Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANONTANY NY MPAMAKY

Inona no Marina Momba ny Krismasy?

Inona no Marina Momba ny Krismasy?

Olona an-tapitrisany eran-tany no mankalaza Krismasy. Maro ny antony ankalazan’izy ireo izany. Misy te hanao fety miaraka amin’ny havany sy ny namany. Amin’io kosa ny hafa no mahatsiaro an’Andriamanitra na manampy ny sahirana. Tsy misy maha ratsy an’ireo. Lasa tsy mety anefa ireo raha noho ny Krismasy no anaovana azy. Fa nahoana?

Voalohany, olona maro mpankalaza Krismasy no mino fa fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy izy io. Miaiky anefa ny mpahay tantara maro fa tsy fantatra ny daty nahaterahan’i Jesosy. Milaza ny boky iray momba ny fivavahana kristianina fa “tsy nety nanokana daty iray hankalazana ny nahaterahan’i Jesosy ny Kristianina voalohany”, satria te “hiala amin’ny fanaon’ny mpanompo sampy.” Tsara homarihina koa fa tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy hoe nankalaza ny andro nahaterahany na ny an’olon-kafa i Jesosy. Ny andro nahafatesany kosa no nasainy notsarovan’ny mpanara-dia azy.—Lioka 22:19.

Faharoa, miaiky ny manam-pahaizana maro fa avy amin’ny fanaon’ny olona tsy Kristianina sy ny mpanompo sampy fahiny ny ankamaroan’ny zavatra atao rehefa Krismasy. Misy, ohatra, manao hazo krismasy sy Dadabe Noely, mifanolotra fanomezana, mandrehitra labozia, manisy girlandy, ary manao hira krismasy. Hoy ny boky Ny Fivavahana Katolika etỳ Ivelany (anglisy): “Rehefa mifanolotra fanomezana isika amin’ny Krismasy ary manaingo ny tranontsika sy ny fiangonantsika amin’ny zavamaniry, firy amintsika moa no mahalala hoe izany ange ka mety ho fanaon’ny mpanompo sampy e?”

“Rehefa mifanolotra fanomezana isika amin’ny Krismasy ary manaingo ny tranontsika sy ny fiangonantsika amin’ny zavamaniry, firy amintsika moa no mahalala hoe izany ange ka mety ho fanaon’ny mpanompo sampy e?”—Ny Fivavahana Katolika etỳ Ivelany

Mety hanontany tena anefa ianao hoe hoatran’ny tsy maninona ireo fombafomba ireo ka inona no maharatsy azy. Aleo hojerentsika ny antony fahatelo mba hamaliana izany. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona mampifangaro ny fivavahana marina amin’ny fanaon’ny mpanompo sampy. Nasainy niteny tamin’ny Israelita nivadika taminy, ohatra, i Amosa mpaminany hoe: “Halako sady laviko ny fetinareo. ... Esory lavitra ahy ny tabataban’ny hiranareo.”—Amosa 5:21, 23.

Nahoana Andriamanitra no niteny mahery toy izany? Diniho izay nataon’ny mponin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Nasian’i Jeroboama, mpanjakan’izy ireo, zanak’omby volamena tany Dana sy Betela. Nampirisihiny hivavaka tamin’ireo zanak’omby ireo ny olona fa tsy hivavaka tamin’i Jehovah araka ny tokony ho izy, tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Namorona andro fety koa izy ary nanendry mpisorona hanampy ny vahoaka hankalaza an’ireo fety ireo.—1 Mpanjaka 12:26-33.

Hoatran’ny hoe antony tsara no nanaovan’ireo Israelita ireo an’izany, satria nilaza izy ireo hoe hivavahana amin’Andriamanitra sy hampifaliana azy ilay izy. Tsy tian’Andriamanitra anefa izany, rehefa jerena ilay teniny tamin’ny alalan’i Amosa sy ny mpaminany hafa. Hoy koa izy, tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” (Malakia 3:6) Mazava àry hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’ireo fanao be dia be amin’ny Krismasy.

Olona an-tapitrisany no tapa-kevitra fa tsy hanao Krismasy rehefa avy nandinika an’ireo rehetra ireo. Amin’izay fotoana tiany mandritra ny taona izy ireo no mikorana miaraka amin’ny havana aman-tsakaiza sy manampy ny sahirana, ka tena faly sy afa-po.