Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no tokony hanendrena ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana?

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy, tamin’ny taonjato voalohany: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.” (Asa. 20:28) Inona no anjara asan’ny fanahy masina amin’ny fanendrena anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ankehitriny?

Voalohany, ny fanahy masina no nandrisika ny mpanoratra Baiboly mba hanoratra ny fepetra takina amin’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Misy fepetra 16 takina amin’ny anti-panahy ao amin’ny 1 Timoty 3:1-7. Misy koa any amin’ny andininy hafa, toy ny Titosy 1:5-9 sy ny Jakoba 3:17, 18. Ao amin’ny 1 Timoty 3:8-10, 12, 13 kosa ny fepetra takina amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana. Faharoa, mivavaka mba hotarihin’ny fanahin’i Jehovah ireo manolotra an’ilay rahalahy sy ireo manendry azy, rehefa mijery raha fenon’ilay rahalahy araka ny antonony ny fepetra takin’ny Soratra Masina. Fahatelo, mila maneho ny vokatry ny fanahy masina ilay rahalahy atolotra. (Gal. 5:22, 23) Mandray anjara amin’ny lafiny rehetra amin’ilay fanendrena àry ny fanahy masina.

Iza anefa no tena manendry an’ireny rahalahy ireny? Taloha dia nalefa tany amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana ny fanolorana anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Nisy rahalahy notendren’ny Filan-kevi-pitantanana tany mba handinika an’ireo fanolorana sy hanao ny fanendrena, raha hita fa mahafeno fepetra amin’ilay andraikitra anolorana azy ilay rahalahy. Ny biraon’ny sampana avy eo no nampahafantatra an’ilay fanendrena tamin’ireo anti-panahy rehetra ao amin’ny fiangonan’ilay rahalahy. Ireo anti-panahy indray no nilaza tamin’ilay rahalahy hoe voatendry izy, ary nanontany azy raha vonona hanao an’ilay andraikitra izy sady tena mahafeno fepetra. Nampandrenesina teo anivon’ny fiangonana ilay izy tamin’ny farany.

Ary ahoana ny tamin’ny taonjato voalohany? Nanendry olona mba hanao asa manokana ny apostoly, indraindray. Izy ireo, ohatra, no nanendry an’ireo lehilahy fito nasaina hizara sakafo isan’andro ho an’ny mpitondratena. (Asa. 6:1-6) Mety ho efa anti-panahy anefa ireo lehilahy ireo, talohan’ny nanomezana azy an’io andraikitra fanampiny io.

Tsy lazain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany ny fomba nanaovana ny fanendrena tsirairay tamin’izany, nefa azo fantarina ihany izany. Voalaza fa rehefa nody i Paoly sy Barnabasy, taorian’ny diany misionera voalohany, dia ‘nanendry anti-panahy teo anivon’ny fiangonana tsirairay izy roa lahy, ary nivavaka sady nifady hanina, ka nanankina azy ireo tamin’i Jehovah, dia ilay ninoan’izy ireo.’ (Asa. 14:23) Taona maro tatỳ aoriana, dia hoy i Paoly tamin’i Titosy mpiara-dia taminy: “Ny namelako anao tany Kreta, dia ny hanitsianao ireo zavatra tsy nety sy ny hanendrenao anti-panahy isan-tanàna, araka ny nandidiako anao.” (Tit. 1:5) Toa nomena fahefana hanao fanendrena toy izany koa i Timoty, izay niara-dia imbetsaka tamin’i Paoly. (1 Tim. 5:22) Ny mpiandraikitra mpitety faritany àry tamin’izany no nanao an’ireny fanendrena ireny fa tsy ny apostoly sy anti-panahy tao Jerosalema.

Nandinika an’ireo ohatra ara-baiboly ireo ny Filan-kevi-pitantanana ka nanitsy ny fomba anendrena anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Toy izao no anaovana izany nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2014: Handinika tsara ny fanolorana voarainy avy ao amin’ny faritra iasany ny mpiandraikitra ny faritra tsirairay. Hiezaka hahafantatra an’ireo rahalahy atolotra izy rehefa mitsidika an’ireo fiangonana, ka hiara-manompo aminy raha azo atao. Hiara-mandinika an’ireo fanolorana amin’ny anti-panahy rehetra ao amin’izay fiangonana tsidihiny izy, ary hanendry an’ireo anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ireo fiangonana ao amin’ny faritra iasany. Mitovy kokoa amin’ny natao tamin’ny taonjato voalohany amin’izay ilay fomba fanendrena.

