Petera tatỳ aoriana: “Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.” Hoy koa izy momba ny antony namoronana an’ilay firenena vaovao: ‘Ianareo dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay” niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ (1 Pet. 2:9, 10) Tsy maintsy midera an’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, izy ireo sady manome voninahitra ny anarany eo anatrehan’ny olona. Tokony ho vavolombelona be herim-po misolo tena an’i Jehovah izy ireo.

7 Toy ny Israelita fahiny, dia nantsoin’i Jehovah hoe ‘ilay vahoaka noforoniny ho azy mba hitantara ny zavatra mendri-piderana nataony’ ny Israely ara-panahy. (Isaia 43:21) Sahy nampiharihary ireo Kristianina voalohany ireo hoe diso ny andriamanitra rehetra nivavahan’ny olona fa i Jehovah irery no tena Andriamanitra. (1 Tes. 1:9) Nijoro ho vavolombelon’i Jehovah sy Jesosy izy ireo tany ‘Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.’—Asa. 1:8; Kol. 1:23.

8. Inona no fampitandremana nomen’i Paoly ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany?

8 Anisan’ireo be herim-po ‘nitondra ny anaran’i Jehovah’ tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly. Sahy nilaza tamin’ny filozofa mpanompo sampy izy fa i Jehovah irery no manana zo hitondra ary izy ilay “Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy, eny, Izy izay Tompon’ny lanitra sy ny tany.” (Asa. 17:18, 23-25) Nampitandrina ny vahoakan’Andriamanitra i Paoly tamin’ny faran’ny dia misionera fahatelo nataony hoe: “Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:29, 30) Efa nisy io fivadiham-pinoana io tamin’ny faran’ny taonjato voalohany.—1 Jaona 2:18, 19.

9. Nanao ahoana ilay firenena ‘nitondra ny anaran’i Jehovah’, rehefa maty ny apostoly?

9 Niroborobo ny fivadiham-pinoana rehefa maty ny apostoly, ka lasa nisy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Tokony ‘hitondra ny anaran’i Jehovah’ izy ireo, nefa tsy nanao izany. Nesoriny tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro kosa ny anaran’Andriamanitra. Nanao ny fanaon’ny mpanompo sampy izy ireo ary nanala baraka an’Andriamanitra, satria ratsy fitondran-tena sady nampianatra zavatra tsy avy ao amin’ny Baiboly. Nandeha niady koa izy ireo ary nolazainy fa ady masina izany. Tsy nisy vahoaka voalamina mba ‘hitondra ny anaran’i Jehovah’ intsony àry nandritra ny taonjato maromaro, ary vitsy kely ny olona tsy mivadika.

TERAKA INDRAY NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

10, 11. a) Inona no efa nolazain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny vary sy tsimparifary? b) Ahoana no nahatanterahan’ilay fanoharan’i Jesosy taorian’ny 1914, ary inona no vokatr’izany?

10 Efa nilaza i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny vary sy tsimparifary, fa tena ho sarotra ny hamantatra ny fivavahana marina, noho ny fivadiham-pinoana. Nilaza izy fa “raha mbola natory ny olona” dia namafazan’ny Devoly tsimparifary ilay saha namafazan’ny Zanak’olona vary. Hiara-maniry ny vary sy tsimparifary mandra-pahatongan’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Nohazavain’i Jesosy fa “ny voa tsara” dia “ny zanak’ilay fanjakana” ary “ny tsimparifary” dia “ny zanak’ilay ratsy.” Haniraka “ny mpijinja” na ny anjeliny ny Zanak’olona mandritra ny fotoanan’ny farany, mba hanavaka ny vary amin’ny tsimparifary, ka hangonina ny zanak’ilay Fanjakana. (Mat. 13:24-30, 36-43) Ahoana no nahatanterahan’izany? Ary nahoana no lasa nisy vahoaka nanompo an’i Jehovah indray teto an-tany vokatr’izany?

11 Tamin’ny 1914 no nanomboka “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” An’arivony ny Kristianina voahosotra tamin’izany. Babo tao amin’i Babylona Lehibe ireo “zanak’ilay fanjakana” ireo, nandritra an’ilay ady nanomboka tamin’ny 1914. Nafahan’i Jehovah anefa izy ireo tamin’ny 1919, ka niharihary fa tsy mitovy amin’ny “tsimparifary”, dia ny Kristianina sandoka. Nangonin’i Jehovah “ny zanak’ilay fanjakana” ka nataony vahoaka voalamina. Tanteraka àry ilay faminanian’i Isaia hoe: “Hisy tany ho teraka ao anatin’ny iray andro ve? Sa hisy firenena hatao indray miteraka? I Ziona anefa vao nihetsi-jaza dia niteraka an’ireo zanany lahy.” (Isaia 66:8) Ny fandaminan’i Jehovah misy an’ireo anjely no atao hoe Ziona. Niteraka an’ireo Kristianina voahosotra izy io ka nandamina azy ireo ho firenena iray.

