Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana Tsy Nampoizina ho An’ny Japoney

Fanomezana Tsy Nampoizina ho An’ny Japoney

NISY fivoriana manokana natao tany Nagoya, any Japon, tamin’ny 28 Aprily 2013. Gaga ny mpanatrika rehefa nilaza i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, fa nivoaka tamin’ny teny japoney ny bokikely vaovao hoe Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio. Nitehaka ela be ireo olona 210 000 mahery, izay nanatrika an’ilay fivoriana na nanaraka izany tamin’ny alalan’ny Internet.

Miavaka io Filazantsaran’i Matio io, izay misy 128 pejy ary nalaina tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny japoney. Nohazavain’ny Rahalahy Morris fa “natao mifanaraka amin’izay ilain’ny Japoney izy io.” Inona no mampiavaka azy io? Nahoana izy io no navoaka? Tian’ny olona ve ilay izy?

INONA NO MAMPIAVAKA AZY IO?

Azo atao mitsivalana na mitsangana ny soratra japoney. Mitsivalana ny soratra amin’ny zavatra vita pirinty sasantsasany any Japon, anisan’izany ny bokintsika navoaka farany. Nahagaga ny mpanatrika anefa ilay bokikely vaovao. Natao mitsangana mantsy ny soratra ao amin’izy io, toy ny amin’ny gazety sy asa soratra japoney be mpitia. Maro ny Japoney mahita hoe mora vakina kokoa io soratra io. Natao lohatenikely ao anaty lahatsoratra koa ireo lohateny eny an-tampon’ny pejy mba ho mora hita kokoa ny hevi-dehibe.

Tonga dia namaky ny Matio ny rahalahy sy anabavy tany Japon. Hoy ny anabavy iray 80 taona mahery: “Efa imbetsaka aho no nahavaky ny Matio. Lasa azoko kokoa anefa ilay Toriteny teo An-tendrombohitra noho ilay soratra mitsangana sy ireo lohatenikely.” Hoy koa ny anabavy tanora iray: “Vitako indray namaky ny Matio. Ilay soratra mitsivalana no mahazatra ahy, fa ilay mitsangana kosa no tian’ny Japoney maro.”

NATAO HO AN’NY JAPONEY

Nahoana no mifanaraka amin’izay ilain’ny Japoney ny bokin’i Matio? Maro ny Japoney tsy mahay Baiboly, nefa vonona hamaky azy io. Afaka mahazo ampahany amin’ny Baiboly sy mamaky azy io àry izao ny Japoney mbola tsy nahita Baiboly.

Nahoana ny Filazantsaran’i Matio no nofidina? I Jesosy Kristy no tonga ao an-tsain’ny ankamaroan’ny Japoney rehefa mandre hoe “Baiboly.” Ny Matio àry no nofidina satria hita ao ny tetirazan’i Jesosy sy ny nahaterahany, ny toriteniny malaza teo an-tendrombohitra, ary ilay faminaniana miavaka nolazainy momba ny andro farany. Mahaliana ny Japoney maro ireo.

Nazoto nizara ny Matio ny mpitory tany Japon rehefa nitory isan-trano sy niverina nitsidika. Hoy ny anabavy iray: “Afaka mametraka ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona maro kokoa ao amin’ny faritaninay aho izao. Ny tolakandro nanaovana an’ilay fivoriana manokana aho dia efa nahapetraka Matio iray.”

TIAN’NY OLONA VE ILAY IZY?

Inona no resahin’ny mpitory rehefa hanolotra ny Matio? Efa mahazatra ny Japoney maro ny fiteny toy ny hoe “vavahady tery”, ‘perla atsipy eo anoloan’ny kisoa’, ary “aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso.” (Matio 6:34; 7:6, 13) Gaga izy ireo rehefa ilazana fa i Jesosy Kristy no nilaza an’ireo. Maro no miteny toy izao rehefa mahita an’ireo ao amin’ny Filazantsaran’i Matio: “Efa mba ela aho no te hamaky Baiboly, na dia indray mandeha monja aza.”

Rehefa miverina mitsidika an’ireo nandray ny Matio ny mpitory, dia matetika izy ireo no milaza fa efa namaky ampahany tamin’ilay izy, na izy manontolo. Hoy ny lehilahy 60 taona mahery tamin’ny mpitory iray: “Namaky azy io imbetsaka aho ary nampahery ahy izany. Mba ampianaro ahy bebe kokoa re ny Baiboly e.”

Anisan’ny boky atolotra amin’ny fitoriana eny amin’ny toerana be olona ny Matio. Nanao an’io fitoriana io ny anabavy iray. Nandray ny Matio ny tovovavy iray ary nomen’ilay anabavy azy ny adiresy e-mail-ny. Nanoratra taminy ilay tovovavy adiny iray taorian’izay, ary nilaza fa namaky ampahany tamin’ilay izy ka te hahazo fanazavana bebe kokoa. Nanomboka nianatra Baiboly izy herinandro taorian’izay, ary tsy ela dia nivory.

Maherin’ny 1 600 000 Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio nalefa tany amin’ireo fiangonana eran’i Japon. Mametraka an’aliny amin’izy io ny Vavolombelona any isam-bolana. Mampita ny fihetseham-pon’ny mpampanonta ny sasin-tenin’izy io. Voalaza ao hoe: “Manantena amin’ny fo manontolo izahay fa hampitombo ny fanirianao hahalala ny Baiboly ny famakianao azy ity.”