Anti-panahy sy mpiandraikitra ny faritra, miara-mandinika raha mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina ny rahalahy iray (Malawi)

Iza no manao ny andraikitra tsirairay tafiditra amin’ilay fanendrena? Ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” foana no tena manana andraikitra hanome sakafo an’ireo mpanompo ao an-trano. (Mat. 24:45-47) Mikaroka ao amin’ny Soratra Masina io mpanompo io mba hahafahany hanome tari-dalana momba ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ny fandaminana ny fiangonana eran-tany. Manampy azy io amin’izany ny fanahy masina. Io mpanompo io koa no manendry ny mpiandraikitra ny faritra sy ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana. Ny biraon’ny sampana tsirairay kosa no manampy ny rehetra hanaraka ny tari-dalana voaray. Manana andraikitra lehibe ny anti-panahy tsirairay, satria mila mandinika tsara ny fepetra takin’ny Soratra Masina amin’ireo rahalahy atolony mba homena andraikitra eo anivon’ny fiangonan’Andriamanitra. Manana andraikitra lehibe koa ny mpiandraikitra ny faritra tsirairay, satria mila mandinika tsara an’ireo fanolorana ataon’ny anti-panahy sy mivavaka momba izany ary manendry an’izay mahafeno fepetra.

Mazava amintsika izao ny fomba fanaovana an’ireo fanendrena, ka azontsika kokoa ny anjara asan’ny fanahy masina amin’izany. Vao mainka àry isika matoky sy manaja an’ireo lehilahy voatendry eo anivon’ny fiangonana kristianina.—Heb. 13:7, 17.

Iza ireo vavolombelona roa resahin’ny Apokalypsy toko faha-11?

Hisy vavolombelona roa haminany mandritra ny 1 260 andro, araka ny Apokalypsy 11:3. Voalaza fa “handresy sy hahafaty” azy ireo ilay bibidia. Hovelomina indray anefa izy ireo rehefa afaka “telo andro sy tapany”, ka ho gaga izay rehetra mahita azy.—Apok. 11:7, 11.

Iza ireo vavolombelona roa? Manampy antsika hahalala azy ireo ny tsipirian’ilay fitantarana. Voalohany, oharina amin’ny “hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa” izy ireo. (Apok. 11:4) Mampahatsiahy antsika an’ilay fitoeran-jiro sy hazo oliva roa resahin’ny faminanian’i Zakaria izany. Voalaza ao fa ny hazo oliva roa dia “voahosotra roa”, izany hoe i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe, izay “mijoro eo anilan’ilay Tompon’ny tany manontolo.” (Zak. 4:1-3, 14) Faharoa, manao famantarana toy ny nataon’i Mosesy sy Elia ireo vavolombelona roa.—Ampitahao amin’ny Nomery 16:1-7, 28-35 sy 1 Mpanjaka 17:1; 18:41-45 ny Apokalypsy 11:5, 6.

Mifandray ny voalazan’ny Apokalypsy sy Zakaria, satria samy miresaka an’ireo voahosotr’Andriamanitra izay nitarika ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny fotoam-pitsapana. Tanteraka àry ny Apokalypsy toko faha-11 rehefa nitory ‘nitafy akanjo gony’ nandritra ny telo taona sy tapany ireo rahalahy voahosotra izay nitarika ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1914. Tamin’io no nanomboka nanjaka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nogadraina nandritra ny telo andro sy tapany an’ohatra ireo voahosotra ireo, rehefa avy nitory nitafy gony. Toy ny maty izy ireo nandritra an’io fotoana fohy io. Nitsahatra ny asany, raha araka ny fahitan’ny mpanohitra, ka faly be ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra.—Apok. 11:8-10.

Novelomina anefa ireo vavolombelona roa taorian’ny telo andro sy tapany, araka ilay faminaniana. Navoaka ny fonja ireo voahosotra tsy nivadika ireo. Nampiasa an’i Jesosy Kristy koa Andriamanitra tamin’ny 1919 mba hanome fanendrena manokana azy ireo. Anisan’ireo notendrena ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy ireo tamin’izay, ary nasaina nikarakara ny sakafo ara-panahy ilain’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro farany.—Mat. 24:45-47; Apok. 11:11, 12.

Ampifandraisin’ny Apokalypsy 11:1, 2 amin’ny fotoana andrefesana na andinihana ny tempoly ara-panahy ireo zava-nitranga ireo. Milaza koa ny Malakia toko faha-3 fa nodinihina ny tempoly ara-panahy ary nodiovina. (Mal. 3:1-4) Nanomboka tamin’ny 1914 ilay fandinihana sy fanadiovana ary nifarana tamin’ny voalohandohan’ny 1919. Samy mifanitsy amin’io fotoana io ireo 1 260 andro (42 volana) sy ireo telo andro sy tapany an’ohatra, resahin’ny Apokalypsy toko faha-11.

Faly isika noho ilay fanadiovana ara-panahy nataon’i Jehovah satria lasa nisy firenena manokana iray vonona hanao asa tsara. (Tit. 2:14) Ankasitrahantsika koa ny ohatr’ireo voahosotra tsy nivadika, izay nitarika ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny fotoam-pitsapana ka nanao ny asan’ireo vavolombelona roa. *