Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tian’i Jeremia hambara rehefa nilaza izy hoe mitomany an’ireo zanany i Rahely?

Hoy ny Jeremia 31:15: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Misy feo re any Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana. Mitomany an’ireo zanany mantsy i Rahely, ary tsy mety hampiononina izy, satria tsy eo intsony ireny.’ ”

Tsy maty talohan’i Rahely ireo zanany roa lahy. Hoatran’ny diso àry ny zavatra nosoratan’i Jeremia, 1 000 taona taorian’ny nahafatesan’i Rahely.

I Josefa no zanak’i Rahely lahimatoa. (Gen. 30:22-24) Nanana zanakalahy hafa koa izy tatỳ aoriana, dia i Benjamina. Maty teo am-piterahana azy anefa i Rahely. Nahoana àry ny Jeremia 31:15 no milaza fa mitomany i Rahely satria “tsy eo intsony” ny zanany?

Marihina fa niteraka an’i Manase sy Efraima i Josefa. (Gen. 41:50-52; 48:13-20) Ny fokon’i Efraima no nahery indrindra tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra. Lasa nantsoina hoe Efraima ireo foko folo ireo. Anisan’ny fanjakana tany atsimo niaraka tamin’ny fokon’i Joda kosa ny fokon’i Benjamina, zanak’i Rahely faharoa. Azo lazaina àry fa ny hoe Rahely dia manondro ny reny rehetra teo amin’ny Israely, tany amin’ny fanjakana tany avaratra sy tany atsimo.

Efa noravan’ny Asyrianina ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra tamin’ny fotoana nanoratana ny bokin’i Jeremia. Maro no lasa babo tamin’izay. Nety ho nisy nandositra tany amin’ny faritanin’i Joda anefa ny sasany tamin’ny taranak’i Efraima. Resin’ny Babylonianina ny fanjakan’ireo foko roan’i Joda tany atsimo, tamin’ny 607 T.K. Toa maro ny babo nangonina tao Rama, valo kilaometatra teo ho eo tany avaratr’i Jerosalema. (Jer. 40:1) Angamba novonoina tao amin’io faritanin’i Benjamina io ny babo sasany. Tao koa no nilevina i Rahely. (1 Sam. 10:2) Ilay hoe Rahely mitomany ny zanany àry dia mety ho teny an’ohatra ilazana ny alahelo vokatry ny nahafatesan’ireo Benjaminita rehetra na ireo novonoina tao Rama. Mety hidika koa izany fa nitomany daholo ireo reny teo amin’ny Israely, rehefa maty na nentina ho babo ny Israelita.

Na izany na tsy izany, dia faminaniana momba ny zavatra nitranga taonjato maro tatỳ aoriana ilay hoe mitomany an’ireo zanany i Rahely. Manondro ny zava-nitranga tamin’i Jesosy mbola kely ilay izy. Nasain’i Heroda Mpanjaka novonoina daholo ny zazalahy roa taona no ho midina tao Betlehema, tany amin’ny faritra atsimon’i Jerosalema. Tsy teo intsony ireny zaza ireny fa maty. Eritrereto ange ny alahelon’ireo reny namoy ny zanany e! Toy ny hoe re hatrany Rama, any amin’ny faritra avaratr’i Jerosalema, ny fidradradradran’izy ireo.—Mat. 2:16-18.

Mety tsara mba hilazana ny alahelon’ireo vehivavy jiosy namoy ny zanany àry ilay hoe Rahely mitomany ny zanany, na tamin’ny andron’i Jeremia izany na tamin’ny andron’i Jesosy. Toy ny hoe nankany amin’ny “tanin’ny fahavalo”, dia ny fahafatesana, ireo olona maty. Hafahana anefa izy ireo ary hiverina rehefa hatsangana ny maty.—Jer. 31:16; 1 Kor. 15:26.