12. Ahoana no anaporofoan’ireo voahosotra fa izy ireo no ‘mitondra ny anaran’i Jehovah’ ankehitriny?

12 Tokony ho vavolombelon’i Jehovah koa ireo voahosotra “zanak’ilay fanjakana”, toy ny Kristianina voalohany. (Vakio ny Isaia 43:1, 10, 11.) Hiavaka izy ireo satria tsara fitondran-tena sy mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 24:14; Fil. 2:15) Nanampy olona an-tapitrisany mba ho marina ka hifandray akaiky amin’i Jehovah izy ireo noho izany.—Vakio ny Daniela 12:3.

“MBA HANDEHA HIARAKA AMINAREO IZAHAY”

13, 14. Inona no tsy maintsy ataon’ireo tsy Israelita ara-panahy mba hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoany, ary inona no lazain’ny faminaniana momba izany?

13 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa navelan’i Jehovah hanompo azy ny olona hafa firenena, nefa tsy maintsy niaraka tamin’ny vahoakany. (1 Mpanj. 8:41-43) Ilain’ireo rehetra tsy Israelita ara-panahy koa ankehitriny ny miaraka amin’ny “zanak’ilay fanjakana”, izany hoe ireo Vavolombelona voahosotry ny fanahy.

14 Nisy mpaminany roa efa nilaza fa hisy olona maro be hanompo an’i Jehovah mandritra ny fotoanan’ny farany. Hoy i Isaia: ‘Maro ny olona hanao hoe: “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.” Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.’ (Isaia 2:2, 3) Naminany koa i Zakaria fa “hisy olona maro sy firenena matanjaka ho avy hitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika any Jerosalema, sy hitady sitraka amin’i Jehovah.” Nampitahainy tamin’ny “olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena” izy ireo. Toy ny hoe mihazona ny akanjon’ny Israely ara-panahy izy ireo ka miteny hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”—Zak. 8:20-23.

15. Inona ilay asa ataon’ny “ondry hafa” ‘miaraka’ amin’ny Israelita ara-panahy?

15 ‘Miaraka’ amin’ny Israelita ara-panahy ny “ondry hafa” rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Mar. 13:10) Lasa anisan’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo ka “andiany iray” miaraka amin’ny voahosotra. I Kristy Jesosy izay “mpiandry tena tsara” no miandry azy ireo.—Vakio ny Jaona 10:14-16.

MIARAHA AMIN’NY VAHOAKAN’I JEHOVAH MBA HO VOARO

16. Inona no hataon’i Jehovah ka hitarika ho amin’ny Hara-magedona?

16 Hisy hanafika ny vahoakan’i Jehovah rehefa rava i Babylona Lehibe. Hila ny fiarovan’i Jehovah isika mandritra an’io fanafihana mahery vaika io. Izy io no hitarika ho amin’ny Hara-magedona, ilay tapany farany amin’ny “fahoriana lehibe.” I Jehovah àry no hanao zavatra mba hahatonga an’ilay fanafihana sy hifidy ny fotoana hitrangany. (Mat. 24:21; Ezek. 38:2-4) Hotafihin’i Goga ilay “vahoaka nangonina avy any amin’ireo firenena”, dia ny vahoakan’i Jehovah. (Ezek. 38:10-12) Io fanafihana io no ho famantarana fa hampihatra ny didim-pitsarany amin’i Goga sy ny tafiny i Jehovah. Hasehony fa izy no manana zo hitondra ary hohamasininy ny anarany, satria hoy izy: ‘Izao no hataoko eo imason’ny firenena maro: Hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’—Ezek. 38:18-23.

Mila mifandray akaiky foana amin’ny fiangonana misy antsika isika mandritra ny “fahoriana lehibe” (Fehintsoratra 16-18)

17, 18. a) Inona no toromarika ho azon’ny vahoakan’i Jehovah rehefa hanafika azy ireo i Goga? b) Inona no tsy maintsy ataontsika mba harovan’i Jehovah?

17 Rehefa hanafika i Goga dia hiteny amin’ny vahoakany i Jehovah hoe: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonao anatiny, ry oloko, ka hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fanamelohana.” (Isaia 26:20) Hanome toromarika mba hamonjena antsika i Jehovah amin’izay, ary mety hisy ifandraisany amin’ny fiangonana misy antsika ilay hoe ‘efitrano anatiny.’

18 Inona no tsy maintsy ataontsika mba harovan’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe? Tsy maintsy manaiky isika fa manana vahoaka eto an-tany izy, ary voalamina ho fiangonana maromaro izy ireo. Tsy maintsy miandany hatrany amin’io vahoaka io isika, ary mifandray akaiky foana amin’ny fiangonana misy antsika. Toy ny mpanao salamo, dia enga anie isika hilaza amin’ny fo manontolo hoe: “Avy amin’i Jehovah ny famonjena. Mitahy ny olonao ianao.”—Sal. 3:8.